Antaravy, Fokontany Morafeno, Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana
Fanolorana fitaovam-panjonoana ho an’ny fikambanana MAHAVELONA avy amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga

Anisan’ny fitaovana natolotra ny lakana fibre de verre, motera 9,9 CV, sondeur kit feno, tady, harato, filao, tapis, émerillon, ary boaty ho an’ny fitaovana fanjonoana. Ankoatra izany, nisy koa kitapo fiarovana an-dranomasina 34 (gilets, radio, torche), akanjo enti-mijoboka 28, ary kitapo 27 (misy famantaranandro sns). Nanolotra ireo fitaovana ireo ny Goverinoran’ny Faritra Diana, RAKOTOMANGA Taciano, miaraka amin’ny Prefet d’Antsiranana sy mpisolo tena ny Sefon’ny Distrika, TSIRINARY Jadhà Hermine, ary ny Talem-paritry ny Jono, RAHARIMALALA Sylvie. Nandritra ny kabary, nampahatsiahy ny tenin’ny Filoha Andry Rajoelina ny Goverinora hoe “tsy misy tanàna ho adino amin’ny fampandrosoana,” ary nanentana ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Nanamafy izany koa ny Prefet, nanantitrantitra ny fitahirizana ny harena an-dranomasina ho lovain-jafy. Ny Talem-paritra kosa nanentana ny fampiasana tsara ireo fitaovana sy ny fanangonana antontan’isa. Voalohany teto Morafeno ny fitsidihan’ny Goverinora sy ny Prefet, ka nankasitrahan’ny vahoaka sy ny Be ny Tanàna. Naneho fisaorana tamin’ny fanjakana sy ny Minisitra, Atoa Remi, izay solontenan’ny Fikambanana nefa nangataka fitaovana fanampiny satria maro ny mpanjono. #MPEB #DRPEB_Diana
Fokontany Andranomandevy, Fokontany Mandritsarahely, Kaominina Marosakoa, Distrikan’ Ambato Boeny sy Marovoay, Faritra Boeny
Mpiompy trondro miisa 15 avy ao amin’ny « Baie d’Ambaro District d’Ambilobe » no tonga nitsidika ireo mpiompy trondro izay nofanina niaraka tamin’ny Projet PATIMA

Mpiompy trondro miisa 15 avy ao amin’ny « Baie d’Ambaro District d’Ambilobe » no tonga nitsidika ireo mpiompy trondro izay nofanina niaraka tamin’ny Projet PATIMA taty amin’ny Faritra Boeny. Fitsidihana nentina indrindra ifampizarana traikefa mahakasika ny fiompiana trondro izay niarahan’izy ireo nanatanteraka tamin’ireo mpiara- miasa eo anivon’ny 𝐈𝐬𝐚 𝐀𝐠𝐫𝐢𝐛𝐮𝐬𝐢𝐧𝐞𝐬𝐬. Fitsidihana notohanan’ny 𝐖𝐖𝐅. Hita sy tsapa fa tena afa-po tokoa ireto mpiompy ireto rehefa nanatanteraka ny fitsidihana satria nahita mivantana lafiny fiompiana maro ahafahan’izy ireo manatsara ny velontena fiompiana #LAOKA, izay efa nirosoan’izy ireo. Nidina ifotony niaraka nanatanteraka ity fitsidihana ity moa ny solontena teo anivon’ny DRPEB Boeny sy ny Tale Mpanatanteraka ny CDA Mahajanga #MPEB #DRPEB #CDA_Mahajanga #isa_agribusiness #mpiompy #fitsidihana
Africana Hotel, Kampala, UgandaFivoriana faha-04n’ny Vaomiera manokana ho fanovana sy fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty Rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (AFRM)
Notanterahana nandritra ny 02 andro tao Kampala, Uganda, ny faha 28 sy 29 Jona 2025 ny fivoriana faha-04n’ny Vaomiera manokana ho fanovana sy fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty Rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina na « 4th Meeting of the Working Group of the African Fisheries Reform Mechanism » (AFRM). Narafitra nandritra ity fivoriana ity ireo volavolan-kevitra mirakitra ny drafitrasa iraisana « Policy Brief » ho fanatanterahana ny « Agenda 2063 » (CAADP) eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga . Hahazo tombotsoa amin’ireo « Policy Brief » voavolavola ireo i Madagasikara indrindra eo amin’ny fifaneraserana ara-barotra sy famokarana fitaovana sy « intrants » (toy ny sakafon-trondro) ary ny fiarovana mialoha ny toeram-piompiana (biosafety & biosecurity). Mbola hisy noho izany ny fotoana hanaparitahana ireo antontan-kevitra « Policy Brief » nivoaka ireo amin’ny fotoana maha-mety izany. Marihana fa ny AU-IBAR amin’ny alalan’ny tetikasa FISHGOV2 hatrany no nandamina sy niantsoroka izao hetsika izao. #MPEB #AU_IBAR #FISHGOV2 #AFRM #PolicyBrief #Agenda2063 #CAADP #Jono #ToekarenaManga #FampamokaranaAnatyRano
FLM Vohijanahary Kaominina : Antsirabe I Distrika : Antsirabe I Faritra Vakinankaratra
Akon’ny fampiofanana fiompiana trondro.
Tontosa ny faha 28 Jona 2025 teo tao amin’ny FLM Vohijanahary, Kaominina Antsirabe I, Distrikan’i Antsirabe I, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ny andiany faharoa tamin’ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro izay natolotra manokana ho an’ny Fileovana Marikofeno. Ity fampiofanana ity dia nifantoka tamin’ny teknika fanatavezana karpa sy tilapia atao an-tanimbary, anaty dobo ary ivelan’ny tany. Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fizarana fahalalana momba ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny sehatry ny fiompiana trondro mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara. Miisa 42 mianadahy ireo nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Naneho ny fankasitrahana lehibe ny mpandray anjara tamin’ireo mpampiofana sy ny mpikarakara ary azo antoka fa hampitombo ny vokatra sy ny kalitaon’ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra ity fampiofanana ity ary hitondra fampandrosoana ara-toekarena. Marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa mitohy eo amin’ny DRPEB Vakinankaratra sy ny FAFAFI SPAM izay mbola manohy ny ezaka fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. Ny fiaraha-miasa toy izao dia manana tanjona ny hampitaovana ireo mpamboly sy mpandraharaha eo an-toerana ary hahazoana vokatra maharitra sy mahasoa. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #FAFAI_SPAM #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Ibis Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa hampihenana sy hanafoanana tanteraka ny loto ara-plastika an-dranomasina
Mandray ny andiany faharoa amin’ny fivorian’ireo Firenena aty Afrika ao anatin’ny tetikasa « Glolitter Partneships » i Madagasikara, taorian’i Kenya, nanomboka androany faha 30 Jona hatramin’ny 04 Jolay 2025. Haharitra 05 andro ny fivoriana, ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Firenena voakasik’ity tetikasa ity dia i Togo, Gambie, Tanzanie, Soudan, Sénégal, Nigéria, Mozambique, Kenya, Cap Vert ary i Madagasikara mpampian-trano. Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ny « Agence Portuaire, Maritime et Fluvial » (APMF) no mitarika ary ny FAO sy OMI kosa no mpanohana sy mitondra ny traikefa mandritra izao atrikasa izao. Ny tanjona moa dia ny hampitombo ny fahafahan’ireo Firenena ireo amin’ny fankatoavana sy ny fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena mifandraika amin’ny fandotoana ara-plastika an-dranomasina avy amin’ireo asa eny an-dranomasina ka ny fitaterana sy ny jono an-dranomasina no tena voakasika amin’izany (SBMPL), eo ihany koa ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny fisorohana ny fandotoana ny sambo na ny « MARPOL Annex V » sy ny « Protocole de Londres » ary ny toromarika an-tsitrapo novolavolain’ny FAO mahakasika ny fametrahana marika ireo fitaovana fanjonoana (VGMFG). Tsara ny mampahafantatra antsika fa mahatratra 640 000T isan-taona ny harato plastika very tavela any an-dranomasina eran-tany araka ny fanadihadiana natao ka ny hampihena sy hanafoana izany tanteraka no tanjona satria dia hita fa manimba zavatra maro izany ary manimba ny tontolo iainana sy mamono ireo hazandrano lehibe. Marihana fa anisan’ny mandray anjara feno amin’izao hetsika izao ihany koa ireo mpisehatra nasionaly toy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ny avy ao amin’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), ny avy ao amin’ny Fitanterana sy ny Famatarana ny Toetrandro (MTM), ny ONE, ny CFIM, CNRE ary ny sehatra tsy miankina mba hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina. #MPEB #MEDD #MESUPRES #APMF #MTM #GlolitterPartneships #IMO #FAO #ONE #CFIM #CNRE #SBMPL #MARPOLAnnexV #ProtocoleDeLondres #VGMFG #Fako_Plastika #Plastique
Djangoa, CR DJANGOA , Distrikan’ Ambanja, Faritra DIANA
Fanjohiana ny »KOPERATIVA KOMAMIDJA ».
Ho fanjohiana ny asan’ny Koperativa Komamidja izay miasa ao amin’ny COMPLEXE DE PECHE ao amin’ny Distrikan’Ambanja dia nidina ifotony tao an-toerana ny ekipan’ny CIRPEB ny 28 Jona 2025 lasa teo. Hita tamin’izany fa mizotra araky n’y tokony ho izy ny fomba fiasan’izy ireo nandritra izay volana vitsivitsy niasany izay. Marihina efa nahazo » groupe » lehibe iray 50 KVA izay mitentina 30 000 000 Ar ho fitsinjovana sahady ny mety ho tsy fampian’angovo azo avy amin’ny herin MASOANDRO mandritry ny fotam – pahavaratra . #MPEB #DRPEB #DIANA
Speke resort, Munyonyo, Entebbe, Uganda
« World Aquaculture Safari 2025 & Afraq 2025 »
Tanterahana ao Uganda ny faha 24 hatramin’ny 27 Jona 2025 izao ny fikaonan-doha sy fampirantiana iraisam-pirenena mahakasika ny Fampamokarana Anaty Rano mitondra ny lohahevitra: « Aquaculture on the rise ». Nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 25 Jona 2025, Rtoa Filoha lefitry ny Repoblika Multipartite d’Ouganda. Tanjona amin’izao fikaonan-doha izao ny: Fikatsahana ireo teknika vaovao azo ampiharina eo amin ny sehatry ny fampamokarana ny atirano, Fifampizarana ireo fampiharana tsara (Bonne pratique) eo amin’ny samy Firenena Afrikanina, Fifampiresahana ho fanamafisana ny fiaraha-miombona antoka amin ny sehatry ny fampamokarana ny atirano, Ankoatra ireo dia ezahana mandritra izao fihaonam-be iraisam-pirenena izao ny fampahafantarana sy fanapariahana bebe kokoa ilay « Torolalana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny Fampamokarana ny atirano » (Guide d’investissement en Aquaculture) eto Madagasikara, hisintomana sy hanomezana toky ireo rehetra maniry hampiasa vola aty Madagasikara ho fampivoarana hatrany ny Fampamokarana anaty rano sy ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mandrafitra ny delegasiona Malagasy mandritra izao hetsika izao Rtoa Talen’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana anaty rano (GIZ) sy Rtoa Talem-paritry ny Jono sy Toekarena Manga Vakinankaratra (AUDA-NEPAD/ AU-IBAR) amin’ny anaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary Atoa Pierre Michel RALAIVELO (Vétérinaire aquatique) misolotena ny Fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny Biby (DSV) eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana izay nahazo fanasana manokana avy amin’ny AU-IBAR ihany koa (side event), hotronin’ ireo solotena avy amin’ny mpiara-miombona antoka isan-karazany toy ny APDRA sy ny GIZ. Samy miezaka mandray anjara mavitrika amin’ireo fivoriana sy fampirantiana mifandraika amin’ny sehatra misy azy avy moa ny delegasiona tsirairay mba hikatsahana hatrany ny tombotsoa ambonin’i Madagasikara sy ho fampivoarana haingana ity sehatry ny Fampamokarana anaty rano ity. Marihana fa ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa FISHGOV2 sy ny Fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny GIZ no manohana izao hetsika izao. #MPEB #MINAE #AU_IBAR #FISHGOV2 #AUDA_NEPAD #APDRA #GIZ #FampamokaranaAnatyRano #Aquaculture
Fkt Ampapamena
Fakan-kevitra niarahana tamin’ireo Mpanjono
Tontosa ny Talata faha 24 Jona 2024 lasa teo tao amin’ny efitrano fivoriana ao amin’ny Birao Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, Distrikan’Ambanja, ny fihaonana voalohany nandraisan’ireo mpanjono ao anatin’ny Fikambanana Tantsaha ao amin’ny Fkt Ampapamena anjara. Ity fakan-kevitra ity izay natrehan’ny (CirPEB) Ambanja sy ny Ben’ny Tanàna dia nifantoka tamin’ny fampiasana ny “Kakazo” na « Dispositif de Concentration des Poissons (DCP) » fitaovana fampiasain’ny mpanjono hanatsarana ny vokatra amin’ny jono sady mitandro ny tontolo iainana izay mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary (TGRN) sy ny harena an-dranomasina (TGRH). Tapaka nandritra ny fihaonana fa ilaina ny manohy ny fifampiresahana mba hiantohana ny fandraisana anjara feno avy amin’ny mponina sy ny sojabe eo an-toerana. Noho izany dia hitohyny Talata 01 Jolay 2025 ao amin’ny FKT Ampapamena, Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, ny fihaonana faharoa ary ny fihaonana fahatelo kosa dia hatao ny Talata faha 08 Jolay 2025 ao amin’ny Fkt Ankinihy, izay mbola ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra ihany koa. Marihina fa naneho ny fahavononany tanteraka ny mpanjono ao amin’ny Fkt Ampapamena ny amin’ny fanajana ny fitsipika napetraka ho fiarovana ny tontolo iainana, na ety an-tanety (TGRN) na eo amin’ny ranomasina (TGRH), hitandrina eo amin’ny fomba fiasa izay manaja ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Hahafahana ihany koa hiantoka ny faharetan’ny jono ho an’ireo taranaka. #MPEB #DRPEB_DIANA
Mahajanga
Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny DRPEB Boeny sy ny ONG Impact Madagascar.
Tontosa ny faha 25 Jona 2025 tao amin’ny Birao DRPEB Boeny tao Mahajanga, Faritra Boeny, ny lanonana fanasoniavana ny fifanaraham-piara-miasa ho eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny sy ny ONG Impact Madagascar. Ity fiaraha-miasa ity dia hikendry ny hampandroso ny sehatry ny jono sy ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina ao amin’ny faritra Boeny. Mifototra amin’ny teboka roa lehibe izy ity dia ny Fanatsarana ny hay tondra amin’ny lafin’ny jono ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa, ny fampiofanana ireo mpanjono ary ny fiantohana ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina ary ny fametrahana faritra arovana vaovao Izay mikendry ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana. Ny faritra voakasik’ity fifanarahana ity kosa dia ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mariarano ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II sy ny Kaominina Ambanivohitra Ankirihitra ao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny. Marihina fa haharitra dimy (5) taona ny fifanarahana izay fotoana azo heverina ampy hanaovana asa mivaingana sy hahazoana vokatra azo tsapain-tananq ho an’ireo vahoaka eny ifotony. #MPEB #DRPEB_Boeny #ONG_Impact_Madagascar
Fokontany Mangarivotra, CU Ikongo, Distrikan’ IKONGO
Fiotazana Vokatra fiompiana trondro!
Mpikambana avy amin’ny Fikambanana FIMPITI ao Mangarivotra Ikongo no nioty ny Vokatra ny fiompiana trondro Tilapia ny 24 sy 25 Jona 2025 lasa teo. Nahazo tohana zana-trondro avy tamin’ny FDA ity fikambanana ity, ary efa nisitraka fampiofanana momba ny teknika fanatavezana trondro avy amin’ny teknisianin’ny DRPEB 7V. Enim-bolana aty aoriana, dia dobo roa no niotazana vokatra 180 kg izay namidy *20.000Ar ny kilao ary lany avokoa izany. Faly ary velopisaorana ireo tantsaha tamin’ny tohana azony. Efa miditra sahady amin’ny taom-pamokarana manaraka izy ireo ankehitriny ka dobo efatra no efa nampidirana zana-trondro izay tombanana hiakatra ny volana Desambra. Mangataka hatrany ny fanamafisana ny tohana izy ireo indrindra amin’ny sakafon-trondro ka iantsoana ny mpiaramiombon’antoka ho fanohanana ity asa fiompiana trondro ity. #MPEB #DRPEB #7V