Fkt Sotema , Secteur Ampasika, Mahajanga I, Faritra Boeny
Fizarana fitaovana hoan’ny mpanjono

  Mbola eto amin’ny Faritra Boeny Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, manohy ny asa fampiroboroboana ny sehatrin’ny Jono sy fanohanana ireo mpanjono ao an-toerana amin’ny alalan’ny fizarana fitaovana. Hoan’ny anio dia nitsidika ireo mpanjono tao Ambalamanga ny tenany notronon’Atoa Governoran’ny Faritra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny solotenan’ny GAPCM. Tahaka ny natao tany amin’ireo toerana rehetra izay nolalovany dia nisy hatrany ny fifampizarana sy fifampitafana niarahana tamin’ireo mpanjono niampy fanentanana maro samihafa. Nahazo fitaovam-panjonoana maro be ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Fkt Sotema satria izany no asa fiveloman’izy ireo ka entina hanatsarana io asa fihariana io no antony nanolorana azy ireo fitaovana enti-miasa ireo. Fitaovana ahitana salotra vonjy aina miisa 200, « filet multifilament » sy ny kojakoja miaraka aminy ary « panneaux » famantarana toetrandro, sns….. Teny an-toerana hatrany Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, nanolotra izany izay fiaraha-miasa niaraka tamin’ny GAPCM. Nanotrona azy tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Boeny sy ireo solotenan’ny GAPCM ary ireo tale isan-tsokajiny. Naneho ny hafaliany hatrany ireo mpanjono tamin’ny alalan’ny dihy ary nanome toky fa hanaraka tsara ireo fehezan-dalàna mahakasika ny Jono mba ho lovain-jafy.

Mahajanga, Faritra Boeny
Fitsidihana ny birao vaovaon’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique)

  Vita soa aman-tsara ny asa fananganana ny birao vaovaon’ny ASH eto Mahajanga, ivon-toerana iray mikirakira ny fanondranana entana rehetra mifandraika amin’ny Jono miainga avy eto Madagasikara makany ivelany. Marihana fa miisa 11 ny isan’ity ivon-toerana ity eto Madagasikara. Ity eto Mahajanga ity dia manao ny fikirakirana manokana mahakasika ireo sambo izay miasa amin’ny tontolon’ny Jono sy ireo antontan-taratasy amin’ny resaka fanondranana entana amin’ireo « Société des pêches ». Zava-dehibe ny fisian’izy ity satria anisan’ny hitondra fanavaozana eo anivon’ny MPEB, izany dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra. Tonga nijery izany teny an-toerana Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, sy ireo tompon’andraikitra miasa ao anatin’ity ivon-toerana ity.

Andriamanjoro, Fkt Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny
Fizarana fampitaovana hoan’ireo mpanjono

  Mitohy ao amin’ny Fkt Marosakoa ny fitsidiha’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny 29 Novambra 2023, izay voalohany ihany koa no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono maro be izay efa ela niandrasana ao an-toerana. Anisan’ny mampiavaka ity toerana ity ny fananany tontolo manodidina izay mahasarika maso sy mpizahatany ary voadidina ranomasina avokoa ny fokotany ao an-toerana. Tonga nifanakalo hevitra sy nifampizara fanentanana maro isan-karazany ny tenany entina hanatsarana ny seham-piharian’izy ireo. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Kaominina Mariarano tamin’ny fitaovana ho enti-miasa nomena azy ireo androany. Nahitana salotra vonjy aina sy kojakoja miaraka aminy, « filet multifilament » ihany koa izay voalohany no hampiasana azy eto Madagasikara. Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ho azy ireo izany androany izay narahana fanentanana isan-karazany mahakasika ny fampiasana izany. Teny an-toerana ihany koa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny sehatrin’ny Jono ary ny tompon’andraikitra ao an-toerana.

Mahajanga, Faritra Boeny
Niampy iray ny fitaovana fanangonam-bokatran’i CDPHM Mahajanga amin’ireo faritra saro-dalana

  Anio 28 Novambra 2023 no nanaovana ny « Mise a l’eau » sy ny andrana ara-teknika ny Sambo BEKAPILA entina hakana ireo vokatra any amin’ny faritra saro-dalana hoan’ny CDPHM Mahajanga. 12m ny halavan’ity Sambo ity ary manana milina 400Ch. Ahitana « Chambre froide » mahazaka vokatra 5 taonina ihany koa. Ny teo anivon’ny orinasa polyma kosa no nanao ny fanamboarana ity Sambo ity. Ny CDPHM araka izany no hitantana ity sambo ity izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisan’ny zava-dehibe ny fanana azy ity satria dia entina hanatsarana ny asa rehetra eo anivon’ny CDPHM ary hitondra fiakarana hoan’ny lafiny ara-toekarena ao an-toerana. Teny an-toerana ny Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert, sy ireo teknisiana ary ireo tompon’andraikitra voakasika nanao ny andrana. Marihana fa rehefa vita tsara ny andrana sy ny pitsopitsony rehetra dia afaka miasa avy hatrany ity Sambo ity.  

Distrika Mitsinjo, Fkt Antsakoamanera, Kaominina Matsakambanja, Faritra Boeny
Fanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono

  Tsy adinon’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny nitsidika ny Distrikan’i Mitsinjo izay atao 4 ora amin’ny Sambo haingam-pandeha miala ny renivohitr’i Mahajanga ny faha 28 Novambra 2023. Tonga niaraka taminy ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera ary ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany misehatra amin’ny Jono. Mivelona amin’ny sehatry ny Jono avokoa ny mponina ao amin’ity toerana ity ka nankasitraka tanteraka amin’izao fandalovan’ny Minisitra mpiahy azy ireo izao. Nisy araka izany ny fifampitafana mivantana narahana fanentanana maro isan-karazany hanatsarana ny velontan’ireo mpanjono. Manao ny ezaka rehetra hanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono ny avy eo anivon’ny Ministera izay tarihin’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert. Anisany tena manampy azy ireo ny fanomezana fitaovana enti-miasa entina hampitomboana ny vokatra ary koa ireo fitaovana hiarovana ny ain’izy ireo. Natolotrin’i Ministra azy ireo izany androany niaraka tamin’ireo delegasiona sy ny solotenan’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny Jono (Refrigepêche,Pêchexport, Somapêche). Narahana fanentanana hatrany ny fihaonana teo amin’izy ireo mahakasika ny fitaovaona tokony hampiasana.

Dakar, Sénégal
Atrikasa fampiofanana fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano

  Firenena 07 no misitraka ny tetikasa UTIDA na « Outil de prise de décision en matière d’investissement dans l’aquaculture » izay andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Atrikasa hampiofanana ho fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano amin’ny fampiasana ny UTIDA no atrehin’ireo avy ao amin’ny MPEB ka ny tanjona dia ny fanomezana vahana ireo fomba famokarana mahomby hoan’ireo mpamokatra mba haharitra amin’ny alalan’ny politika sy fandaharanasa mifototra ara-tsiansa, ny fikarohana vaovao ara-teknika sy ny fampiroboroboana ireo sehatra tsy miankina. Tanterahana ny faha 27 Novambra hatramin’ny faha 02 Desambra 2023 ao Dakar, Sénégal ny atrikasa. Marihana moa fa ny FAO – FMM/GLO/180/MUL no mamatsy vola ity tetikasa ity.

Distrika Soalala, Faritra Boeny
Fitsidihan’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy fanomezana fitaovana maro hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono

  Tonga eto amin’ny Distrikan’i Soalala Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert androany 27 Novambra 2023, hanatrika ny hetsika entina hanohanana ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fizarana ireo fitaovana maro entina manatsara ny asa fiveloman’izy ireo. Sambany no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono eto Soalala izay miisa manodidina ny 300 eo ka faly sy ravo ary vonona ny hifampitafa mivantana aminy hihainoana ny hetahetan’izy ireo. Efa ela no niandrasan’ireto mpanjono ireto ny Minisitra mpiahy azy ireo ka tonga ny fotoana androany izay nihaonana mivantana taminy ary nentina nanampiana azy ireo. Nisitraka fitaovana hisorohana ny loza an-dranomasina izy ireo izay ahitana salotra vonjy aina miisa 70, eo koa ireo fitaovana hanantaterahana ny asa toy ny harato sy ny kojakoja miaraka aminy miisa 50. Tonga nanatrika ny hetsika ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny ao an-toerana. Mbola ho avy hoy ny Minisitra ny fitaovana hafa ankoatra ireo fa savaranonando ity atao anio ity.

Farihin’i Mantasoa, Kaominina Mantasoa, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga
Fandrotsahana zanatrondro Tilapia

  Mitohy hatrany ny hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny Jono amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro, hoan’ny androany dia tao amin’ny farihin’i Mantasoa no nanaovana izany ka zanatrondro Tilapia miisa 40.000 no narotsaka izay tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono. Marihana fa anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ity farihy ity satria dia midadasika tokoa, manana velarana 2.000ha ary tsy voajanahary fa asa-tanan’olombelona, etsy andanin’izany dia maro ny mpanjono mivondrona anaty fikambanana samihafa no mivelona amin’io farihy io. Tanjona ny hitantanana maharitra ary hamerenana ireo harena ao anatin’io farihy io mba ho tombotsoan’ny rehetra indrindra fa ny mpanjono satria tsapa fa efa mihena ny vokatra. Nandritra izany dia nisy hatrany ny fanentanana nataon’Atoa Minisitra ireo mpanjono mba tsy hampiasa ireny harato kely maso tsy manara-penitra ireny ary koa nanamafisana fa mbola ao anaty vanim-potoana fikatonan’ny taom-panjonoana ny farihin’i Mantasoa ka ilaina ny fanarahan-dalàna rehetra. Nisy ihany koa ny fandoroana ireo harato kely maso tratra nandritra ny fisavana natao. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera nanatontosa izany. Marihana fa izao no tanteraka dia nohon’ny tantsoroka avy amin’ny orinasa Acipencer.

Ampandrianomby, Antananarivo
Fizarana fahalalana nataon’Atoa Peter Bouckaert

  Nifampitafa niaraka tamin’ireo mpiasa eto anivon’ny MPEB, Atoa Peter Bouckaert, mpanamahay ao anatin’ny « Cabinet shadow » ny faha 23 Novambra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga. Nizara ny traikefa mahakasika ny fampamokarana ny atirano, ny fanangonam-bokatrin’ny jono sy ny fanodinana izany ary ny fomba fanangonana tahirin-kevitra maripototra izay ataon’ny Blue Ventures miaraka amin’ireo mpanjono madinika any amin’ny firenena Afrikanina Andrefana toy Senegaly ary ny firenena Asiatika toy ny Filipinina. Nambarany ihany koa fa tokony hisy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpanjono madinika avy amin’ireo firenena vahiny ireo sy ny avy eto Madagasikara mba ho fampandrosoana ny Jono ary ny mba hampaharitra ireo harena anaty rano amin’ny alalan’ny fitantanana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny faritra arovana an-dranomasina.

Mombasa, Kenya
Atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine)

  Tanterahina eto amin’ny Bahari Beach, Mombasa, ny 20-25 Novambra 2023, ny atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine), vatsian’ny « Nairobi Convention Secretariat » sy ny « United Nations Environment Programme » vola. Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hampahafantarana ny mpiantsehatra rehetra ny Paikady iombonana aty amin’ny faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana (WIO) ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina, handrindra ireo drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra ary hifampizara traikefa amin’io lafiny io. Iriana araka izany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo teknisiana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hampandroso ireo tetikasa mifandray amin’ny drafi-panajariana sy fanatanterahana izany any amin’ireo firenena samihafa. Firenena valo no mandray anjara amin’izany : Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzania, Kenya, Seychelles, Maurice, Comores ary i Madagasikara.