Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana
Fampiofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana samihafa ao anatin’ny « Complexe de pêche »

  Natomboka avy hatrany ny fampiofanana ireo mpitarika ao anaty Koperativa hitantana ny « Complexe de pêche » ao Farafangana ny faha 29 Oktobra 2023. « Congélateurs » miisa dimy , « Machine à glace » iray ary « Chambre à froide » miisa roa, afaka mitahiry vokatra 10m3 isany avy no hita ao anatin’ity « Complexe de pêche » vao vita ao Farafangana ity. Fitaovana mandeha tanteraka avy amin’ny angovo vokarin’ny herin’ny masoandro. Ny ekipa avy ao amin’ny orinasa SELF no nampiofana mahakasika ny fikojakojana sy fampiasana ireo milina mahakasika ny famokarana hatsiaka ary ny orinasa MAJINCO no nampahafantatra mahakasika ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay mampihodina ity toerana ity. Marihana fa afaka mamokatra « glace » ara-dalana ity toerana ity ary hita fa tafidina hatrany amin’ny -18°C ny hatsiaka ao amin’ny « Chambre froide ». Velom-bolo sy velom-pisaorana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny fitondram-panjakana ny solotenan’ny Koperativa ka nanome toky fa hitandrina sy hanaja ireo fitaovana natolotra azy ireo.  

Fkt Tanambao, Kaomina Andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fanolorona foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia »

  Vita soa aman-tsara ilay foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia » eto Ihosy izay ahitana toerana ivarotana trondro manara-penitra misy rano (forage sy Château d’Eau) sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Marihana fa Ihosy dia malaza amin’ny resaka karpa ary nisy fotoana nantsoina hoe zazamena akory izany nohon’ny hangezana. Mandalo eto avokoa ny olona mihazo ny RN7 sy ny RN13 ary ny RN27 ka stratejika Ihosy. 700 taonina isan-taona ny trondro vokatra eto Ihorombe isan-taona ary tsy mitsahatra ny mitombo izany. Izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga nametraka ilay « Zone d’émergence piscicole » eto Ihosy ary mbola hametraka ihany koa « Chambre froide » ato ho ato. Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert ity foto-drafitrasa ity izay miantefa mivantana amin’ny Kaomina Ihosy ary hampiasan’ireo Fikambanan’ny Mpivarotra Fia eto Ihosy. Nanotrona azy tamin’izany ireo manam-pahefana aty ifotony.  

Toamasina I, Région Atsinanana
Formation et échange des marins-pêcheurs (petite pêche et artisanale) sur les règles de la sécurité en mer, les techniques de navigation et surtout les techniques de pêche Eco-responsable

  Dans le cadre de la mise en œuvre de la Coopération Décentralisée Régions Normandie- Atsinanana, la DRPEB ATSINANANA en partenariat avec le Lycée Technique de Toamasina et le Lycée Maritime de Fecamp ; une formation et échange des marins- pêcheurs (petite pêche et artisanale) sur les règles de la sécurité en mer, les techniques de navigation et surtout les techniques de pêche Eco- responsable s’est tenue le 25 octobre 2023 à Toamasina I et se réalisera pendant une durée de deux semaines. La présente formation figure parmi l’une des activités clés inscrites dans le cadre de la mise en œuvre du PAP Atsinanana par la diversification des zones de pêche (au niveau de la mer territoriale) et une exploitation rationnelle, durable et équitable des ressources naturelles. Les bénéficiaires de cette foration sont constitués par 13 marins pêcheurs issus de Toamasina I, Toamasina II et de Brickaville. Du côté enseignement technique, des séances d’échanges vont permettre à l’élaboration du référentiel de formation pour une production d’autonomie d’énergie à bord et l’utilisation de matériels de navigation disponible localement et facile à approprier par les armateurs pêcheurs et les marins-pêcheurs. Il s’avère nécessaire de mentionner que cette formation entre dans le cadre de la formation des formateurs dont ces derniers pourront former à leur tour leurs confrères pour le développement de la pêche au niveau de la région avec un comportement responsable et citoyen.  

Fujian, Fuzhou, Chine
« World Marine Equipment Conference”

  Tonga nandray anjara tamin’ny alalan’ny MPEB ny « World Marine Equipment Conference” notanterahana ny 12 hatramin’ny 15 Oktobra 2023 lasa teo tany Fujian, Fuzhou, Chine, i Madagasikara. Nitarika ny Delegasiona tany an-toerana Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera . Nizara telo ny fandaharam-potoana nandritra ny fivanianana ka nisy ny fanatrehana ny famelabelaran-kevitra, ny fampiratiana ary ny fitsidihana ireo orinasa mpanjono, ireo mpiompy trondro natao ho fahafinaretan’ny maso na ny « Poissons d’ornements », ireo mpanodina vokatra an-dranomasina ary ny toerana fampisehoana ny faritra mando izay misy ao amin’ny Distrika. Anisan’ny voasa niaraka tamin’ireo olo-manakaja maro nanatrika ity konferansa ity ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano, Atoa BEMANAJA Etienne nandritra ny andro voalohany nialohan’ny fivoriana. Nanomboka ny faha 12 Oktobra 2023 ny fanombohan’ny fivoriana ka niompana indrindra tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ireo fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana ampiasana eny an-dranomasina, ny resaka fitaterana an-dranomasina sy ny fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana, ny fiompiana an-dranomasina ary ireo fitaovana maro samihafa hampiasana amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano. Ny faha 15 Oktobra 2023 kosa dia nisy ny fitsidihan’ny Delegasiona Malagasy ny orinasa Hongdong Fishery Co Ltd. Orinasa iray misehatra amin’ny jono indostrialy an-dranomasina mampiasa sambo miisa hatramin’ny 600. Ity orinasa ity dia anisan’ny miara-miasa amin’ny firenena maro maneran-tany toy ny any Mauritanie, Oman, ireo firenena any Amerika Atsimo sns… ary izy no anisan’ny orinasa lehibe indrindra ao Chine misehatra amin’ny jono an-dranomasina ara-indostrialy. Nifarana tamin’ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny roa tonta moa ny fitsidihina notontosaina teo anivon’ity orinasa lehibe ity. Nanamarika ny famaranana ny fitsidihina nataon’ny Delegasiona Malagasy tao Chine ny fizahana ny toeram-piompiana trondro natao ho fahafinaretan’ny maso tao Fuzhou. Toeram-piompiana trondro iray sady manatsara ny taranak’ilay hazandrano no manalehibe ihany koa. Izany dia ao anatin’ny dobo ivelan’ny tany miaraka amin’ny fanadiovana ny rano na « Bassins hors sols en circuit fermé ». Mahavelombolo ny fitsidihana sy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Konferansa lehibe toy izao ka hantenana fa ho fanoitra iray lehibe hampiroborobo ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara.  

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’Atoa Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles Frédéric MUIA

  Nitsidika an’Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa Frédéric MUIA, Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles (Organisation Internationale du Travail), miasa eto Madagasikara anio faha 25 Oktobra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo. Noresahana nandritra ny fihaonana ny fampandrosoana ny Toekarena Manga eto Madagasikara toy ny fametrahana ny « Projet pilote Eco Langouste » any Taolagnaro mba hitantana maharitra ny vokatra Oratsimba eto amintsika ary koa mba ho rehareha sy fitaratra amin’ny firenena eto Afrika ihany koa isika. Teo ihany koa ny famoronana asa mendrika ho an’ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina mba hanenana ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny fiaraha-miasa mba hampiroboroana ny Toekarena Maintso sy Manga eo amin’ny fitadiavana lalam-barotra hanondranana ireo vokatra any ivelany.  

Faritra Anôsy
Fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna

  Nanatanteraka iraka voalohany asa fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna tao amin’ny Faritra Anôsy, ny faha 23 sy ny 24 Oktobra 2023, ny sambo Atsantsa III niandraketan’ny CSP sy ny DRPEB Anôsy mivantana, notohanan’ny avy ao amin’ny « Marine Nationale » ao Anôsy notarihin-dRtoa Commandant. Tafiditra amin’ny fitsikilovana ny mety hofisian’ny fitrandrahana tangoaraka na « Corail noir » izao iraka izao ka Kaomina manamorona Ranomasina maromaro no nandalovana, tao anatin’izany ny Kaomina Analapatsy, Sarisambo, Tolagnaro, Mandromondromotra ary Mahatalaky. Tsy nahitana tsy fanarahan-dalàna hatreto ka tao anatin’izany no nanararaotana fitafana mivantana tamin’ny mpanjono teny andriaka sy tamin’ny tanana nolalovana nanaovana fanentanana maro samihafa, isan’izany ny mahakasika ny ICAM, fanaovana karatra maha-mpanjono, sns… Hatao matetika araka izay azo atao izao fanaraha-maso izao mba hitandroana hatrany ny fitrandrahana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny Faritra Anôsy.  

Mahajanga, Faritra Boeny
Fampiofanana fiompiana trondro Tilapia sy Karpa andiany faharoa

  Tanterahana ao Mahajanga manomboka androany 23 Oktobra 2023 ny fiofanana andiany faharoa mahakasika ny fiompiana trondro Tilapia sy Karpa. Ny tanjona dia ny fanofanana sy fanamafisana ny traikefan’ireo teknisiana eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hafahan’izy ireo mampiofana ireo tantsaha eny ifotony izay liana amin’io seha-pihariana io. Miisa 30 ny mpandray anjara ahitana ireo teknisiana avy ao amin’ny DA (Direction de l’aquaculture) sy ireo teknisiana avy amin’ny faritra maro (Boeny, Analamanga, Atsinanana, Matsiatra ambony, Itasy, Androy, Vakinakaratra ary Amoron’i Mania).  

Miandrarivo, Distrika Anjozorobe, Faritra Analamanga
Fitsidihana Mpiompy trondro sy fizarana tetiandrom-pamokarana trondro

  Anjozorobe dia isan’ireo toerana izay mamatsy trondro an’Antananarivo raha trondron-dranomamy no resahana. Ahitana Mpiompy trondro nahazo fiofanana mahatratra 600 mahery ny ao ary hita ao avokoa ny famokorana zanatrondro sy trondro azo sakafoanina avy hatrany. Toerana ahitana rano mandeha toy ny reniranon’ny Mananara sy dobo betsaka toy ny hita eto Miandrarivo. Ahitana Mpiompy trondro anaty tanim-bary, anaty fefy mitsingevana (cage) sy anaty dobo. Nohazavaina tamin’ireo solontenan’ny Mpiompy trondro teto ny fampiasana ny tetiandrom-pamokarana trondro (calendrier piscicole). Nambara ihany koa ny antony anakatokanana ny rano izay efa nanomboka ny faha 15 oktobra ary mifarana ny 15 desambra satria io no fotoana anatodizan’ny trondro. Nentanina ireo Mpanjono sy Mpiompy trondro hanangana fikambanana sy Koperativa ary hisy ny fizarana karatra maha Mpiompy trondro matianina izay ilaina rehefa mivarotra trondro izy ireo. Natao izany hahafahana manavaka ny trondro niompiana amin’ny trondro halatra na nojonoina mandritry ny fikatonan’ny rano. Tonga nitsidika ireo Mpiompy trondro sy Mpanjono eto Miandrarivo, Anjozorobe Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa aminy ary notronin’ireo Manampahefana aty an-toerana. Mbola hisy ny fidinana manaraka ary ny Kaominina Antanetibe no isan’ny ho tsidihana amin’izany. Faly ireo Mpahazo tombotsoa ary nisaotra an’Atoa Minisitra izay Minisitry ny Jono voalohany tonga taty Anjozorobe.  

Carlton Anosy, Antananarivo
Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny Tetiandrom-pamokarana trondro sy Tetiandrom-pambolena

  Notanterahana anio faha 20 Oktobra 2023 tao amin’ny Hôtel Carlton Anosy, Antananarivo, ny fampahafantarana ny vinavinan’ny toetrandro 2023-2024 niarahana tamin’ny Ministera misahana ny toetrandro nanehoana ireo vinavina mahakasika ny hafanana, ny rotsakorana amin’ireo vanim-potoana voalaza ireo. Hetsika tafiditra amin’ny fihaonamben’ireo seham-pihariana izay miankina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny Atoa Sekretera Jeneraly sy ny Talen’ny Fampamokarana ny atirano. Nisy noho izany ny fampahafantarana ny fisian’ny Tetiandrom-pamokarana trondro, ny fifandraisan’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fikatonan’ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina, ny ICAM, ny Hotline VIAMO amin’ny alalan’ny fiantsoana ny 3,2,1 sy ny Airtel 0334480026, ny fampahafantarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny Toetrandro sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Marihana moa fa nitondra ireo famelabelarana ireo ny Talen’ny Fampamokarana ny atirano eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Hetsika tafiditra amin’ilay NCOF na  » National Climate Otlook Forum ».  

Bali, Indonésie
Participation de Madagascar à la 1ère Réunion de Haut Niveau du Forum des États Archipélagiques et Insulaires 2023 ou Forum AIS

  En tant que l’un des plus grands pays insulaires au niveau de l’océan indien, Madagascar à travers le Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue (MPEB) a été invité à la 1ère réunion de Haut Niveau du Forum des Etats Archipélagiques et Insulaires 2023 dans le paradis tropical de l’Indonésie connu sous le nom de « Terre des Dieux » et « Ile aux Mille Temples » à Bali, Indonésie du 09 au 11 octobre 2023 dernier. En embrassant l’innovation et en ouvrant la voie à un avenir durable pour notre océan, le Forum AIS avait organisé la Conférence sur la Recherche et le Développement dans l’optique de faire avancer la Frontière Bleue sur Sa science Océanique Innovante. En tant que participant à ce forum, la représentante du MPEB a eu le privilège et la grande opportunité de contribuer aux discussions et de faire une présentation sur le contexte Malagasy. Entre autres, c’était également une opportunité de rencontrer un groupe varié de chercheurs extraordinaires issus de diverses disciplines liées à l’océanographie et de différentes parties du monde qui pourrait contribuer certainement au développement de l’économie Bleue de Madagascar. Des futures collaborations fructueuses bénéfiques qui pourront façonner un avenir meilleur de nos océans.