Hôtel Vakinahandro,Kaominina Ambonivohitra Antsirabe,Distrikan’Antsirabe I,Faritra Vakinankaratra
Atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy tao Vakinankaratraizay.
Taorian’ny fikaroam-bahaolana momba ny fampandriana fahalemana eo amin’ny fiompiana trondro natao tany Amoron’i Mania dia nisy ihany kosa ny atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy eto Vakinankaratraizay natao ny faha 31 Janoary 2025. Nanatrika izany ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny dia ny teo anivon’ny Jono sy Toekarena Manga, Varotra sy Fanjifana, Fanajariana ny Tany, Fambolena sy Fiompiana, ny Tontolo iainana ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ny Tale misahana ny Fampandrosoana eo anivon’ny Faritra ary ny solotenan’ireo mpanjono avy amin’ireo VOI mpikambana ao amin’ny koperativa FIFIMPAVA. Taorian’ny famelabelaran-kevitra isan-karazany dia narafitra ny paikady iraisana hisorohana ny tsindry mihatra amin’ireo mpanjono araka izay azo atao. Naneho ny fahavononany amin’ny andraikitra manandrify azy avy ireo mpisehatra tsirairay. Marihana fa ny tetikasa FANAINGA+ sy ny Koperativa FIFIMPAVA no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izao atrikasa izao. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #VOI_FIFIMPAVA #tetikasa_FANAINGA+ #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Un drame humain évité de près dans le Sud de Madagascar
Des centaines de pêcheurs portés disparus en mer secourus à temps dans la région Androy et Anosy grâce au leadership du Ministre Dr. Paubert Mahatante. Ce 30 Janvier 2025, 154 pirogues ont été déclarées disparues en mer au large d’Ambovombe, région Androy. Malgré le rouge affiché sur les tableaux agrométéorologiques en raison du mauvais temps, les pêcheurs ont bravé les vagues à cause de la recherche de revenu de subsistance selon eux. Ils espéraient ramener de quoi subvenir aux besoins quotidiens de leurs familles. Lire la suite de l’article en cliquant sur le lien suivant: Source : Blue Eco Africa https://blueecoafrica.com/un-drame-humain-evite-de-pres…/ #Madagascar #pêche #pêcheur #mer #pêchemaritime #sauvetage #Afrique
EFA TAFAVERINA AN-TANETY AVOKOA IREO MPANJONO 424 TAVELA AN-DRIAKA TATY AMIN’NY FARITRA ANDROY
Isaorana ny lehibe indrindra fa tafaverina avokoa ireo mpanjono 424 refa noentin-driaka nandritra ny andro ratsy teto amin’ny Faritra Androy ny Talata lasa teo ary tsy nisy ny aina nafoy . Ho an’ny androany, voatatitra avokoa ny hakamaroan’ireo mpanjono izay tao amin’ny kaominina Ranobory, Sarisambo sy Analapatsy ary Faradofay. Samy haterina ao Maroalomainty avokoa izy ireo izay toerana fonenany avy. Marihina fa Nisy ihany koa ireo vadina mpanjono izay nahavita dian-tongotra lavitra tamin’ny fitsenana ireo mpanjono. Niaraka tamin’ny fakana sy fanaterana azy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra izany . Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana, ireo mpisehatra rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanampiana rehetra nandritra ny fanavotana ireo mpanjono ireo. #MPEB #MPANJONO #FARITRA_ANDROY #ANDRORATSY.
AMBOVOMBE ANDROY
MITOHY NY FITANTERANA IREO MPANJONO FEFIKA
Hatramin’ny omaly dia mitohy Amin’izao fotoana izao ny fitanterana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina. Miisa 32 ireo mpiandriaka izay fefika tany Analapatsy naterina teto Maroalomainty fonenan’izy ireo . Tsara ny manamarika fa nandray an-tanana azy ireo tamin’ny famahana sakafo ireo fédération des pêcheurs tao Analapatsy . tsy Nisy aina nafoy Ary Salama tsara avokoa izy rehetra. Nanantitra azy ireo teny an-toerana Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Narahina fanentanana hatrany ny fifampiresahana teo amin’izy ireo. Isaorana hatrany ireo mpisehatra rehetra tamin’ny fanavotana sy fanomezana fitaova-pitaterana ireo mpanjono. #MPEB #MPANJONO #FEFIKA #AMBOVOMBE.
Tohin’ny vaovao momba ireo Mpanjono aty Atsimo
Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka
Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka izay niainga tao Taolagnaro ny tolakandro teo ary nankany Ambovombe Androy. Nanaraka ny sisindranomasina rizareo ny nandroso ary nahazo anatiny kokoa nohon’ny niverina. Tsy misy lakana na Mpanjono hitandrizareo tao anatin’ny adiny roa nanaovana ny sidina. Marihina ihany koa fa efa tody ao Analapatsy avokoa ireo lakana sisa tavela anio tolakandro ihany. Efa mamaram-paranany fitaterana azy ireo mankany aminˋny toerana niaviany ny Minisitera izao. Mamerina ny fisaorana ho anˋny rehetra, indrindra fa ny Tafika anˋabakabaka aminˋizao fifanomezan-tanana izao. #MPEB #MPANJONO #SURVOL #ANDRORATSY #FARITRAATSIMO
FANDALOVAN’NY ANDRO RATSY TAO AMBOVOMBE ANDROY
MIISA 11 IREO MPANJONO MBOLA KAROHINA, TSY MISY KOSA NY AINA NAFOY
Tsy mikely soroka ireo mpisehatra isan-tsokajiny miaraka amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert aty an-toerana fa Manao ny ezaka rehetra hanavotana ny ain’ireo mpanjono namana.tavela an-driaka. Hatreto dia mpanjono miisa 424 no Efa an-tanety , miisa 15 kosa ireo lakana tavela any an-dranomasina fa ny mpanjono nitondra ireo no Efa tafiakatra soa amantsara . 11 izany ireo Mbola karohina . Marihina fa Efa mande ihany koa ny sidina (survol) hanainga avy ao tolagnaro hamakivakiky ny ranomasina anelanelan’ny faradofay sy Ambovombe Androy hitady ireo lakana 11 karohina. Hisaorana hatrany ny fiaraha-mientan’ ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifanomezan-tanana ao ny Aquatic Service , ny BNGRC , ny QMM … #MPEB #ANDRORATSY #MPANJONO #AMBOVOMBE_ANDROY.
RAMBON-DANITRA FARITRA AMBOVOMBE ANDROY
NANOME VONJY RANO VAKY HO AN’IREO TRABOINA TAO AMBONDRO NY FITONDRAM-PANJAKANA.
Vary miisa 40 gony sy fanitso miisa 186 no natolotra ho an’ireo vahoaka Tao amin’ny kaominina ambondro Anio 31 Janoary 2025 avy amin’ny fitondram-panjakana eo ihany koa ny fiaraha-mientan’ ireo Mpiara-miombon’antoka rehetra ,ny BNGRC , ny avy ao amin’ny Aquatic Service sy ny maro hafa. Nidina teny ifotony A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert solotenan’ny fitondram-panjakana no sady mpiahy ny Faritra Androy nanolotra ireo vonjy rano vaky ho azy ireo izay narahiny fanentanana hatrany amin’ny tokony hitandremana manoloana ny tranga toy izao. Marihina fa tsy mpitranga matetika izy ity fa nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Na izany Ary Mbola ho avy ireo fanampiana maro samihafa omena azy ireo ,eo ihany koa ny fanohizana ny famerenana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina. #MPEB #VONJYRANOVAKY #RAMBONDANITRA #AMBONDRO #FARITRAANDROY.
Kaominina AMBAZOA , Kotoala , Distrikan’ny AMBOVOMBE , FARITRA ANDROY
Famonjena ireo mpanjono tavela any an-driaka
Ny Talata lasa teo no nisehoana rambon-dranitra mahery tany amin’ny Faritra Ambovombe Androy , Raha ny Zava-misy dia mpiandriaka maherin’ny 270 eo no tavela any an-driaka ao Kotoala izay nitondra lakana miisa 90. Amin’ny maha mpiahy ny Faritra Androy an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ireo mpanjono ihany koa dia Tonga eny an-toerana ny tenany izay solotenan’ny fitondram-panjakana ,miaraka amin’ireo Tompon’andraikitra eny ifotony nitady ny vahaolana rehetra hamonjena ny ain’ireo mpanjono ireo amin’ny fampiakarana azy ireo an-tanety. Hatreto dia lakana 36 no tafiakatra an-tanety. Nandritra ny fitsidihany dia nanamafy ny tenany fa tsy azo sangiana ny andro Ratsy indrindra ho an’ireo mpiandriaka, tsy nataotao foana ny fametrahana ireny takelaka famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro ireny fa mila hajaina tsara Hisaorana manokana ny avy ao amin’ny orinasa QMM tamin’ny fandefasana Sambo hanampiana amin’ny fampiakarana ireo mpanjono eo koa ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanentanana hatrany aty amin’ny Faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fametrahana ireo takelaka ho an’ny mpanjono sy ny fanohanana azy ireo. #MPEB #FAMONJENAIREOMPANJONO #ANDRORATSY #MIONJO
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fivorian’ny mpikambana eo anivon’ny vondrona marolafy nasionaly FiTI Madagasikara
Tao aorian’ny fankatoavan’ny filakevim-pitantanan’ny FiTI maneran-tany momban’ny tatitry ny asa nataon’ny Madagasikara taona 2023 teo amin’ny fangaharaharaha amin’ny sehatry ny Jono an- dranomasina na FiTI izay nataon’ny Vondrona marolafy nasionaly (Groupe Multi-partite National GMN),dia nanatanteraka fivoriana ny mpikambana eo anivon’ny GMN androany faha 29 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrianomby, ahitana ireo mpiantsehatra isan-karazany : solotenan’ny Ministera, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombona antoka. Fivoriana entina hanomanana ny atrikasa ho famohana amin’ny fomba ofisialy izay tatitry ny FiTI 2023 izay, kasaina hotanterahana ny volana Febroary ho avy izao. Amin’ny ankapobeany dia afaka atsidika sahady fa nisy fiatsarana ny tatitry ny asa hoan’ny taona 2023 raha mahakasika ny fangaraharahan’ny resaka jono an-dranomasina satria nanasongadinana manokana teboka 12 raha toa ka teboka miisa 06 no narafitra nandritry ny tatitra voalohany hoan’ny taona 2022. Izany dia manamafy sy manohy hatrany ny ezakin’ny Firenena Malagasy amin’ny firosoana bebe kokoa any amin’ny fangaraharahan’ny jono an-dranomasina. Aorian’izay atrikasa izay dia hisy ny fidinana ifotony ho fampahafantarana ny hevi-dehibe nivoitra nandritry ny tatitra ary ny fizarana fahaiza-manao sy fanamafisana ny traikefa hoan’ireo rantsa-mangaikan’ny Ministera eny ifotony sy ireo mpiantsehatra toy ny fikambanan’ny mpanjono sy ireo manana andraikitra rehetra amin’ny fitondrana tsara tantana mba hirosoana lavidavitra kokoa amin’izany fangaraharahana amin’ny jono izany. #MPEB #FiTI_Madagasikara #Tatitra_2023 #Jono
FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ORINASA MALAGASY FAMOKARANA SAKAFON-TRONDRO ARBIOCHEM.
Ambohimangakely
Rehefa nahavita ny andrana ara-teknika rehetra na teny anivon’ny mpiompy izany na tamin’ireo vokatra dia nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny #Orinasa #Malagasy voalohany lehibe indrindra amin’ny #famokarana #sakafon_trondro na ny #ARBIOCHEM .Orinasa mamokatra sakafon-trondro #karpa sy #tilapia amin’ny refiny 3mm ka hatramin’ny 4mm izay #tsara_kalitao ary amin’ny #vidinymirary. Manodidina ny 257 000 taonina isan-taona ny filàna sakafon-trondro eto Madagasikara ka hanatrarana izany dia ilaina ny fisian’ny Orinasa toy itony ary tanjona ny hampihenana hatramin’ny 10% ny vokatra hafarana avy any ivelany izay mbola tena lafo. Reharehantsika ny fisian’ity orinasa ity satria Malagasy avokoa na ireo mpiasa na ny tompony izany hoe manome asa ho an’ireo tsy an’asa eto Madagasikara ary indrindra fa Tafiditra tanteraka anatin’ny resaka transformation agricole amin’ny sehatry ny fihariana anaty rano Raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Ny hirariana dia hanenika an’i Madagasikara manontolo ny orinasa #ARBIOCHEM. Satria Anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fampiodinana ny harikarena eto Madagasikara. Mbola Ambony tokoa ny filana eto Madagasikara ka tsy vitan’olona iray fa mila mifanampy ary izao ihany koa no midika fa mahavita Isika malagasy Raha ny nambarany hatrany . Nosokafan’A/toa Minisitra #MAHATANTE_Paubert tamin’ny fomba ofisialy izany izay notronin’ny Filoha tale Jeneraly #Rivo_Andriamanalina , ny talen’ny fiompiana sy fampamokarana anaty rano Rtoa #Lantovololona_Felaniana . #MPEB #ARBIOCHEM #SAKAFONTRONDRO #ORINASAMALAGASY
