Ampandrianomby, Faritra Analamanga FIARAHA-MIASA AN’I MADAGASIKARA SY TURQUIE AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA
Fanindroany izao no nandalo Teto amintsika ireo Masohivoho Turquie eto Madagasikara niresaka amin’ny ahafahana Manatanteraka ny fiaraha-miasa amin’ny resaka #Toekarena_Manga anisan’izany ny Jono. Marihina fa Manana ny fahaizana manokana izy ireo Ary koa ny enti-manana ka Vonona ny hiara-hiasa amintsika ahafahana mijery ireo harena Mbola tsy voatrandraky Madagasikara anisan’izany ireo ressources au large, ireo ressources demersales, Ary ireo ressources benthiques. Voaresaka tao ny ahafahana Manao fifanakalozana eo amin’ireo « expert en pêche » aty Madagasikara Sy ry zareo any Turquie mba ahafahana Manatsara hatrany ny traikefa. Mahafapo azy ireo ny fifampiresahana izay Efa natao Ary hitohy izany ho amin’ny herinandro amin’ny alalan’ny fanantanterahana ny fifanaovan-tsonia Fiaraha-miasa eo amin’ny toa Tonta.
Fanjonoana digandingana aty avaratry ny Nosy izay tsy misy ifandraisany amin’ny fanjonoana trondroFanazavana momba ireo Mpanjono 164
Ny digandingana na zanga na concombre de mer dia biby an-dranomasina manana anjara asa ara-ekolojika hanadio ny « substrat » misy azy satria biby mpanadio izy ireo (animaux filtreurs). Tsy tafiditra anatin’ny sakafon’ny Malagasy izy ireo satria tsy haintsika ny mikarakara azy. Ry zareo aziatika kosa no mihinana azy noho ny « vertus » maro izay ananany. Efa nanomboka ny Repoblika voalohany no nisy ny fanjonoana digandingana teto amintsika. Ankehitriny dia manodidina ny Ar 30.000 hatramin’ny Ar 40.000 ny digandingana iray ka betsaka ny olona mitady azy na dia efa any amin’ny toerana lalina no sisa ahitana azy ireo eto amintsika. Manodidina ny 300 taonina isan-taona ny vokatra digandingana eto amintsika. Ny taona 2004 kosa dia efa niroso amin’ny fikarohana momba ny fiompiana ity biby ity ny teo anivon’ny « Institut Halieutique et des Sciences Marines » na IH.SM ao amin’ny Oniversiten’ny Toliara satria efa tamin’izany andro izany no tsikaritra fa mihalany tamingana ireo karazana digandingana sasan-tsasany. Ny zanga fotsy na « holothurie de sable » no tena voafehintsika ary ananan’ny Malagasy « brevet » izany ka ireharehantsika manerantany. Efa betsaka ireo Orinasa manao ity fiompiana digandingana ity eto amintsika toy ny hita ao Atsimo Andrefana, SAVA ary DIANA. Ny fahavalony dia ny resaka halatra satria biby mora velomina fa mora angalarina ihany koa. Tsy omena sakafo fa mamelontena ny zanga ary 15 ka hatramin’ny 18 volana dia efa azo aondrana. Ny 02 Febroary 2024 lasa teo no naharay antso avy amin’ny manam-pahefana Seychellois ny tenako fa misy ireo Mpanjono tratra ao amin’i « Ile Providence », 400km avaratry Antsiranana fa 300km atsimon’i Victoria. « Bateau de plaisance » nandalo no nahita azy ireo ka nilaza tamin’ny Tafika an-dranomasina Seychellois. Sambo mihoatra ny enina no voalaza fa nitondra ireo Mpijibika (plongeurs) ireto satria nisy ireo tafatsoaka ka efa tonga niverina teto Madagasikara, misy ny efa voasambotra, misy kosa no andalam-pikarohana amin’izao izay iarahan’ny Zandarimaria sy polisy nasionaly manatanteraka. Marihana fa efa fanintelony izao no nitranga ny fahatratrarana Mpanjono Malagasy tany Seychelles izao. Tamin’ny taona lasa dia efa nisy 34 tratra ary volana vitsivitsy taorian’izany dia nisy 54 tratra ihany koa. Ankehitriny dia tafakatra 164 no tratra, any ka mahatonga an-dry zareo Seychellois mampiaka-peo. Ry zareo Seychellois hatrany no niantoka ny famerenana ireo olona ireo eto amintsika satria izay no voalaza ao amin’ilay fifanarahana izay nosoniavan’ny Firenena roa tonta. Hita mibaribary ary ankehitriny fa misy manakarama ireo olona ireo ary tambajotra mihitsy no misy satria voalaza fa misy Mpijibika avy any Mahajanga, Toamasina ary Ambanja, Ambilobe sy Nosy Be no manao izany ka mandeha any Seychelles. Marihana ihany koa fa tsy ilay fanjonoana digandingana no tsy azo atao fa ny tsy fanarahan-dalana toy ny fampiasana bouteille de plongée, ny fanjonoana ireo zanga madinika (latsakin’ny 11cm) ary indrindra ny fankanesana any amin’ny tanin’olona. Tsy misy ifandraisany ihany koa amin’ny fanjonoana trondro izao tranga izao satria biby samy hafa izy ireo, toerana samy hafa no ahitana azy ary fitaovana sy fomba samy hafa no anjonoana azy. Efa betsaka ireo nisazy tamin’ireo tranga teo aloha ireo. Amin’izao dia nahitana olona enina (06) izay efa mpamerin-keloka. Tanjona ankehitriny ny hamongorana ilay tambajotra (Mpijibika, mpampiasa, mpanagom-bokatra, mpanondrana sy ny maro samihafa…). Fantatra fa misy olom-boafidy ihany koa voarohirohy amin’izao raharaha izao sy mpampiasa vola maromaro eto Madagasikara. Manoloana izao tranga izao dia mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka rehetra isika mba hamongorana ity tambajotra ity satria sady maharary no mahamenatra. Voalaza ihany koa fa mety hanondrana volamena sy rongony ireo olona ireo ka mampiasa fitanterana an-dranomasina. Marihana etoana fa na ny Amerikana dia nilaza fa tsy afa-bela amin’ny resaka Pêche INN na Jono tsy manara-dalana ity na dia manana ny fitaovana raitra rehetra, indrindra fa raha sanatria ka avy ao anatin’ny Firenena no manao azy araky ny fanambarana nataon’Atoa Amiraly Calvin Foster teto amintsika herinandro vitsy lasa izay… Avy ato anatiny izao tranga izao ankehitriny ka izay no maha-sarotra azy. Efa an-taonany maro no tsy naheno Sambo vahiny nanjono tsy ara-dalana eto amintsika isika nohon’ny ezaka maro nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo Mpiara-miombona antoka amintsika…
U.S. Embassy Madagascar
Miarahaba ny Governemanta Malagasy izay nahatafavoaka, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny tatitra momba fangaraharahan’ny jono voalohany indrindra tamin’ny volana desambra 2023 lasa teo. Tamin’ny 5 desambra 2022 i Madagasikara no lasa firenena fahatelo mandrafitra ny Fisheries Transparency Initiative (FiTI) aty amin’ny Faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana. Dingana lehibe amin’ny fanatsarana ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny jono ary amin’ny fankatoavan’ny rafitra FiTI ny famoahan’i Madagasikara izao tatitra izao. Reharehan’ny governementa amerikana ny miara-miasa amin’ny vahoaka Malagasy amin’izay fanamafisana ny fangaharahana eo amin’ny sehatry ny jono izay amin’ny alalan’ny fandaharanasa maro lafy. Matoky izahay fa ny fangaraharana dia fitaovana matanjaka hiadiana amin’ny kolikoly ary indrindra indrindra hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Azonao alaina amin’ny alalan’ity rohy ity https://www.mpeb.mg/rappport-fiti/ ny dika mitovin’ilay Tatitra FiTI Madagasikara ary mampirisika anao handray anjara amin’ny ady hevitra amin’ny fitantanana ny jono eto Madagasikara. ———- Congratulations to the Government of Madagascar whose Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue published Madagascar’s first-ever Fisheries Transparency Initiative (FiTI) report in December 2023. Madagascar became the third FiTI Candidate country in the Western Indian Ocean region on December 5, 2022. The publication of the country’s first FiTI report is an important step towards improving transparency in the fishing sector and ultimately becoming a FiTI Compliant country. The U.S. Government is proud to work with the Malagasy people in strengthening fisheries transparency through various programs. We believe transparency is a powerful tool to fight against corruption, and especially to counter Illegal, Unreported, and Unregulated (IUU) fishing activities. Download this report on the website of the Ministry of Fisheries and Blue Economy (https://www.mpeb.mg/rappport-fiti/), and start participating in public debates about fisheries governance in Madagascar! Source: https://www.facebook.com/photo?fbid=788080913362574&set=a.294888266015177
Lake Naivasha Resort, Kenya Participation de Madagascar (MPEB) à la 2 ème AG de l’Aquaculture Network for Africa ou l’ANAF
La deuxième Assemblée Générale de l’ANAF (Aquaculture Network for Africa) se tient au Lake Naivasha Resort, Kenya du le 15 au 17 janvier 2024 dont Madagascar y participe activement à travers les représentants du Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue par le biais des 2 DRPEBs des Régions d’Alaotra Mangoro et de Vakinankaratra. Cette réunion de haute envergure a vu la participation d’une centaine personnes représentants les 55 pays membres de l’Union Africaine, des représentants du SADC, des Universités partenaires, des secteurs privés et le FAO. Il est important de souligner que le FAO a pris l’initiative de transférer la gestion de l’ANAF à l’UA-BIRA depuis l’année 2018. A titre informatif, les objectifs de cette 2ème AG de l’ANAF sont de : • Renforcer le Réseau de l’ANAF, • Développer les opportunités pour l’essor de L’aquaculture et • Contribuer à la sécurité alimentaire. Durant son intervention, la délégation Malagasy a eu l’opportunité de montrer à l’assistance les efforts entrepris par le Ministère jusqu’à maintenant pour le développement du secteur par exemple l’augmentation de la consommation de poisson par habitant et par an de 4,26 à 7kg. Aussi, c’est une occasion de mener des échanges et des partages pour enrichir les nouvelles techniques innovantes sur l’Aquaculture dont la plupart sont pratiquées en eau douce. En se référant aux documents disponibles et à la vision du réseau ANAF, on peut confirmer ainsi les avancés de Madagascar en matière du développement de l’Aquaculture.
Les membres du nouveau Gouvernement dirigé par Mr le Premier Ministre, NTSAY Christian nommé par le Décret N° 2024-020 du 14 Janvier 2024
Ankorondrano, Antananarivo, Faritra Analamanga Atrikasa ho fanatsarana ny fitantanana ny Jono Lamatra mifindra-monina eto Madagasikara
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena eto Madagasikara ny fanjonoana Lamatra. Manodidina hatrany amin’ny 3,5 Lavitrisa Ariary ny vola ampidirin’izany eo amin’ny kitapom-bolam-panjakana izay mitombo hatrany arakaraka ny zava-misy. Ho fanatsarana hatrany ny fitantanana izany Jono Lamatra izany dia misy ny Atrikasa mahakasika izany izay tanterahana ao amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano ny 14 Desambra 2023 iarahan’ny Ministera amin’ireo mpiara-miombona antoka dia ny Blue Ventures sy ny WWF. Tanjona ny fahampahafantarana ny rehetra amin’ny antsipiriany ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka ny mahakasika ny fanjonoana Lamatra toy ny Fahazoan-dalana hanjono (Licence de Pêche), ny habetsakan’ny azo jonoina (Quantité) ary ny hampiasana ny vola rehefa avy eo. Isan-taona dia Lamatra manodidina ny 50.000 Taonina no mandalo eto amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara, izay mandalo mandritra ny 03 hatramin’ny 05 volana. Miisa 39 kosa ireo Sambo misehatra amin’izany ka ny 05 amin’ireo dia « Pavillon » Malagasy avokoa ary manodidina eo amin’ny ny 25.000 Taonina no nomena azy ireo. Nanokatra ity Atrikasa ity tamin’ny fomba ofisialy ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert notronin’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Atoa Tale Jeneraly misahana ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano ary ny solotenan’ny Blue Ventures sy ny WWF ary ireo sehatra rehetra voakasika amin’izany.
CDA Mahajanga, Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, Faritra Boeny Fampiofanana Fiompiana TrondroTilapia
Mpikambana miisa 11 avy amin’ ny solontenan’ ny OPs sy teknisiana miisa 09 avy amin’ny FIARO, tetikasa « Fananganana fahaiza-manaon’ny Fikambanan’ny tantsaha manodidina ny vary, akondro ary ny sehatry ny jono any amin’ny faritra DIANA », izay tohanan’ny Vondrona Eoropeana ara-bola, AFDI_AVSF no nanaraka fiofanana fiompiana trondro tao amin’ny Ivo-toerana Fampandrosoana ny fampamokarana ny atirano na ny CDA Mahajanga nanomboka ny 11 ka nifarana ny faha 13 Desambra 2023. Ny tanjona napetraka nanditra ny fanatanterahana izao fiofanana izao dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ara-teknika mahakasika ny fiompiana trondro, ny famokarana zana-trondro ary ny fanamboarana sakafon-trondro, sy ny mba hahafahan’izy ireo ihany koa mampiroborobo sy mampivelatra ny Fikamban’ny tantsaha any amin’ny faritra misy azy ireo ka hahatonga azy ireo ho mpisehatra ara-toekarena afaka hanome lanja misimisy kokoa amin’ny seha-pihariana « Fiompiana trondro ». Nandritra ny roa andro voalohany nanatontosana ny fiofanana dia niompana tamin’ny fanazavana momba ireo lohahevitra izay voatanisa etsy ambony raha toa ka ny fampiharana teny an-kianja kosa no nanamarihana ny andro fahatelo farany. Tao aorian’ny fiofanana moa dia nisy ny fanolorana fanamariham-piofanana ho an’ireo mpiofana nandray anjara.
Hôtel Carlton Anosy, Antananarivo, Région Analamanga Atelier pour la validation du rapport « Évaluation juridiques des réglementations et politiques nationales de pêche à Madagascar par rapport aux Directives volontaires visant à assurer la durabilité de la pêche artisanale dans le contexte de la sécurité alimentaire et de l’éradication de la pauvreté (Projet GCP/GLO/965/SWE-FAO)
Dans le cadre de son axe stratégique 1 visant au renforcement du système de gouvernance inclusif de la petite pêche aux niveaux national, régional et local à travers des textes légaux adaptés et la mise en œuvre effective des politiques nationales, le Plan d’action National sur la petite pêche (PAN-PP) validé prévoit de mettre en place ou de mettre à jour des cadres légaux adaptés au contexte local tenant compte des aspects genre (domaine prioritaire 2 de l’axe stratégique 1). Pour ce faire, parmi les actions prévues dans ce domaine prioritaire 2 de l’axe stratégique 1, l’analyse des cadres légaux existants à travers les principes et les bonnes pratiques a été prévue et puis d’en sortir par la suite des recommandations pertinentes en vue de proposer des nouveaux textes et politiques ou des amendements. Les travaux réalisés dans le cadre de cette étude contribuent à l’atteinte des actions citées dans le PAN-PP. Ce jour, l’atelier pour la validation du rapport « Évaluation juridiques des réglementations et politiques nationales de pêche à Madagascar par rapport aux Directives volontaires visant à assurer la durabilité de la pêche artisanale dans le contexte de la sécurité alimentaire et de l’éradication de la pauvreté a eu lieu à Anosy, Antananarivo, Région Analamanga et a vu la participation de tous les acteurs concernés par ce segment de pêcherie. A titre d’information, l’objectif principal de cet atelier est de valider les conclusions du rapport juridique par rapport aux Directives sur la pêche artisanale et de fournir un ensemble complet de recommandation pour combler les lacunes identifiées afin de renforcer le cadre politique et législatif à Madagascar. Aussi, ce présent atelier vise à recueillir des informations pertinentes essentielles à la réalisation du rapport. Cela comprend des informations sur la meilleure façon de combler les lacunes identifiées dans les politiques et législation nationales, ainsi que des informations sur les pratiques locales liées à ces lacunes. Les informations obtenues au cours de l’atelier joueront un rôle crucial dans la finalisation du rapport.
Siège de l’Organisation Mondiale du Commerce (OMC), Genève, Suisse Participation du MPEB à la Réunion relative aux négociations sur les subventions à la pêche
La huitième semaine de pêche relative aux négociations sur les subventions à la pêche auprès du siège de l’OMC s’est déroulée du 04 au 08 décembre dernier et sous la direction de SE M. L’Ambassadeur Einar Gunnarsson. Avec la participation active de tous les pays membres à cette semaine de pêche, les négociations se sont focalisées sur les propositions contenues du document de l’Accord RD TN RL 184 issus du RD TN RL 174, telles que : -Article A.1 statuant la non accord ni maintien de subventions à la pêche ou aux activités liées à la pêche qui contribuent à la surcapacité ou à la surpêche ; -Article B prévoit un traitement spécial et différencié pour les PMA membres sur l’application de l’Article A1 pour différents points ; -Article A.2, statuant le non accord ni le maintien des subventions liées à l’Article A dans des zones situées au-delà de la juridiction du Membre qui accorde la subvention ; -Article C statuant la notification et la transparence appliqués aux membres auprès des comités des subventions à la pêche et -Article D concernant les propositions sur les subventions aux carburants non spécifiques. Au cours de cette 8ème semaine de pêche, plusieurs propositions de la part des membres ont été avancées. Leurs propositions témoignent des volontés de rapprochement d’idées pour un intérêt commun de tous les pays membres. Durant la dernière réunion, le Président du NGR estime que jusqu’ici, beaucoup reste à faire afin d’assurer la tenue de la présentation au 13eme CM. Entre autres, Il a rappelé sur l’intérêt et l’urgence de mettre les points entre les positions distantes avant la tenue de cet évènement. Pour se faire, des séries de discussion vont se poursuivre dans les prochains jours. La réunion s’est clôturée le vendredi 08 décembre 2023 dernier sous l’égide de SE M. l’Ambassadeur Einar Gunnarsson et a été honorée avec la présence du Directeur General de l’Organisation Mondiale du Commerce, Madame Ngozi Okonjo-Iweala.
Fkt Andranamby, Marosiky ary Sakanana, Kaominina Ambanivohitra Amporoforo, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana Fampitaovana « Kits de sécurité en mer » hoan’ireo mpanjono
Ho fanohanana sy ho fiarovana ny ain’ireo mpanjono eo am-panatanterahiny ny asany ary koa mba hahafahan’izy ireo manatsarana ny velotenany dia nanatontosa fidinana ifotony tao Fkt Andranamby, Marosiky ary Sakanana, Kaominina Ambanivohitra Amporoforo, Distrikan’I Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny faha 8 Desambra 2023 lasa teo ka nandritra izany no nizarana fitaovana maro izay nahitana « combinaison », salotra vonjy aina, radio ary famantarana andro mahatanty orana miisa 77 hoan’ireo mpanjono tao amin’ireo Fkt 3 izay voatanisa etsy ambony. Nanatrika sy nanome voninahitra izao hetsika fizarana fitaovana hoan’ny mpanjono izao ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Amporoforo izay notronon’ ireo Ampanjaka ao an-toerana sy ireo Sefo Fokontany. Velom-pisaorana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ireo solotenan’ireo mpanjono izay nandray anjara fitenenana ary nahatsiaro fa tena misy ny fanjakana izay mitsinjo sy mahatsiaro azy ireo, porofoin’izao hetsika notontosaina izao.
