FAO & MPEB
MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FANANTATERAHINA NY FAMPIVOARANA NY FAMOKARANA ETO MADAGASIKARA AMIN’NY ALALAN’NY FIHARIANA ANATY RANO (TRANSFORMATION AGRICOLE) .

Tontosa ny herinandro lasa teo ny fikaonan-doha mahakasika ny fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara na ny « Trasformation agricole » izay nandraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin’ny fanomezan-danja manokana ny #Fihariana_anaty_rano. Ho an’ny FAO ,ity fihariana anaty rano na ny aquaculture ity no ho avin’ny tontolon’ny fanjonoana manerantany ka ilaina ny Fanamafisana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra izay miandraikitra izany. Arak’izany dia Manampy an’ny Ministera izy ireo amin’ny Fanampiana ireo mpanjono hiady amin’ny resaka #ICAM , ny fampitaovana azy ireo eo ihany koa ny fametrahana ireo sekolin’ny Jono ao Faux cap sy Diego sy ny maro hafa. Nanantateraka fitsidihana ara-pomba fifanajana tao amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ireo Solotenan’ny FAO aty atsimon’ny Afrika A/toa Patrice Talla Takoukam sy ny solotenana maharitry ny FAO eto Madagasikara A/toa Charles BOLIKO izay Efa niara-niasa tamin’ny MPEB hatramin’izay nifampitafa mahakasika ireo ezaka entina hampiroboroboana ny sehatry fihariana anaty rano ahafahana mampiroboro ny famokarana eto Madagasikara . Tsara ny manamarika fa ny FAO dia mpanolotsaina ny Minisitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatra izay hiasany. #MPEB #FAO #FIARAHA_MIASA .

Mahavatse II, Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Fanolorana fitaovam-panjonoana manara-penitra avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpanjono ao Toliara sy ny manodidina

Mba ho famporisihana ireo Mpanjono hanjono lavitra kokoa (peche au large) sy hanohanana azy ireo amin’ny ara-pitaovana dia anjaran’ny Toliara sy ny manodidina indray izao no nisitraka izany avy amin’ny Fitondram-panjakana. Isan’ireo tanjon’izao Fitondram-panjakana izao ny haha-matianina ny Mpanjono Malagasy. Izay no anton’izao fitarihana atao izao momba ny fampiasana ireo fitaovana raitra toy ny lakana vita amin’ny « fibre de verre » misy « glacière » 300-400kg ary ahitana milina 9,9CV. Misy ihany koa ireo harato « multi filaments » sy « palangres » hahafahana manjono ireo trondro any amin’ny lalina kokoa. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo eto Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony sy ireo Fikambanan’ny Mpanjono sy Fikambanan-drazana VEZO aty an-toerana. #Pirogue_fibre_verre_motorisée #Filet_multifilament #Palangres_palangrottes #Toliara_Atsimo_Andrefana #MPEB

CCI Ivato, Antananarivo
Fakan-kevitra entina hampivoarana ny famokarana mahakasika ny jono sy ny fihariana anaty rano

Anisan’ny nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fakan-kevitra entina hampivoarana ny famokarana mahakasika ny jono sy ny fihariana anaty rano nandritra ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concentration nationale sur la transformation agricole » teny amin’ny CCI Ivato, androany faha 23 Janoary 2025. Tanjona tokana no navoitra dia ny fampiroboroboana ny seha-pihariana jono sy ny fihariana anaty rano. Hoan’ny Ministera manokana raha mahakasika ny jono dia efa maro ireo foto-drafitrasa vita sy mbola eo an-dala-pahavitana ary mbola haorina sy ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-teknika ireo mpanjono madinika manerana ny Nosy. Ny olana misy nefa dia betsaka ny vokatra very sy simba ka zay no hilana fanodinam-bokatra ary maro ihany koa ireo vokatra miondrana any ivelany raha toa ka tokony mbola hisy ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Hoan’ny Fihariana anaty rano kosa dia efa miezaka ny Ministera manome fiofanana maimaim-poana manerana ny Faritra eto Madagasikara mba ho fampiroboroboana izay Fihariana anaty rano izay. Eo ihany koa ny fanampiana ireo tantsaha mpiompy trondro amin’ny alalan’ny fanomezana zanatrondro azy ireo ary ny farany dia ny fananganana foto-drafitrasa toy ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) manerana ny Nosy. Ny olana kosa dia mahakasika ny sakafo-trondro izay tena mbola lafo vidy hoan’ireo tantsaha nefa ny akora rehetra dia hita sy azo vokarina eto an-toerana avokoa ka mila jerena manokana ny mahakasika izay mba tsy ho sakana amin’ny fampiroboroboana ny Fihariana anaty rano. Nafana ny ady hevitra sy ny fifanakalozana ary tsapa tokoa fa efa maro no liana amin’ity seha-pihariana ity. Hatolotra ny tompon’andraikitra ny fehin-kevitra nivoitra nandritra izao fakan-kevitra izao ary hoaravona miaraka amin’ireo lohahevitra hafa nodinihana sy nifanakalozana nandritra izao fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara izao. #MPEB #Famokarana #TransformationAgricole #FiompianaTrondro #Jono #FiharianaAnatyRano

CCI Ivato, Antananarivo
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concertation nationale sur la transformation agricole », Andro voalohany

Nisokatra androany faha 23 Janoary 2025 ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concentration nationale sur la transformation agricole » izay haharitra 02 andro, tanterahana ao amin’ny CCI Ivato. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, notron’ireo Ministra sy Olom-panjakana, olom-boafidy ary ireo tompon’andraikitra maro eto amin’ny Firenena. Samy nanamafy avokoa ireo nandray fitenenana amin’ny fahavononana hiara-hiasa ho fampitomboana ny vokatra eto Madagasikara ka hahatonga antsika ho sompitry ny Ranomasimbe Indiana ary hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny vina sy ny tanjon’Atoa Filoham-pirenena. Nanamafy ihany koa Atoa Filoha fa hametraka tetikady maty paika, anisan’izany ny fanomezana fitaovana manaram-penitra ny tantsaha sy fanamboarana foto-drafitrasa ary fanohanana ireo tantsaha entina hampiakarana izany vokatra izany. Tsy maintsy ho avotra ary handroso i Madagasikara araka ny vina izay napetraka hoy hatrany Atoa Filoha namaranany ny fandraisam-pitenenany. Nandray anjara tamin’ny ady hevitra mahakasika ny vina sy traikefa entina hampandrosoana ny sehatra misy azy ihany koa ireo Minisitra izay nandraisan’A/toa MAHATANTE Paubert fitenenana nentiny nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiompiana trondro sy ny fampiakarana ny vokatra hazandrano entina manatratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. #MPEB #MINAE #Famokarana #TransformationAgricole #FiompianaTrondro

Ampandrianomby-Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny MPEB sy ny FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa

Niroso tamin’ny Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ho fanamafisana ny fanohanana ireo tetikasa ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga, FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fifanaovan-tsonia notanterahina teny amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ny 22 Janoary 2025. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny asa efa natomboky ny FMFP tao anatin’ny 05 taona nisiany amin’ny fanohanana ireo tetikasan’ny Jono sy Toekarena Manga. Marihina fa nandritra izay fotoana izay dia miisa 34 ireo tetikasa novatsiany. Tafiditra tao anatin’izany tetikasa izany ny fanohanana ireo Mpanjono madinika, mpanangom-bokatra, vadin’ny mpanjono, mpiompy trondro anatin’ny Fikambanana sy ireo maro hafa. Ankehitriny dia hiroso amin’ny fanohanana ihany koa ireo Fikambanana izay miantsehatra amin’ny fitantanana sy fampandehanana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny Jono sy ny Fihariana anaty rano izay naorin’ny Ministera manerana ny Nosy, isan’izany ny  » hangar de marché » sy ny « chambre froide »,ny ZEP, « complexe de Pêche ». Izany rehetra izany dia mifanindra an-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny paikadin’ny Nasionaly ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara. Nanatanteraka izany fifanaovan-tsonia izany moa Atoa RAKOTOSOA Rado Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga sy Atoa RAOELINA Pierre Tale Jeneralin’ny FMFP notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera. #MPEB #FMFP #Fanohanana #Tetikasa #Jono #Toekarena_Manga

Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra, Faritra Atsimo Andrefana
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025

Araka ny tetiandron’ny fambolen-kazo isam-paritra dia notanterahana ny faha 17 Janoary 2025 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 hoan’ny Faritra Atsimo-Andrefana, nampitondrana ny lohahevitra « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ». 10.000 isa no zanakazo novelena tao anatin’ny velaran-tany mirefy 10Ha, nahitana : Maroserana, Atratra (Jatropha mahafaliensis), Baobab, Kapaipoty, Kily, Bonara ary Daro. Tonga nanome voninahitra an’izany ny Minisitrin’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy niaraka tamin’ny zanakin’ny Filoham-pirenena, nampiatranoin’ny Solombavam-bahoakan’i Benenitra sy ny Lehiben’ny Distrika, notronin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Andrefana sy ireo FDS, STD, PTFs, fokonolona, mpianatra marobe. Nandray anjara feno tamin’izany ihany koa ny avy ao amin’ny DRPEB Atsimo-Andrefana nisolo tena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Anisan’ny nanamarika ny fotoana ny hafatra avy tamin’Atoa Minisitra ho an’ny Governemanta, ny Solombavambahoaka, ny filan’ny Distrikta fotodrafitrasa (infrastructures hydro-agricoles…), mba hisian’ny fampadrosoana maharitra dia ilaina nyy fanaraha-maso ny zanakazo nifoforana sy voavoly mba tena haniry. #MPEB #MEDD #DRPEBAtsimoAndrefana #Fambolenkazo #Zanakazo

ANJOMA , DISTRIKAN’NY ANOSIBE AN’ALA
VOAVAHA NY OLAN’IREO MPIOMPY TRONDRO

Tamin’ny taona lasa no nampahafatarin’ireo vahoaka izay Liana te hisehatra amin’ny fiompiana trondro ny olan’izy ireo mahakasika ny fahazoana zana-trondro sy famoaham-bokatra entina hitadivana lalam-barotra. Voavaha izany ankehitriny nohon’ny fiaraha-mientana teo amin’ireo vahoaka sy ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana ahafahana mamoaka ireo vokatra Téo ihany koa ny fahazoana zana-trondro amin’ny vidiny mora. Nisy ihany koa ny fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny fiompiana trondro izay nidina ifotony avy hatrany teny amin’ny Dobo izay tantaninA/toa Jimmy. Ny mahakasika ny fananahan’ireo trondro, sy ny mombamomba azy rehetra . Ankoatr’izay Dia noraisina hatrany ny fanontaniana manitikitika azy ireo. #MPEB #ANOSIBE_ANALA #FIOMPIANA_TRONDRO.

PK38.5 , Anosibe an’ala, Faritra Alaotra Mangoro
FERME PISCICOLE MAHASOA : ZANA-TRONDRO MANODIDINA NY 1 TAPITRISA NO MIVOAKA ARY HO HAPARITAKA AMIN’NY VIDINY 200ar

Taorian’ny fandalovan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny taon-dasa dia nampihatra avy hatrany ireo toromarika rehetra ny tenany izay nahafahana namokatra zana-trondro manodidina ny 1 Tapitrisa . Tsy ho ela arak’izany Dia hamatsy trondro an’Anosibe an’ala Manontolo ity ny Ferme Piscicole Mahasoa an’A/toa Samoela ity. Marihina fa Dobo Miisa 50 no hita ao an-toerana izay Efa nangalana zana-trondro ho alefa ao anosibe an’ala. Nambaran’A/toa Minisitra rahateo fa vonona ny hanampy azy ny eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanampiana azy hanatratra izany Tanjona izany. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #ANOSIBE #AN_ALA #FARITRA_ALAOTRA_MANGORO.

Ampahitra ,Pk 13 , lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’ala
MIHA MARO IREO OLONA MISEHATRA AMIN’NY FIOMPIANA TRONDRO TAORIAN’NY FANENTANANA IZAY NATAO

Tamin’ny taona lasa ny volana septambra 2024 no nanao ny fanentanana maro samihafa mahakasika ny fiompiana trondro tao amin’ny Distrikan’ny Anosibe an’ala ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert . Ankehitriny Dia miha maro ireo olona misehatra amin’izany aty an-toerana toa an’i Mr Marcelin izay nomena ny toromarika ara-teknika rehetra ahafahana manatsara sy mampiroboro ny fiompiany. Vonona hatrany ny Ministera miaraka amin’ireo teknisiana rehetra amin’ny fanohanana ara-teknika rehetra sy amin’ny fanaraha-maso isan-karazany ary hiezaka ihany koa amin’ny fitadiavana lalam-barotra ho azy ireo Raha ny nambaran’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihana izay nataony. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #MORAMANGA #ANOSIBEANALA.