Kingston, Jamaïque: Atriakasa miompana @ny tontonlony ati-ranomasimbe na « DEAPSEA DIALOGUE ».

Tontosa tao amin’ny Hôtel Courtyard Marriott, Kingston, Jamaïque ny faha 20 Jolay 2025 ny atrikasa momba ny tontolo ny ati-ranomasina na « fond marins » « DEEPSEA DIALOGUE » izay tafiditra amin’ny fanomanana ny fihaonambe faha-30 ny « autorité internationale des fonds marins » na AIFM izay miadidy ny fitantanana ny ranomasimbe ivalany faripiadidiany firenenana tsirairay na « zone au-delà de la juridiction nationale ». Isany voantso i Madagascar amin’ny alalan’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #DRPEB_Fitovinagny no solo-tena amin’ny zany. Tanjon’ny atrikasa ny hifampizara ny ezaka vita ny #AIFM sy ireo tsindry mety hisy raha toa ka miditra amin’ny fitrandrahana ireo metaly sy mineraly sarobidy ao ambany ranomasina na « deepsea mining » ireo ny zanakolombelona. Maro ireo mpikaroka mampitandrina fa hanimba ny tontolo iainana an-dranomasina ny mety ho fidirana amin’io fitrandrahana io ka mety hampididoza hoan’ny taranaka. Efa misy ny fandrafetanana volavolan-dalàna na « projet de code minier » ataon’ny AIFM hifehezana ny « deepsea mining » saingy tsy tokony atao ankamehana izany. Nifarana tamin’ny adi-hevitra na « panel de discussion » ny atrikasa ka manampahaizana momba ny lalàna sy Toekarena ary siansa biolojia no niara-nikaondoha sy nanao antso ny firenena rehetra mba tsy hanaiky ny fidirana amin’ny fitrandrahana raha tsy feno ireo fahalalana ara-tsiansa afahana mamaritra mialoha ny voka-dratsy ny fitrandrahana, ary raha tsy tafapetraka ny cadre légale « code minier » izay afaka miaro ny tombontsoa ny taranaka ankehitriny sy hoavy. Ny IUCN, miaraka amin’ny DONA Bertarelli philanthropy ary ny OCEANO AZUL Foundation no niara-niasa nikarakara ny atrikasa izay niarahan’izy ireo nanomana tamin’ny AIFM. Tonga nanotrona izany moa ny Sekretera Jeneraly ny AIFM, Ramatoa LEITHICIA Carvalho. #MPEB

Kaominina Ambonivohitra Toliara,Faritra Atsimo Andrefana :Atrikasa fampahafantarana sy fampiroboroboana ny tetikasa ACB sy ORIANO.

Notanterahina tao amin’ny hôtel “Étoiles de Mer” ao Toliara ny faha 17 Jolay 2025 lasa teo ny atrikasa iray nokarakarain’ny Fikambanana ACB na “Action for Community and Biodiversity”. Ity atrikasa ity izay natao manokana mba hampahafantarana sy entina hampiroboroboana ny tetikasa roa lehibe dia ny tetikasa ACH (Action de Conservation des Herbiers marins) sy ny ORIANO. Ireo tetikasa roa ireo dia mikendry ny hanarenana sy hiarovana ireo rohivoahary an-dranomasina. Ny tetikasa ORIANO dia haharitra 4 volana ary ao amin’ny faritry ny Fkt Beravy sy Ifaty no hanatanterahina azy. Etsy ankilany kosa ny tetikasa ACH kosa dia haharitra 18 volana ary hifantoka amin’ny faritry ny Fkt Betsibarika, Madiorano, ary Ambalaboy. Anisan’ny fanamby lehibe mety hatrehin’ireo tetikasa ireo ny fampihenana na ny hanafoanana mihintsy ny fampiasana “draonto” na “tarikaky”, izay fomba fanjonoana manimba ny hazan-dranomasina ary eo andalampitadiavana paikady hiadiana amin’izany ny tetikasa amin’izao fotoana izao. Naroso ho vahaolana vonjimaika hiatrehina izany ary ary tapaka nandritra ny atrikasa ny fampiharana ny “DINABE” izay mikendry ny hametrahana ireo fitsipika hifampifehezana eo amin’ny fiaraha-monina mba hampihenana ny fampiasana ireo fomba fanjonoana manimba sy hiantohana ny fahombiazan’ny asa fiarovana. Tonga nanatrika sy namaly ny fanasana ireo solontena avy amin’ireo sampan-draharaha isan-karazany ka anisan’izany ny solontena avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Atsimo Andrefana , ny avy eo amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda, ary ny Distrikan’i Toliara-II. Nanatevin-daharana azy ireo ihany koa ireo solontenan’ny mpanjono sy ny Sefo Fkt avy amin’ny faritra voakasik’ireo tetikasa ireo. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #ACB #ACH #ORIANO

Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo: « Réunion comité mixte ».

Notanterahina tao Fenoarivo Atsinanana ny 08 Jolay 2025 ny « réunion comité mixte » amin’ny fanatanerahana ny RSE ho an’ny mpanjono vaventy manao jono makamba ao aminy Zone D1 . Fivorina izay notarihany Atoa Tale misahana ny Jono notronin’Atoa Tale Kabinetran’ny Ministera miaraka amin’ny Atoa Tale CSP. Nandray anjara tamin’izany fivorina izany ihany koa ny Talem-paritra ny Jono Atsinanana sy Analanjirofo, ny solontenany Talem-paritra ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ny Atsinanana sy Analanjirofo; ny solontenany orinasa mpanjono ary ireo solontenany mpanjono. Nandritra izany fivorina izany no nanaovana tatitra ny zava-bita sy fandaniana ny tetibola taona 2023-2024. Nandinihina ireo tetikasa izay ho atao amin’ity 2025 ity. Narahina ny fizarana ireo teti-bola ampiasaina ato anatiny faritra izany dia ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo izay samy anatiny Zone D1 avokoa. #MPEB #Jono #ZoneD1

Fkt Anosy,Kaominina Ambanivohitra Anosiala,Faritra Fitovignany. Fanamafisana ny Fanentanana amin’ny ady atao amin’ny ICAM « Intoxication par la Consommation d’ Animaux Marins »

Tontosa ny 08 Jolay 2025 teo tao amin’ny Fkt Anosy, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anosiala, ao anatin’ny distrikan’i Manakara, ny hetsika fanamafisana ny fanentanana momba ny ICAM (Intoxication par Consommation d’Animaux Marins) na ny fanapoizinana ateraky ny fihinanana hazan- an-dranomasina sasantsasany miondra fanapozinana izay notanterahan’ny ekipa avy ao amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Fitovignany .Ity hetsika ity dia natao mba hampahafantarana sy hampahalalana ireo mponina ao an-toerana ho mailo hatrany manoloana ny loza mety hitranga. Maro dia maro no tonga nifamory tamin’ity hetsika ity izay nahitana mpanjono sy vehivavy ary ankizy ka nandritra ny fanentanana dia nifampizarana tamin’izy ireo ny fampahalalana ilaina rehetra mifandraika amin’ny ICAM. Anisan’izany ny fampahafantarana ny karazana trondro sy biby an-dranomasina tsy azo hoanina na hamidy indrindra mandritra ny vanim-potoana mafana na rehefa manatody satria mety hiteraka fanapoizinana. Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitandremana mba tsy hisian’ny loza mety hanohintohina ny fahasalamana. Ho fanamafisana ity hetsika ity dia nisy ihany koa ny fizarana takelaka na “posters” ho an’ny mponina izay misy sary sy anaran’ireo karazana hazan-dranomasina mety hiteraka izany fanampoizinana izany mba ho fitaovana enti-manampy ny vahoaka hahafantatra tsara ireo karazana trondro tsy tokony hohanina na hamidy. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tanjona ny hiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy hiantohana ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina amin’ny alalan’ity fanentanana ity. #MPEB #DRPEB_Fitovignany #IFanentanana_Ifotony #ICAM

Fkt Anosibe Ampilahoana, KaomininaAmbonivohitra Amparafaravola,Faritra Alaotra Mangoro. Fihaonana lehibe mahakasika ny fitantanana ny faritra zetra

Tontosa tao amin’ny Fkt Anosibe Ampilahoana ao amin’ny Kaominina Amparafaravola, ny fihaonana goavana niarahana tamin’ny VOI Aro izay mitantana faritra zetra (marais) izay midadasika mihoatra ny 3.000 hektara eo. Tonga nanatrika ity fihaonana ity ireo solontena avy amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB), ny Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) ny DEDR ao amin’ny faritra ny ONG Durell, ary koa ny ben’ny tanànan’i Amparafaravola. Nandritra ny fihaonana dia nisy ny famindram-pitantanana ny Harena Voajanahary na (TGRN) famindram-pitantanana ny harena an-dranomasina na (TGRH) kosa dia mbola miandry ny fivoahan’ny didim-pitondrana mamaritra ny drafi-panajariana ny jono ao amin’ny faritra. Io faritra zetra ao Anosibe Ampilahoana io no mbola misy zetra mikitroka tsara ary tsy dia tafiditry ny mpitrandraka avy amin’ny kaominina hafa. Mba hiantohana ny faharetan’ny fitrandrahana ireo harena azo avaozina anisan’izany ny hazandrano, dia nisy ny fampitana sy fanamafisana ireo fepetra sy fitsipika mifandraika amin’izany. Ankoatra izay, nisy koa ny fanenatanana ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny asa fanjonoana, fanampin’izay, namafisina ny fandraràna ny fampiasana lay amin’ny fanjonoana, mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena an-dranomasina. Marihina fa miisa 202 ny mpisehatra nanatrika ity fihaonana ity. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #DREDD #DEDR #ONG_DURELL

Ihosy, Faritra Ihorombe.

Tontosa ny faha 07 ka hatramin’ny faha 08 Jolay 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra ao amin’ny Kaominina Andrenivohitra Ihosy, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ny atrikasa momba ny fametrahana ady amin’ny kolikoly eto anivon’ny #DRPEB_Ihorombe.Atrikasa notarihin’ny avy ao amin’ny #STAC #MPEB, niarahana tamin’ny solon-tenan’ny #BIANCO Fianarantsoa sy ny DRPEB Matsiatra Ambony.Fanofanana sy fametrahana ilay Fenitry ny Fitondran-tena SDC na « Standard de Comportement » eo am-panatanterahana ny asam-panjakana no nentin’ny avy ao amin’ny STAC. Nisy ny fanazavana mikasika izay rehetra ho endriky ny kolikoly sy ny mety ho vokany amin’ny fanaovana ny asa no novelabelarin’ny avy ao amin’ny BIANCO Fianarantsoa. Teo ihany koa ny fizarana traikefa amin’ny fisorohana izay mety ho kolikoly eo am-panatanterahana ny asa avy amin’ny #DRPEB_Matsiatra_Ambony.

Kaominina Ambonivohitra Antsohihy, Faritra SOFIA: Fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-dranomamy

Ny faha 05 jolay 2025 lasa teo dia notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antsohihy, Faritra SOFIA, ny fampiofanana niompana tamin’ ny fiompiana trondro an-dranomamy izay natokana indrindra ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Institut Universitaire et Technologique d’Antsohihy (IUTAM).Nandritra izany dia nisy ny fiofanana ara- teorika natao mba hanomezana fototra mafy orina momba ny teknika sy ny fomba fiasa amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fampiharana an-kianja izay nahafahan’ireo mpianatra nampihatra mivantana izay zavatra nianarany. Miisa 35 ny mpianatra nahazo tombontsoa tamin’ity fiofanana ity izay nanome azy ireo fahalalana sy fahaizana azo hampiharina avy hatrany.Ity fampiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny IUTAM sy ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) ao amin’ny Faritra SOFIA izay fiaraha-miasa natao hikendry ny hampiroborobo ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra, indrindra ho an’ny tanora izay heverina hampivoatra ny toe-karena isambatan’olona eo an-toerana. MPEB #DRPEB_SOFIA #Fiompiana_trondro # Asa_Manga #Toekarena_Manga

Radisson Blu Hotel, Cebu city, Philippines

Notanterahina nandritry ny 03 andro tao Cebu city, Philippines, ny 02 ka hatramin’ny 04 Jolay 2025, ny atrikasa mahakasika ny rojom-pihariana lomotra “ Seaweed Value Chain Regional Workshop”. Nandritry izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpandray anjara avy amin’ireo firenena efa misehatra amin’ny lomotra na « algue » avy aty Afrika sy Azia, mikasika ny tombony azo avy amin’ny fambolena lomotra, ary ireo fanamby sy ny fahafahana mampiasa vola amin’io seha-pihariana io. Nandray anjara tamin’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga SAVA sy ny solontena avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana ny Atirano. Marihana fa ny Banky Iraisampirenana no nanohana sy nikarakara izao atrikasa izao. #MPEB

Palais des Sports Mahamasina-Antananarivo, Faritra Analamanga : Famaranana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05

Fahombiazana izay amin’ny ankapobeny ny hamehezana ny hetsika Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05 izay notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina nandritra nandritra ny 04 andro. Androany 05 Jolay 2025 no namaranana izany hetsika izany tamin’ny fomba ofisialy.Nandritra izay 04 andro nanaovana ny hetsika dia trano heva miisa 70 no nampirantiana ireo vokatra teny an-toerana narahina fampiofanana fiompiana trondro mamaim-poana.Maro ireo mpandray anjara no nahazo fifanaraham-piaraha miasa sy nahazo mpanjifa vaovao.Nambaran’Atoa Razafimandimby Jean Chrysostophe, Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano, eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay namarana izany hetsika izany tamin’ny fomba ofisialy fa tanjona amin’ izao ny hampiakarana ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara sy hanomezan-danja ireo vokatra avy amin’ny hazan-drano. Nohamafisiny ihany koa fa misokatra ho an’ny rehetra Ministera ary vonona hatrany ny hanome tosika ara-teknika ho an’ireo mila izany.Ho fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara sy ho famporisihana azy ireo handray anjara amin’ny Tsenaben’ny hazandrano andiany faha 06 izay hotanterahina amin’ny taona ho avy moa dia nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho azy ireo. MPEB #AMPA #TsenabeHazandrano #FoireDesProduitsHalieutiques #ToekarenaManga

Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Antananarivo, Faritra Analamanga
Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05, Fanokafana amin’ny fomba ofisialy

Notanterahana nanomboka androany 02 Jolay 2025 ka haharitra 04 andro ny andiany faha-05 amin’ny Tsenaben’ny hazandrano na « Foires des produits halieutiques » etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena (Palais des sports) Mahamasina, hiarahana amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny AMPA (Agence Malgache de Pêche et de l’Aquaculture).Trano heva miisa 70 eo no mandray anjara amin’ity andiany faha-05 ity ahitana ireo mpisehatra rehetra amin’ity fihariana ity na an-dranomamy na an-dranomasina, mpivarotra, mpiompy, mpikirakira sakafo-trondro, fitaovana ilaina amin’ny fiompiana trondro sy ny jono, ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka ary ireo Koperativa manerana ny lafy valon’ny Nosy.Vokatra maro samihafa ihany koa no hita eny an-toerana amin’ny vidiny sahaza ny rehetra na lena na maina.Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampifanakaikezana ny mpamokatra sy ny mpivarotra ary ny mpivarotra sy ny mpanjifa mba hampiakatra ny tahan’ny fanjifana sy ny fihinana hazan-drano na trondro eto amintsika izay fantatra fa mbola ambany amin’izao mihoatra amin’ny Firenena hafa raha toa ka 7kg/olona/taona izany ankehitriny nefa ny tanjona dia ny hampiakatra izany ho 11kg/olona/taona.Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05 tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo olo-manakaja ambony maro sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera.Manasa antsika rehetra noho izany ho tonga hanjifa ny vokatra hazandrano mandritra izao hetsika izao.#MPEB #AMPA #FoireDesProduitsHalieutiques #TsenabeHazandrano #Trondro