Toliara, Faritra Atsimo Andrefana :
Fivoriana fanomanana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga »

Araka ny tapaka nandritran’ny filan-kevitrin’ny minisitra ny faha 18 Desambra 2024 lasa teo dia nankatoavina ny handraisana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga », ny faha 17-19 Aprily 2025 ho avy izao eto Madagasikara. Arak’izany dia nanatanteraka fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany fihaonana izany ny « Cluster Économie Bleue » notarihan’Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niarahana tamin’ireo avy any ivelany tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (en ligne).  Mpisehatra miisa 500 no antenaina ho avy amin’ity fihaonam-be faha-02 taorian’ny Lomé ity ka 300 amin’izany no hoavy avy any ivelany. Voaresaka nandritra izany fivoriana izany ny : Fitaterana an’ahabakabaka ireo tanora 300 avy any ivelany, Fitaterana an-tanety, Fampiantranoana sy fampisakafoanana azy ireo, Efitrano sy toerana malalaka hivoriana.  Nahavelom-bolo fa samy nandray anjara mavitrika sy naneho ny fahavononany amin’ny soso-kevitra hanatrarana ny tanjona ny mpisehatra tonga tao ka anisan’ny voalaza tao koa ny fanatsarana (fanadiovana, fampihaingoana, fanazavana, fanamboarana lalana, fampandriam-pahalemana) ny Tanànan’ny masoandro. Hisy avy hatrany ny fivoriana voalohany hiarahana amin’ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana ny faha 07 Janoary 2025 izay hotarihin’Atoa Governora. Ny fivoriana manaraka dia ny tapa-bolan’ny Janoary hiarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny Toekarena Manga. #MPEB #DRPEBAtsimoAndrefana #ForumDesJeunesAfricains #ÉconomieBleue #TanoraAfrikana #ToekarenaManga

Ambohibao, Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fandrotsahana zanatrondro ao amin’ny dobon’ny CIS na ny « Central Intelligence Service »

Resy lahatra fa hiompy trondro ny mpiara-miasa ao amin’ny Sampam-pitsikilovana eto Madagasikara na ny CIS. Dobo mirefy 125m2 no hanombohana azy izay hitarina amin’ny taona ho avy. Nanambara Atoa Tale Jeneraly RAFANOMEZANTSOA Roger fa vonona izy sy ireo mpiara-miasa amin’ny tena handray anjara amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro eto amintsika ka Zanatrondro miisa 1.000 no narotsaka. Kasaina hanodidina ny 400kg ny vokatra voalohany. Aorian’ny fanitarana dia hahatratra 64.000m2 ny velaran’ny dobo ao amin’ny CIS Ambohibao. Tonga nanatanteraka izany fandrotsahana zanatrondro izany ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, sy ireo mpiara-miasa aminy. #Fiompiana_trondro #CIS_Ambohibao #Antananarivo_Analamanga #MPEB

Ankoba, Kaominina Analapatsy, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy:
Fanolorana fitaovam-panjonoana ho an’ireo Mpanarato

Analapatsy dia Kaominina manamorona ranomasina nefa ahitana tsy fanjarian-tsakafo ary ny fambolena atao dia zary raha mamokatra nohon’ny hain-tany. Arak’izany dia mila mifototra bebe kokoa amin’ny resaka jono ny olona aty satria na misy na tsy misy ny orana dia misy harena hatrany ny ao anaty ranomasina toy ny oratsimba (langouste), sihely, valahara sy karazan-trondro hafa… Tonga nanolotra fitaovam-panjonoana eto Analapatsy amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana tarihan’Atoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty amin’ny Faritra Anosy ialohavan-dRamatoa Governora. #Fitaovampanjonoana #Lakana_fibre_verre #Moteur_hors_bord #Analapatsy_Taolagnaro #Faritra_ANOSY #MPEB

Anatsakoa, Fkt Lavanono, Kaominina Tranovaho, Distrika Beloha, Faritra Androy :
Fanolorana « Complexe des pêches » sy fitaovana maro samihafa ho an’ireo Mpanjono.

Ny Faritra Androy dia manana sisin-dranomasina 200km sy harena maro samihafa toy ny lamatra, orantsimba (langouste) sy trondro isan-karazany. Raha ny zava-misy nefa dia ahitana olan’ny tsy fanjarian-tsakafo matetika iny Faritra iny satria vitsy ireo olona manao ny asa fanjonoana. Tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny hampiroborobo ity sehatra ity any Atsimo ka izany no antony anaovana ireo ezaka maro toy ny fametrahana ilay sekolin’ny Jono sy ireo « complexes des pêches », « Unités de froid » ary ireo fitaovam-panjonoana maro samihafa. Tonga nanolotra ilay « complexe des pêches », lakana vita amin’ny « fibre de verre » ahitana milina manana tanjaka 9,9CV sy fitaovana toy « masques, palmes, tubas » ary famantaranandro tsy matahotra rano aty Lavanono ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony tarihan’Atoa Governora. #Complexe_peches #Lakana_fibre_verre #Lavanono_Anatsakoa #Beloha_Androy #MPEB

Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo-Andrefana.
Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na “Fisheries Transparency Initiative”.

Notanterahina tao amin’ny Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara ny faha 20 Desambra 2024 teo ny Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na ny « Fisheries Transparency Initiative ». Nandritra izany no nitondrana fampahafantarana amin’ny ankapobeny momba ny FiTI (Fisheries Transparency Initiative), ny fiaraha-miasa maneran-tany izay mikatsaka ny fametrahana ny fangaraharahana sy ny fandraisana anjara amin’ny haitondra ara-pitantanana ho an’ ny jono an-dranomasina. Anisan’ny hetsika mangarahara amin’ izany ny fanatsarana ireo tamberin’andraikitra ho an’ny daholobe, ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanapahana ary ny fanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra. Teo ihany koa ny fahampafantarana ny GMN (Groupe Multipartite National) na ny Vondrona Marolafy Nasionaly, ny antompisiany sy ireo anjara asany eo anivon’ny Governemanta, ny andraikitra manandrify ny avy ao amin’ireo Firaisa-monim-pirenena ary ny avy ao amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatrarana miaraka izany tanjona ho amin’ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny jono izany . #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #MIONJO #Fanentanana_FiTI #Jono_Mangarahara #GMN

Faux Cap, Kaominina Betanty, Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy :
Fametrahana vato fototry ny sekolin’ny Jono na « École des Pêches »

Mba hiadiana amin’ny kere, ny tsy fananan’asa ary ny fahantrana amin’ny ankapobeny dia apetraka eto Faux Cap ilay sekolin’ny Jono voalohany eto Madagasikara. Raha ny zava-misy dia na misy na tsy misy ny orana dia misy trondro hatrany ny ao anaty ranomasina. Fotoana izao ny hitodihan’ireo olona aty Atsimo bebe kokoa amin’ny ranomasina. Ity toerana ity dia hampiofana ny olona rehetra aty Atsimo momban’ny Jono, ny fanodinana vokatra ary ny fikojakojana fitaovam-panjonoana maro. Iantohana ny saran-dàlana sy ny sakafon’ireo olona ireo izay tanora ny ankamaroany. Na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza ilay olona dia raisina ato avokoa. Roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fiofanana izay arahana fampiharana avy hatrany ao anaty ranomasina satria miala 200m ny morontsiraka ity toerana ity. Tonga nametraka ny vato fototry ny « École des Pêches » voalohany eto Madagasikara, aorina eto Faux Cap ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert T. MAHATANTE, notronin’ireo Manampahefana aty amin’ny Faritra Androy. Kasaina ny volana Martsa any ho any no ho vita ny asa. #Ecole_des_Peches #Faux_Cap #Tsihombe #ANDROY #MPEB

Kunming , Chine: Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina

Notanterahina tao Kunming , Chine, ny 15 Desambra ka hatramim’ny 17 Desambra 2024, ny Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina momba ny fampiroboroboana ny Toe-karena Manga. Nisolotena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga RAKOTOSOA Rado Aimé. Ity zaikabe ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, anatin’izany Madagasikara. Ny Fanjakàna Sinoa dia vonona ny hanohana amin’ny lafiny rehetra mikasika ny fanetsehana ny Toekarena manga mba hampadroso ireo firenena voakasika ireo. Izany dia mamaly sy manohy ny tanjona voafaritra nandritra ny zaikabe nataon’ny Afrika sy Chine tamin’ity taona ity. Nandritra io zaikabe io dia nisy ny fandraisam–pitenenana nataon’i Madagasikara izay niompana indrindra amin’ireo tatitry ny asa vita mikasika ny fampandrosoana ny Toekarena Manga sy ny laharampahamehana ao anatin’izany ary ny fihatrehana ireo loza voajanahary misy any Madagasikara anatin’ny fiovaovan’ny Toetr’andro izay mety manohitohina ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Namaranana ny zaikabe dia nisy ny fihaonana tamin’ireo Mpanao gazety sinoa nahafahana nanazava ireo lalam-piharian’ny toekarena manga aty Madagasikara ary koa niantsoana ireo mpandraharaha sinoa ho avy. #MPEB #DGEB #Toekarena_Manga

Mahajanga, Faritra Boeny : Fankalazana ny herinandro maneran-tany ny RAM.
RAM na « Résistance aux AntiMicrobiens » na ihany koa Tohitra ody aina bitika

Ny RAM na « Résistance aux AntiMicrobiens » na ihany koa Tohitra ody aina bitika dia fahafahan’ireo mikraoba manohitra ireo fanafody ohanina izay loza hoan’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana. « Manabe, Mandresy lahatra,Mandray andraiktra dieny izao » no teny nentina nisantarana ny fakalazana ny herinandro maneran-tany amin’ny fanentanana ny #RAM ny taona 2024. Eo amin’ny sehatry ny Fampamokarana ny atirano dia tsy ahitana soritra fanafody tohitra amin’ny mikraoba na ny eo amin’ny fiompiana trondro, na eo amin’ny famokarana sakafon-trondro. Izany dia tafiditra amin’ny tajon’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mahazo vokatra azo antoka sy ara-pahasalamana izay mitondra ny teny « Fihariana anaty tsy ahitana fanafody miady amin’ny mikraoba, antoky ny fahasalamana » ho ady amin’ny #RAM. Natao teto Mahajanga ny faha 18 Desambra 2024, ny fankalazana ny herinandro maneran-tany amin’ny fanentanana ny RAM izay nokarakarain’ireo Ministera mivondrona ao anatiny One Health ( MPEB, MINAE, MEDD,MSANP, MESUPRES, MEAH) notohanan’ny #OMS, #FAO, #OMSA, #PNUE. Izay mbola hitohy any Antananarivo. #MPEB

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FAO mahakasika ny jono madinika

Mamelona Malagasy mihoatra ny 7 tapitrisa ny jono madinika eto Madagasikara raha toa ka somary hadinodino izy ireny ary anisan’ny mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy manome asa mivantana hoan’ny olona miisa 170 000 ihany koa. Manodidina ny 60% ny vokatra eto Madagasikara ihany koa dia avy amin’ny jono madinika. Izany dia manambara fa manan-danja tokoa ny jono madinika eto amintsika na ara-tsosialy na ara-toekarena. Manoloana izany dia notanterahana androany 17 Desambra 2024 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao mitentina 6,8 tapitrisa dolara ($) avy amin’ny « Agence suédoise de coopération internationale au développement (Sida) mahakasika ny fanamafisana sy fanatsarana ary fampiroboroboana ny jono madinika ara-drariny eto Madagasikara tsy ho voahozongozon’ny fiovaovan’ny toetrandro ary koa mba haharitra hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny FAO tamin’ny alalan’Atoa Mbuli Charles Boliko, Mpisolo-tena maharitra, miasa sy monina eto Madagasikara. Ity tetikasa ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny : Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo an-toerana amin’ny fampandraisana anjara mavitrika ny tanora sy ny vehivavy amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy amin’ny dingana fandraisana fanapahan-kevitra. Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, miaraka amin’ny fandraisana andraikitra vaovao ho fitahirizana ny toeram-ponenana manan-danjan’ireo zava-manana aina toy ny vatohara. Fandrisihana ny fiatrehana ara-toekarena amin’ny fanohanana ny fivelomana mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fanamby ara-toekarena ankehitriny. Fampiroboroboana ny andraikitry ny vehivavy amin’ny jono madinika amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny fandraisan’anjaran’izy ireo izay matetika tsy voajery nefa tena ilaina. Tsy adino ny fanampiana ara-pitaovana ireo mpanjono madinika sy ny tantsoroka hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono manoloana izany fiovaovan’ny toetrandro izany sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina. Tanjona ny hanatratrarana ny fihinana trondro eto amintsika 11kg/isam-batan’olona/isan-taona manodidina ny farany taona 2025. Marihana fa i Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ireo firenena 06 mpitarika voafidy hisitraka ity tetikasa ity ao anatin’ny 03 taona miaraka amin’i Colombie, Ghana, Philippines, Tanzanie ary Ouganda noho ireo ezaka maro vitan’ny Ministera. #MPEB #FAO #Sida #JonoMadinika #Mpanjono

Orinasa PFOI, Antsiranana, Faritra DIANA
Lanonana fifanaovan-tsonia mahakasika ny fifanarahana momba ny Jono Lamatra

Ny Orinasa PFOI na « Peche et Froid de l’Ocean Indien » dia Orinasa Malagasy manodina sy manondrana vokatra an-dranomasina toy ny Lamatra izay mampiasa olona hatramin’ny 1.500 eto Antsiranana (Diego). Ankehitriny dia te hanitatra izay fiaraha-miasa izany izy ireo ka nangataka ny hampidirana Sambo Mpanjono miisa roa, mitondra saina Malagasy ka hanjono Lamatra ato amin’ny fari-dranomasintsika mba tsy hampisy olana ny « approvisionnement » amin’ny vokatra fototra. Hampiditra vola manodidina ny Ar5 lavitrisa isan-taona ity fifanarahana ity. Mba hisian’ny mangarahara, taorian’ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny Minisitra, dia notanterahina teo imason’ny daholobe ny fifanaovan-tsonia ity fifanarahana ity teo amin’ny Orinasa PFOI izay miara-miasa amin’ny CFTO na ny « Compagnie Française des Thons Océaniques » sy ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga eto Antsiranana. Haharitra roa taona azo havaozina ity fifanarahana ity izay mahakasika ny fampiasana sambo Mpanjono Lamatra roa ka manodidina ny 7.000 ka hatramin’ny 10.000 taonina eo ho eo no ho jonoin’izy ireo. Hampiasa Tantsambo sy tanora maro ary indrindra ny fikojakojana ny sambo na ny « carénage » ao amin’ny Orinasa SECREN isan-taona. Hisy ihany koa ny fametrahana ilay Sekolin’ny Jono na ilay « école des pêches » izay hapetraka eto Antsiranana sy fanomezana vatsim-pianarana mankany ivelany hoan’ny mpianatra miisa folo isan-taona avy amin’ny Oniversiten’ny Antsiranana izay manaraka ny lalam-piofanana Jono sy Toekarena Manga. Niatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Manam-pahefana maro indrindra ny vahoaka sy ireo Mpanjono mba hisian’ny mangarahara kokoa ary ho fanatanterahana ny voalaza amin’ny fifanarahana amin’ny FiTI na ny Fishery Transparency International. #MPEB #PFOI #CFTO #Lamatra #Thons #Jono #Fifanarahana