VAKINAKARATRA
Mme Dorety : MANAMBOATRA FANAMPIN-TSAKAFON-TRONDRO AMIN’NY ALALAN’NY FIOMPIANA LALITRA MAHASOA NA NY BSF

Tsy mandany vola Ary mora hiompiana sy karakaraina hoy Mme Dorety ny fiompiana lalaitra Mahasoa na BSF izay mamokatra olitra vaventy ho fanampitsakafon’ny biby fiompy toy ny trondro. Marihina fa Anisan’ny tsara ho an’ny trondro izy ity izay mora sy tsara ny tahan’ny fampamokarana manoloana ny provandy noho ny olitra vokarin’ity farany manana taha ambony amin’ny otrikaina (protéines) sy menaka « lipides » ilain’ny trondro, izany oe mahasolo tanteraka ny provandy mihintsy. Sakafo organika raha teo ny sakafony toy ny ambin-tsakafo any an-tokatrano tsirairay ka tsy misy akora simika mihintsy. Anisan’ny mpisitraka ny Tetikasa SANUVA ihany koa ny tenany izay ahafahany mahazo ireo toromarika ara-teknika rehetra hanatsarana ny asa fihariana. #MPEB #BSF #SAKAFON-TRONDRO #SANUVA #APDRA #VAKINANKARATRA

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’IREO MPIANATRA AMIN’NY ONIVERSITE U-MAGIS BEVALALA.

Mpianatra maherin’ny 600 no Tonga nanatrika ny fifampizarana niarahana tamin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany tao an-toerana. Voaresaka tao avokoa ireo fahalalana ankapobeny izay manitikitika ireo mpianatra tao ny mahakasika ny maha olona , ny haitondra sy ny fitantanana , ny fihariana anaty rano sy ny tontolony sns… Izao no natao ahafahan’izy ireo mijery sahady ny asa sy ny fanirian’izy ireo rehefa any aoriana Ary koa tsy ho tompotrano mihono amin’ireo Zava-misy rehetra manodidina ny maha olona sy fahiza-mitantana sy fahaiza-mihary. #MPEB #CONFERENCE #UMAGIS #BEVALALA

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO
U-MAGIS BEVALALA: MANOFANA TANORA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO

MANOFANA TANORA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO. Tanora manodidina ny arivo any ho any no miofana eto amin’ny mompera amin’ny U-Magis bevalala izay manao ny resaka fambolena ,ny fiompiana Ary ny fihariana anaty rano. Raha ny hita tena an-toerana dia hananan’izy ireo ny rano sy ny tany manodidina ny 100 ha mahery izay ahafahana mametraka ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) . Azo ambolena ao avokoa ireo akora fototra ho atao provandy na sakafon-trondro na ireo biby hafa. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nijery ny fomba hiara-miasa amin’izy ireo entina hampiroboroboana izany ahafahana mamatsy sy mamaly ny filàna an-tanan-dehibe toy ny eto Antananarivo fa indrindra hanatrarana ny vina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Marihina hatrany fa ny toerana Rehefa misy rano dia afaka hiompiana trondro Rehefa voafehy ireo teknika rehetra . #MPEB #UMAGIS #FIOMPIANATRONDRO #BEVALALA

Antaninarenina-Antananarivo, Faritra Analamanga
Fivoriana faha dimy nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny UA-BIRA.

Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny 03 andro ao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny  » Réunion Consultative des Parties Prenantes Nationales pour élaborer une feuille de Route visant à renforcer la mise en œuvre et la gouvernance des Zones de Protection Marine (ZMP)en République Madagascar » izay iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny UA-BIRA. Fivoriana afahantsika mifampizara traikefa maro izay ananantsika amin’ny fitantanana ireo Faritra Arovana. Andrasana aorinan’izao arak’izany ny tondro-zotra hanatsarana ny fametrahana sy fitantanana ireo Faritra arovana an-dranomasina hampiroborobo ny Toekarena Manga sy ny fidirambolan’ireo vondron’olona ifotony. Ny fananana izany tondro-zotra izany dia hitondra avo dia avo ny « visibilité » an’i Madagasikara ary indrindra hampitombo ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Nosokafan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert tamin’ny fomba ofisialy moa izany fivoriana izany ny 19 Febroary 2025. Nanamafy moa ny tenany fa « Tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fikajiana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananantsika ».Marihina fa izao no fivoriana faha dimy nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny UA-BIRA teto Madagasikara ho fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga. #MPEB #UA_BIRA #Faritra_Arovana #Jono #Toekarena_Manga

Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Fidinana ifotony ho fanazavana sy fanentanana mahakasika ny SAP amin’ny alalan’ireo « Panneaux agro-météorologiques »

Ao anatin’izao fiovaovan’ny toetrandro sy manoloana ny vanim-potoanan’ny rivodoza ary ireo tranga faharendrehana an-dranomasina tato ho ato dia naka fotoana Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, nanazava sy nanentana mba ho fanamafisana ny antony sy ny tanjona nametrahana ny SAP amin’ny alalan’ireo « Panneaux agro-météorologiques » napetraka eny amin’ny Tanànan’ny mpanjono ireny. Voalohany amin’izany ny fanambarana : ARO LOZA : Famerenana ny fomba famakiana (lecture) azy ireny mba hafahana manapa-kevitra alohan’ny hiandriake ka hisorohana ny loza azo antoka fa hitranga. Faharoa manaraka izany ny : FITANTANAM-BOLA : Ny fahalalana ny mety ho toetry ny andro dia mampiomana sy manampy amin’ny fikajiana ny vola ao an-tokatrano. #MPEB #DRPEBAtsimoAndrefana #SAP #Panneaux_agro_météorologiques

Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy
Fitsidihana Fiompiana trondro « intensif en circuit fermé »

Toeram-piompiana trondro iray ao Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’i Tolagnaro, no efa miditra amin’ny sehatra matianina amin’izao fotoana izao ary mampiasa ny fomba fiompiana « intensif en circuit fermé » na fomba fiompiana trondro manana hakitroka ambony ary misy fanadiovan-drano manonkana ka tsy mampiasa rano avy ivelany intsony. Tonga nitsidika ny toerana ny avy eo anivon’ny DRPEB Anôsy ny faha 15 Febroary 2025. Marihana fa efa maherin’ny roa taona izao no nitsanganan’ity toeram-piompiana trondro ity ary Tilapia 8 000 isa no ompiana anaty dobo « hors sol » vita amina simenitra miisa 04. Ny Fikambanana Tanamaintso izay tarihin-dRtoa Lova no mitantana azy. Ity fomba fiompiana fia iray ity dia anisan’ny mamaha olana ary manampy amin’ny fiompiana trondro an-tanana ka manoloana izany indrindra dia nisy ny fanomezana toromarika ho fanatsarana isan-karazany toy ny rano izay hita fa maintso loatra. #MPEB #DRPEBAnôsy #FiompianaTrondro #Intensif_en_circuit_fermé #Dobo #Hors_sol #Tanamaintso

Kaominina Ambanivohitra Ambalanjanakomby, Distrikan’i Maevatanàna, Faritra Betsiboka
Akon’ny taom-pambolen-kazo 2025

Ny faha 14 Febroary 2025 teo no nanatanterahana ny fambolen-kazo ho an’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Betsiboka izay niarahana tamin’ny Fikambanan’ny Mpanjono FIMPA avy ao Ambalanjanakomby ary notontosaina tao amin’ny Kaominina Ambalanjanakomby ihany. Zana-kazo miisa 500 izay nahitana zana-kazo mahabibo niisa 440 sy Kahya izay natolotry ny avy eo anivon’ny Fari-piadidian’ny Rano sy Ala (CIREF) ao Maevatanàna ary zanakazo manga miisa 60 avy amin’ireo Mpanjono FIMPA no novolena teo amoron’ny ranovory Besalohy mba hoentina hiarovana ity ranovory ity izay manana velarana 0,4Ha eo eo. Tonga niara nisalahy tamin’ity fambolen-kazo ity ny Ben’ny tanàna tao an-toerana, ny Sefo fokontany ary ireo fokonolona ary nampahatsiahivina hatrany teto ny maha-zavadehibe ny ala eo amin’ny sehatrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga satria tsy misy ny Toekarena Manga raha tsy misy ny rano ary ny fambolenkazo no miteraka ny fisian’ny ala izay hampisy ny rano. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #FIMPA #Fambolen_kazo# Toekarena Manga

Madagascar :
Le Ministre Paubert MAHATANTE démarre l’année 2025 sur les chapeaux de roue pour la croissance de l’économie bleue malagasy

Plusieurs initiatives majeures visant à renforcer le secteur halieutique et à promouvoir l’économie bleue du pays engagées avec célérité dès le premier mois de l’année. Inauguration d’une usine d’aliments pour poissons à Ambohimangakely Le 30 janvier, le ministre, Dr Paubert Mahatante, a inauguré l’usine Arbiochem à Ambohimangakely, la première unité de production à grande échelle dédiée à la fabrication d’aliments pour carpes et tilapias. Avec une capacité annuelle de 10 000 tonnes, cette usine vise à soutenir le développement de l’aquaculture à Madagascar, réduisant ainsi la dépendance aux importations et renforçant l’autosuffisance alimentaire en poissons. Dr Mahatante a souligné l’importance de rapprocher la production des consommateurs pour garantir des prix compétitifs et assurer la sécurité alimentaire pour les populations de la grande île. Promotion de l’aquaculture pour répondre à la demande croissante de crabes Face à une demande mondiale en forte croissance, notamment pour les crabes mous très prisés sur les marchés internationaux, le ministre, Dr Mahatante, a encouragé le développement de l’aquaculture. Il a mis en avant l’élevage de crabes comme solution pour compléter la pêche sauvage et assurer une offre régulière, tout en préservant les écosystèmes naturels tels que les mangroves. Des partenariats avec des pays experts en aquaculture, comme les Philippines et le Vietnam, sont envisagés pour moderniser les pratiques et augmenter la production nationale. Sauvetage de plus de 400 pêcheurs dans l’extrême sud Fin janvier, après des conditions météorologiques extrêmes ayant entraîné la disparition de centaines de pêcheurs dans la région de l’Androy, le Ministre, Dr Mahatante, a supervisé les opérations de recherche qui ont permis de retrouver 424 pêcheurs sains et saufs. Il a souligné la nécessité de former et de sensibiliser ces nouveaux pêcheurs, souvent d’anciens agriculteurs reconvertis en raison de la sécheresse, aux consignes de sécurité en mer et aux prévisions météorologiques. Le ministre a également mentionné la construction d’une école de pêche dans l’Androy pour renforcer ces efforts. Préparation du Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue (FOJAEB) Approuvé par le Conseil des Ministres en sa séance du 18 décembre 2024, le FOJAEB sera co-organisé par le Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue et l’Organisation Panafricaine de la Jeunesse pour l’Economie Bleue (OPJEB). Dr Paubert Mahatante a engagé les actions pour la mobilisation des partenaires techniques et financiers ainsi que des acteurs locaux de la Ville de Toliara où le FOJAEB aura lieu du 17 au 19 avril 2025. Ces actions illustrent l’engagement du Dr Paubert Mahatante à dynamiser le secteur de la pêche et de l’économie bleue à Madagascar, en mettant l’accent sur l’innovation, la durabilité, l’inclusion des jeunes et la sécurité des communautés de pêcheurs. Gantchéxo Sèssomissou Source : Blue eco africa