Kaominina Ambonivohitra Manakara, Faritra Fitovinagny Fihaonan’ny CMBIM sy ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) sy ny avy ao amin’ny Fampiofanana arak’asa
Araka ny fangatahan’ny Commandant de Bataillon d’ infanterie ny Tafika eto Manakara (CMBIM) dia notontosaina ny faha 02 mey 2024 lasa teo tao amin’ny Toby miaramila ny fihaonana voalohany niarahana tamin’ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) misahana ny fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra sy ny avy ao amin’ny fampiofanana arak’asa eo anivon’ny Faitra Fitovinagny. Ny anton’izao fihaonana izao dia ny hametrahana fiaraha-miasa mba hanomezana fiofanana arak’asa ireo miaramila nahavita fanompoam-pirenena ka tsy ho voatana ho miaramila raikitra. Arak’izany dia hanomboka amin’ity taona 2024 ity dia hisy ny fanomezana fiofanana arak’asa marolafy ho azy ireo ka ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) misahana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra maro isan-karazany no hiara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ka anisan’izany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ( DRPEB) Fitovinagny izay hisahana ny fampianarana mahakasika ny Fiompiana Trondro. Hisy ny fifanarahana izay hosoniavina hamaritana ny andraikitry ny isan-tokony, ary havoaka tsy ho ela koa ny fandaharam-pianarana isaky ny sehatr’asa hampiofanana mba handaminana ny fandaharam-pianarana.Tsara ho marihina fa ireo zazavao miisa 60 izay ho raisina amin’ny volana Jona ho avy izao no hisitraka ity fampiofanana izao hotanterahina tsy ho ela ity.
Faritra SAVA Fisokafan’ny Jono « Sardine »
Nisokatra ny 01 Mey 2024 ny Jono « Sardine » tao amin’ny Faritra SAVA, rehefa nikatona nanomboka ny 08 Oktobra 2023. Noraisina ny fepetra fanakatonana fanjonoana « Sardine » madritra ny vanim-potoana mafana ao amin’ny Faritra SAVA mba hisoroana ny mety ho fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana io karazana hazandrano io. Raha ny vokatra azo tamin’ny andro voalohany dia nahatratra 6 600kg eo tamin’ny lakana 12 misy mpanjono 6, izany hoe manodidina 550kg isaky ny Lakana. Nahitana fihenana io vokatra niakatra io raha oharina tamin’ny taona 2023 izay nahatratra 10 500kg ny andro voalohany. Maro ireo mpanjono tsy sahy miandriaka satria ratsy ny toetrandro, misy ihany koa ireo toerana tsy nahitana mpividy vokatra satria manahirana ny ahatongavana any Loky-Manambato/Vohemar sy Cap Est/Antalaha ka aleon’ny mpanjono miandry kely. Marihana fa ireo karazana « Sardine » toy ny « Sardinella Albella » sy ny « Sardinella Melanura » no hita ao SAVA.
Analameloka, Kaominina Ankarana, Distrikan’i Farafangana Fizarana fitaovana ho an’ny mpanjono
« Masque à tuba » sy « Palme » miisa 100 isa avy no nisitrahan’ireo mpikambana ao anaty fikambanan’ny mpanjono miisa 9 ao anatin’ny Kaominina Ankarana, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana tao Anameloka. Fitaovana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga entina hampiroboroboana ny jono sy hanatsarana ny velotenan’izy ireo tao aorian’ny fanolorana « Kits de sauvetage en mer » teo aloha. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanana Miray hina, Mpanjono tsara, Miraindraiky, Tongasoa, Mandroso tsara, Mirary soa, Miaramandroso1 sy 2 ary ny Fikambanana LLMA Fiatsara. Nanatrika sy nanome voninahitra ity fizarana fitaovana ity ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ankarana.
Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga Fitsidihan’i Masohivohon’i Maraoka
Taorian’ny fanatrehan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny fivoriana mahakasika ny resaka fanjarintsakafo aty Afrika niarahana tamin’ny FAO sy ny fanjakana Maraokanina dia tonga nitsidika azy anio 02 Mey 2024, teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby ny Masohivohon’i Maraoka monina sy miasa eto Madagasikara. Tanjon’ny fihaonana ny hanamafy sy hanafainganana ny fifampiresahana nandritra izany fivoriana izany. Tsiahivina fa teboka telo lehibe no noresahana nandritra izany fivoriana izany dia ny fanaovana tombana na « ny evaluation de stock » ireo karazana trondro ananantsika eto Madagasikara. Ny faharoa ny mahakasika ny fanodinana ny vokatra na ny « transformation de produit » ho fanatsarana ny rojom-piharian’ireo mpanjono sy ny vadin’ny mpanjono. Vonona moa ry zareo Maraokanina hizara ny traikefany amintsika ny amin’izay sehatra izay. Ny fahatelo dia ny fambolena raketa sy ny « Dattier » kasaina atao any Atsimon’i Madagasikara izay azo ahodina sy hanaovana zavatra maro.
Distrikan’Anjozorobe, Faritra Analamanga Fitsidihana ireo mpiompy trondro niarahana tamin’ny projet DYNAMICC/ APDRA.
Miisa 310 isa avy amin’ny fokontany 14 tao an-toerana no resy lahatra amin’ny fiompiana trondro karpa an-tanimbary. Ny tanjona amin’izy ity moa dia ny hanaovana andrana vaovao amin’ity taona ity mba hanatavezana ny trondro amin’ny alalan’ny sakafo toy ny ravina ambiaty. Misy ihany koa ny fanentanana ho an’ireo mpiompy trondro ho fanatsarana ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fahazoana alalana amin’ny famokarana ary ny fizarana karatra ho an’ireo mpiompy trondro nomen’ny DRPEB Analamanga. Tsara marihana fa niarahana feno amin’ny projet DYNAMICC/ APDRA ny fanatanterahana izao andrana vaovao izao.
Oniversiten’i Maorisy, Reduit, Maorisy Fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fampiroborobona ny jono
Notanterahana tao amin’ny anjery manontolon’ny Maorisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo manam-pahaizana avy ao Maorisy, Madagasikara, Kaomoro ary Japana mahakasika ny fanehoana ny valin’ny fikarohana nampanaovin’ny JICA manoloana indrindra ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampiroborobona ny jono tamin’ireo firenena telo ireo. Hita araka ny fanadihadina natao fa mbola maro ireo ezaka sy fanatsarana tokony hatao mba hisitrahan’ny mponina amin’ireo Nosy telo ireo izany vokatry ny jono izany. Teo ihany koa no nifampizaran’ny delegasiona Malagasy ny Paikadim-pirenena mikasika ny Toekarena Manga (Stratégie Nationale de l’Économie Bleue) ka niantsona ireo mpiara-miombona antoka mba hiara-dia amin’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana io paikady io toy ny JICA, ny COI. Ry zareo Japoney kosa nanararaotra nizara ny fomba fijeriny izany Toekarena Manga izany ka nametrahany fa afaka miainga amin’ny sehatry ny jono isika raha hampiroborobo izany ka ireo mpisehatra ifotony, indrindra fa ireo mpanjono dia tokony handray anjara ary hisitraka izay vokatsoa amin’izany.
Libanona, Taolagnaro FITOKANANA NY BIRAO VAOVAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA ANÔSY
Manana morontsiraka 194km ny Faritra Anosy avy ao Sampona ka hatrany Soavary. Ahitana Mpanjono 8.143, mpanangombokatra 139, Orinasa momba ny Jono 12 ny ato amin’ny Faritra. Vokatra oratsimba na langouste no tena ahafantarana ny aty Anosy, 373 tonnes no vokatra ny taona 2023. Vola manodidina ny 10 ka hatramin’ny 15 lavitrisa ariary no miodina ato. Ny huitre na zoity ihany koa dia ahafantarana ny Faritra atsimo ka 13 taonina isan-taona no vokatra azo. Noho ireo antony rehetra ireo dia nametraka ity fotodrafitrasa mijoalajoala ity ny Fitondrana ankehitriny mba hampiroboroboana ny Toekarena Manga aty ifotony. Trano ahitana rihana iray izay 146m2 ahitana efitrano fiasana dimy ny ao ambany ary trano fonenan’ny Talem-paritry ny ao ambony ka ahitana efitra dimy ihany koa. 37a no tokotany misy azy. Tonga nitokana ity fotodrafitrasa ity aty Taolagnaro Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina, notronin’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Mpikambana ao amin’ny governemanta izay niaradia taminy aty an-toerana.
Rabat, Maroc Fihaonana teo amin’Atoa Paubert Mahatante sy Prof. Mohammed Sadiki, Minisitra Marokana misahana ny Jono
Ny taona 2023 no efa nanasa an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny Marokana ary tany Agadir no nisian’izany fihaonana voalohany izany. Betsaka ny zavatra nifampiresahana mahakasika ilay «Blue belt initiative» ka i Madagasikara no isan’ny Firenena aty Afrika hitan’izy ireo fa tena miasa mafy mampiroborobo izany Toekarena Manga ho tombotsoa iarahana. Ho tohin’ny fifampiresahana, isan’ny zavatra nifanakalozana amin’izao fihaonana fanindroany izao ny resaka fanaovana tombana ny tahiry an-dranomasina na ny « évaluation de stock » izay voalaza fa ny taona 2.000 tany no nisiany farany. Hisy ihany koa ny fifanakalozana traikefa amin’ny lafiny «Campagne océanographique» ka hanasana ny IH.SM na « Institut Halieutique et des Sciences Marines » sy ny CNRO na ny « Centre National des Recherches Océanographiques » mba handray anjara amin’ity taona ity ihany hiarahana amin-dry zareo Marokana. Nampahatsiahy ry zareo Marokana fa ny tantara no mampifamatotra antsika amin’izy ireo ary tsy hadinon’izy ireo mandrakizay ny soa vitan’i Madagasikara nandritry ny fotoana nandraisantsika ny Mpanjaka Mohammed V tao Antsirabe (exil : 1954 – 1955).
Terrain Mayer, Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo : Fitokanana fotodrafitr’asa
Notokanana androany Zoma faha 19 Aprily 2024 ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) ao Fenoarivo Atsinanana. Fotodrafitrasa natao mba hahafahana manakaiky ny vahoaka sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tamberin’andraikitra hoan’ireo vahoaka Malagasy eny ifotony mpisitraka izany. Fotodrafitrasa naorina vokatry ny ezakin’ny Fitondram-panjakana Malagasy izay manaraka ny vanim-potoana ankehitriny, ahitana birao fiasana misy efitra miisa 6, efitrano fivoriana 1 ary trano fidiovana. Ahitana trano fonenana ihany koa izay misy efitra 3, lakozia ary trano fidiovana. Tonga nanatanteraka izany Atoa Filoham-pirenena hajaina Andry Nirina Rajoelina notronin’Atoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ireo mpikambana samihafa eo anivon’ny Governemanta, ireo Loholon’i Madagasikara sy ireo Solombavam-bahoaka maro, ireo Ben’ny Tanàna maro sy ny Governora avy ao Analanjirofo ary Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano, nisolotena an’Atoa Minisitra mamita iraka any ivelany. Faly sy velom-pisaorana ny eny ifotony fa indrindra ny mpanjono izay tonga maro nanotrona izao lanonana izao. Marihana fa fotodrafitrasa miisa 20 mahery no naorina tato anatin’ny Faritra Analanjirofo ka anisan’izany izao birao vao notokanana androany izao
Rabat, Maroc Fihaonana amin’Atoa Dr. Qu Dongyu, Tale Jeneralin’ny FAO maneran-tany
Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny FAO. Raha tsiahivina dia ny volana Septambra 2022 no nanasa an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny FAO hamonjy ny fivoriana an-tampony momba ny Jono tany Roma. Amin’izao fihaonana fanindroany aty Rabat izao amin’ny fivoriambem-paritry ny FAO faha 33 momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra dia zavatra telo no nifampiresahana : fanaovana tombana momba ny harena an-dranomasina (evaluation de stocks), fanatsarana ny famokarana sakafo-tondro eto Madagasikara (provendes) sy fampitomboana ireo foto-drafitrasa momba ny Jono (unités de froid, unités de transformation), sns… Naneho ny fahavononany hatrany ny FAO izay nidera an’i Madagasikara amin’ny ezaka rehetra izay notohanan’izy ireo hatrany. Hanampy antsika izy ireo amin’ny « evaluation des stocks » sy ny fanatsarana ny resaka « Aquafeeds » (sakafo-trondro) rehetra. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo « Experts » ny FAO eto amintsika momba ireo rehetra ireo ato ho ato.
