Waterfront, Cape Town, Afrika Atsimo Fitsidihana Ivotoeram-pikarohana momban’ny fihariana anaty rano (Marine aquaculture research)
Mandalo eto Cape Town Afrika Atsimo Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert namaly ny fanasana izay nataon’ny « Pew Charitable Funds » momban’ny fivoriana mahakasika ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono madinika aty Afrika izay haharitra roa andro (05-06 desambra 2023). Nohararaotin’Atoa Minisitra izany fandalovany eto izany ka nitsidihany ireo Ivotoeram-pikarohana maromaro ka isan’izany ny « Marine Aquaculture Research » izay tena raitra tokoa satria hita ato ny fiompiana trondro an-dranomasina toy ny fiampotsy na fiantsara (Argyrosomus japonicus), mullet, angera (Pomadasys sp.) ary sokin-driake (oursin). Ireo dia natao hanenana avokoa ireo tsindry amin’ny fanjonoana ary hamoronana asa sy hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo maneran-tany. Niady ny resaka teto ary irina ny fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Ivotoerana toy itony izay tena hita mivaingana ny vokatr’izany. Manana ireo harena ireo avokoa isika ao Madagasikara ary ilaina ny mahavoafehy ny fiompiana azy ireo mba hanatsarana hatrany ny tontolon’ny Toekarena Manga.
Ampandrianomby, Antananarivo Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana
Ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara dia ny lafiny fampianarana no tsara atao vaindohan-draharaha voalohany. Noho izany indrindra dia tafapetraka ny fiofanana mahakasika ny « Management de l’Economie Bleue » mamokatra « Technicien Supérieur en Pêche et Aquaculture » na Teknisiana ambony amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano ao amin’ny IST (Institut Supérieur de Technologie) d’Antsiranana hazahoana ny mari-pahaizana « Bacc +2 » ka hotohizana tsikelikely hatramin’ny « Bacc +5 » na « Ingeniorat » izany. Izao moa dia mamaly ny filan’ny Faritra nohon’ny fananan’i Madagasikara fari-dranomasina lehibe sy renirano ary farihy maro ka afaka hampitombo ny Toekarena Malagasy. Ilaina ny fianarana sy fahafantarana ary ny famehezana ny zavatra manodidina sy ny ao anatin’ireo voalaza etsy ambony mba hafahana mitrandraka maharitra. Manoloana izany rehetra izany dia natao androany 01 Desambra 2023 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana mba hafahana mizara fahaizana, traikefa ary indrindra mampita ny fahalalana rehetra manodidina izay Toekarena Manga izay mankany amin’ireo mpianatra mba hafahan’izy ireo mampihatra an’izany eo amin’ny fiainana. Ny Toekarena Manga dia hafahana mamorona asa marobe, hafahana manatsara ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ary mampihena ny ampahany betsaka ny tahan’ny fahantrana. Tonga nanao sonia izao fifanaraham-piara-miasa izao ny Tale Jeneralin’ny IST Antsiranana notronin’ireo delegasiona avy any an-toerana sy ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera notron’Atoa Ministra MAHATANTE Paubert sy ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera.
Ampandrianomby, Antananarivo Fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Delegasiona avy any Indonésie
Tonga nitsidika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao Ampandrianomby, ny Delegasiona avy any Indonésie notarihan’i solotena avy ao amin’ny masoivohon’izy ireo eto Madagasikara androany 30 Novambra 2023. Mitsidika Ministera maromaro ireo delegasiona ireo mandritra izao diany aty Madagasikara izao ary efa nisy ireo voatsidika nandritra izay fotoana nahatongavan’izy ireo izay tamin’ity herinandro ity. Fanomezana tohana fiofanana (Formation) sy fanamafisana ny fahaiza-manao (Renforcement de capacité) eo amin’ny sehatran’ny angovo (énergie), harena an-kibon’ny tany (mine), fiarovana an-dranomasina (sécurité maritime), asa tanana (artisanat) ary ny fampamokarana ny atirano (aquaculture) eto Madagasikara no tena anto-dian’ireto delegasiona avy any Indonésie ireto. Izao moa dia vokatrin’ny fifampiresahana izay nivoitra tamin’ny fihaonana AIS Forum izay natao teto Madagasikara ny volana aogositra lasa teo ary ny fihaonana an-tampony teo amin’ireo Nosy sy Vondrona Nosy mpikambana ao amin’io AIS Forum ny volana oktobra lasa teo ka natrehan’ny delegasiona Malagasy tany Bali – Indonésie. Hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana dia mifototra amin’ny sehatrin’ny fampamokarana ny atirano sy ny jono ary ny toekarena manga amin’ny ankapobeny ny fiaraha-miasa hiarahana amin’izay fanomezana fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao izay mba hafahana mampiakatra ny vokatra sy ny toekarena eto Madagasikara. Manoloana izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta hafahana mijery ny zavatra tena ilaina hafahana miroso amin’izany. Ao amin’ny fotoana ilana izany mihintsy moa ny Ministera amin’izao raha nandray fitenenana Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera izay nitarika ny delegasiona ankilany satria dia ao anatin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny fampamokarana ny atirano mihintsy ny Ministera amin’izao amin’ny alalan’ny fiompiana trondro sy fambolena lomotra izay efa mahazo vahana ankehitriny manoloana ny velaran-drano sy ranomasina ananan’i Madagasikara hafahana manao izany. Nanatrika izao fotoana izao moa ireo solotena avy amin’ny Fitaleavana vitsivitsy voakasika izany eo anivon’ny Ministera. Raha ny tetiandro napetraka dia hanomboka amin’ny volana Janoary izao ireo fiofana maro samihafa araka ny filan’ny Ministera ka mifanaraka amin’ny tantsoroka izay efa napetraky ny Firenena Indonésie.
Fkt Sotema , Secteur Ampasika, Mahajanga I, Faritra Boeny Fizarana fitaovana hoan’ny mpanjono
Mbola eto amin’ny Faritra Boeny Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, manohy ny asa fampiroboroboana ny sehatrin’ny Jono sy fanohanana ireo mpanjono ao an-toerana amin’ny alalan’ny fizarana fitaovana. Hoan’ny anio dia nitsidika ireo mpanjono tao Ambalamanga ny tenany notronon’Atoa Governoran’ny Faritra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny solotenan’ny GAPCM. Tahaka ny natao tany amin’ireo toerana rehetra izay nolalovany dia nisy hatrany ny fifampizarana sy fifampitafana niarahana tamin’ireo mpanjono niampy fanentanana maro samihafa. Nahazo fitaovam-panjonoana maro be ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Fkt Sotema satria izany no asa fiveloman’izy ireo ka entina hanatsarana io asa fihariana io no antony nanolorana azy ireo fitaovana enti-miasa ireo. Fitaovana ahitana salotra vonjy aina miisa 200, « filet multifilament » sy ny kojakoja miaraka aminy ary « panneaux » famantarana toetrandro, sns….. Teny an-toerana hatrany Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, nanolotra izany izay fiaraha-miasa niaraka tamin’ny GAPCM. Nanotrona azy tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Boeny sy ireo solotenan’ny GAPCM ary ireo tale isan-tsokajiny. Naneho ny hafaliany hatrany ireo mpanjono tamin’ny alalan’ny dihy ary nanome toky fa hanaraka tsara ireo fehezan-dalàna mahakasika ny Jono mba ho lovain-jafy.
Mahajanga, Faritra Boeny Fitsidihana ny birao vaovaon’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique)
Vita soa aman-tsara ny asa fananganana ny birao vaovaon’ny ASH eto Mahajanga, ivon-toerana iray mikirakira ny fanondranana entana rehetra mifandraika amin’ny Jono miainga avy eto Madagasikara makany ivelany. Marihana fa miisa 11 ny isan’ity ivon-toerana ity eto Madagasikara. Ity eto Mahajanga ity dia manao ny fikirakirana manokana mahakasika ireo sambo izay miasa amin’ny tontolon’ny Jono sy ireo antontan-taratasy amin’ny resaka fanondranana entana amin’ireo « Société des pêches ». Zava-dehibe ny fisian’izy ity satria anisan’ny hitondra fanavaozana eo anivon’ny MPEB, izany dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra. Tonga nijery izany teny an-toerana Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, sy ireo tompon’andraikitra miasa ao anatin’ity ivon-toerana ity.
Andriamanjoro, Fkt Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny Fizarana fampitaovana hoan’ireo mpanjono
Mitohy ao amin’ny Fkt Marosakoa ny fitsidiha’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny 29 Novambra 2023, izay voalohany ihany koa no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono maro be izay efa ela niandrasana ao an-toerana. Anisan’ny mampiavaka ity toerana ity ny fananany tontolo manodidina izay mahasarika maso sy mpizahatany ary voadidina ranomasina avokoa ny fokotany ao an-toerana. Tonga nifanakalo hevitra sy nifampizara fanentanana maro isan-karazany ny tenany entina hanatsarana ny seham-piharian’izy ireo. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Kaominina Mariarano tamin’ny fitaovana ho enti-miasa nomena azy ireo androany. Nahitana salotra vonjy aina sy kojakoja miaraka aminy, « filet multifilament » ihany koa izay voalohany no hampiasana azy eto Madagasikara. Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ho azy ireo izany androany izay narahana fanentanana isan-karazany mahakasika ny fampiasana izany. Teny an-toerana ihany koa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny sehatrin’ny Jono ary ny tompon’andraikitra ao an-toerana.
Mahajanga, Faritra Boeny Niampy iray ny fitaovana fanangonam-bokatran’i CDPHM Mahajanga amin’ireo faritra saro-dalana
Anio 28 Novambra 2023 no nanaovana ny « Mise a l’eau » sy ny andrana ara-teknika ny Sambo BEKAPILA entina hakana ireo vokatra any amin’ny faritra saro-dalana hoan’ny CDPHM Mahajanga. 12m ny halavan’ity Sambo ity ary manana milina 400Ch. Ahitana « Chambre froide » mahazaka vokatra 5 taonina ihany koa. Ny teo anivon’ny orinasa polyma kosa no nanao ny fanamboarana ity Sambo ity. Ny CDPHM araka izany no hitantana ity sambo ity izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisan’ny zava-dehibe ny fanana azy ity satria dia entina hanatsarana ny asa rehetra eo anivon’ny CDPHM ary hitondra fiakarana hoan’ny lafiny ara-toekarena ao an-toerana. Teny an-toerana ny Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert, sy ireo teknisiana ary ireo tompon’andraikitra voakasika nanao ny andrana. Marihana fa rehefa vita tsara ny andrana sy ny pitsopitsony rehetra dia afaka miasa avy hatrany ity Sambo ity.
Distrika Mitsinjo, Fkt Antsakoamanera, Kaominina Matsakambanja, Faritra Boeny Fanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono
Tsy adinon’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny nitsidika ny Distrikan’i Mitsinjo izay atao 4 ora amin’ny Sambo haingam-pandeha miala ny renivohitr’i Mahajanga ny faha 28 Novambra 2023. Tonga niaraka taminy ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera ary ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany misehatra amin’ny Jono. Mivelona amin’ny sehatry ny Jono avokoa ny mponina ao amin’ity toerana ity ka nankasitraka tanteraka amin’izao fandalovan’ny Minisitra mpiahy azy ireo izao. Nisy araka izany ny fifampitafana mivantana narahana fanentanana maro isan-karazany hanatsarana ny velontan’ireo mpanjono. Manao ny ezaka rehetra hanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono ny avy eo anivon’ny Ministera izay tarihin’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert. Anisany tena manampy azy ireo ny fanomezana fitaovana enti-miasa entina hampitomboana ny vokatra ary koa ireo fitaovana hiarovana ny ain’izy ireo. Natolotrin’i Ministra azy ireo izany androany niaraka tamin’ireo delegasiona sy ny solotenan’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny Jono (Refrigepêche,Pêchexport, Somapêche). Narahana fanentanana hatrany ny fihaonana teo amin’izy ireo mahakasika ny fitaovaona tokony hampiasana.
Dakar, Sénégal Atrikasa fampiofanana fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano
Firenena 07 no misitraka ny tetikasa UTIDA na « Outil de prise de décision en matière d’investissement dans l’aquaculture » izay andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Atrikasa hampiofanana ho fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano amin’ny fampiasana ny UTIDA no atrehin’ireo avy ao amin’ny MPEB ka ny tanjona dia ny fanomezana vahana ireo fomba famokarana mahomby hoan’ireo mpamokatra mba haharitra amin’ny alalan’ny politika sy fandaharanasa mifototra ara-tsiansa, ny fikarohana vaovao ara-teknika sy ny fampiroboroboana ireo sehatra tsy miankina. Tanterahana ny faha 27 Novambra hatramin’ny faha 02 Desambra 2023 ao Dakar, Sénégal ny atrikasa. Marihana moa fa ny FAO – FMM/GLO/180/MUL no mamatsy vola ity tetikasa ity.
Distrika Soalala, Faritra Boeny Fitsidihan’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy fanomezana fitaovana maro hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono
Tonga eto amin’ny Distrikan’i Soalala Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert androany 27 Novambra 2023, hanatrika ny hetsika entina hanohanana ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fizarana ireo fitaovana maro entina manatsara ny asa fiveloman’izy ireo. Sambany no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono eto Soalala izay miisa manodidina ny 300 eo ka faly sy ravo ary vonona ny hifampitafa mivantana aminy hihainoana ny hetahetan’izy ireo. Efa ela no niandrasan’ireto mpanjono ireto ny Minisitra mpiahy azy ireo ka tonga ny fotoana androany izay nihaonana mivantana taminy ary nentina nanampiana azy ireo. Nisitraka fitaovana hisorohana ny loza an-dranomasina izy ireo izay ahitana salotra vonjy aina miisa 70, eo koa ireo fitaovana hanantaterahana ny asa toy ny harato sy ny kojakoja miaraka aminy miisa 50. Tonga nanatrika ny hetsika ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny ao an-toerana. Mbola ho avy hoy ny Minisitra ny fitaovana hafa ankoatra ireo fa savaranonando ity atao anio ity.
