Atrikasa fiofanana ho fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny seha-barom-panjakana

Tanterahana mandritra ny roa andro (18-19 Aprily 2024) ao Ampefy, Faritra Itasy, ny fiofanana ho fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny seha-barom-panjakana hoan’ireo mpiasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika izany. Niompana tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny lalàna velona mahakasika ny fikirakirana ny volam-panjakana misy eto amin’ny Firenena ny fiofanana niarahana tamin’ny ekipan’ny « Contrôle financier » miasa eo anivon’ny Ministera avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Taorian’ny famelabelarana nataon’Atoa « Délégué » dia nisy ny fifanakalozana miendrika fanontaniana naraham-baliny nentina namaranana ity andro voalohany ity izay mbola hitohy rahampitso.

Atrikasa ho famolavolana ny drafi-panajariana ho fitantanana ny Farihin’Itasy sy ireo zana-dranony

Notanterahana ny 17 Aprily 2024 tao amin’ny « Hotel Chez Jacky » Ampefy, Kaominina ambanivohitry ny Faritra Itasy, ny atrikasa ho famolavolana ny drafi-panajariana ho fitantanana ny Farihin’Itasy sy ireo zana-dranony hampiroboroboana ny Toekarena Manga ao an-toerana sy ho tombotsoan’ny mponina.   Novelabelarina tamin’izany ny tombony ananan’ny Faritra eo amin’ny lafiny Toekarena Manga, ireo ezaka samihafa efa nataon’ny tompon’andraikitra isam-paritra teo ambany fitarihan’ny Governora ho fiarovana sy fikolokoloana ny farihy mba holovain-jafy ireo seha-pihariana isan-karazany tanterahana ao an-toerana. Tsapa ihany koa fa misy ireo olana ao an-toerana eo amin’ny samy mpampiasa, ny fahatotoran’ny sisim-parihy mitarika amin’ny fihakelezan’ny velarany.    Navoitra ihany koa ireo dingana hanatanterahana izany drafi-panajariana izany ka iarahana miombona antoka amin’ny COGELI (Komity mpitantana ny farihy eny ifotony) sy ny Faritra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Misy ihany koa moa ny fiaraha-miasan’ny Faritra Itasy amin’ny « Région Aquitaine ».    Omena lanja sy azo ampiasaina ireo rafi-pitantanana efa misy hanatevina ny komity maro lafy « Cluster EB/GO » izay efa misy eo anivon’ny Faritra Itasy. Izany no natao mba hampirindra ny fampiasana ny farihy ho tombotsoan’ny vahoaka any Ifotony.    Marihana fa nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo ratsa-mangaika rehetra eo anivon’ny Faritra izay ahitana ireo manam-pahefana sy solotenam-panjakana, sivily, ny sehatra tsy miankina ary ireo solotenan’ny vondronolona ifotony.

Fivoriambe ministerialy faha 33 aty Afrika mahakasika ny fanjarian-tsakafo

Ny resaka fanjarian-tsakafo dia mbola olana maneran-tany nohon’ny fitomboan’ny Mponina sy ny fiovan’ny Toetrandro izay samy atrehin’ny Firenena tsirairay.   Tsy mitovy nefa ny fahafahan’ny rehetra miatrika izany ka izany no mahatonga ny FAO manao izao fivoriambe izao mba hisian’ny fifanakalozana traikefa ary ny hanana paikady iarahana mifanampy hiatrehana ny olana rehetra.   Tanterahana aty Rabat, Maroc, ny Fivoriambe faha 33 aty Afrika izay andraisan’ny Minisitra misahana ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono aty Afrika ka Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no misolotena an’i Madagasikara amin’izany. Tonga manokatra sy manome voninahitra izao Fivoriambe izao ny Praiminisitra Marokana sy ny Tale Jeneralin’ny FAO.

Athènes, Grèce
Ady amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana sy fametrahana mangarahara eo amin’ny sehatry ny Jono ao Madagasikara

  Io no lohahevitra novoaboasan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga satria dia Mpitarika aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina Atsimo Andrefana isika sy eo anivon’ny SADC amin’ny ankapobeny. Minisitra maro avy amin’ny Firenena maro toa an’i Ghana, Cape Vert, Comores, Guinée Bissau no niaraka namelabelatra hevitra ary samy nidera ny ezaka nataontsika momba ireo lohahevitra ireo. Nanambara isika fa 23 ireo sambo manao ny fitsirihana an-dranomasina ankehitriny raha toa ka 02 ihany izany teo aloha ary efa mipetraka tsara ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny FiTI na « Fishery Transparency Initiative ». Niantso ireo Mpanambola Atoa Minisitra ho tonga handraharaha amin’ny sehatry ny Toekarena Manga aty Madagasikara satria sady mangarahara no mbola malalaka ny sehatra. Nisaotra ny ONG Blue Ventures ihany koa izy nohon’ny fiaraha-miasa indrindra fa ny Governemanta Grika amin’ny fanasana.  

Athènes, Grèce
Fivoriambe mahakasika ny Ranomasina faha-09

  Ny volana Jona 2014 tany Washington DC no nisy ny fivoriambe voalohany mahakasika ny ranomasina izay notarihin’Atoa John Kerry, « Secrétaire d’Etat » Amerikana tamin’izany fotoana izany. Natao izao fivoriambe izao mba handinihana ireo olana rehetra izay mianjady amin’ny ranomasina toy ny fiovan’ny toetrandro, ny fahalotoana, ny fahaverezan’ireo zava-manan’aina maro samihafa ankoatry ny jono tafahoatra sns… Manatrika ity fivoriambe aty Athènes ity Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Maharitra telo andro ny fivoriana. Firenena manodidina ny 186 no voasolotena ary Filoham-pirenena 20 no tonga namaly ny antso. Andrasana ny fironan’ny (tendances) Firenena amin’ny asa miaraka tokony hatao, fizarana ny zava-misy any amintsika mba ho fantatry ny rehetra ary ny fiaraha-miasa azo atao rehetra hiatrehana miaraka ireo olana momba ny ranomasina.  

Fahombiazan’ny Hetsika FIA-Mora, tao Toamasina sy teto Antananarivo

Ny FIA-MORA na Drafitra ara-tsosialy izay hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) amin’ireo orinasa tsy miankina misehatra amin’ny fanjonoana an-dranomasina toy ny Orinasa Refrichepêche Est sy ny SOPROMER izay ao anatin’ny Groupe Refrigepêche dia hetsika iray hanohanana ny Vahoaka Malagasy hanjifa ny vokatra an-dranomasina amin’ny vidiny mirary noho ireo vokatsoa maro azo avy amin’ny fihinanana azy.  Ho fampiharana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny rehetra izay voakasika izany dia nitohy ny hetsika tao Toamasina nanomboka tamin’ity taona ity (Volana Martsa 2024) ary nitohy tamin’ny andiany fahatelo kosa ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Nahatratra hatramin’ny 9592 kilao ireo haza an-dranomasina (drihy sy tretreky) lafo nandritra ny herinandro 5 nanaovana ny hetsika tamin’ny toeram-pivarotana niisa 7 izay miparitaka teto Antananarivo raha toa ka 2226 kilao kosa ny totalin’ny haza an-dranomasina (drihy sy tretreky) lafo tamin’ny toeram-pivarotana 3 niparitaka tao an-tampontanànan’i Toamasina Renivohitra. Raha novinavinaina hatrany amin’ny 8000 kilao ny vokatra ho lafo mandritra izao hetsika izao hoan’i Toamasina sy Antananarivo dia nihoatra lavitra izany ny zava-nisy satria dia nahatratra hatrany amin’ny 11 788 kilao ny haza an-dranomasina lafo nahitana ny drihy sy ny tretreky nahafahana nahatratra ny ezaka nihoatra ny vinavina izay nofaritana satria toga hatrany amin’ny 147% ny tahan’ny vokatra rehetra lafo. Tsara marihina etoana fa tao anatin’ny 5 herinandro no nahazoana izao vokatra izao izay tafiditra teo anelanelan’ny voalohan’ny volana marsa ka hatramin’ny 08 avrily 2024 lasa teo. Raha oharina tamin’ny fotoana mbola tsy nampisy ny hetsika FIA-Mora sy ankehitriny zao dia hita fa nisy fiakarany hatrany amin’ny 38% ny tahan’ny fanjifan’ny olona ny karazan-trondro tretreky sy drihy. Mahavelombolo ny vokatra ary resy lahatra ny rehetra fa ho tohizana ny hetsika ho tombontsoan’ireo mpanjifa Malagasy ary ho ezahina ihany koa haparitaka amin’ny Faritra hafa ety anivon-tany toy ny any Moramanga, Antsirabe, sy ireo maro hafa.

Zone d’Emergence Piscicole ZEP : 85% ny asa no efa vita

Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fananganana ny foto-drafitrasa ZEP teny Tsiafahy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert anio 11 Aprily 2024 notronin’ireo Delegasionina isan-tsokajiny miaraka aminy. Azo lazaina fa Efa mamarana ny pitsopitsony rehetra ireo tompon’andraikitra eny an-toerana Ankehitriny satria Efa ny 85% ny asa no efa Tafapetraka.   Marihina fa toerana izay entina hamokarana zana-trondro ity toerana ity izay Anisan’ny mahazo tombony Voalohany amin’izany ireo mpiompy trondro ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny asa fihariany , amin’ny fampitomboana ny vokatra sns.   Narahina fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tomponan’andraikitra teny an-toerana Ny fidinana ifotony izay nanomezan’A/toa Minisitra torohevitra maro ahafahana Manatsara ny foto-drafitrasa.

Atrikasa iraisam-pirenena mahakasika ny Jono tsy Ara-dalana tsy Voafanambara ary tsy Voafehin-dalana

Notanterahina androany tao amin’ny Novotel ny fanokafana ny Atrikasa mahakasika ny Jono tsy Manara-dalana tsy Voafanambara ary tsy Voafehin-dalana na Pêche INN ny 10 aprily 2024 tao Novotel Antananarivo Madagasikara, izay iarahan’ny Seham-panjakana ny sy sehatra iraisam-pirenena izay ahitana ny TMT sy ny Global Fishing Watch.   Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ministera mahakasika amin’ny fiadina amin’ny Jono tsy Manaradalana, tsy Voafanambara sy tsy voafehin-dalana ka tanterahina mandritra ny 3 andro ny Atelier izay hiresahana indrindra ny mahakasika ny fitsirihina ny vokatra avy amin’ny Jono tonga eny amin’ny seranatsambo mifototra amin’ny atonta-baovao ( renseignements).    Marihina moa fa ny TMT sy Ny Global Fishing Watch dia sehatra iraisam-pirenena miady amin’ny Jono tsy Manara-dalana , ary izy ireo dia manampy firenena Afrikanina maro amin’ny fomba fanantanterahana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalana izay mifototra amin’ny fanarahamaso eny amin’ny Seranatsambo na ny antsoina amin’ny teny baiko hoe  » Mesures du Ressort de l’Etat du Port (AMREP) »

Fihaonana tamin’ireo Vondron’olona Ifotony mpanara-maso ny AMP Ankivonjy tantanin’ny WCS

Fangatahana maro amin’ireo fitarainan’ny mponina ao amin’ny Fkt Marotony, Kaomina Ambanivohitra Bemanevika Ouest, Distrikan’Ambanja, Faritra Diana, no afaka tanterahana raha ny fanambaran’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert nandritra ny fandalovany tao an-toerana ny 02 Aprily 2024. Fampanantenana nomen’Atoa Minisitra ny hanomezana « Kits de sécurité en mer » ahitana salotra vonjy aina miisa 30, « vedette » miaraka amin’ny « moteur hors bord », « frigo solaire », « filets multi-filaments », « fumoir » ary fampiofanana, sns … Raha ny mahakasika ny Ministera hafa kosa dia hampitana amin’ny tompon’andraikitra mivantana izany.  Nanamafy hatrany ihany koa Atoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny resaka fanjonoana dia miankina tanteraka amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana an-dranomasina toy ny vatohara, ny alahonko ary ny ahi-dranomasina. Nohon’ny fisian’ny Faritra arovana an-dranomasina AMP Ankivonjy no antom-pisian’ny WCS miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Hitady zanaka dingadingana ihany koa ny Ministera mba hafahana manaparitaka sy mampiroborobo ny fiompiana dingadingana anaty vala.  Solontena avy amin’ny Fkt efatra ao anatin’ny Kaomina Bemanevika Ouest moa no tonga nanatrika ity fihaonana niarahana tamin’Atoa Minisitra ity.

Fidinana ifotony tao amin’ny tapany an-tendron’ny Nosy Faly

Ravoravo sy velombolo ireo mponina ao amin’ny Fkt Andemby, Kaomina Ambanivohitra Antafiambotry, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA, fa voalohany ho azy ireo no nisy Ministra tonga nitsidika ny tananan’izy ireo. Nisy avy hatrany ny fangatahan’ny Sefo Fkt amin’ny hametrahana foto-drafitrasa toy ny « Chambre froide » izay namafisin’i Ben’ny Tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenana fa na dia famokarana « glace » ary satria mpanjono laoka maventy izy ireo raha ny tantara ankoatra ny mahaloky ka lasa manahirana ny vidim-bokatra. Velo-taraina ihany koa ireo mpanjono mba hanomezana vadin’asa azy ireo satria asa fanjonoana avokoa ny velontena fototra ny lehilahy amam-behivavy.  Noho izany indrindra dia nanome toky Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert fa : –Hanolotra « Kits de sécurité en mer » miisa 50. -Anisan’ny hisitraka « Filets multi-filaments » ihany koa rehefa tonga ny fotoana fizarana izany. -Hisy ihany koa ny fampiofanana mahakasika ny « Transformation des produits ». – Omena fampiofanana fiompiana trondro sy tolorana zanatrondro rehefa misy ny fizarana. – Nampatsiahy hatrany Atoa Ministra fa misy ny fikatonan’ny jono mandritra ny fotoana fanatodizan’ny trondro, eo ihany koa ny antony ara-tsiantifika. Mahakasika ireo sambo mpanjono vaventy kosa dia afaka atao tsara ny mitory azy ireo raha toa ka misy fandikan-dalana ka hanana porofo fa hentitra amin’izany ny Ministera.