Faritra Vakinankaratra
Fampiroboroboana ny Asa Manga amin’ny alalan’ny Famokarana anaty rano

Mitohy hatrany ny fampiofanana fiompiana trondro tanterahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manerana ny Faritra eto Madagasikara. Kaominina maromaro tao amin’ny Faritra Vakinankaratra indray no nisitraka izany nanomboka ny faha 19 hatramin’ny 24 Jona 2025 niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra sy ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano avy eo anivon’ny Ministera. Ny faha 19 Jona 2025 dia tao amin’ny Tranon’Atoa Samson, Kaominina Mandoto, Distrikan’i Mandoto no nanatanterahana izany ka mpiofana miisa 37 mianadahy no nisitraka ireo teknika fototra mahakasika ny fiompiana trondro sy ireo tsara ho fantatra manodidina izany. Nisy ihany koa ireo fanontaniana sy valiny ho fifanakalozana traikefa sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiompy trondro. Ny faha 20 Jona 2025 kosa dia tao amin’ny CFP Ankazomiriotra, Distrikan’i Mandoto hatrany no nanatanterahana ny fampiofanana mahakasika ny fanomanana dobo, fisafidianana karazana trondro sy fanomezana sakafo ary ny fanaraha-maso ny fitomboan’ny trondro, nahitana mpiofana miisa 37 nisitraka, izay samy mpianatry ny CFP avokoa. Ny tanjona dia ny hampitomboana ny fahaiza-manao sy hanohanana ny fivelomana ho an’ireo mpiompy trondro, nanentanana ny tanora ary fampahafantarana ny sehatra Toekarena Manga. Notolorana ny tetiandro mahakasika ny fiompiana trondro izy ireo mba ahafahany manoro ireo Ray aman-dreniny izay tsy afaka nanatrika. Nitohy hatrany ny hetsika ka tao amin’ny « Station piscicole étatique » Morarano, Distrikan’Ambatolampy indray no nanatanterahana ny fampiofanana izay nifantoka tamin’ny teknika maoderina momba ny pitsopitsony mahakasika ny fiompiana trondro karpa sy tilapia sy ireo tsara ho fantatra rehetra manodidina ny fiompiana trondro ary ireo lalàna mifehy ny seha-pihariana, ny faha 21 Jona 2025. Niisa 18 ireo tonga nanatrika izay marihana fa ireo mpanatavy trondro sy mpanjifa ireo zanatrondro vokarin’ity « Station piscicole étatique » ity no ankamaroan’ireo nisitraka izao fampiofanana izao. Fiaraha-miasa teo amin’ny DRPEB Vakinankaratra sy ny FAFAFI SPAM tao amin’ny FLM Andranomanelatra, Kaominina Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II, kosa no namaranana ity fampiofanana niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra sy ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano avy eo anivon’ny Ministera nanatontosa ity ny faha 24 Jona 2025. Nifantoka indrindra tamin’ny teknika fanatavezana karpa sy tilapia anaty dobo sy ivelan’ny tany ary ireo lalàna mifehy ny seha-pihariana no lohahevitra niompanana tamin’ity fiofanana ity. Niisa 71 ireo tonga nanatrika izany ka ny ankamaroany dia vao manomboka amin’ity sehatra ity avokoa. Nisy moa ny fidinana ifotony sy fanitsiana mba hanatsarana ny taha-pamokarana. Nisaotra noho ireo ezaka rehetra nataon’ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tarihan’Atoa Ministra hatrizay ireo mpisitraka. #MPEB #DRPEBVakinankaratra #DA #FiharianaAnatyRano #Fampiofanana #FiompianaTrondro #CFP #FAFAFI_SPAM

Hotel Pullman, Nairobi, Kenya
Atrikasa momba ny Famatsiam-bola ho an’ny Jono eo anivon’ny Fikambanana Manerantany ho an’ny Varotra

Hotel Pullman, Nairobi, Kenya : Atrikasa momba ny Famatsiam-bola ho an’ny Jono eo anivon’ny Fikambanana Manerantany ho an’ny Varotra na ny « Organisation Mondiale du Commerce » (OMC) ho an’ny tany Afrikana sasantsasany ny 24 – 27 Jona 2025. Ny Fifanarahana momba ny Famatsiambola ho an’ny Jono na ny « Accord sur les Subventions à la Pêche » (ASP) dia isan’ny fifanarahana voalohany eo anivon’ny OMC izay mifantoka amin’ny tontolo iainana ary manamarika dingana lehibe amin’ny firosoana amin’ny fitrandrahana maharitra ny ranomasina amin’ny alalan’ny fanafoanana ireo famatsiambola mety hiteraka fanimbana eo amin’ny jono ka hiteraka fihenan’ny tahiry. Natao indrindra ity atrikasa ity mba hitondrana fanazavana bebe kokoa mahakasika ny AFS ka hanamora ny fanarahana ireo dingana arahina amin’ny fankatoavana azy ho an’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny OMC ka tsy mbola nahatontosa izany. Firenena Afrikana miisa 22 no nasaina handray anjara amin’ity atrikasa ka anisan’izany i Madagasikara, bahitana solotena 02 avy amin’ny MPEB ary 01 avy amin’ny MIC. Tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity atrikasa ity ny avy amin’ny OMC sy ny « Afrieximbank » na ny « Bank Export Import » #MPEB

faritra Atsimo Andrefana
𝐅𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐙𝐀𝐍𝐀𝐃𝐑𝐈𝐀𝐊𝐄

Mitohy hatrany ny ezaka ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ka arka’izany dia nisy ny fampitaovana ho an’ireo mpanjono izay mivondrona ao anatin’ny Fikambanana ZANADRIAKE ny faha 24 Jona 2025 teo, tao amin’ny Fokontany Ambohitsabo, Kaominina Ambonivohitra Toliara . Ity hetsika ity dia natao hanohanana sy hanatsarana ny fahafahan’ny mpanjono mampitombo ny vokatra sy sy hampandrosoana ny asa fiveloman’izy ireo .Ireto avy ireo fitaovana natolotra tamin’izany : Harato multifilaments, miisa 50 ; Tady (corde) laharana 6, miisa 75 ; Tady (corde) laharana 4 miisa 75 ary Plombs, 100 kg. Ny Fikambanana ZANADRIAKE dia manohy ny adidy hanatsarana ny fari-piainan’ny mpanjono ao amin’ny faritra Toliara, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ilaina sy ny fanohanana ara-teknika. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #ZANADRIAKE #Mpanjono_madinika #Asa_Manga

AMBOSITRA, Faritra Amoron’i Mania
Fivoriambe fanao isan-taona ny Vondrona FIFATAM na ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha Amoron’i Mania

Notanterahina ny 24 Jona 2025 ny fivoriambe fanao isan-taona ny Vondrona FIFATAM na ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha Amoron’i Mania. Ny lahadinika tamin’izany ny jery todika ny ho fanatsarana ny ho avy de teo iany koa ny fandrafetana ny drafitra ho entina miasa indray. Nisy ihany koa ny fifidianana ny mambra ny filankevim-pitantanana eo amin’ny Faritra Amoron’i Mania izay misy isaky ny Distrika 4 dia Ambositra, Fandriana, Manandriana ary Ambatofinandrahana. Ny FIFATAM moa dia ivondronan’ny tantsaha mpamokatra izay misehatra amin’ny seha-pihariana Fambolena, Fiompiana ary ny Jono ary efa misy mpikambana maro dia maro. Ny solotenam-panjakana izay notarihany SG ny Faritra moa dia namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ka anisan’izany ny DRPEB Amoron’i Mania. #MPEB #DRPEB #AMM #FIFATAM

Kaominina Ambanivohitra Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II Faritra Boeny
Fakan-kevitra momba ny fananganana Faritra Arovana Vaovao (NAP) an-tanety sy an-dranomasina

Ho fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra izay hiarovana ny harena voajanahary ho an’ny taranaka ho avy dia notanterahina nandritra ny dimy andro ny 18 ka hatramin’ny 22 Jona 2025 teo tao amin’ny Fokontany Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny ny fakan-kevitra lehibe mahakasika ireo dingana hananganana ireo Faritra Arovana Vaovao na “NAP” an-tanety sy an-dranomasina. Nandritra ny fakan-kevitra, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny VOI (Vondrona Olona Ifotony) dia niara-nandray anjara tamin’ny fifampiresahana lalina mba handrafetana ny tetikasa ka lafin-javatra roa lehibe notapahina dia ny : Fiarahana nanamafy ny fananganana ny NAP Nisy ny fifanarahana feno teo amin’ireo mpandray anjara rehetra momba ny filàna sy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana faritra arovana vaovao izay ho fampiroboroboana ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena. Famaritana ny “noyau dur” sy ny fetra ivelan’ny NAP izay mikendry indrindra ny famaritana mazava ny faritra afovoany na “noyau dur,” izay ho faritra tena voaaro tanteraka sy ny faritra ivelany izay hamaritra ny fetra ankapoben’ny NAP. Nandraisan’anjara tamin’ity hetsika ity ireo solontenan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana, ka anisan’izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II ,ny Ben’ny tanana ao amin’ny Kaominina Mariarano , ny Solontena avy amin’ny DREDD (Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable) ary ny Solontena avy amin’ny DRPEB Boeny. Marihina fa ny fikambanana “ Impact Madagascar “ no nanohana ity hetsika ity. #MPEB #DRPEB_Boeny #DREDD #NAP # Impact_Madagascar

Fokontany Andriamasoandro Distrika Betafo,Faritra Vakinankaratra
Tsenabe ho fampivoarana ny Fikambanan’ny mpiompy trondro

Notanterahina tao Fokontany Andriamasoandro, Distrika Betafo,Faritra Vakinankaratra ny 21 Jona 2025 ny Tsenabe ho fampivoarana ny Fikambanan’ny mpiompy trondro FIFAZAN taorian’ny efa-bolana niorenany. Nandritra izany dia nisy kabary nifandimbiasana niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nampirantiana nandritra izany ihany koa ireo zava-bita toy ny fiakaran’ny taham-pamokarana zanatrondro sy trondro matavy. Narahina atrikasa niarahana tamin’ireo Fikambanan’ny Mpiompy trondro ny fotoana izay namahana ny olana amin’ny fantsona fizaràn-drano ho an’ sasany. Ny fanitarana ny fotoana fanatodizan’ny trondro (fanandramana miaraka amin’ny tetikasa DINAAMICC/CIRAD/APDRA). Nisy ihany koa ny itsidihana ny dobo fitehirizana ireo renitrondro sy fanentanana ary fizarana ny karatra maha mpiompy trondro (miisa 10). #MPEB #DRPEB #Vakinankaratra

Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Andranoboka; Distrika Mahajanga II , Faritra Boeny
Fidinana ifotony nakana ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny vokatra an-dranomasina

Tontosa ny 18 ka hatramin’ny 21 Jona 2025 teo tao amin’ny secteur Morahariva, Ambalatany, Amboanio, ary Antsaregy, ao amin’ny Kaominina Amboanary sy Andranoboka, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny ny fidinana ifotony izay nikendry ny hanangona ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny ny vokatra an-dranomasina. Teboka roa lehibe no nisongadina nandritran’ny fitsidihana isan’izany ny fanohanana ara-pitaovana izay ilaina amin’ny asa mba hampitomboana ny vokatra sy hanamora ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay nambaran’izy ireo ihany ny maha zava-dehibe ny fampiofanana mba hanatsarana ny fahaizana ara-teknika, ny fitantanana ny vokatra ary ny fivarotana mba hahazoana tombony betsaka kokoa. Ny fikambanana RENAFEP Madagascar no hanohana ireo vehivavy ireo amin’ny fananganana sy fanamafisana ny fikambanana mpanao asa tanana, ankoatra ny fanomezana fampiofanana isan-karazany mifanaraka amin’ny filan’izy ireo. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ekipa avy amin’ny DRPEB Boeny sy ny RENAFEP Madagascar ary ny FAO izay hitondra ny tan-tsoroka lehibe amin’ny famatsiam-bola sy ny fanohanana ara-teknika mba hahazoana antoka fa tanteraka tsara ireo tetikasa napetraka. Tamin’io fotoana io ihany koa dia nisy ny fitsidihana ara-pomba natao tamin’ireo Ben’ny Tanàna ao amin’ny faritra voakasika mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanamora izany. #MPEB #DRPEB_BOENY #FAO #RENAFEP_Madagascar

Ambinanibe, Taolagnaro, Faritra ANOSY
Fanolorana fitaovam-panjonoana iarahana amin’ny Orinasa QMM

Toy ny Orinasa rehetra izay manatanteraka ny « Responsabilité Sociétale de l’Entreprise » (RSE), ny Orinasa QMM, miara-miasa amin’ny Fitondram-panjakana dia nanatanteraka fizarana fitaovam-panjonoana ahitana lakana vita amin’ny fibre de verre miisa 10, « moteurs hors bord » miisa 20, harato ZZ miisa 100, « palangres » miisa 300, « glacières » miisa 300 ary salotra vonjy aina miisa 1.000. Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Rtoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro, Rtoa Tale Jeneralin’ny Orinasa QMM notronin’ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry avy ao amin’ny Faritra. #RSE_Peche_QMM #Pirogue_Fibre_verre #Moteurs_hors_bord #Filets_ZZ_glacieres_Palangres #MPEB_Madagasikara

AMBOVOMBE , FARITRA ANDROY
Nanatrika ireo lanonana Telo lehibe izay Notanterahina tao Ambovombe Androy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra A/toa MAHATANTE Paubert

Tonga Nanatrika ireo lanonana Telo lehibe izay Notanterahina tao Ambovombe Androy Ny 20 Jona 2025 Teo ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra A/toa MAHATANTE Paubert. Anisan’izany ny Lanonana ara-miaramila natrehin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimaria, izay nanatanterahana ny Famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandy ny vondro-tobim-paritry ny zandarimaria eto Androy Taloha sy ny vaovao. Fametrahana samboady ireo ben’ny Tanana miisa 57 ato anatin’ny Distrika 05, Faritra Androy Ary ny Fiarahabana sy fanolorana ireo mpitsabo sinoa vaovao miisa 07 hiasa mandritra ny roa taona eto Ambovombe Androy. #MPEB #FARITRA_ANDROY #COACH_ANDROY

Faritra SAVA
Fivoarina niarahana tamin’ireo mpiompy trondro sy mpanjono.

Ho fanamafisana ny fanentanana amin’ny hitantanana maharitra ireo harena an-dranomamy dia nisy ny fivoariana niarahan’ny DRPEB SAVA tamin’ireo ny solontenan’ireo mpiompy trondro ( cages flottantes), ny mpitarika ireo fikambanan’ny mpanjono an-dranomamy any an-toerana ny 19 Jona 2025. Tapaka nandritra izany fivoarina izany fa maro ireo asa ho tanterahina toy ny: -fanentanana any amin’ireo Radio sy manerana ireo tananan’ny mpanjono amin’ny tsy hampiasana ireo fitaovana tsy manara-dalàna(lay, ramikaoko, fankamamo laoko…), – fitsirihana any amin’ny toerana fanjonoana. – ny fampiofanana ny fiompiana trondro. #MPEB #DRPEB #SAVA