Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga : Fihaonana tamin’ireo mpikaroka avy amin’ny Cirad.

Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany eny Ampandrianomby Antananarivo, Faritra Analamanga anio 10 Oktobra 2023 ireo mpikaroka avy amin’ny Cirad. Ireto farany izay miantsehatra fikarohana mba hisian’ny fampandrosoana amin’n Fambolena sy Fiompiana indrindra ny sehatry ny Fiompiana trondro amin’ny toerana iray.Mandalo eto Madagasikara izy ireo amin’izao mba hijery ny afahana miara-miasa indrindra ny ahafahantsika mampitombo izany resaka ny Fiompiana trondro izany eto Madagasikara.  Noresahina nandritra ity ny fihaonana ity ny mahakasika fiompiana ny trondro an-tanimbary,anaty fefy mitsingevana, anaty dobo sy ireo mety ho endriky ny Fiompiana trondro azo atao. Noresahina ihany fijerena ireo karazana trondro efa ompian’ny olona maro any ivelany ka tokony iompiantsika eto Madagasikara ihany koa. Fiompiana izay tsy mitady sakafo be loatra sy afaka mivelona amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao ary mitombo malaky. Voaresaka nandritra izany ihany koa ireo traikefa hita any amin’ny Firenena hafa toy ny any Vietnam, Indonésie , Thaïlande sy Philippine izay ezahina ho jerena ny soa sy ny tsara hita amin’izany ka hampiarina eto Madagasikara. Ny Cirad moa no anisany nitondra izany traikefa izany tamin’ireny Firenena ireny.Inoana sy antenaina arak’izany fa hisy ny fiaraha-miasa iarahana amin’izy ireo izay ahitan’ny rehetra tombontsoa indrindra ho an’ny mpiompy trondro eto Madagasikara.

Ambovombe, Faritra Androy : Famaranana ny Foara VOATSE Andiany Voalohany

Nifarana androany 07 Oktobra 2023, ny hetsika Foara VOATSE Andiany Voalohany izay naharitra 04 andro tao Ambovombe, Faritra Androy. Liana ary tonga maro dia maro ny Vahoakan’Androy tonga nanatrika ity hetsika ity. Izao dia taratra sahady amin’ny fahavononan’ny rehetra hampandroso an’ity Faritra ity sy hiala amin’ny fahantrana. Hita nandray anjara tamin’ity Foara VOATSE Andiany Voalohany ity avokoa ireo sehatra rehetra mety hitondra fampandrosoana ny Faritra. Nisy noho izany ny fampahafantarana sy fifampizarana nandritra ny Foara. Tsiahivana hatrany fa tonga manokana nanatrika ity hetsika ity Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady mpiahy ny Faritra Androy MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. FARITRA ANDROY TSY MAINTSY MANDROSO NO TANJONA

Andranokobaka, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro: Fitsidihina toerana famokarana zana-trondro.

Ho fanomanana taom-piompiana trondro dia nisy ny fitsidihina toeram-piompiana mpamokatra zana-trondro izay notanterahin’ ny Cirpeb Moramanga tao amin’ny Fkt Andranokobaka, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ny 05 Oktobra 2023 lasa teo. Hita tamin’izany fa tsara tokoa ny fiomanana ahafahana mamokatra tsara kalitao hamatsiana ny eo an-toerana, ary mandefa ivelan’ny Faritra.Amoron-dalana amin’ny RN2 moa ity toerana ity, ka mora ny hanamorana ny famoahana ny vokatra sy ifaneraserana amin’ny mpanjifa.  

Ambovombe, Faritra Androy : Fanolorana ny fanalahidin’ny Birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Natolotr’Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady Ministra mpiahy ny Faritra Androy, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, androany 05 Oktobra 2023, ny fanalahidin’ny Birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy ao Ambovombe. Marihana fa raha tsy nanana birao manokana mihintsy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Androy hatramin’izay dia ankehitriny nahazo izany izy ireo. Anisan’ny birao manara-penitra izay tafiditra indrindra amin’ny fampandrosoana ny Faritra araky ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana foto-drafitrasa hitondra fampandrosoana hoan’ny Distrika sy Faritra manerana ny Nosy. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao fotoana izao Atoa Governoran’i Faritra Androy, ny Ben’ny Tananan’Ambovombe sy ireo Talem-paritra isan-tsokajiny ary ireo olo-manakaja ao an-toerana. Velombolo ary velom-pisaorana ny fitondram-panjakana noho izany ny Fitaleavam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra Androy noho ny fahazoana izao foto-drafitrasa vaovao izao.    

Ambovombe, Faritra Androy : Fitsidihana ny orinasa MADAPECHE

Tafapetraka soa aman-tsara ao Ambovombe, Faritra Androy, ny orinasa MADAPECHE raha toa ka tao Taolagnaro, Faritra Anôsy, hatrany no niasan’ny orinasa. Sambany eo amin’ny tantaran’ny Faritra Androy no nisy ivon-toerana mikarakara sy manangona vokatra Oratsimba na « Langouste » ao amin’ny Faritra ary tombony lehibe hoan’ireo mpanjono sy ireo tanora izany. Raha tsiahivana dia orinasa manana ny lanjany amin’ny fanangonam-bokatra sy fanondranana Oratsimba ny orinasa MADAPECHE. Ny fahavitan’ireo foto-drafitrasa maro any an- toerana no maharesy lahatra ireo mpisehatra tsy miankina hampiasa vola any an-toerana izay hanampy azy ireo eo amin’ny fampihodinana ny orinasany sy ny fahamoran’ny famoahana ny vokatra mihazo an’i Taolagnaro. Ny fisokafan’ny orinasa toy izao dia mifanindry an-dalana amin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga hitondra famoronana asa manga, mendrika sy mahavelona. Tonga nitsidika ny orinasa MADAPECHE, Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, androany 05 Oktobra 2023.

Ambovombe, Faritra Androy : Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Foara VOATSE

Nosokafan’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sady Ministra mpiahy ny Faritra Androy, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao Ambovombe, Faritra Androy, tamin’ny fomba ofisialy androany 04 Oktobra 2023, ny hetsika Foara VOATSE. Notsindriny nandritra ny lahateny fanokafana ny hoe: « Izaho, Ianao, Iaranareo ary Isika rehetra miaraka mifarimbona sy miara-miasa no hitondra fampandrosoana ho an’ity Faritra ANDROY mamintsika ity ». Lahateny mifono firaisankina, fifanampiana, fiombonana ary fifankatiavana, nanoloana ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo vahoaka tonga maro nanatrika sy nanome voninahitra tao an-toerana. Taorian’ny lanonam-panokafana dia nisy ny fitsidihana ireo trano heva nampirantina ireo vokatra misy eo anivon’ny Faritra toy ny fambolena, fiompiana, jono, kolontsaina ary ireo asa tanana isan-karazany. Nitohy tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny Tanora sy ny fampiofanana arak’asa ny hetsika izay nahitana ny fandraisan’anjaran’Atoa Ministra.

ANOSY, ANTANANARIVO, FARITRA ANALAMANGA : ATRIKASA TEKNIKA HANATSARANA NY FAMOLAVOLANA NY SORI-DALANA HO FANOMEZAN-DANJA IREO ZAVA-MANAN’AINA EO AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA ARY NY JONO.

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono ny fisian’ireo kararan-java-manan’aina isan-karazany. Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy miaraka amin’ny FAO mametraka ny paikady sy sori-dalana ary rindran-damina amin’ny fiarovana izany. Arak’izany dia nisy ny atrikasa teknika fanatsarana ny famolavolana ny sori-dalana amin’ny fanomezan-danja ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono izay tanterahina eo amin’ny Carlton Anosy, Faritra Analamanga ny 03 Oktobra 2023. Tanjona amin’izany ny hiarovana ireo karazan-javaman’aina ireo amin’ny fitrandrahana sy fomba famokarana tsara tantanana ho lovain-jafy. Nandray anjara amin’ity atrikasa ity avokoa ireo sehatra rehetra vokasika isan’izany ny miankina sy tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo maro hafa. Tsahivina fa ny volana Aogositra 2023 lasa teo no notanterahina ny atrikasa nasionaly hanomezan-danja ny fampidirana ireo karazan-java-manan’aina eo amin’ny sehatry Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono narahina atrikasa natao tamin’ireo Faritra sasany ary tohin’izany izao atrikasa natao izao.  

Ambovombe, Faritra Androy : Tonga hanatrika ny foara « VOATSE » any an-toerana Atoa Minisitra

Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Taolagnaro Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert androany 03 Oktobra 2023 hihazo ny tananan’Ambovombe, tonga hanatrika ny hetsika karakarain’ny Faritra Androy, foara « VOATSE », hotanterahana ny 04 Oktobra 2023. Nanararaotra nitsidika ny Ben’ny Tananan’i Kaomina Manambaro ny tenany nandritra ny diany mba hitafa sy hidinika miaraka aminy ary hamaly ny antson’izy ireo mahakasika ny asa fampiroboroboana ny jono sy ny fihariana anaty rano ao an-toerana. Nandray azy araka izany ny Ben’ny tanana lefitra tao an-toerana ka lohahevitra maro no nodinihina tamin’izany. Mbola hisy ny fidinana ifotony hijerena ny zava-misy ao an-toerana hahafahana mamaly izany ny hetahetan’izy ireo izany. Avy hatrany dia nitodi-doha any Androy Atoa Minisitra taorian’izay ka tonga nitsena azy teny am-pahatongavana ireo Tompon’andraikitra maro any an-toerana izay notarihan’i Governora sy ny Lehiben’ny Prefektiora any an-toerana.  

Tsianisiha, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana :
Olona 4 no namoy ny ainy ary 12 no manaraka fitsaboana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo nohon’ny fihinana vokatra an-dranomasina

  Nidina teny ifotony ny Talen’ny Fitaleovam-paritran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Atsimo Andrefana sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ifotony ny zava-misy taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinana vokatra an-dranomasina tao Tsianisiha, Distrika Toliara II. Rehefa nifampiresaka tamin’ireo fianakaviana voakasika sy ireo Manam-pahefana eny ifotony izy ireo dia hita fa trondro namidy teo an-toerana ny Alarobia faha 27 Oktobra 2023 teo fa tsy Mpanjono akory izy ireo. Voamarina fa olona 4 no namoy ny ainy ny Zoma faha 29 Oktobra 2023 ary 12 no manaraka fitsaboana amin’ny tobim-pahasalamana. Mandoa sy mivalana ary maheno hafanana eo amin’ny feo no fisehon’ny aretina. Naka singa (échantillons) maromaro hanaovana fitiliana tamin’ireo trondro izay voalaza fa nahatonga izao tranga izao ireo teknisianina. Mandram-piandrasana ny valin’ny fitiliana dia efa tsikaritra sahady teny an-toerana fa nahitana fiandolo na gogo (Pletosus sp) amin’ireo trondro izay nosakafoanan’ireo olona. Mety io no antsoin’izy ireo hoe « Losoloso », izay fantatra fa misy poizina ny tsilony eo amin’ny lamosiny. Ho taterina eto ihany ny valin’ny fitiliana tsy ho ela ary manentana hatrany izahay Tomponandraikitra mba tsy hinanantsika trondro tsy fantatra sy tsy mahazatra satria noho izao fiovan’ny toetrandro izao dia betsaka ny zavatra miova eo amin’ny tontolo an-dranomasina. Hamafisina ihany koa fa afaka mihinana hatrany ireo trondro mahazatra isika ankoatr’ireo voalaza fa misy poizina rehetra araky ny hita eo amin’ny peta-drindrina ireo.

Atrikasa mahasika ny famokarana zanatrondro lahy

  Ho fandaniana ny volavolan-dalana amin’ny hampiasana ny « horomone » hazahoana zanatrondro lahy ho fampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano dia nisy ny atrikasa mahakasika izany notanterahina ny 29 Septambra 2023 teny amin’ny Hôtel Panorama Antananarivo. Atrikasa iarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Tetikasa PADM. Marihana moa fa efa nisy ny fananganana « comité » misahana ity sehatra ity notanterahana tany Ampefy ny volana Jolay 2023 lasa teo ary ny hevitra novolavolaina tamin’izany no nolaniana sy nankatoavina nandritra ity atrikasa ity. Efa maro moa ny mpiompy misehatra amin’ny  fiompina sy famokarana zanatrondro lahy  tilapia ka ilaina ny tolo-tanana sy fahaiza-manaon’izy ireo hoetina hanatsarana ny vokatra.