Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Jono Mahaloky

Toy ny fanao isan-taona dia ny 01 Avril no misokatra ny jono Mahaloky taty Ampansindava, Anjamanoro (Nosy Faly), Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA. Tsiahivina fa 700 ka hatramin’ny 900 taonina ny vokatra azo ny taona 2023 izay ny volana Aprily ka hatramin’ny volana jona. Mahatratra 18 taonina ny vokatra tamin’ny andro voalohany. Manodidina ny 03 ka hatramin’ny 05 taonina isanandro kosa ny vokatra amin’ny ankapobeny.  Olana atrehina eto ny fahasimban’ny fotodrafitrasa toy lalana nohon’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ka mety hanasarotra ny fandefasana ny vokatra mankany SAVA sy ivelan’ny DIANA. Ampiasaina avokoa ireo complexes des pêches rehetra aty Avaratra izay ahitana chambres froides hitahirizana ireo vokatra tsy lafo. Nanokatra ny Jono Mahaloky aty Nosy Faly Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary notronin’ireo Manampahefana sy Mpiaramiasa aminy aty amin’ny Faritra DIANA.

FIVORIANA ENTINA HAMPANDROSOANA NY FAMPAMOKARANA NY ATY RANO ETO MADAGASIKARA

Tanteraka soa amantsara ny fivoriana izay nihaonan’ireo tompon’andraikitra Voalohany eo amin’ny fitaleavana misahana ny Jono sy ny fampamokarana ny aty rano ny 20 Martsa lasa teo. Natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny fitaleavana ny fotoana. Ankoatr’izay dia nisy ny fifampizaràna mahakasika ny zava-misy ankehitriny momba ny fampamokarana ny aty rano manerantany sy eto Madagasikara . Nisy ihany koa ny fijerena ny olana sy vinavina ho an’ny fiaraha-miasa amin’ity sehatra ity : fampiofanana amin’ny fiompiana trondro, fandrafetana ny torolalana amin’ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny atirano , ny filàna rehetra na trondro izany ,na mpiompy trondro na ny « besoins en provendes pour combler le Gap de plus de 150 mille tonnes en produits halieutiques ». Tonga nanatrika izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo mpisehatra maro avy amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Niara-nanaiky arak’izany ny rehetra fa ny fiaraha-misalahan’ny Minisitera sy ny mpisehatra rehetra no hampandroso ny fampamokarana ny Atirano eto Madagasikara ka hisy arak’izany ny fananganana vovonana hifanakalozan-kevitra amin’ny fampandrosoana.

Loabary an-dasy niarahana tamin’ny « la XX CEDS » (Centre d’Etude Diplomatique et Stratégique )

Fampiroboroboana ny tontolo an-dranomasina ,Fototra hampandrosoana an’i Madagasikara, io no loha-hevitra novoaboasana mahakasika ny sehatry ny Jono nandritra ny loabary an-dasy izay Notanterahina teny amin’ny CCI IVATO ny 21 Martsa izay nokarakarain’ny teo anivon’ny CEDS. Tonga nanome voninahitra izany Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga MAHATANTE Paubert izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanehoan-kevitra mahakasika ny mahazava dehibe ity sehatra ity. Anisany noresahany tamin’izany ny mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana tsy azo ampiasaina (tarikaky,ramikaoko) satria tsy misy fampandrosoana maharitra Raha hampiasa izany Teo koa ny mahakasika ny fanarahana maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ary ireo paikady hampiroboroboana ny Jono an-tanety.Ankoatri’reo Dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fandraisana ny fanontaniana maro isan-karazany izay niarahana tamin’ireo manampahaizana amin’ity sehatra ity.

Atrikasa fahampafantarana mikasika ny “Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan » na ny PIGO

Notanterahina ny faha 20 Martsa 2024 tao amin’ny Hôtel Le Palétuvier, Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo-Andrefana ny atrikasa ho fahampafantarana mikasika ny “Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan » na ny PIGO. Atrikasa izay nandraisan’ ireo rehetra izay mpisehatra amin’ny tontolon’ny ranomasina ka nahitana ireo CTDs, STDs, ireo avy amin’ny ONGs sy ireo Firaisamonim-pirenena miantsehatra eny amoron-driaka. Tsapa nandritra izao fivoriana izao ny fahavononan’ireo solontena avy eny ifotony amin’ny ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga sy ny amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina. Raha hampatsiahivina ny tanjon’izao atrikasa izao dia ho fahampafantarana ireo vontoatiny, ireo vina sy ireo laharam-pahamehana ary ny fomba hanatanterahana ny Politika nasionaly hitantanana ny ranomasina na ny « PIGO ». Eeo ihany koa ny fomba handrindrana ny « PIGO « amin’ny « Drafi-pampandrosoan’ ny Faritra na ny « Plan Régional du Développement » mba hahafahan’ny rehetra miara-mientana amin’ny fanatanterahana azy eo anivon’ ny Faritra Atsimo Andrefana ka hiteraka tombotsoa mivantana ho an’ireo vahoaka eny ifotony. Tonga nitarika sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao atrikasa izao ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo Andrefana izay notronin’ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ankasitrahina ihany koa ny Tetikasa MIONJO izay nanao ny tantsoroka nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.

Atelier de vulgarisation de la Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan.

Un atelier de vulgarisation de la Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan ou « PIGO » a eu lieu ce mardi 19 mars 2024 à Akoba Beach Taolagnaro, Région Anôsy avec la participation de toutes les parties prenantes, les CTDs et les STD au niveau de ladite région. On a vu également la participation des différents acteurs locaux qui contribuent à la promotion de l’Économie Bleue. L’objectif de cet atelier est d’établir un cadre de gouvernance inclusif de la mer, des côtes et du fond marin en intégrant tous les organismes responsables des affaires maritimes et océaniques, et harmonisant les actions régionales relatives aux ressources marines de la région. Ceci dans le but de promouvoir le développement d’une économie diversifiée, compétitive et durable au profit de la population locale. L’atelier a présenté le concept, les principes et les nécessités de cette politique « PIGO », ainsi qu’une liste d’actions prioritaires pour sa mise en œuvre et sa déclinaison au niveau régional. #MPEB #DRPEB_ANOSY #PIGO #PROJET_MIONJO #GOUVERNANCE _OCEAN

Fivorina voalohany ara-potoana ny Komity marolafy mandrindra ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina

Tontosa androany tolakandro faha 13 martsa 2024 ny fivorina voalohany ara-potoana ny Komity marolafy mandrindra ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina (Cluster économie bleue et gouvernance de l’océan). Raha tsiahivina dia ivondronan’ireo mpisehatra rehatra izay miasa amin’izany toekarena manga sy ranomasina ito komity ito. Ny tanjon’izao fihaonana izao moa dia hanaovana jeritodika ireo asa notanterahana tamin’ny taona 2023. Nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ireo antontan-kevitra maro : Paikady nationalin’ny toekarena manga (SNEB) sy drafitry ny famatsiam-bolan’izany paikady izany (PNIEB), ny Politika iarahana amin’ny fitantanana ny ranomasina (PIGO), ireo drafi-paritra ho fanajariana ny ranomasina (PSM). Notanterina ihany koa ireo fihaonana maro samihafa sy ny fiofanan’ ireo mpikambana noentina nanamafisana ireo fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana izany fampiroborobona ny toekarena manga izany. Raha ny vinan’asa kosa dia miroso tanteraka amin’ny fampiharana izay voalazan’ny paikady sy ny politika ny rehetra ka apetraka hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatra rehetra (intersectorialité). Nohamafisina hatrany ny tokony hiarahan’ny rehetra mientana, mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao mba hanatsarana ny hai-tondra eo amin’ny fampiroborobona ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina eto Madagasikara.

Fitsidihan’ny Masoivohon’i Royaume Uni sy ireo delegasiona avy ao amin’ny OCPP – MPEB

Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny Birao fiasany tao Ampandrianomby androany 11 Martsa 2024 ny Masoivohon’i Royaume Uni, SEM David William Ashley, niaraka tamin’ireo delegasiona vaovao avy any Royaume Uni mpikambana ao amin’ny OCPP na « Ocean Country Partnership Programme (Programme de partenariat inter-pays sur les océans) » izay misehatra indrindra amin’ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.  Tanjona tamin’izao fihaonana izao ny hanatsarana hatrany ny harena an-dranomasina ka voaresaka tamin’izany ny fiarovana ireo toeram-ponenan’ireo hazandrano toy ny honko, vatohara, lomotra ary ireo ahi-maintso rehetra ao anaty ranomasina sy ny fahalotoana an-dranomasina. Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny ady atao amin’ny « Pêche INN » na Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna sy ny hafahana manampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ireo faritra arovana an-dranomasina rehetra mba hafahantsika miaro amin’ny hampaharitra ny harena an-dranomasina.  Marihana fa hisy ny fifanakalozana eo amin’ny Firenena roa tonta sy atrikasa hotanterahana amin’ny herinandro ambony hafahana mijery ny zavatra efa vita sy ny mbola hatao ary ny fomba hanampian’i Royaume Uni an’i Madagasikara.  Izao fiaraha-miasa izao moa dia vokatrin’ny ezaka maro vitan’i Madagasikara ary koa tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.

Port Majunga Be, Mahajanga I, Faritra Boeny
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fiatombohan’ny fanjonoana Makamba

 Ny voalohan’ny volana Desambra 2023 teo no nikatona ny fanjonoana makamba teto amintsika. Natao izany mba hahafahana mitantana maharitra ny Jono makamba satria izy ity dia iveloman’ny fianakaviana maro ankoatry ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana.  Marihana fa sambo 35 no niasa teto ny taona 2023 ary sambo gasy avokoa. Nampiditra vola manodidina ny Ar16 miliara izany eto amintsila raha ohatra ka Ar3 miliara izany teo taloha. Manodidina ny 3.500 taonina isan-taona no makamba jonoin’ireo sambo ireo. Ahitana ihany koa ireo « by catch » na trondro izay voajono miaraka aminy manodidina ny 12.500 taonina izay amidy amin’ireo fivarotana trondro na « poissonnerie » rehetra eto Madagasikara, indrindra ireo tanan-dehibe. Fehiny dia manomboka amin’ny anio ny fanjonoana makamba ka hifarana indray ny voalohan’ny volana Desambra 2024. Tonga nanokatra izany amin’ny fomba ofisialy Atoa Ministry ny Jono sy Toekarena Manga notronin’ireo olona manankaja isan-tsokajiny ato amin’ny Faritra Boeny. Mitsodrano ireo Mpanjono mba ho salama ary ho lavitry ny loza mandritra izany taom-panjonoana makamba 2024 izany !

Kaominina Ambonivohitra Toamasina I, Distrikan’I Toamasina I, Faritra Atsinanana
Ezaka amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN)..

Notanterahina ny 29 febroary 2024 ka hatramin’ny androany 01 martsa 2024 tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ny fandrafetana (montage) sy ny fanandramana teny ambony ranomasina (mise à l’eau) ireo sambo haingam-pandeha telo (03), mirefy 12 metatra ny halavany ary manana milina telo marika YAMAHA manana tanjaka 300HP tsirairay avy . Fanomezana avy amin’ny Governemanta sy ny vahoaka Japoney ho an’ny Madagasikara noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta izy ireto izay natao hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalana. Hanampy ihany koa amin’ny mety filàna raha misy famonjena aina indrindra ho an’ireo mpiandriaka izy ireto. Miisa dimy (05) izy ireto izay mitondra ny anarana ATSANTSA I, II, III, IV ary V, ka ny roa (02) anjaran’ny Toamasina sy Taolagnaro efa amperin’asa tanteraka ary ny anjaran’i Antsiranana, Mahajanga ary i Toliara ireto telo (03) kosa no izao natao fanandramana ankehitriny izao. Tonga tao Toamasina nanatanteraka izany fandrafetana sy fanandramana izany mialohan’ny nanolorana ny fanalahidy ireo teknisiana Japoney ary natrehin’ny Tale mpanatanteraky ny Ivon-toerana mpanara-maso ny Jono sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anivon’ny Faritra Atsinanana. Ampahatsiahivina fa miisa telo amby roapolo (23) izao ireo sambo ampiasain’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena Manga ankehitriny ho entina manao ny asa fanaraha-maso ny jono sy ho entina miady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN).    

Poissonnerie Ambolomadinika, Kaominina Ambonivohitra Toamasina I, Faritra Atsinanana
Hetsika fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny Drafitr’asa ara-tsosialy “Fia-Mora” tao an-toerana

Notontosaina ny faha 27 febroary 2024 lasa teo ny hetsika fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny Drafitr’asa ara-tsosialy “Fia-Mora” tao Toamasina, Faritra Atsinanana izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary niarahana nisalahy tamin’ny Vondrona REFRIGEPECHE Madagasikara. Izao no natao dia ny hitsinjovana ireo tokantrano marefo sy mba hampiakarana ny tahan’ ny fihinanana trondro ho an’ny Malagasy eto Madagasikara. Tonga nandray anjara tamin’izany hetsika izany Rtoa Tale Mpanatanteraka ny AMPA, Ny Talem- paritry Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Atsinanana izay notronin’ireo Manampahefana tao an- toerana izay nahitana an’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana sy ny Solontena avy tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina I. Tonga nanokatra izao hetsika izao tamin’ny fomba ofisialy Atoa Lehiben’ny Fileovan’ny Toamasina izay notronon’ireo solontenam-panjakana maro izay voatanisa teo ambony. Tsara ny manamarika fa fanombohana ihany ity hetsika ity ary hoezahina ny hanohizana izany mandava-taona. Hita ihany koa nandritra izao fanombohana izao fa dia maro ireo tokantrano marefo tonga nanjifa.