VOHEMAR , FARITRA SAVA : Fidinana ifotony iarahana amin’A/toa Minisitra
Taorian’ny Faritra Diana dia mitohy aty amin’ny Faritra SAVA indray ny fidinana ifotony iarahana amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Natomboka tamin’ny fijerena ny sambo ahihina nanao hadisoana izay hita 15 km miala ny port Vohémar ny 20 Febroary lasa teo. Sambo izay manana halavana 12 metatra ary manana milina 250hors bord X2. Mbola hita ao avokoa ireo pitsopitsony rehetra amin’ity sambo ity. Nogejaina arak’izany ity sambo ity ary ho jerena ny fomba ahafahana mampiasa azy indray hatao hanampy ireo sambo hanaramaso ny sisin-dranomasin’ny Madagasikara na koa ampiasain’ny eo anivon’ny marine nationale sy ny Gendarmerie Nationale.
Maurice : SARCOF 27
Nifarana omaly 28 Septambra 2023 ny fivoriana tao amin’ny Nosy Maurice mahakasika ny SARCOF andiany faha-27 eo anivon’ireo firenena mikambana ao anatin’ny SADC izay naharitra hateloana ny faha 26 ka hatramin’ny 28 Septambra 2023. Nisy hatrany ny asam-baomiera nandritra ny fotoana nivoriana nahitana ny vondron’ny Akoran’afo « Energie », ny Fitantanana ny loza mety ho avy na « Gestion des risques », ny Rano na « Eau » ary ny Fambolena sy ny Fanjarian-tsakafo na « Agriculture et Sécurité alimentaire » nandraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin’ny alalan’ny Fitaleavana ny fampamokarana ny atirano. Tao anatin’izany no nitondrana ireo atontan-kevitra mahakasika ny toetrandro amin’ireo firenena mpikambana, nanomezana ny ambana amin’ny toetrandro ao anatin’ny volana Oktobra hatramin’ny volana Martsa. Ary nitondrana ihany koa ireo paikady hoentina miatrika izany.
Hôtel Hilton, Saint Petersbourg, Russie : Fanokafana ny foara » VI ème édition du Forum International de la Pêche et l’exposition de l’industrie des Produits Halieutiques et des Technologies «
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 27 Septambra 2023 ary haharitra telo andro ny foara » VI ème édition du Forum International de la Pêche et l’exposition de l’industrie des Produits Halieutiques et des Technologies » tanterahina ao amin’ny Hôtel Hilton ao Saint Petersbourg, Russie, karakarain’ny Agence Fédérale des Pêches. Taorian’ny fanokafan’i Minisitran’ny Fambolena Rosiana dia niroso avy hatrany tamin’ny fitsidihana ny tranoheva ary nofaranana tamin’ny kabary. Mifantoka tanteraka amin’ny fiaraha-miasa sy fijerena ny olana misy eo amin’ny sehatra no antom-panatanterahana izao foara izao toy ny resaka fanampiana ara-bola, ara-tsiansa, ny fiompiana trondro, …sns mba hitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany. Maro ny olana taorian’ny fisian’ny COVID ka fotoana fitadiavana vahaolana amin’ny fiaraha-miasa zay mety atao no tadiavina. Tonga nanome voninahitra ny hetsika Rtoa Minisitran’ny Jono avy any Guinée, Charlotte Daffe, Madagasikara tamin’ny alalan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, TILAHY Désiré sy Atoa Talen’ny Jono, Sénégal, Mozambique, Iran, … sns, ankoatra ireo mpamokatra sy mpanondrana vokatra hazandrano maro avy ao an-toerana notariahan’i Filohan’ny « Agence Fédérale des Pêches » ao an-toerana. Nitohy tamin’ny fifampidinihana mahakasika ny fanjonoana sy ny toerana misy azy amin’ny ankapobeny ary ny fanampiana nataon’ny fanjakana Rosiana ny hariva, niarahana tamin’i Ministran »ny fambolena Rosiana, Sefon’orinasa dimy lehibe mpamokatra ao an-toerana ary ny Filoha Federalin’ny jono. Nifarana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta ny andro voalohany sady fiarahabana ireo mpandray Anjara.
AMBILOBE , FARITRA DIANA : FANKALAZANA NY ANDRON’NY VONDRON’OLONA IFOTONY ANDIANY FAHAROA.
Nankalazaina nandritra ny roa andro teto amin’ny Faritra Diana ny Andron’ny Vondron’olona Ifotony andiany faharoa izay nampitondraina ny teny filamatra hoe: Izahay vondron’olona ifotony fototro amin’ny fikobabiana hariagna voajanahary. Fankalazana eo ambany fiahian’ny Governoran’ny Faritra Diana ary tonga nanome voninahitra izany ny Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Anisan’ny mampiavaka an’ny Faritra Diana ny harena an-dranomasina , ny harena anaty ala ary ny harena an-kibon’ny tany. Manodidina 320 eo ho eo kosa ireo Vondron’Olona Ifotony ao an-toerana izay ahitana ny TGRH sy TGRN. Ilaina ny fitandrona ny tontolo iainana ho mariky fampandrosoana satria dia mifampiankina ny ala sy ny rano, ary rehefa ny rano dia misy ny toekarena manga hoy ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nandritra izany ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny TGRN – VOI.
Arrachart, Antsiranana, Faritra DIANA : fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Tantsambo
Nigadona soamantsara eto Antsiranana ireo Minisitra mirahalahy Atoa Ramamonjiarivelo Valéry, Minisitry ny Fitanterana sy Famatarana ny Toetrandro sy Atoa Paubert Mahatante Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga hanome voninahitra izao fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Tantsambo izao. Marihina fa miara-miasa akaiky ny Ministera roa tonta ho fampiroboroboana ny Toekarena manga eto Madagasikara indrindra fa ny lafiny fitanterana andranomasina sy ny manodidina an’izany. Ny APMF na ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial no angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao izay ho tanterina amintsika eto ihany.
Andro faharoa tamin’ny fampiofanana fiompiana trondro tany Ambositra – Amoron i Mania
Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina sy ny andro’ny tantsambo
Antsiranana Faritra DIANA 28 – 29 – 30 Septembre 2023
Fampiofanana fiompiana trondro faritra Amoron’i Mania
Zone Forello Tanjombato, Antananarivo Faritra Analamanga : Fihaonana an-databatra boribory amin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny sehatry ny Jono
Ho fanatsarana sy ho fitananana maharitra ny ireo harena an-dranomamy sy an-dranomasina indrindra ny sehatry ny Jono dia nisy ny fihaonana an-databatra boribory niarahan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo mpisehatra Sy mpandraharaha amin’ny sehatry ny Jono ny 22 Septambra 2023. Fihaonana izay nandraisan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha tokoa satria namalian’Atoa Minisitra ireo fanontaniana nanitikitika azy ireo sy nitanterany ihany koa ireo olana sedrain’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny Jono. Anisan’ny nitondrana fanazavana nandritra ity fihaonana ity ny mahakasika ireo didy aman-dalàna mifehy ny Jono sy ny fiompiana anaty rano sy ireo foto-drafitrasa natsangan’ny Minisitera. Nohamafisin’Atoa Minisitra fa ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra mba ahafahana mitantana maharitra ireo harena anaty rano ho lovainjafy. Hetsika izay tafiditra amin’ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena Sy ny Fiompiana Ary ny Jono izay tanterahina eny amin’ny Zone Forello Tanjombato.
Fanolorana tsena vaovao ho fivarotana hazandrano hoan’ny vahoaka ao Morombe
Ny volana febroary farany teo, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza, no namita iraka taty Morombe Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiaramiasa aminy. Tamin’izany fotoana izany no nitsidihany ireo Mpivarotra trondro izay nangataka ny hanaovana izao tsena izao. Vola madiodion’ny Vahoaka Malagasy no nanamboarana izao tsena izao izay tafiditra amin’ny projets d’investissement public fantatra amin’ny hoe PIP. Mahafa-pahasahiranana ny vahoaka eto Morombe ity tsena ity raha toa ka nivarotra sy nanjifa trondro tamin’ny tany sy fasika izy ireo teo aloha. Ahitana fivarotana vita amin’ny akora mangilatra na carreaux, misy jiro sy rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary tena Manarapenitra tokoa ity toerana ity. Nankasitraka ny Fitondram-panjana ireo olomboafidy sy olomboantendry ary ireo Mpanjono sy mpivarotra trondro.
