Kaominina Ambanivohitra Ifanirea, Distrika Ikongo, Faritra Fitovinagny
hetsika fampiofanana fiompiana trondro.
Tontosa ny 19 Jona 2025 tao amin’ny Tranom-pokonolona Ifanirea, Distrika Ikongo ny fampiofanana fiompiana trondro tilapia sy karpa. Niompana tamin’ny fiompiana an-dobo sy an-tanimbary ny fampianarana satria ireo no hita fa tena mety any an-toerana. Olona miisa 107 no nisitraka ny fiofanana izay avy amin’ny Kaomina telo dia Ifanirea, Ikalafotsy ary Tanakamba. Marihina fa efa manana dobo ny sasantsasany amin’ireo saingy tsy mbola misy zana-trondro tsara kalitao ary mbola tsy voafehy ny teknika. Ny tapany tolakandro dia nisy fidinana ifotony nijerena ireo dobo vitsivitsy nanaovana fampiharana. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny Ben’ny Tanàna ao Ifanirea, ny assistant parlementaire ny Solombavambahoaka Ikongo ary ireo Lehibe ny Fokontany. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Fampamokarana_ny_Atirano
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 avy amin’ny Tetikasa MIONJO
Notoloran’ny Tetikasa MIONJO fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 miaraka amin’ireo kojakoja miaraka aminy androany faha 19 Jona 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga vokatry ny fiaraha-miasa misy eo anivon’ny roa tonta. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny andron’ny Tetikasa SwioFish 2 no nisitraka fiara vaovao farany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay nanova tanteraka ny fomba fiasan’ny Ministera manerana an’i Madagasikara indrindra teo amin’ny lafiny fidinana ifotony bebe koa satria dia efa samy manana fiara avokoa ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy ankehitriny. Ireto fiara ireto dia natao hiasana hanatanterahana ny asa mifandraika amin’ny Tetikasa MIONJO indrindra any amin’ny tapany Atsimo no afaka ampiasana amin’ny Faritra hafa ihany koa, hanamafy izay fidinana ifotony, fomba fiasan’ny Ministera izay satria dia efa fantantsika fa betsaka ireo toerana saro-dalana ankehitriny. Marihana moa fa ny Tetikasa MIONJO dia miasa amin’ny Faritra 03 any amin’ny tapany Atsimon’i Nosy iny dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola tsy averina. Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary efa maro ireo asa sy fanampiana azon’ny Ministera tamin’ity Tetikasa ity ankoatra ireto fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 ireto dia efa nisy ny : Fanolorana trano fitehirizana mitazona hatsiaka sy famokarana ranomandry, Fanampiana tamin’ny fanantaterahana ny « Mitao Forecast », 150 takelaka fampahafantarana ny mety ho toetry ny andro, telo andro mialoha, Fanolorana fitaovana maro samihafa sy kodiaran-droa (motos) miisa 06, Fanolorana 157 vata mangatsiaka (glacière) sy harato fanjonoana ary salotra vonjy aina (gillet de sauvetage) miisa 128, Fanolorana « tracteur » iray miampy « remorque isotherme » ho famoahana ny vokatra voajono. Fanolorana 11 « fumoirs » hoan’ny fikambanana Maroalomaity, Fitsidihana arahana fifanakalozana hoan’ireo mpanjono miisa 100 nisitraka tao Androy, 987/1300 « Groupes d’entraide » (GE) sy 413/660 « Groupes de moyens de subsistance » (GMS) ka ny 40% dia tantanin’ny vehivavy ary ny 5% tantanin’ny tanora eo an-toerana miampy fanampiana, 120 fikambanan’ny mpanjono. #MPEB #MIONJO #Fanolorana #Fiara_Tsy_Mataho_dalana #4×4
Ankorombe, Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Fanamboarana dobo manara-penitra.
École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra, Faritra Amoron’i Mania: Fanamboarana dobo manara-penitra. Miroso araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny dobo manara-penitra hiompiana trondro ao amin’ny École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra. Tonga nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Amoron’i Mania sady nanome ireo toromarika teknika. Marihina fa tonga teny ihany koa ny injeniera avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana Amoron’i Mania (DREAH AMM) nifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fotrodrafitr’asa sy ny fomba hanamorana ny famatsiana rano ireo dobo ireo. #MPEB #DRPEB #AMM
Farihilava, Fkt Tanandava, Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania
Fitsidihana ifotony
Nidina ifotony tao Farihilava, Fkt Tanandava, Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania, ny faha 13 Jona 2025. Zava-dehibe no noresahana nandritra ny fihaonana dia ny : Fanazavana mahakasika ny tokony hananan’ny mpiompy trondro ny karatra maha mpiompy trondro azy ireo, Karinem-pivarotana trondro, Fizarana sy fanazavana mahakasika ny tetiandrom-pamokarana trondro nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro, Fizarana ireo peta-drindrina mahakasika ireo sazy amin’ny halatra sy fisomparana ny fiompiana trondro izay anisan’ny mampiraviravy tanana ireo tantsaha misehatra amin’izany. Resy lahatra moa ny rehetra taorian’ny firesahana ary vonona hifanome tanana mikasika ny ady amin’ny halatra trondro ary samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy avy. Vonona ny hiezaka hampiakatra ny vokatra vokariny ihany koa ireo mpikambana rehefa avy nanao fidinana ifotony ny toeram-piompiana ny filohan’ny fikambanana. Marihana fa miisa 25 ireo tonga niatrika izany, nahitana ny Lefitry ny Ben’ny Tanana niaraka tamin’ireo sefo-pokontany miisa 05 mifanolo-bodirindrina dia Tanandava, Anananotra, Vodihena, Vohidrafito ary Farihilalina. Teo ihany koa ny solontenan’ny Fikambanana TARATRY NY HO AVY, notarihan’ Atoa RAFANOMEZANTSOA Jean Léonard. Fikambanana niorina tamin’ny taona 2019 nahitana mpikambana 6 tany am-piandohana ary ankehitriny dia miisa 50. #MPEB #DRPEBAmoronIMania #FiompianaTrondro #TaratryNyHoAvy
Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Tsenabe « TANTSAHA MIAVOTRA »
Notanterahina ny faha 16 Jona 2025 tao amin’ny kaominina Tsarasaotra Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania ny tsenabe « TANTSAHA MIAVOTRA » izay nokarakarain’ny Vovonan’ny Mpiompy Trondro sy ny Tranoben’ny Tantsaha Kaominaly, Tsenabe izay nahitana ireo vokatry ny seham-pihariana rehetra amin’ny fambolena sy fiompiana ary indrindra ireo trondro matavy. Tantsaha efa mivondrona ao anatina fikambanana avokoa ireo nandray anjara. Nahitana trano heva miisa 12, izay avy amin’ny Fokontany eo anivon’ny kaominina. Nandray anjara tamin’izany ny #DRPEB_Amoron_i_Mania niaraka tamin’ny #APDRA, ny Vovonan’ny mpiompy trondro Rejionaly #VMR, ny Vovonan’ny mpiompy trondro kaominaly #VMK Tsarasaotra ary ireo mpianatra avy ao amin’ny « College Agricol » avy ao amin’ny #FERT_FIFATA. Fahombiazana tanteraka ity tsenabe ity ho an’ny seha-pihariana fiompiana trondro. #MPEB
Farihy Anony, Kaominina Tanandava, Distrikan’Amboasary Atsimo Faritra Anôsy
Fanamarihana ny Andro Manerantany ho an’ny Ranomasimbe taona 2025 na ny Journée Mondiale de l’Océan (JMO)
Notanterahina ny 15 Jona 2025 tao amin’ny Fariny Anony ny fankalazana ny JMO ao amin’ny Faritra Anosy. Hetsika maro no notanterahina nandritra ity fankalazana ity ka isan’izany ny famelabelarana ny mahazavadehibe ny Ranomasina, narahana fanentanana ho amin’ny fiarovana azy, fifaninanana hazakazana an-dakana, fifaninana lomano amin’ny alalan’ny fisamboarana ganagana, fanandraman-tsiro ilay trondro malaza atao hoe « angera » na Pristipoma operculare izay mampiavana ity Lac Anony ity noho izy tsy fahita amin’ny toerana hafa ary nofaranana tamin’ny fitsidihana ny torapasika “Dobay” eo amin’ny Vinany Lac Anosy izay anisan’ny kanto dia kanto tokoa. Nifanindran-dalana tamin’ny fanatanerahana ny « Festival Caméléon » izay notanterahina nandritra telo andro aty amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo ny fankalazana. Tonga niara-nanamarika sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny Solombavam-bahoaka mirahalahy izay voafidy tato amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, Atoa RAKOTONIRINA Richard Joseph sy ANDRIAMAMONJY Olivier, ny Governoran’ny Faritra Anosy, Rtoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, ny Tale Jeneraly misahana ny tontolo iainana #MEDD, ny Talem-paritra rehetra izay nahitana ihany koa ny #DRPEB_Androy, ny mpiaramiombonantoka maro samihafa toy ny Tetikasa #PIC, ny #ONG_Caméléon, ny Yas Madagascar, ireo fikambanana tanora, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny Olobe an-tanàna. Afapo ny rehetra ary mampita ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho an’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’izao hetsika notanterahina izao. #MPEB
Farihy Andranobe Atsinanana, Fokontany Ambohitsokina, Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
« PETITE PECHE RESPONSABLE »
Ho fanohizana hatrany ny ezaka dia notolorana fitaovana manaraka ny fenitra ara-teknika toy ny « Filet » 516 isa, « montage » 860 isa, « plomb » 51,6kg, ireo mpanjono mpikambana ao amin’ny #VOI_TAMIA, miisa 172 ny 14 Jona 2025. Ampahany amin’ireo tohana atolotry ny #tetikasa_TANY_MEVA ho azy ireo izao mba ho fikojakojana hatrany ny Farihy Andranobe Atsinanana sy ireo sahan-driaka manodidina azy ho fiatrehana ny Fiovaovan’ny toetrandro. Nampahatsiahivina fa mandray anjara betsaka amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana « bonne gouvernance » sy ny fanajana ny lalana mifehy ity sehatry ny Jono ity ny VOI TAMIA ka midera sy matoky azy ireo ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga. Ankasitrahana hatrany ihany koa ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra
Hôtel Tombotsoa Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony
Atrikasa iraisam-paritra ho fakan- kevitra momba ny famatsiam- bola iatrehana ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro
Notanterahina ny faha 13 Jona 2025, ny atrikasa iraisam-paritra ho fakan- kevitra momba ny famatsiam- bola iatrehana ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Samy nanohana ny heviny eo amin’ny sehampihariany avy ny rehetra ka anisan’izany ny FItaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony ny amin’ireo asa laharampahamehana ho fampiroboroboana atrany ny fihariany anaty rano sy ny Toekarena Manga aty amin’ny Faritra manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Aorian’izao dia hivoaka ny » Document Cadre » izay angatahana fankatoavana famatsiambola avy amin’ny FMI. Faritra Atsimo Andrefana, Ihorombe ary Matsiatra Ambony no niaraka nikaondo, ny #MEDD sy ny #MEF nanantanteraka ary ny #UNICEF no namatsy vola. #MPEB
Port Lympia, Nice, France
Fametrahana ny Global Task Force momba ny lomotra na ny algue
I Madagasikara sy Indonezia dia Firenena roa lehibe izay samy manao ny fampivoarana ny fambolena lomotra ho vaindohan-draharaha. 36,4 tapitrisa taonina ny vokatra maneran-tany. 30.000 taonina ny avy ao Madagasikara izay mitetina USD 04 tapitrisa ny vola azo avy amin’izany. Ny tanjona ankehitriny dia ny hampitombo izany ho 300.000 taonina isan-taona. Mpiantsehatra maro no manampy amin’ny fametrahana izany Vovonana maneran-tany izany. Ny Global Seaweed Coalition, ny FAO, ny UNIDO, ny IOC/UNESCO, ny UNCTAD, ireo sehatra tsy miankina maro dia mifandrimbona avokoa amintsika. Mbola olana atrehina hatreto ny resaka kalitaon’ny vokatra izay mbola tsy misy Fenitra mazava tsara arahana, ny resaka fikarohana momba ny fanodinana ny vokatra, ny resaka lalam-barotra tsaratsara kokoa… Nanambara Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Paubert MAHATANTE sy Atoa Minisitry ny Raharaham-bahiny lefitra Indonezianina fa fotoana izao ny hahafahantsika mametraka ity rafitra ity ary vonona ireo Firenena roa ireo hitarika ny rehetra. Nanao fanambarana ireo Firenena hafa toy Frantsa, Cape Vert, Tanzania sns fa hanatevim-boho ity rafitra ity. #Global_Task_Force_Seaweed #UNOC3_Nice_France #MPEB_Madagascar
𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑖𝑣𝑜ℎ𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑀𝑜𝑟𝑜𝑛𝑑𝑎𝑣𝑎
𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐎
Taorian’ny fivorian’ny komity marolafy ho an’ny farim-panjonoana C2 dia nisy avy hatrany ny fitsidihana sy fifanakalozan-kevitra notarihin’A/toa Fitaleavana ny Jono, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpanjono vaventy, ny talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika,ny DREDD ary ny solontenan’ny mpanjono avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Melaky ity hetsika ity dia natao hifanakalozan-kevitra sy hakana ny hetahetan’ny mpanjono ary hanaovana fanentanana samy hafa. Toerana telo ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava no nanaovana ny fitsidihana, dia ny Fkt Sans Fil, ny Fkt Nosy Kely ary ny Fkt Betania. Nizotra tsara amin’ny ankapobeny ny fifanakalozan-kevitra. Maro ny sosokevitra sy hetaheta naroson’ny mpanjono, indrindra mikasika ny fanatsarana ny fitaovana entin’izy ireo manjono izay avy amin’ireo orinasa mpanjono vaventy. Nisy ihany koa ny resaka momba ny vadin’asa ho an’ny mpanjono sy ny asa mety ho ataon’ny vadin’izy ireo, mba hahazoana fidiram-bola fanampiny. Ny tanjona lehibe dia ny hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sehatry ny jono, na ireo mpanjono vaventy na ireo mpanjono madinika ka arakan’ny tetiandro voafaritra dia hisy ny fampitaovana ho an’ny mpanjono madinika alohan’ity farana’ny taona 2025 ity. Ankoatran’izay dia tsy adino ny fanentanana ireo mpanjono mba hanajan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalana mifehy ny jono izay zava-dehibe amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina mba ho lovain-ny taranaka ho avy. Izao fifanakalozan-kevitra izao dia manamafy ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny mpanjono, ny orinasa ary ny Minisitera hiantohana ny fahombiazan’ny sehatry ny jono. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba