Carlton Anosy, Antananarivo
« Forum des partenaires et investisseurs en faveur de l’Economie Bleue »

  Efa nanomboka tamin’ny taona 2015 no niezaka isika eto Madagasikara nametraka ny paikady nasionaly ny amin’ny handrindrana sy hampivoarana ary hampivelarana ny sehatry ny Toekarena Manga. Ankehitriny dia manana tombony isika satria tomombana avokoa ary efa vonona ny antotan-kevitra sy atontan-taratasy hoan’ny fampivoarana ny Toekarena Manga eto Madagasikara izay nandraisan’ny rehetra voakasika anjara tamin’ny famolavolana izany nahitana ireo solotenan’ireo Ministera isan-tsokajiny, mpandraharaha, mpampiasa vola, ireo mpiara-miombona antoka, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpisehatra eny ifotony. Betsaka ny sehatra voakasika ao anatin’izany toy ny jono sy fihariana anaty rano, ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fizahantany sy ny angovo havaozina mifandraika amin’ny rano, ny harena an-kibon’ny tany fa indrindra ny lafiny ara-tontolo iainana mba hafahantsika mametraka tsara izany antsoina oe Toekarena Manga maharitra eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia anjarantsika no samy miezaka manao ny hafahantsika hanatanterahana izany amin’ny faritra rehetra misy antsika. Izany indrindra no mahatonga ny Governoran’ny Faritra Atsinanana misolotena ireo Governora manerana ny faritra manatrika izao fihaonana izao satria izany no miandry antsika manaraka ny amin’ny hafahana mametraka izany amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara arakaraka ny zava-misy any amin’ny toerana rehetra eto amin’ny Nosy. Tsara ny mampahafantatra fa efa nivoaka ihany koa ny drafitra hafahana manatanteraka ny fampiasam-bola rehetra ao anatin’izany Toekarena Manga izany. Eto dia miantso ireo mpampiasa vola rehetra indrindra ny eto Madagasikara sy ireo avy any ivelany mba ho tonga eto Madagasikara fa malalaka ny sehatra. Notanterahana tao amin’ny Carlton Anosy androany 19 Oktobra 2023 ny « Forum des partenaires et investisseurs en faveur de l’Economie Bleue » izay haharitra roa andro. Tonga nanatrika sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert MAHATANTE notronin’ny solotenan’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Governoran’ny Faritra Atsinanana ary ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Ministera isan-tsokajiny voakasika. Marihana moa fa ny tetikasa ARCEB vatsian’ny BAD vola no anisan’ny tena nanao tantsoroka tamin’ny famolavolana izao paikady hafahana mampivelatra sy mampivoatra ny Toekarena Manga hoantsika eto Madagasikara izao.  

Andavadoake, Kaominina Befandefa, Distrikan’ny Morombe
Fizarana fitaovana ho an’ny Mpiandriake

  Tananan’ny Mpiandriake ary isan’ny malaza aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana i Andavadoake. 80% ny mponina eto no mivelona amin’ny ranomasina. Aondrana mankany Morombe, Toliara sy ireo tanan-dehibe maro ny vokatra eto. Mpiandriake miisa 100 no nahazo salotra vonjy aina, radio à manivelle, torche, bouée de repérage filet, sacs, famantaranandro tsy matahotra rano, fitoeran’ny finday sns… Naneho ny hafaliany ireo Mponina ary nanambara fa izao vao nisy Minisitry ny jono nitsidika ity toerana ity hatrizay. Manohy hatrany ny fidinana ifotony Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiara-miasa aminy. Betsaka ny toromarika mahakasika ny hitantanana ny harena an-dranomasina izay nomeny teto ankoatry ny famaliana ireo fanontaniana izay napetrak’ireo Mpiandriake taminy momba ireo lalàna maro samihafa.  

Andavadoake, Kaominina Ambanivohitra Befandefa, Distrikan’ny Morombe
Fitsidihana ny biraon’ny Blue Ventures

  Ny taona 2003 no tonga teto Andavadoake ny mpanorina ity Fikambanana tsy miankina miaro ny tontolo an-dranomasina ity. Miara-miasa akaiky amin’ny Fokonolona izy ireo ary nanampy amin’ny fametrahana ny Fikambanana Velondriake. Ity farany no nanao ny Faritra tahiry voalohany teto Madagasikara mahakasika ny horita ary nisandrahaka manerana ny Nosy avy eo, eny na hatrany am-pitan-dranomasina aza. Faly ny rehetra ary isan’ny nampiavaka ny Fihaonana ny fifankahitana indray mandeha teo amin’Atoa Ministry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy Atoa SAMBA Roger, Filoha Mpanorina ny Fikambanana Velondriake no sady angady nananana sy vy nahitana ny Vatsim-pianarana Samba Roger et J. Paul Getty ny taona 2011 ka anisan’ny nahazo tombotsoa tamin’izany ny Minisitra ankehitriny. Nanome ireo toromarika rehetra ny Minisitra amin’ny hanatsarana hatrany ny fitantanana ny harena an-dranomasina ary hahitan’ny rehetra tombotsoa. Ilaina ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana ary ny fifanakalozana atontan-kevitra.  

Tsinjorano, Kaominina Ambonivohitra Morombe, Faritra Atsimo Andrefana
Fitsidihana ny orinasa fanangonam-bokatra Murex International

  Niverina nitsidika ny tananan’ny Morombe Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Mpiaramiasa aminy ary notronin’ireo Manampahefana ety ifotony. Alohan’ny hitafana amin’ireo Mpanjono dia nisy ny fitsidihana ny Orinasa Murex International izay mampiasa olona 08 manao fanangonam-bokatra. Ahitana trondro 2 taonina isan-kerinandro eo ho eo no mivoaka avy eto ary alefa mankany Toliara. Samy nilaza ho afa-po ny rehetra ny momba ireo paikady izay napetraka hitantanana ny harena andranomasina eto Morombe sy ny manodidina. Ny momba ny tarikaky na harato tarika no olana ary atrehina ny hahafahana manafongotra izany.  

Tsinjorano, Kaominina Ambonivohitra Morombe, Atsimo Andrefana
Fizarana fitaovam-panjonoana

  Ela ny ela, tonga eto Madagasikara ilay harato manaraka ny toetry ny andro antsoina hoe harato marososona (filet multifilament). Efa ela no nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ity harato ity izay manaja ny tontolo iainana amin’ny maha mora levona azy rehefa tavela anaty ranomasina (filet biodegradable) ary tsy mora simba sy tena maharitra. Amin’ny alalan’ny tamberin’andraikitra momba ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (responsabilité sociétale et environnementale) izay ataon’ny Orinasa miantsehatra amin’ny fanjonoana toy ny SOMAPECHE, REFRIGEPECHE OUEST, PÊCHE EXPORT ary PÊCHERIE DE NOSY BE izay tafiditra tanteraka amin’ny fanatsarana nataon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no nahafahana nanao izao fizarana harato maro sosona miisa 390 sy tady 780 miampy ireo plomb sy lests aman’alina izao ka aty Morombe no nisantarana izany. Ireo Mpanjono anaty fikambanana sy ireo izay vonona hiala amin’ny fampiasana tarikaky na « sennes de plage » no misitraka izany ho fanatsarana hatrany ny lafiny fitantanana ny jono aty an-toerana. Tonga nanolotra ireto fitaovana ireto aty Morombe Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiara-miasa aminy ary notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony.  

Ampandratokana, Kaominina andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana ny tobin’ny Maseran’i Kristy (Sœurs du Christ)

  Isan’ny fikambanana izay nahazo tosika tamin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Ihorombe ireto Raiamandreny ara-pinoana izay miompy trondro sy biby hafa ary manao fambolena ihany koa. Ny tena mahafaly ny rehetra dia ny fizarana ataon’izy ireo hoan’ny hafa satria manofana renim-pianakaviana maro ihany koa ry Masera rehefa nahazo fiofanana avy amin’ny Minisitera. Zanatrondro arivo mahery no natolotra azy ireo roa volana lasa izay. Inoana sy antenaina ny hitomboan’izany. Tsikaritra fa mbola fiompiana mivelatra na élevage extensif no ataondrizareo eto. Nasiana fanamarihana izany satria raha mikendry vokatra tsara dia ilaina ny mamadika izany ho fiompiana arahin-tsakafo na élevage intensif. Tonga nitsidika ity toerana ity Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiaramiasa aminy izay notronin’Atoa Prefet ao Ihosy. Nanome ny toromarika rehetra ny tenany ny hanatsarana ity sehatra ity ary nisaotra ireo Raiamandreny ara-panahy izay manampy ny amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro eto Madagasikara.  

Ivohibe, Faritra Ihorombe : Fiofanana fiompiana trondro.

Anjaran’ny Kaominina Ivohibe, Distrikan’ Ivohibe, Faritra Ihorombe indray no nisitraka fiofanana amin’ny fiompiana trondro ny 13 sy ny 14 Oktobra 2023 ka tonga nanatontosa izany ny Fitalehavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe miarak’amin’ ny teknisianina FIMPIFI. Tanjona hatrany ny hampita fahalalana mikasika ny fiompiana trondro mba hahafahan’ny maro hahazo asa hivelomana mba hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpiofana miisa 27 no tonga nanatrika izany fiofanana izany ary nanokatra izany ny Ben’ny Tanànan’Ivohibe, notronin’ny mpanolon-tsaina manokan’ny Faritra Ihorombe.

Tobin’ny Masera Clarisse, Ampandrantokana, Kaominina Andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana fiompiana trondro

  Isan’ny olana lehibe atrehin’ny Mpiompy trondro ny tsy fahampian-drano mandritry ny main-tany tahaka izao. Ny volana Jolay ka hatramin’ny volana Desambra no mitranga izany amin’ny ankapobeny. Eto Ampandratokana, eto amin’ny Masera dia isan’ny misedra olana izy ireo. Betsaka ny toromarika izay nomena teto mba hanalefahana izany. Ity toerana ity izay nisitraka ny tohana mivantana avy amin’ny Minisitera tamin’ny alalan’ny fanomezana zanatrondro miisa 1000 roa volana lasa izay. Nitsidika ity toerana ity Atoa Ministrin’ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo mpiara-miasa aminy aty an-toerana notronin’ny Lehiben’ny Prefektiora Ihosy. Faly ireo mpisitraka sy mpahazo tombotsoa satria tsy vitan’ny nahazo zanatrondro fa mbola misy ihany koa ny fanaraha-maso ataon’Atoa Minisitra.  

Marofarihy, Faritra Fitovinagny : fitsidihana mpiompy trondro nataon’ny Fitalehavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Tantsaha iray monina ao Ankaboka, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, Distrika Manakara, Faritra Fitovinagny, Atoa Tony, izay vonona hiompy trondro sady efa eo andalam-panamboarana dobo. Nitsidika ity farany ny ekipa ny DRPEB ny 12 Oktobre 2023 ary nanampy azy amin’ny torohevitra maro samihafa mba hampandroso ny velotenany toy ny toromarika ara-teknika mba hahalavorary ny fiompiana izay hataony toy ny handalinana ny dobo mba hitazona rano kokoa, ny fanamafisana ny tahalana na ny digue, sns. Nampahafantarina azy koa ny mpivarotra hanjifany zana-trondro tsara kalitao ao Manakara izay ahafahany miara-miasa. Vonona ny hampihatra ireo toromarika azony aha-matihanina azy, Atoa Tony, ary nisaotra ny DRPEB Fitovinagny nitsidika sy nanome izao fanampiana ara-teknika izao.

Kaomina Ambanivohitra Namorona, Distrikan’ny Manakara, Faritra Fitovinagny
Fizarana « Kits de Sécurité en mer » narahana fanentanana

  « Kits de Sécurité en mer » ahitana Salotra vonjy aina, Radio, Torche, Famataranandro tsy mataho-drano, Harona plastika, « Bouée de repérage » ary « Étanche protection téléphone » miisa 120 avy no natolotran’ny DRPEB Fitovinagny, ireo Mpanjono miisa 120 lahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana Taratra sy Ravinala ao Antanambao Ambinagny sy Ambinagny Namorona ny faha 11 Oktobra 2023. Tsy adino ny nanentana azy ireo hitandrina amin’ny fanampoizinana vokatra ny fihinana ireo karazana hazandrano mety hisy poizina na ICAM indrindra amin’izao fidirana amin’ny vanimpotoana mafana izao, nandritra ny fotoana. Nisy ihany koa ny fampahafantarana ny mpanjono fa mihidy ny jono an-dranomamy manomboka ny 15 Oktobra hatraminy 30 Novambra 2023 izao. Tonga nanome voninahitra izao fihaonana izao ny Ampanjaka sy ireo Mpitondra eny ifotony. Marihana fa ny Kaomina Ambanivohitra Namorona dia Kaomina any amin’ny farany avaratra (limitrophe) manasaraka ny faritra FITOVINAGNY sy VATOVAVY.