Tanjombato, Antananarivo Faritra Analamanga : Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Tsenabe Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono andiany faha 05.
Tanterahina eny amin’ny Zone Forello Tanjombato ny 21 hatramin’ny 24 Septambra 2023 ny Tsenabe Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono andiany faha 05. Arak’izany dia notontosaina ny 21 Septambra 2023 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany Tsenabe Iraisam-pirenena izany, izay notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ireo mpiara-miasa aminy. Sehatra stratejika iray ho an’ny fiaraha-miasa sy fampiasana vola eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ity Tsenabe Iraisam-pirenena ity izay ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra eo amin’ny tontolon’ny famokarana .Hampiratiana mandritra ity hetsika ity ireo vokatra azo avy amin’ny tany, ny rano, ny ranomasina ka tanjona ny hampifandraisana ireo mpamokatra amin’ireo mpandraharaha hanamorana ny lalam-barotra ho azy ireo. Ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana dia hisy ny fahampafahantarana ireo asa sy andraikitra sahanin’ny Ministera sy ireo ratsa-mangaika misy ao aminy. Hisy ihany koa ny fanomezana toro-hevitra ho an’ireo izay te hisehatra amin’ny tontolon’ny fiompiana anaty rano sy ny Jono.
Antananarivo, Faritra Analamanga : Atrikasa fandalinana ny fanadihadihanana ny atontan-kevitra momba ny jono madinika sy ny fampamokarana ny atirano.
Mba hanana atontan’isa mazava momba ny Jono madinika sy ny Fampamokarana ny Atirano, dia niroso amin’ny fanavaozana ny atontan-kevitra nasionaly na « Enquête Cadre Nationale », vita ny taona 2013, ny MPEB, izay iaraha-miasa amin’ny mpanamahay tohanan’ny tetikasa Swiofish 2. Nisongadina nadritra ny atrikasa ireo fanomezana atontan’isa isam-paritra, nataon’ny mpanamahay, momba ny sehatry ny Jono an-dranomasina sy an-tanety sy ny Fampamokarana ny atirano an-dranomasina sy an-tanety. Izay nanomezana fanantsarana sy tsoan-kevitra vaovao mba hamoahana atontan-kevitra mazava. Natao teto Antananarivo, hôtel du Louvre, ny 21 Septambra 2023, ny atrikasa izay nandraisan’ny fitalehavam-paritra 23, anjara, miarak’amin’ny fitalehavana teknika anjara sy ny Sekretera Jeneraly ary ny Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano anjara.
Fizarana Mari-pankasitrahana hoan’ireo « Inspecteurs de Pêche » nahavita fiofanana mahakasika ny famorina « vedette » na « Skipper »
Taorian’ny fiofanana nandritra ny roa herinandro mahakasika ny famorina « vedette » na « Skipper » dia nozaraina ny faha 15 Septambra 2023 tao amin’ny Hôtel Le Roche Rouge, Mahajanga, Faritra Boeny, ny Mari-pankasitrahana na « Certificat » hoan’ireo « Inspecteurs de Pêche » tao amin’ny andiany « Riaky » tonga nanatrika izany. Tsara dia tsara ny vokatra azo raha toa ka nahazo ny salanisa ankapobeany 18,3 (Moyenne de la classe) izy ireo ka samy afa-po na ny mpiofana na ny mpampiofana. Marihana moa fa ny APMF no mpampiofana ary ny Tetikasa Swiofish 2 no nanohana ara-bola an’izao hetsika izao.
Espace Dera, Tsiadana, Antananarivo
Notanterahana tao amin’ny Espace Dera, Tsiadana, Antananarivo, ny faha 13 Septambra 2023 ny atrikasa fanaovana tatitra ny asa notanterahan’ny Vondrona Resolve mahakasika ny tomban’ny tahiry na « Évaluation des stocks » sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny teknisian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mahakasika ny sampam-piharina miisa 5 laharampahamehana dia ny drakaka, ny orita, ny zanga na dingadingana, ny makamba ary ny oratsimba. Naharitra 12 volana ny fitambaran’ny fotoana lany nanaovana fandalinana sy fampiofanana ireo teknisiana niarahana tamin’ny mpanamahay avy ao amin’ny Resolve, fiaraha-miasa niaraka tamin’ny IRD sy ny IHSM, notohanan’ny Tetikasa SwioFish2 vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Ireo faritra voakasika isaky ny seham-piharina tsirairay no nanatontosana ny asa. Ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera avy ao amin’ny DESP kosa no nandray anjara tamin’ny fiofanana. Zava-dehibe hoan’ny Ministera ny fahazoana izao vokatra izao satria anisan’ny fitaovana iray lehibe entina mametraka ny fitantanana ny jono, mamaritra sy manombatombana amin’ny ankapobeany ny tahirin’ny vokatra hoan’ireo sampam-piharina 5 ireo mba hafahantsika manana paikady vaovao mba hitantanana sy hifehezana amin’ny fomba maharitra ireo harena voajanahary ireo. Ankoatra izay fitanterana ny asa izay dia nisy ihany koa ny fanolorana ny mari-pankasitrahana na ny « Certificat » hoan’ireo mpiofana miisa 10 eo anivon’ny Ministera nanaraka fiofanana manokana mahakasika izay tomban’ny tahiry na « Évaluation des stocks » izay. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ary namarana tamin’ny fomba ofisialy izao atrikasa izao Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga TILAHY Désiré.
Le Port, Nosy La Réunion. Fivoriana voalohan’ny Kaomisionina iombonanan’ny UE sy Madagasikara.
Tanterahina ny 11 ka hatramin’ny 13 septambra 2023 ao Le Port, Nosy La Réunion, eo anivon’ny « Direction de la Mer Sud Ocean Indien » na ny DMSOI ny fivoriana voalohany izay hankatoavana ireo asa izay voafaritra ao anatin’ny » Projet de partenariat dans le secteur sur pêche – Appui sectoriel ( PPSPAS) » izay ho tontosaina ho tombontsoan’ny sehatry ny Jono eto Madagasikara mandritra ny 4 taona izay hanomboka amin’ity taona 2023 ity ary hifarana amin’ny taona 2027. Tetikasa mitentina hatrany amin’ny 4 400 000 € izay hiompana indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny Jono eto Madagasikara. Miisa dimy ireo delegasiona malagasy miatrika izany izay notarihin’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano ary notronin’ireo mpiara miasa aminy izay nahitana ny Talen’ny Jono, ny Tale mpanatanteraka ny AMPA, ny ASH ary ny CSP. Izany dia ho fanatanterahana ny fifanaraham-piara miasa ho an’ny Jono maharitra « Accord de partenariat de pêche durable » izay misy eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara izay natao sonia ny 30 jona 2023 lasa teo tany Bruxelles.
Ampandrianomby, Antananarivo : Fitsidihan’Atoa Masoivohon’ny Royaume Uni eto Madagasikara sy ireo mpiara-miasa aminy
Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert tao amin’ny Birao fiasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, ny Masoivohon’ny Royaume Uni eto Madagasikara Atoa Son Excellence David Ashley sy ireo mpiara-miasa aminy siantifika avy any Londres androany faha 12 Septambra 2023. Niompana tamin’ny lafiny Toekarena Manga sy ny ranomasina ary ny tontolo iainana ny fihaonana tamin’ny ankapobeany. Voaresaka tamin’izany ny hafahana mampivelatra ny tontolon’ny ranomasina amin’ny alalan’ny fijerena ny zavatra rehetra azo avadika ho vola mba ho fototry ny fampandrosoana hoantsika eto Madagasikara ao anatin’ny tontolon’ny Toekarena Manga. Teo ihany koa ny fomba hanatsarana hatrany ny fikajiana ny ranomasina hiadina amin’ny resaka loto na « polution » ary tsy adino ny fomba hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpanjono sy ny fiankaviany. Manoloana ny fiovan’ny toetrandro na « Changement climatique » dia nojerena ny fomba hiatrehantsika izany. Voaresaka nandritra ny fotoana ihany koa ny fikarohana amin’ny ankapobeany hafahana mijery ireo harena mbola tsy voatrandrakantsika eto Madagasikara. Tonga izy ireo hitondra sy hizara fahaizana, fahalalana rehetra hafahana mampivoatra ny tontolon’ny ranomasina hoantsika eto Madagasikara.
FIA MORA
Baie de Sakalava, Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana: FESTIKITE Andiany faharoa
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Baie de Sakalava, Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana, ny 07 Septambra 2023 ny FESTIKITE Andiany faharoa raha toa ka tamin’ny 26 May 2022 ny Andiany voalohany. Mpifaninana maherin’ny 90 no andrasana amin’izao kite surf izao. Hisy ny mpifaninana avy amin’ny firenena 5 hafa avy any France Espagne, Suise, Pays-bas, Holande, ary Italie. Sokajy telo no hifaninana amin’izao hetsika izao, ahitana ny Wing foil, Win surf ary ny Kite surf. Ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny alalan’ity fifaninana ity no endrika vaovao hitan’ny Ministera amin’izao fotoana izao hoy ny Minisitra. Hisy ihany koa ny fampisehoana ara-javakanto sy dihy nentim-paharazana ary fifaninana Miss et Mister. Manomboka ny 08 Septambra 2023 no tena hanomboka ny fifaninana amin’ireo rehetra ireo no sady fotoana hifanaovan-tsonia eo amin’ny Ministera roa dia ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga noho izao hetsika izao mahakasika ny ranomasina ka tafiditra amin’ny resaka fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika Atoa Minisitry ny fizahantany Joel ANDRIAMANDRANTO, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, Atoa RAKOTOSOA Rado, nisolotena ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ireo manam-pahefana avy ao an-toerana nahitana an’Atoa Prefektioran’Antsiranana MANANJARA Lucien, Atoa TILAHIZANDRY Angelo Niaina, Sekretera Jeneralin’ny Governora ary ireo Talem-paritra vitsivitsy.
Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga : Atrikasa Nasionaly amin’ny Fampisakafoanana eny an-tsekoly
Ho fanatratrarana ny Velirano faha-4 «fanomezana fampianarana ho an’ny rehetra » sy ny velirano faha-9 « fahavitan-tena ara-tsakafo » izay napetraky ny Filoham-pirenena Malagasy dia tanterahina ny 04 Septambra sy 05 Septambra 2023 eny amin’ny Novotel Ivandry ny Atrikasa Nasionaly amin’ny Fampisakafoanana eny an-tsekoly mifototra amin’ny famokarana sy ny fihinanana vokatra eto an-toerana, izay fiaraha- miasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny PAM na ny « Programme Alimentaire Mondial ». Distrika miisa 20 no hisitraka izany fampisakafoanana an-tsekoly izany ka anisa’ny tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao ny hampitombona hatramin’ny 300 000 ireo mpianatra hisitraka izany. Nisy noho izany ny fanaovan-tsonia teo amin’ireo mpiara-mombon’antoka sy ny koperativa AVOTSE I ANDROY mba hametrahana ny fomba mahomby ny hanatanterahana izany asa izany. Mandray anjara feno amin’izao fiaraha-mientana izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, satria ny sakafo Izay homena ireo mpianatra dia ho vokarina amin’ny-toerana hanjifana azy ihany ka ny hazandrano dia ho isan’izany sakafo hozaraina amin’izany. Marihina moa fa mitondra “protéine” avo foloheny noho ny hena ny hazan-drano ary mitondra otrik’aina maro samihafa ihany koa izay maha salama sy mampatsilo saina. Izao tetik’asa izao dia mifameno amin’ny paik’adin’ny Ministera ny amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro mba hanakaiky ny mpanjifa ary koa fanazarana ny vahoaka amin’ny fihinanana hazandrano. Nanotrona sy nanome voninahitra ity atrikasa ity moa ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Atoa MAHATANTE Paubert.
Fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa SOMAPECHE sy ny orinasa BAOLONG
Tanjon’ny Ministera’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny hampiakatra ny tahan’ny fihinana trondro ho an’ny vahoaka malagasy ahafahana miady amin’ny tsy fanjariantsakafo izy ity izay sakafo mahafeno ny fepetra ara-pahasalamana rehetra Ary koa hisian’ny asa sosialy himpaka any amin’izy ireo amin’ny alalan’ity seham-pihariana ity. Notanterahina androany 31 aogositra ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa Somapêche Sy ny orinasa Baolong izay ahafahana mamaly izany filàna izany Ary Tonga nanatrika izany ny Minisitra mpiahy A/toa MAHATANTE Paubert . Ny orinasa Baolong indray eto no hitsinjara ireo vokatra azo amin’ny vidiny zakan’ny fahefan’ny malagasy. ️Tsy mijanona hatreo fa mbola betsaka ireo asa entina hanampiana ireo mpanjono hampitombona ny vokatra ka ho lasa fahazarana anaty sakafon’ny malagasy ny fihinana izany. Marihina fa Ankehitriny dia Efa tafiakatra 7kg isan’olona isan-taona ny tahan’ny fihinana izany eto Madagasikara izay nahitana fiakarany. Entanina hatrany ireo orinasa tsy miankina maro samihafa izay mpisehatra amin’ny Jono hifanome tanana amin’ny Ministera mba hahafahana manatratra ireo Tanjona.
