Ivato, Faritra Analamanga
Fitsidihana ny Orinasa MAPROSUD

  Nisy ihany koa ny fitsidihana ny Orinasa MAPROSUD izay niarahana tamin’Atoa Ministra MAHATANTE Paubert sy ny ekipa avy eo anivon’ny ASH. Nanao ny fitsirihana rehetra amin’ny fampanarahan-dalàna no tena antony maha-zava-dehibe izao fitsidihana izao na amin’ny lafiny fitaovana ampiasaina, na amin’ny lafiny fahadiovana , na foto-drafitrasa, na kalitaon’ny entana, sns … Nisy hatrany ny toro-hevitra nampitaina mahakasika ireo lalàna isan-karazany ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny Orinasa ary ny ASH. Tsy mijanona hatreo fa mbola hitohy arak’izany ny fitsidihana amin’ireo orinasa hafa.

Ivato , Faritra Analamanga
Fitsidihana ny Orinasa MADA’S

  Orinasa iray misehatra amin’ny fikirakirana « zanaka amalona » (civelles) no notsidihan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny faha 09 Desambra 2023 niaraka tamin’ireo ekipa avy eo anivon’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique) sy ny DRPEB Analamanga. Vao tamin’ity taona 2023 ity no nisokatra ity orinasa ity, izay vao nohajariana hanaraka ny fenitra takiana amin’ny fikirakirana ny vokatra satria dia orinasa misehatra amin’ny drakaka izy ity teo aloha. Raha ny vinavina hoan’ireo vokatra miditra ato amin’ity orinasa ity dia mahatratra 10 Taonina hatramin’ny 50 Taonina isan-taona. Ny anton’izao fitsidihana izao dia ny hanomezana torohevitra ara-teknika rehetra ary koa hijerena ny pitsopitsony rehetra amin’ireo fitaovana hampiasana sy ny toerana handraisana ary hanodinana ireo vokatra mba ho ara-pahasalamana sy hanaraka ny fenitra ihany koa. Mbola tsy manondrana izy ireo hatreto fa miandry ny fahazahoan-dalana avy eo anivon’ny ASH. Ilaina ny fanohanana ny orinasa toy itony hoy Atoa Ministra hafahana manome asa mendrika hoan’ny tanora sy ireo tsy an’asa. Entina ihany koa izany hampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga.

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Tatitra mahakasika ny fitrandrahana sy ny fanondranana Drakaka (Scylla Serrata)eto Madagasikara nandritra ny taona 2023

  Mitentina 2.791.900.000 Ariary ny vola nampidirin’ny seham-pihariana Drakaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023 raha 704.600.000 Ariary izany tamin’ny taona 2021. Azo ambara fa fahombiazana tanteraka izany ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Paikady sy fanavaozana napetrakin’ny Ministera no nahazoana izany vokatra izany hoy Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert nandritra ny fanaovana tatitra ny fanondranana sy ny fitrandrahana Drakaka nandritra ny taona 2023 tamin’ireo mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena ny 08 Desambra 2023 teny Ampandrianomby. Orinasa miisa 28 no misehatra amin’ny fanondranana Drakaka eto Madagasikara ary Drakaka velona nanodidina ny 1.241 Taonina sy Drakaka « congelés » 1.675 Taonina no naondrana nahazoana izany vokatra izany. Ratsa-mangaika mpanara-maso ny fanondranana ny vokatra mankany ivelany ny ASH. Vina lehibe hoan’ny Ministera moa ny hitantanana maharitra ity harenan-dranomasina ity noho izany dia maro ireo paikady apetraka ho amin’izany toy ny fanarenana ny ala honko na »restauration des mangroves », ny « engraissement des crabes » ary ny « élevage des crabes ». Tsiahivina fa voararan’ny lalàna ny fitrandrahana Drakaka latsaky ny 11cm.

Siège de l’Organisation Mondiale du Commerce (OMC), Suisse, Genève
Participation du MPEB à la réunion de préparation de la 13ème Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche

  Durant la 2ème journée de la réunion en date du 05 décembre 2023 dernier, l’ordre du jour a été orienté à une séance plénière des pays membres à une réflexion relative aux divers articles de la proposition de l’Accord de l’OMC sur les subventions à la pêche tels que : • L’article A2 qui traite la question concernant la pratique de pêche lointaine en dehors de la ZEE des pays membres; • L’article C, qui prévoit la question de transparence vis-à-vis des données statistiques sur la pêche; • Et enfin, l’article D où se situe la proposition sur les subventions aux carburants non spécifiques. Cette séance plénière sous l’égide du Président du GNR, SEM l’Ambassadeur Einar Gunnarsson a vu la participation de tous les représentants des pays membres dont Madagascar par le biais de Monsieur le DRPEB de la Région de l’Anôsy. Entre autres, au cours de cette séance de négociation, Madagascar a siégé dans le Groupe Africain et des PMA.

The Rockefeller Hotel, Cape Town, Afrika Atsimo
Fivoriana mahakasika ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono an-dranomasina

  Ny « Pew charitable trusts » dia misehatra amin’ny resaka haitondra (gouvernance) momban’ny ranomasina maneran-tany. Namaly ny fanasana izay nataon’izy ireo ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert izay nizara momba ireo ezaka rehetra vita any Madagasikara mahakasika ny fanatsarana ireo fitaovana hiarovana ny ain’ny Mpanjono. Isan’ireo zavatra nolazaina sy nambara teto fa raha roa monja ny sambo niasa amin’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny jono talohan’ny taona 2021 dia efa lasa 23 izy ankehitriny ka sady manao fitsirihana no manao vonjy aina ihany koa raha sanatria ka misy ireo loza izay mahazo ny Mpanjono eny an-dranomasina. 50.000 mahery no isan’ireo salotra vonjy aina ary 3.000 mahery ny fitaovana famantarana ny toetrandro izay nozaraina tao anatin’ny roa taona izay. Nankasitraka ary nidera ireo zava-bita any Madagasikara ireo solontena avy amin’ny Firenena maro toa an’i Ghana, Malawi, Comores, Benin, Kenya, Mozambique, Afrika Atsimo, Nouvelle Zélande, Etazonia, ny SADC, sns… izay samy nilaza fa nahavita nanatsara ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono isika. Marihana fa Mpanjono iray hetsy mahery no maty isan-taona maneran-tany nohon’ny loza an-dranomasina raha toa ka manodidina ny 100 isan-taona eo ho eo ny ao Madagasikara. Hitohy rahampitso ny fivoriana ary hisy ny fehin-kevitra izay hanatsarana izany fiarovana ny ain’ny Mpanjono izany ho an’ny Afrika manokana izay hotsoahana amin’ny alalan’ireo ezaka izay vita any Madagasikara.  

Siège de l’Organisation Mondiale du Commerce (OMC), Suisse, Genève
Participation du MPEB à la 8ème semaine de Pêche

  Le Groupe de négociations sur les règles de l’Organisation Mondiale du Commerce (OMC) se regroupe à nouveau pour la huitième semaine de Pêche du 04 à 08 décembre 2023 en son siège au Genève, Suisse. Des réunions techniques se sont déroulées jusqu’ici en vue de la préparation de la treizième Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche, prévue en Février 2024 dont Madagascar en est membre. La 8ème semaine de Pêche a été donc ouverte officiellement le 04 décembre 2023 dernier par le Président du GNR, SEM l’Ambassadeur Einar Gunnarsson et en présence de tous les pays membres venant du monde entier dont Madagascar qui a été représenté par Le Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue à travers la DRPEB de l’Anôsy et appuyé par la Mission permanente Malagasy à Genève. Durant cette session, la 8ème semaine aura comme objectif de poursuivre les négociations sur les points suivants : – les disciplines qui réduiront de manière significative les subventions qui contribueront à la surcapacité et à la surpêche ; – le traitement spécial et différencié (TSD); – et d’autres propositions liées aux subventions sur la pêche.

Fkt Antanimora, Distrika Ambovombe, Faritra Androy
Fitsidihana ny toerana famokara « Spiruline »

  Nidina tao amin’ny toeram-pamokarana lomotra na « Spiruline » ny avy ao amin’ny Fitalehavam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny Faritra Androy, ny faha 04 Desambra 2023. « Spiruline » maina 1kg no vokatra voalohany azo avy amin’io fambolena lomotra io. Hita fa tena tsara ilay kalitao ary mahatoky ireo fikambanana mamokatra lomotra ao an-toerana fa ho tsara lavitra noho izao vokatra izao ny ho azo amin’ny manaraka. Mankasitraka tanteraka amin’ny fiaraha-miasa avy amin’ny IHSM, ny IOT ary ny Aquatic Service izay angady nananana sy vy nahitana an’izao toeram-pamokarana lomotra eto Antanimora izao.

Waterfront, Cape Town, Afrika Atsimo
Fitsidihana Ivotoeram-pikarohana momban’ny fihariana anaty rano (Marine aquaculture research)

  Mandalo eto Cape Town Afrika Atsimo Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert namaly ny fanasana izay nataon’ny « Pew Charitable Funds » momban’ny fivoriana mahakasika ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono madinika aty Afrika izay haharitra roa andro (05-06 desambra 2023). Nohararaotin’Atoa Minisitra izany fandalovany eto izany ka nitsidihany ireo Ivotoeram-pikarohana maromaro ka isan’izany ny « Marine Aquaculture Research » izay tena raitra tokoa satria hita ato ny fiompiana trondro an-dranomasina toy ny fiampotsy na fiantsara (Argyrosomus japonicus), mullet, angera (Pomadasys sp.) ary sokin-driake (oursin). Ireo dia natao hanenana avokoa ireo tsindry amin’ny fanjonoana ary hamoronana asa sy hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo maneran-tany. Niady ny resaka teto ary irina ny fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Ivotoerana toy itony izay tena hita mivaingana ny vokatr’izany. Manana ireo harena ireo avokoa isika ao Madagasikara ary ilaina ny mahavoafehy ny fiompiana azy ireo mba hanatsarana hatrany ny tontolon’ny Toekarena Manga.

Ampandrianomby, Antananarivo
Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana

  Ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara dia ny lafiny fampianarana no tsara atao vaindohan-draharaha voalohany. Noho izany indrindra dia tafapetraka ny fiofanana mahakasika ny « Management de l’Economie Bleue » mamokatra « Technicien Supérieur en Pêche et Aquaculture » na Teknisiana ambony amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano ao amin’ny IST (Institut Supérieur de Technologie) d’Antsiranana hazahoana ny mari-pahaizana « Bacc +2 » ka hotohizana tsikelikely hatramin’ny « Bacc +5 » na « Ingeniorat » izany. Izao moa dia mamaly ny filan’ny Faritra nohon’ny fananan’i Madagasikara fari-dranomasina lehibe sy renirano ary farihy maro ka afaka hampitombo ny Toekarena Malagasy. Ilaina ny fianarana sy fahafantarana ary ny famehezana ny zavatra manodidina sy ny ao anatin’ireo voalaza etsy ambony mba hafahana mitrandraka maharitra. Manoloana izany rehetra izany dia natao androany 01 Desambra 2023 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny IST Antsiranana mba hafahana mizara fahaizana, traikefa ary indrindra mampita ny fahalalana rehetra manodidina izay Toekarena Manga izay mankany amin’ireo mpianatra mba hafahan’izy ireo mampihatra an’izany eo amin’ny fiainana. Ny Toekarena Manga dia hafahana mamorona asa marobe, hafahana manatsara ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ary mampihena ny ampahany betsaka ny tahan’ny fahantrana. Tonga nanao sonia izao fifanaraham-piara-miasa izao ny Tale Jeneralin’ny IST Antsiranana notronin’ireo delegasiona avy any an-toerana sy ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera notron’Atoa Ministra MAHATANTE Paubert sy ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera.  

Ampandrianomby, Antananarivo
Fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Delegasiona avy any Indonésie

  Tonga nitsidika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao Ampandrianomby, ny Delegasiona avy any Indonésie notarihan’i solotena avy ao amin’ny masoivohon’izy ireo eto Madagasikara androany 30 Novambra 2023. Mitsidika Ministera maromaro ireo delegasiona ireo mandritra izao diany aty Madagasikara izao ary efa nisy ireo voatsidika nandritra izay fotoana nahatongavan’izy ireo izay tamin’ity herinandro ity. Fanomezana tohana fiofanana (Formation) sy fanamafisana ny fahaiza-manao (Renforcement de capacité) eo amin’ny sehatran’ny angovo (énergie), harena an-kibon’ny tany (mine), fiarovana an-dranomasina (sécurité maritime), asa tanana (artisanat) ary ny fampamokarana ny atirano (aquaculture) eto Madagasikara no tena anto-dian’ireto delegasiona avy any Indonésie ireto. Izao moa dia vokatrin’ny fifampiresahana izay nivoitra tamin’ny fihaonana AIS Forum izay natao teto Madagasikara ny volana aogositra lasa teo ary ny fihaonana an-tampony teo amin’ireo Nosy sy Vondrona Nosy mpikambana ao amin’io AIS Forum ny volana oktobra lasa teo ka natrehan’ny delegasiona Malagasy tany Bali – Indonésie. Hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana dia mifototra amin’ny sehatrin’ny fampamokarana ny atirano sy ny jono ary ny toekarena manga amin’ny ankapobeny ny fiaraha-miasa hiarahana amin’izay fanomezana fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao izay mba hafahana mampiakatra ny vokatra sy ny toekarena eto Madagasikara. Manoloana izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta hafahana mijery ny zavatra tena ilaina hafahana miroso amin’izany. Ao amin’ny fotoana ilana izany mihintsy moa ny Ministera amin’izao raha nandray fitenenana Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera izay nitarika ny delegasiona ankilany satria dia ao anatin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny fampamokarana ny atirano mihintsy ny Ministera amin’izao amin’ny alalan’ny fiompiana trondro sy fambolena lomotra izay efa mahazo vahana ankehitriny manoloana ny velaran-drano sy ranomasina ananan’i Madagasikara hafahana manao izany. Nanatrika izao fotoana izao moa ireo solotena avy amin’ny Fitaleavana vitsivitsy voakasika izany eo anivon’ny Ministera. Raha ny tetiandro napetraka dia hanomboka amin’ny volana Janoary izao ireo fiofana maro samihafa araka ny filan’ny Ministera ka mifanaraka amin’ny tantsoroka izay efa napetraky ny Firenena Indonésie.