Ivandry Antananarivo, Faritra Analamanga : Fivoriana faha 08 an’ireo tompon’andraikitra ambonin’ireo Firenena mivondrona ao amin’ny AIS FORUM.
Nohon’ny fitombon’ny mponina sy ny fiovan’ny toetr’andro dia mivondrona sy mifanome tanana ireo Vondrona Nosy sy Nosy rehetra manerantany ho fiantrehana izany sy hamahana ny olana ara-tontolo iainana. Arak’izany dia tanterahina ao amin’ny Novotel Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga ny 29 Aogositra 2023 ny fivoriana faha 08 an’ireo tompon’andraikitra ambony mivondrona ao amin’ny AIS FORUM. Fivoriana izay hanomanana ny fihaonam-be an’ireo mpitondra izay mivondrona ao anatin’ny AIS FORUM izay hotanterahina any BALI, Indonezia ny Volana Oktobra 2023. Hifanakalo hevitra ihany koa ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny hamahana ny olana vokatry ny fiovaovan’ny Toetry ny andro mianjady amin’ny Firenena rehetra , ny hitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina toy ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalana tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana(Jono INN), ny fanamafisana ny fiarovana an-dranomasina. Hisy ihany koa ny finan-kalozana ara-tsiansa. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany fivoriana izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert notronin’ireo mpiara-miasa aminy . Marihina fa miisa 55 ireo Vondrona Nosy sy Nosy manerantany mandray anjara amin’ity fivoriana ity
Anosy Antananarivo Faritra Analamanga : Atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono eto Madagasikara.
Fototra ho amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny fambolena ary ny fiompiana ny fisiana sy ny fikajiana ireo karazan-java-manan’aina izay betsaka ary mampiavaka an’i Madagasikara. Raha ny zava-misy ankehitriny dia maro ireo sakana na ambana izay mihatra amin’ireo karazan-java-manan’aina izay miteraka ny fihenanan’ny vokatra aram-pamokarana na izany eo amin’ny sehatry Jono sy ny fihariana anaty rano na eo amin’ny fambolena. Ho fampatsiahivana ny andraikitra ho raisin’ny tsirairay amin’ny hitantanana maharitra ireo karazan-java-manan’aina ireo ho lovain-jafy dia misy ny Atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ny karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono eto Madagasikara izay tanterahina eo amin’ny Carlton Anosy Antananarivo Faritra Analamanga ny 23 Aogositra 2023.Atrikasa izay tanterahin’ny FAO amin’ny alalan’ny Tetikasa FMM eto Madagasikara. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert,notronin-Rtoa Sekretera Jeneralin’ny MINAE, ny solontena maharitry ny FAO, ny avy ao amin’ny MEDD,ny avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny sehatra tsy miankina. Marihina fa ny FMM dia eo ambany fiahian’ny MINAE ary miara miasa amin’ny MPEB sy ny MEDD.
Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga: Fihaonana tamin’ny delegasionina avy any Indonezia.
Nisy ny fihaonan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny delegasionina avy any Indonezia izay notarihin’Atoa Minisitra Lefitra misahana « souveraineté maritime et énergie » ny 28 Aogositra 2023 teny Ivandry Antananarivo Faritra Analamanga. Tanjona tamin’ny fihaonana ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny tontolon’ny Toekarena Manga amin’ny fampivoarana izany, tafiditra anatin’izany ny fivoriana sy hetsika izay tohanan’ny AIS Forum izay tanterahina eto amintsika. Ny Firenena Indonezia dia efa nanome vatsim-pianarana sy fiofanana maro ho an’ireo teknisianinaantsika eto Madagasikara, vao volana vitsy lasa izay no nidina tany Anakao (Toliara ) izy ireo nampiofana ireo mpanjono amin’ny fametrahana ilay « Dispositif de Concentration de poisson » na ny DCP ka maherin’ny 50 isa ireo mpanjono no nandray anjara tamin’izany. Fehiny dia nahomby ny fifampiresahana ary mety hisy ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanjonoana sy ny Toekarena Manga amin’ny ankapobeany ary indrindra ny fiafanakalozana ara-tsiansa mba ho tombontsoan’i Madagasikara
Morondava, Faritra Menabe: Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga.
« Toekarena Manga, andry iankinan’ny fivoarana ho fanatsarana ny fiainan’ny Vahoaka Malagasy » izay ny lohahevitra amin’ny fankalazana voalohany ny Androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga izay tanterahina ao Morondava mandritra ny roa andro. Ny 18 Aogositra 2023 no nanokafan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny fomba ofisialy izany fankalazana izany. Nohamafisin’Atoa Minisitra nandritra ny lahateny nataony fa ny Toekarena Manga dia ny asa atao rehetra mifandraika amin’ny rano, tafiditra amin’izany ny fanjonoana, ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina, ny sambo, ny fizahantany, ny Tontolo iainana, ny angovo azo havaozina ka tanjona ny hampahafantarana ny olona rehetra ny mahakasika izany antony iray hanaterahina izao fankalazana izao. Nosafidiana manokana ny Faritra Menabe nanatanterahina izany lanonana izany noho izy manana ny 10% ireo harena-dranomasina izay misy eto Madagasikara ary hita ato avokoa ny singa rehetra ny Toekarena Manga. Narahina teny fanentanana mahakasika ny Jono moa izany mba ho fitantanana maharitra ireo harena anaty rano rehetra. Nanotrona ny fanokafana izany lanonana izany ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ao Menabe, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga sy ny Tontolo iainana, ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera ny OIT sy ny APMF, ny Blue Ventures, ireo tetikasa sy Fandaharanasa rehetra mahakasika izany Toekarena Manga izany.
Jery todika
La filière crevettière multiplie par six sa contribution dans les caisses de l’Etat, avec 13,081 milliards de redevances pour les 3 332 tonnes exportées en 2022
Une hausse significative. La filière crevette a multiplié par six sa contribution dans les caisses de l’Etat. Les redevances versées par les opérateurs de l’or rose sont passées de 2,075 milliards d’ariary en 2020 à 13,081 milliards d’ariary en 2022, avec les 3 332 tonnes de crevettes exportées par la Grande île l’année dernière. Les six sociétés exportatrices qui avaient obtenu leur agrément pour cette campagne ont pour leur part totalisé 108,5 milliards d’ariary avec ce dernier volume d’exportation, d’après les chiffres rapportés par le ministère de la pêche et de l’économie bleue (MPEB). Ces données ont été dévoilées à l’issue d’une réunion de préparation de la campagne de pêche crevettière pour cette année, qui est prévue démarrer au début du mois mars. La réunion a rassemblé les responsables au niveau du MPEB ainsi que les opérateurs membres du Groupement des aquaculteurs et pêcheurs de crevettes à Madagascar (GAPCM).
JMO TOLIARA : FAMBOLENA HONKO
Rohy voahary miantoka ny fitomboana sy ny faharetan’ny fisian’ny hazan-dranomasina, ary fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ny ala honko.Iankinan’ny fiainan’ireo mponina amorontsiraka sy ireo rehetra izay mivelona amin’ny Jono,ny fiompiana drakaka, fanangonam-bokatra ihany koa.Ho fiarovana ireo harena anaty rano sy ho fanarenana indray izany ala honko izany dia nanatanteraka fambolena honko ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert niarahana tamin’ireo sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpianatra sns ny 1 jolay 2023 tao amin’ny Fkt Andrevo Distrikan’ny Toliara II Faritra Atsimo Andrefana.« propagule » miisa 130 000 no novolena tamin’ny velaran-tany 10ha, hetsika izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina.
Famaranana ny fakan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivorian’ny CTOI 04.05.2023
Ny 04 Mey 2023 no namaranana ny fankan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivoriana faha 27 ny CTOI na ny fivondronan’ireo firenena mpanjono Lamatra aty amin’ny Faritry ny ranomasimbe Indianina, izay namolavolan’ireo mpisehatra rehetra ireo tolo-kevitra maro hoentin’ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika izany fivoriana izany ahafahana mametraka amin’ny toerana tokony hisy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Jono Lamatra. Tsiahivina fa ny 08 hatramin’ny 12 Mey 2023 no hanatanterahina ny fivorian’ny CTOI ao amin’ny Nosy Maorisy. Tonga namarana tamin’ny fomba ofisialy izany fakan-kevitra Nasionaly moa Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert .
