Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano, Faritra Analamanga
Fambolen-kazo 2025
Araky ny ambeti-tenin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert matetika dia : « Ny ala no mahatonga ny orana.Ny orana no miteraka ny rano. Ny rano no mampisy ny Tokarena Manga sy mahatonga ny fihariana anaty rano » sy ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia niroso tamin’ny famitahana ny adidy fambolen-kazo 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano androany 13 Febroary 2025. Zana-kazo miisa 3000 ahitana acacia, Kininina, Frêne no novolena tamin’ny velaran-tany 2ha. Nitarika ny hetsika tamin’izany Atoa Minisitra notron’ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera, ny Solombavambahokan’ny Distrikan’Atsimondrano sy ireo mpiara-miombon’antoka miaraka amin’ireo mponin’ny Bongatsara ary ireo manampahefana ao an-toerana. Nanome baiko moa Atoa Minisitra amin’ny hanaraha-maso sy hikojakojana ireo Zana-kazo novolena, nanome toky ny avy ao amin’ny DRPEB Analamanga sy ny Kaominina Bongatsara ny amin’izany. Loha-hevitra nandritra ity hetsika ity ny hoe: » Ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». #MPEB #Hazo #Ala #Toekerena_Manga #Fihariana_anaty_rano #Fambolen_kazo
FESTIVAL CAMÉLÉON 2025
Ho Tanterahina ao Amboasary Atsimo Faritra Anôsy ny andiany Voalohany
Anisany Mampiavaka an’i Madagasikara ny fananany ireo zava-manan’aina maro , ny 50% n’ireo dia tsy hita raha tsy eto amintsika izay miteraka harena sy laza ho an’i Madagasikara . Ny festival caméléon dia hetsika iray entina ampahafantarina ireo zava-manan’aina rehetra ao amin’ny toerana iray . Nosafidiana manokana ny Faritra Atsimo nohon’ny fananany ireo harena voajanahary sy zava-manan’aina tsy fahita firy anisan’izany ireo karazana tanalahy sns.. Raha ho an’ny sehatry ny Jono indray dia manana ny Lac Anony Isika ao Amboasary izay ahitana karazana trondro toy ny Angera izay tsy fahita Raha tsy eto ihany koa izay handraisan’ny MPEB anjara . Mila harovana avokoa izy ireo Mbola ho fantatr’ireo taranaka any aoriana . Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no anisan’ny Mpiahy ity hetsika andiany Voalohany ity , izay ho Tanterahina ny 13,14,15 Jona 2025 ho avy izao .Ny ONG Caméléon Madagasikara kosa no mikarakara ity hetsika ity. #MPEB #RICHESSENATURELLE #FESTIVALCAMELEON2025 #AMBOASARYATSIMO
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’Atoa Solotena maharitra ny PNUD niresahana ny fikarakarana ny fanatanterahana ny FOJAEB
Tonga nitsidika an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny Birao fiasany, Ampandrianomby, Antananarivo, androany faha 11 Febroary 2025, ny solotena maharitra ny PNUD eto Madagasikara, Atoa Dr Edward A. CHRISTOW. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisan’ny PNUD amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fikarakarana, fandraisana an-tanana ary indrindra amin’ny fanatanterahana ny FOJAEB (Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue) na Fivoriam-be hoan’ny tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga izay hotanterahana any Toliara ny faha 17 hatramin’ny 19 Aprily 2025. Marihana moa fa ity hetsika ity dia mifanindry an-dalana amin’ny « Youth Connekt Africa » hiarahan’izy ireo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ahitana tanora Afrikana manodidina ny 25 000 ho tonga eto Madagasikara. Hetsika roa samihafa nefa afaka mifandray ireo satria dia samy mahakasika ny fampiroboroboana tanora avokoa. Hitodika amin’i Madagasikara noho izany ny mason’ny Firenena Afrikana sy izao tontolo izao amin’ity taona ity manoloana ireo hetsika roa lehibe sy manan-danja ireo ka isaorana ry zareo ao amin’ny PNUD nanampy antsika, indrindra Atoa Dr Edward A. CHRISTOW, Solotena maharitra, amin’ny fahavononana. #MPEB #PNUD #FOJAEB #EconomieBleue #YouthConnektAfrica
Akadinondry Sakay
Fitokanana amin’ny fomba ofisialy Tsangam-bato marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’Atoa Minisitra Teo an-toerana
Hafaliana Ary voninahitra lehibe ho an’ireo vahoan’ny Akadinondry Sakay ihany koa izao fandalovan’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert izao , ny ankamaroan’izy ireo izay misehatra amin’ny fiompiana trondro ,Nisy koa anefa ireo Vao hisehatra amin’izany. Nisy arak’izany ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny tsangam-bato izay marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’A toa Minisitra Teto an-toerana. Nirary soa Ary Maniry ny tenany fa aorian’izao fandalovany izao dia hitombo avo roa heny ireo vahoaka hisehatra amin’ny fiompiana trondro #MPEB #BONGOLAVA #ANKADINONDRY_SAKAY.
FARIHY LEHIBE AKADINONDRY SAKAY
ZANA-TRONDRO MIISA 10 000 NO NAROTSAKA.
Miisa 8 ny Farihy ao Akadinondry Sakay,ny 6 amin’ireo no nandrotsahana zana-trondro miisa 10 000 izay hetsika natao nandritra ny fambolekazo tao an-toerana. Nisy ny fanomezana ireo zana-trondro ireo tamin’ny fikambanan’ny mpanjono ao an-toerana izay Ahitana renin-trondro miisa 5 Ary trondro lahy miisa 4. Nandritra izany dia Nisy hatrany fanazavana tsotsotra nataon’A/toa Minisitra amin’ireo teknika rehetra Rehefa mandrotsaka zana-trondro. Nanotrona Ary Niaraka nandrotsaka ny zana-trondro hatrany ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra, Sy ireo manam-pahefana eny ifotony. Hita nandritra izany fa maro be ireo Liana ny hampiroboroboany sehatry ny fanjonoany aty amin’ny Faritra Ary Vonona ny hampihatra ireo teknika rehetra. #MPEB #BONGOLAVA #FANDROTSAHANAZANATRONDRO
Akadinondry Sakay ,Faritra Bongolava
FAMBOLEN-KAZO : Zana-kazo miisa 4300 fototra no novolena.
Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fisian’ny rano ny ala , miaro ireo renirano Ary ahafahana hitehirizana ireo loharano. Tsy misy kosa ny resaka fanjonoana Raha tsy misy ny ala . Nanantateraka fambolekazo tao Akadinondry Sakay Niaraka tamin’ny Fikambananan’ny AISPA A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay notronin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra Bongolava Sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eny ifotony, ny ekipan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy. Nandray anjara tao avokoa na ireo mpianatra na olon-tsotra ,sivily sy miaramila. Zana-kazo miisa 4300 no novelana Ary iront karazana-kazo Frêne izay anisan’ny hazo tsara indrindra. Ho an’ny Ministeran’ny Jono : Ny ala nonmampisy ny rano. Ary ny rano mampisy ny Toekarena Manga. #MADAGASIKARA_RAKOTRA_ALA_NO_TANJONA. #MPEB #FAMBOLENKAZO #AISPA #DIREDD #BONGOLAVA
Kaominina Ambanivohitra Sakalalina,Distrikan’Ihosy,Faritra Ihorombe
Fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fizotry ny fiompiana trondro.
Nanatanteraka fidina ifotony ny 05 Febroary 2025 teo tao amin’ny FKT Marokoliva, Kaominina Ambanivohitra Sakalalina ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) sy ny CSRPA Ihorombe nanara-maso sy nanjohy ny fizotry ny fiompiana trondro ataon’ny vondron’ny Tantsaha izay manana dobo miisa sivy ka ny fito amin’ireo dia hiompiana Karpa izay miisa 2100, ary ny roa kosa Tilapia miisa 800 eo. Vinavinaina havoaka amin’ny volana May izao ireto vokatra ireto raha tany amin’ny volana oktobra 2024 tany no nampidirana azy. Mandeha ny fiompiana na dia misedra olana eo amin’ny rano sy ny sakafon-trondro. Nisy arak’izany ny toromarika nomena ny amin’ny fomba hitantanana ny rano sy ny fitsinjarana ny sakafo. Noentanina ihany koa izy ireo mba hanala ireo pirina izay hita fa maro ao anaty dobo mba hampihenana ny mpifaninana amin’ny fihinanana ny sakafo. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Fkt Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana mahakasika ny fikatonan’ny Jono Oratsimba
Mba ho fanamafisana ny ezaka fandresena lahatra ny mpanjono hitsinjo hatrany ny hampaharitra ny Jono Oratsimba (Langouste) dia nitohy tao Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, ny fidinana ifotony narahana fanentanana nataon’ny ekipan’ny DRPEB Fitovinagny, ny faha 04 Febroary 2025, . Nisy araka izany ny fampatsiahivana ny didy aman-dalana mamaritra fa mbola mikatona ny Jono Oratsimba amin’izao fotoana izao. Amin’izao vanim-potona fahavaratra izao ihany koa dia nentanina ny mpanjono hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetrandro amin’ny alalan’ny fihainoana ireo onjam-peo (Radio) fa indrindra hampiasa ireo takelaka (panneaux) SAP izay nozaraina. Nofaranana tao Andranodaro ny hetsika izay niresahana ireo tsara ho fantatra mahakasika ny ICAM. Fokonolona sy mpanjono manodidina ny 90 no tonga nanatrika ireo hetsika ireo. #MPEB #DRPEBFitovinagny #Oratsimba #Langouste #ICAM #SAP #Mpanjono
Antananarivo, Faritra Analamanga,
ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY FARITRA MANDO
Nanotrona ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny faritra mando izay natao ny faha 03 Febroary 2025, ny #MPEB notarihan’Andriamatoa Tale Jeneraly ny Toekarena Manga ary notronon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Analamanga teo amin’ny farihin’ny Mandroseza, Antananarivo. Nisongadina tamin’izany ny fanentanana ny tsy hanimbana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny tsy fandoroana tanety, ny fikajiana ny rano sy ny renirano izay antoky ny aina ho an’ny olombelona, ny biby indrindra fa ny trondro, tsy fandotoana ny eny an-tanenty amin’ny tsy fanariana fako isakarazany satria ireny no entin’ny orana izay manentsina ny lakandrano. Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny sisin-dranon’Ikopa izany hetsika izany. #MPEB #MEDD #DGEB #DRPEB_Analamanga #Faritra_mando
Camp ENSOA Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
Famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra nandritra ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra »
Notontosana teo anivon’ny ENSOA Antsirabe ny faha 31 Janoary 2025 hatramin’ny 01 Febroary 2025 ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra » ka tonga namaly ny fanasana sy nanotrona izany ny DRPEB Vakinankaratra sy ny ekipany. Nasongadina nandritra izany ireo ezaka rehetra vita teo anivon’ny Sekoly vokatr’ireo fiaraha-miasa isan-karazany ka tsy latsa-danja amin’izany ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra io fotoana io ihany koa ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra rehetra ny taona 2024 ka nisy tamin’izy ireo nisafidy manokana ny taranja « Fiompiana trondro ». Hita sy tsapa miroborobo ihany koa ny « Station vitrine » ankehitriny izay azo sokajiana ho ZEP satria ahitana ny singa rehetra mahakasika ny fiompiana trondro ary efa maro ireo tanora mpianatra nandray soa avy aminy. Trondro matavy an-taonina no niakatra ary efa manatavy ireo zana-trondro novokariny ny ENSOA ankehitriny (10 000 Alevins carpes). Miisa 500 mahery kosa no nampiofanina hiompy trondro na sivily io na miaramila ka notolorana fankasitrahana avy amin’ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra. #MPEB #DRPEBVakinankaratra #ENSOA #FiompianaTrondro
