‎Ampefy, Faritra Itasy : Atrikasa fankan-kevitra miaraka amin’ireo mpisehatra nationaly momba ny famolavolana ny tetikasa fitaratra « Jono makamba maharitra, ao amin’ny faritra Menabe »

Notanterahina ny 24 sy 25 Jolay 2025 ny atrikasa fankan-kevitra miaraka amin’ireo mpisehatra nationaly momba ny famolavolana ny tetikasa fitaratra « Jono makamba maharitra, ao amin’ny faritra Menabe » izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa BIODEV 2030 andiany faharoa. Marihina fa ity tetikasa ity dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy. Ity ny atrikasa faha telo izay notanterahina tany Ampefy taorian’ny atrikasa indroa miantoana izay fankan-kevitra teny ifotony notanterahina tany Morondava. Mpitantsoroka ny WWF sy ireo mpiara- miombonantoka ary ny tetikasa BIODEV 2030. Nanokatra ny izany tamin’ny fomba ofisialy A/toa Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana ny Ati-rano eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ireo Mpandray anjara kosa dia nahitana an’ireo avy amin’ny sehatra rehetra (Administration, ny solontenan’ny Ben’ny tanàna avy amin’ny faritra Menabe, mpanjono madinika, ny mpanangom-bokatra, ny GAPCM sy ny orin’asa vaventy mpidrandraka makamba, ny fiaramonim-pirenena, ny ONG,…) mahakasika ny jono makamba no, ary nahitana ireo mpisehatra avy amin’ny faritra Menabe. Ny BCPA moa no mpanamahay voafidy hamolavola ny tetikasa. ‎Nankatoavina tamin’izany ny volavolana tetikasa izay hatsangana, taorian’ny fanitsiana vitsivitsy hifanandrify amin’ny politika nasionaly amin’ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara. ‎ ‎ #MPEB #MEDD #Jono #makamba_maharitra #WWF #BIODEV2030

DISTRIKAN’NY MAINTIRANO ,FARITRA MELAKY : FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY JIM 2025

Ala Honko , Vahatry ny aina , miaro ireo zava-manan’aina , manamafy ny fahafahantsika miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro  Io no lohahevitra nasongadina mandritra ity Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala Honko ity . Manao ny ezaka hatrany ireo Ministera Tompon’andraikitra ( MPEB & MEDD ) na ireo mpanjono na ireo Vondron’olona ifotony amin’ny fanarenana sy fiarovana ity rohivoary ity mba hampaharitra azy ho lovain-jafy satria arakaraky ny fiarovana izany no mahabetsaka ireo harena ao anatiny. Tsara ihany koa ny Manamarika fa mifampiankina tanteraka ny asan’ny Ministera 2 Tompon’andraikitra Raha ny ala Honko no resahina. Rehefa Misy ny Ala dia misy rotsak’orana izay mampisy rano ho an’ny sehatry Jono sy ho fiarovana ireo zava-manan’aina rehetra miaina ao aminy #MAINTIRANO_FARITRY_MELAKY #MPEB_MEDD

Fampiofanana manokana ho an’ny Mpanjono sy ireo « Mareyeurs « ao Tsihombe sy Ambovombe, Faritra Androy.

Ezahina hatrany ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpanjono sy ireo « mareyeurs  » mba hahafahan’izy ireo manatsara ny vokatra azo avy amin’ny asany izay miantoka ny kalitaon’ny vokatra ary mandray anjara amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Arak’izany dia tontosa tao amin’ny Distrikan’i Tsihombe sy Ambovombe ny fampiofanana izay naharitra herinandro teo izay nanomboka ny faha 18 ka hatramin’ny 24 Jolay 2025 teo izay nahitana mpanjono sy mareyeurs nisitraka izany niisa 119. Fampiofanana ara-teorika ary narahana fampiharana ho fanomezana fahalalana sy fahaizana vaovao ho an’ireo mpandray anjara, hahafahana manatsara ny asany sy ny vokatra azo avy amin’ny jono. Nisy lohahevitra maromaro izay hita fa manan-danja no nozaraina sy nodinihina nandritra ity fampiofanana ity ka anisan’izany: Ny fampahafantarana tamin’ireo mpandray anjara ny fitsipika sy lalàna mifehy ny sehatry ny jono eto Madagasikara eo ihany koa ny fanazavana ny mety ho voka-dratsin’ny fihinanana hazandrano izay mitondra fanampoizinana sy ny fomba hamantarana ny karazana hazandrano mety hiteraka fanapoizinana, ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina rehefa mikirakira ny vokatry ny jono, manomboka amin’ny fanjonoana ka hatramin’ny fivarotana azy. Teo ihany koa ny fanomezana azy ireo ireo teknika isan-karazany hitehirizana ny vokatra sy ny hitazomana hatrany ny kalitaony ary farany dia ny Fampianarana manokana no natokana ho an’ny fanamboarana fitaovam-panjonoana toy ny « Filet ZZ »  » Palangre » sy fomba fanamboarana lakana simba, mba hahafahan’ny mpanjono mitazona ny fitaovany ho amin’ny fampiasana maharitra sy azo antoka. Naneho fahafaham-po sy fankasitrahana ireo mpandray anjara tamin’ity fampiofanana ity, izay nahafahan’izy ireo nianatra teknika vaovao sy nanatsara ny fahaizany. Maro tamin’izy ireo no naneho ny fikasany hampihatra avy hatrany ny fahalalana sy fahaizana azo tamin’ny asany andavanandro. #MPEB #DRPEB_ANDROY #FAO #MIONJO

Kaominina Toamasina II,Distrikan’i Toamasina II,Faritra Atsinanana.

Fanamboarana dobo trondro vaovaon’ny Sekoly fanofanana ho mpiandry Fonja (ENAP). Maro ireo sekoly sy orinasa miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ka anisan’izany ny Sekoly fanofanana ho mpiandry Fonja (ENAP) ao Antetezambaro ,Toamasina II. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Atsinanana sy ny ENAP dia dobo trondro miisa 18 no haorina ao amin’ny tanin’ny sekoly izay samy manana velarana 240 metatra toradroa avy. Ny DRPEB no manara-maso sy manome toromarika mikasika ireo teknika fanamboarana azy.Karaza n-trondro tilapia « Oreochromis niloticus » no hompiana amin’izany izay tena mety amin’ny toe-tany any amin’iny faritra iny.Hantenaina araka izany fa hampitombo ny vokatra trondro any an-toerana ny fahavitany ary ho modely azo halaintahaka eny ifotony ka haharesy lahatra ny maro hisehatra amin’izany fiompiana trondro izany. #MPEB #DRPEB #Atsinanana #ENAP #Tantsoroka_sy_fiarahamiasa #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga

Ambatobe-Antananarivo, Faritra Analamanga » Atelier de validation national de la revue mi parcours du PDACM »

Notontosaina tao Ambatobe-Antananarivo ny 24 Jolay 2025 ny ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra amin’ny fampamokarana ny aty ranomamy izay nosakafan’Atao Tale Jeneraly ny Toekarena Manga eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena tamin’ny fomba ofisialy. Tanjona ny nanaovana jeritodika ireo efa vita amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny fampandrosoana ny fampamokarana ny atiranomamy na ny PDACM, ireo olana sy ireo sos-kevitra ho fanatratrarana ny tanjona voasoratra anaty PDACM. Nivoitra tamin’izany fa maro ireo asa vita, toy ny fametrahana drafitrasa famokarana zanatrondro tsara kalitao na ny ZEP, ny fampiofanana ny fiompiana trondro sy ny maro hafa. ankoatr’izay anefa dia mbola maro ny ezaka tokony hatao eo amin’ny fametrahana fampamakorana ny atirano tsara tantana isan’izany ny fananganana sehatra ifanakalozan-kevitra sy vaovao ho an’ireo mpandray anjara rehetra amin’ io sehapihariana io. Taminny alalan’ny asam-bomiera moa no nandrafetana sy namoahana ny tsoan-kevitra nandritra ity atrikasa ity #MPEB #DA #GIZ_ASAM

DG FAO : TONGA NITSIDIKA NY ROYAL TILAPIA TENY AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY FARITRA ANALAMANGA

Taorian’ny fihaonana ara-teknika niarahana tamin’Atoa Dr Qu Dongyu izay Tomponandraikitra voalohany manerantany #momba_ny_sakafo eto anivon’ny #Firenena_Mikambana dia nisy ny fitsidihana ny Royal Tilapia izay Toeram-pamokarana trondro no Sady mamokatra sakafon-trondro ihany koa Anio 25 Jolay 2025. Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert niara- nandray azy ary nifampitafa mahakasika ny famokarana trondro eto Madagasikara amin’ny ankapobeny, teny an-toerana ihany koa ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny FAO , sy ireo teknisianina avy eto anivon’ny Ministera. Nandritra ny fitsidihana dia Nisy ny fifampizarana traikefa niaraka tamin’Atoa tale Jeneraly sy ireo dingana nolalovany rehetra teo amin’ny sehatry fiompiana trondro . Nanome Toro-marika ihany koa ny tenany ahafahana mamokatra bebekokoa sy ahafahana mampiakatra hatrany ny tahan’ny fihinanan’ny malagasy trondro noho izy ity sakafo ara-pahasalamana no manampy amin’ny ady amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo. Marihina fa tetikasa 07 momba ny jono sy ny fihariana anaty rano izay mitetina USD2.225 tapitrisa no tantsoroka nataon’ny FAO nanomboka ny taona 2021. #Royal_Tilapia #Ambatolampy_Tsimahafotsy #MPEB_FAO

MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA : RAY MPIAHY NY FAMOAHANA IREO MPIANATRA ANDIANY « KANTY » (2023-2024) MBC Ivato Antananarivo, analamanga

Notanterahina Anio 24 Jolay 2025 ny Famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana isan’ambaratongany avy izay nandranto fianarana tao amin’ny ESSCA Antanimena. « KANTY » Io no anarana nomena ireo andiany ireto izay midika fa mamiratra ireo mpianatra Ary mahay. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert kosa no voafidy ho ray mpiahy azy ireo. Eto Vao tena manomboka hoy A/toa Minisitra satria hitarika ny ho aviny izy ireo na eo amin’ny sehatry ny asa izany na amin’ny lafim-piainana manontolo , ny fahaizana no tena manan-danja indrindra Raha te hioatra amin’ny fiainana hoy izy Ary mila miharitra sy milofo raha te hanatratra ny tanjona hiriana . Nirary soa azy ireo ny tenany arak’izany Ary nankasitraka ireo mpanabe sy raiamandreny rehetra tsy nikely soroka tamin’ny nahatafitana ireo zanaka . #SORTIE_DE_PROMOTION_KANTY

TETIKASA PROFISH BLUE : NANOLOTRA « CAMION FRIGORIFIQUE » MAHAZAKA VOKATRA MANODIDINA NY 3 TAONINA

Nanisana Antananarivo, Faritra Analamanga. Niampy iray indray ny fiara lehibe izay ahafahana #mamoaka ireo vokatra an-dranomasina any amin’ireo toerana #saro_dalana ankehitriny. Tsy atahorana ho Simba arak’izany ireo vokatra fa #azo_tehirizina tsara mandram-pahatonga any an-tanan-dehibe izay hivarotana azy ireo . Marihina fa Manamora ny fitadiavana #lalam_barotra ho an’ireo mpanjono ihany koa ny fisian’ny fitaovana toy izao . Anio 24 Jolay 2025 no nandraisana ity « Camion frigorifique » ity izay Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB sy ny #SADC tamin’ny alalan’ny Tetikasa #Profish_blue izay vatsian’ny #BAD na ny banque africaine de développement vola. Vokatra an-dranomasina 3 taonina eo ho eo no zakan’ity camion frigorifique ity , izay no ahafahantsika manatsara ny rojom-pihariana Ary ny avy eo anivon’ny #RENAFEP ( Reseau National des femmes de la pêche) kosa no hitantana azy . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #Profish_Blue #SADC #CAMION_FRIGORIFIQUE #BAD

Kaominina Beforona sy Morarano Gara,Distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Famatsiana fitaovana ireo mpiompy trondro efa voaofana.

Mitohy hatrany ny tantsoroka sy famatsiana fitaovana ireo mpiompy trondro avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Mpisitraka 51 nahazo fiofanana maimaimpoana ao amin’ny Kaomininana Morarano Gara sy Beforona Distrikan’i Moramanga no notolorana fitaovana isan-karazany miisa 408 toy angady,koveta sy ny maro samihafa. Nanolotra izany tany antoerana ny ekipan’ny CirPEB Moramanga.Tontosa izao noho ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharan’asa PREAA (Aty ala atsinana Émission Réduction Program). Tanjona ny fampidirana azy ireo amin’ny sehatra matianina .Aorian’ny fahitan’ny dobon’izy ireo dia mbola hozaraina zanatrondro miaraka amin’ny sakafony izy ireo. #MPEB #DRPEB #Alaotra_Mangoro #CirPEB_Moramanga #Fampitaovana_mpiompy_trondro #PREAA

Drones roa (02) hampiasain’ny CSP na ny Centre de Surveillance des Pêches hiadiana amin’ny Jono tsy manaradalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna

JONO TSY MANARA-DALANA : NIAMPY IREO FITAOVANA ENTINA HITSIRIHANA NY SISIN-DRANOMASIN’ I MADAGASIKARA Ankoatr’ireo Sambo miisa 25 izay fitaovana hananantsika entina miady amin’ny Jono tsy manara-dalana eto Madagasikara dia niampy indray izany ankehitriny satria nanolotra #Drone miisa 02 entina hanatsarana izany ady izany ny eo anivon’ny #WWF izay mpiara-miombon’antoka no miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono. Miavaka Ary mora hampiasaina ity fitaovana iray ity satria dia vita avy amin’ny akora fototra izay misy eto Madagasikara avokoa anisan’izany ny polystyrène. Hisy arak’izany ny fampiofanana omena ireo teknisianina eto anivon’ny Ministera izay hidina ifotony ahafahan’izy ireo mampihatra izany avy hatrany ahafahana manafoana aignana ity Jono tsy manara-dalana ity. Hirariana mba hitombo hatrany ireo fitaovana entina mitsirika satria midadasika ny sisin-dranomasin’ i Madagasikara ,Ary izao no atao dia hananantsika ilay #FANJONOANA_MAHARITRA HO #LOVAIN_JAFY. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue WWF Madagascar #CENTRE_DE_SURVEILLENCE_DE_PECHE #LUTTE_PECHE_INN