Modernisation des infrastructures et des équipement en soutien
MPEB, Ampandrianomby , Antananarivo.
FAMPAHAFANTARANA IREO ZAVA-BITA NANDRITRA NY TAONA 2024 SY IREO VINAN’ASA HO TANTERAHINA AMIN’ITY TAONA 2025 ITY
Nandritra ny taona 2024 dia hita fa nisongadina ary niroborobo ny sehatry ny jono sy ny Fihariana anaty rano izay manodidina ny 43 088 ny isan’ireo nahazo tombontsoa manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara izay niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa manga tamin’alalan’ny fisitrahana ireo fampiofanana isan-karazany toy ny fiompiana trondro , ny fambolena lomotra, ny fiompiana janga, ny fanatavezana drakaka, fanodinana sy fitehirizam-bokatra sns…. Eo amin’ny lafiny fanondranana indray kosa dia manodidina ny 26 541 Taonina ireo vokatra haza an-drano nahondran’i Madagasikara. Tafapetraka ihany koa eto anivon’ny Ministera ny rafitra entina miady amin’ny kolikoly, ny fahavitan’ny tatitra ho fangaraharahan’ny sehatry ny jono an-dranomasina (rapport FiTi 2023) ary ny fanohizana ireo fanentanana eny ifotony momban’ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina (ICAM) sy ireo didy aman-dalana. Amin’ity taona 2025 ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny #fampandehanana sy #fampiroboroboana ary #fametrahana ny Zone D’Emergence Piscicole ZEP hahafahana manandratra avo ny fiompiana trondro eto Madagasikara. Ho an’ny sehatry ny #Jono_madinika Dia ho hatsangana ny sekolin’ny Jono ao faux cap Lavanono/Androy izay anisan’ny toerana ahitana hazan-drano bestaka mandava-taona entina hanampiana ireo mpanjono hiditra amin’ny sehatry ny matihanina sy fampitaovana azy ireo (lakana en fibre de verre, filet multifilament,…) ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa #hanodinana sy #hitehirizana ireo hazandrano mba hampihena ny fahasimban’ireo vokatra azo, ankoatr’izay ny fanatsarana ny hay tondra eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny Jono (#bonne_gouvernance). Ho tohizana ny fanentanana amin’ny alalan’ny fametrahana sy ny fampiasana ireo takelaka fampahafatarana mialoha ny mety ho toetry ny Andro eny amin’ireo tanànan’ny mpanjono miisa 3000. Ho tohizana ihany koa ny ezaka ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna ( Peche_INN) ka hantenaina fa ho tonga amin’ity taona 2025 ireo sambo miisa roa (Yamaha M-12) vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny firenena Japoney. Hamafisina ny fampandehanana ireo foto-drafitrasa mahakasika ny jono sy ny Fihariana anaty rano manerana an’I Madagasikara izay miisa 182. Mahakasika ny sehatry ny Toekarena manga dia hotanterahana eto Madagasikara ny volana aprily ho avy izao any Toliara ny fihaonamben’ireo tanora aty Afrika misehatra eo amin’ny Toekarena Manga andiany faharoa ka tanora miisa 500 avy amin’ny firenena miisa 54 no handray anjara mandritra izany. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanao izany fampahafantarana izany izay notronon’ireo mpiaramiasa rehetra,ireo mpiara-miombon’antoka ,ireo firaisamonim-pirenena Ary ireo Manao gazety. #MPEB #BILAN_2024 #ACTIONS_CONCRETES_2025
« Camp Flacourt », Kaominina Tolagnaro, Distrikan’i Tolagnaro, Faritra Anôsy
Ady amin’ny doro-tanety
Nanatanteraka fivoriana ny mpikambana ao anatin’ny « Centre Operationnelle » na ny CO eo anivon’ny Faritra Anôsy, misahana ny fandrindrana ny ady atao amin’ny doro-tanety, androany 13 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano fivoriana « Camp Flacourt ». Tonga nandray anjara sy niatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert sy ny Minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana. Nisy ny famelabelarana mahakasika ny andraikitry ny CO sy ny iraka ataony, taorian’izay dia notaterina nandritra ny fivoriana ny tatitra mahakasika ny tranga doro-tanety tao anatin’ny 6 andro nijoroan’ity CO ity teto anivon’ny Distrika. Araka ny tatitra dia tranga na doro-tanety miisa 28 no hita ary natrehina tao anatin’izay 6 andro izay. Marihana fa vao omaly 12 Janoary alina no nisy tranga farany ka niara-nisalahy tamin’ny famonoana izany ny tompon’andraikitra eto amin’ny Faritra, niaraka tamin’ny Minisitra mirahalahy voalaza etsy ambony. Nisy ny fandraisana anjara fitenenana avy amin’ny Minisitra ka nanomezany toromarika sy fampaherezana ireo mpikambana ao amin’ny CO manoloana ity ady amin’ny doro-tanety ity. #MPEB #MEAH #CO_CentreOperationnelle #Dorotanety
AMBOVOMBE ANDROY (Androy) & AMBOASARY ATSIMO (Anôsy)
Famahana ny olan’ny tsy faham-piandrano fisotro
Tonga nijery ifotony ny fandroson’ny asa fametrahana ilay tetikasa « pipe-line » Mandrare-Sampona ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina anio 12 Janoary 2025, notronin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, mpiahy ny faritra Androy, Atoa MHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Solombavambahoaka mirahalahy foafidy tao Amboasary Atsimo Atoa RAKOTONIRINA Richard sy Atoa ANDRIAMAMONJY Olivier. Fotodrafitrasa ahitana paompy fisitoman-drano sy fampakaran-drano maromaro mitohy amin’ny alalan’ny fantsona lehibe izay manangona ny rano ao amin’ny tobindrano ao Andranogoa kaominina Sampona, mialoha ny hitsinjarana azy amin’ireo kaominina voakasika. Nisy araka izany ny fihaonana tamin’ny vahoakan’ny Maroalomainty, ny fitsidihana ny sinibe fanangonan-drano ao Andranogoa sy ny « station de relevage » iray. Napetraky ny fitondram-panjakana manokana ity tetikasa ity mba hamahana ny olana aty Atsimo ka hahafahana mamatsy rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny kaominina Sampona, Distrikan’ny Amboasary Atsimo, ny kaominina Maroalopoty ary Maroalomainty, Distrikan’Ambovombe Androy sy ny manodidina. #MPEB #MEAH #Pipeline #RanoFisotroMadio #Mandrare_Sampona
Kaominina Maroalomainty, Distrikan’ny Ambovombe Androy, Faritra Androy.
MPANJONO SY VADINA MPANJONO MAHERIN’NY 500 NO NAHAZO FAMPITAOVANA
Ho fampiroboroboana ny sehampihariana Jono dia tonga nanolotra fitaovana toy ny « fumoir » miisa 11 na vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly sy « tracteur frigorifique » iray Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE PAUBERT notronin’ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina androany 12 Janoary 2025. Mpanjono sy vadina mpanjono maherin’ny 500 no misitraka ireto fampitaovana ireo. Tanjon’ny Minisitera ny hampihena ny fahasahiranana eo amin’ny fitanterana ireo hazan-dranomasina avy amin’ny tananan’ny mpanjono saro-dalana mandeha mankany amin’ireo tananan’ireo mpanjifa. Eo ihany koa ny fanodidinana sy fitehirizana ireo trondro tsy lany ho azo amidy amin’ny fotoana manaraka. Ankoatra izay dia nanolotra ihany koa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga rano fisotro madio 5m3 ho an’ny mpanjono ho fanampiana azy ireo amin’izao fotoan’ny haintany izao. Isaorana ireo mpiaramiombonantoka maro izay niara-nisalahy amin’izao fifanomezan-tanaizao, anisan’izany ny tetikasa miojno. #MPEB #JONO #RANO #FAMPITAOVANA #MPANJONO #FARITRA_ANDROY
Faritra Ambovombe Androy
Fivoriana ho famahana ny olan’ny rano aty Atsimo
Atoa Lalaina ANDRIANAMELASOA Minisitry ny Rano, fahadiovana sy fidiovana sy Atoa Paubert MAHATANTE Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga dia tonga eto Ambovombe Androy nitarika fivoriana momba ny famahana ny olan’ny rano ato amin’ny Faritra Androy. Kaominina 13 no voakasika izay ahitana olona manodidina ny 240.000 olona no voakasika mivantana izay manana filana rano 5.000m3 isanandro. Marihina fa ny ranon’ny Mahavelo dia zara raha 26m3 isanandro no sisa omeny raha toa ka mihoatra ny 60m3 teo aloha. Isan’ny vahaolana fohy ezaka natolotr’Atoa MEAH ny fanampiana 05 hafa ireo kamiao citernes izay 03 ihany no sisa mandeha sy ny fanatsarana ny resaka fizarana mba hitovy tsy misy zanak’i kalahafa. Ny fanafangainana ireo asa fanamboarana ny fantsona Mandrare-Sampona, barrage Havelo Mandrare sy ny Efaho ary ny fijerena loharano hafa toy ny ao Antsira ao Antanimora Atsimo. Ny MPEB kosa dia nitondra rano amin’ny kamiao 1.220 bidons jaunes avy any Ifaho izay ho zaraina mivantana amin’ireo Fokontany izay tena voamafy ary mbola miandry ireo 1.300 bidons jaunes ambiny avy any Toamasina izay nalefa sambo. Ireo no ho taterina amin’ny kamiao tsotra ary ho fenoina mivantana eny Mahavelo manditry ny fotoana ilana azy. Mifameno avokoa ny asa atao iarahana amin’ny Mpiaramiombonantoka rehetra toy ny ACF, UNICEF… Nanentana hatrany ireo Minisitra mirahalahy fa mila mifanampy sy mifanohana isika manoloana izao vokatry ny fiovan’ny toetrandro izao ary nanamafy fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana eo am-pitadiavam-bahaolana. #Olana_Rano #MEAH_MPEB #ANDROY
Befotoana Akarafantsika,CR Marosakoa, Distrika Marovoay, Faritra Boeny
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2025.
Notanterahina ny 10 Janoary 2025 ny Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2025 ho an’ny Faritra Boeny. Ny loha hevitra tamin’izany dia ny hoe » Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ». Nandray anjara tamin’izany ny Solombavam-bahoaka Marovoay, ny Governora, lehiben’ny Distrika Marovoay sy Ambato boeny, FDS, STD, PTF, mpanjono, mpianatra marobe ny ekipan’ny DRPEB Boeny ary ireo mponina eny ifotony. #MPEB #DRPEB #Boeny #fambolenkazo #Ala #Rano #Toekarena_Manga #Fiompiana_anaty_rano
Nanisana , Antananarivo Madagascar.
VITA SOAMANTSARA TAO ANATIN’NY FANGARAHARAHANA NY FANDRAFETANA NY ASA REHETRA AMIN’NY FAMPIASAM-BOLA.
Nifarana anio ny fivorian’ny komity miandraikitra ny « appui sectoriel » izay ahitana ireo avy ao amin’ny vondrona Eropeanina Sy Isika eto Madagasikara ,marihina fa tanterahina isan-taona ity Fivoriana ity izay atrehin’ireo avy ao amin’ny CCGP ( Comité consultatif des gestions des pêcheries) , ny firaisamonim-pirenena sns…. Izao no natao ahafahana nandrafitra ireo asa rehetra ho Tanterahina hampiasana ny volan’ny « appui sectoriel » amin’ity taona 2025 ity. Hita tao anatin’izany fa Nisy Fanatsarana ireo asa izay natao tamin’iny taona 2024 iny. Afa-po tanteraka ny roa tonta izay natao tao anaty firalahiana tanteraka ny Fivoriana. Any Toliara Faritra Atsimo Andrefana no hanantaterahana ny Fivoriana manaraka izay hatao ny volana novembre ho avy izao . Tsara tsiahivina ny hampiasaintsika ireo vola ireo Dia ny : • Fanatsarana ny lafiny jono ( fifidianana pirogue fibre de verre , moteur hors-bord, filet….. ) • fampiroboroboana ny fihariana anaty rano (aquaculture) • fitohizany fametrahana ny Zone d’Emergence Piscicole ho fampandehanana izany eraky Madagasikara. • Fijerena manokana ny asan’ny ASH • ny asan’ny sampana panara-maso ny Jono • Ny lafiny fifampitondrana tsara tantana. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé
Fanentanana mialoha, hisorohana ny tranga ICAM, manoloana ny hafanana misy amin’izao.
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fivoriana savaranonando mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche)
Notanterahana androany faha 03 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny fivoriana savaranonando niarahan’ny Ministera tamin’ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony manaraka eo mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina. Marihana fa andiany faharoa amin’ny fifanarahana ny amin’ity taona ity izay mitentina 1 100 000€ ka araka ny tapaka dia sehatra miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny : Jono (Pêche), Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture), Fahadiovana (Sanitaire), Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches), Fitantanana (Gouvernance). Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina. Amin’ny ankapobeny tsy ampy lavitra io vola io ary mbola maro ny ezaka tratrarin’ny Ministera fa na izany aza dia ezahana ampifan-danjana ny fandaniana mba hipaka tsara amin’ny vahoaka. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé
