Ambanja, Faritra Diana
Fankalazan ny faha 20 taona nijoroan’ny ONG Blue Ventures teto Madagasikara
Notanterahina ny faha 30 May 2025, ny fankalazana izay natomboka tamin’ny « Carnaval » tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambanja ny fankalazana ny 20 taona nijoroan’ny #Blue_Ventures, tao Tsimipaika, Distrikan’ Ambanja, Faritra Diana. Nitohy tamin’ny kabary fifandimbiasam-pitenenana nataon’ny manampahefana ary Sefo Distrika sy fanolorana marim-pankasitrahana avy tamin’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny BV. Teo ihany koa ny fanolorana fitaovana maro karazana ho fanohanana ireo mpanentana aram-pahasalamana sy toby, ireo mpaka antontanisa, ny mpanodim-bokatra trondro asaly na « fumé »,ny fanolorana lakana misy « moteur » miisa 04 hoan’ny #TGRH, VOI Ambohimena ny TGRH Nosy Komba, sy ny TGRH Ambatozavavy ary ny fanofanana fanamboarana savony ho an’ny Vondron’ny Tanora. Tsy adino ny fitsidihana trano eva. Ny tapany hariva dia nisy ny hetsika fanentanana arahan’ny fizarana loka mifandray amin’ny fiarovana ny harena voajanahary toy fitantanana alahonko sy ny ranomasina. Isaorana ireo izay tonga nanotrona na ny avy eo amin’ny fitondram-panjakana, na ny avy eo amin’ny fikambanan’ny mpanjono sy ny vondrona tanora. #MPEB #DRPEB_Diana
ZEP AMPAMAHERANA , KAOMININA ALATSINAINY IALAMARINA, DISTRIKAN’NY LALANGINA FARITRA MATSIATRA AMBONY
Dobo miisa 67, mirefy 4 hektara
Mirefy 4 hektara ity ZEP eto Ampamaherana ity izay manana Dobo miisa 67. Ity izany no Anisan’ny ZEP lehibe eto Madagasikara. Vinavinaina arak’izany fa hamokatra zana-trondro manodidina 40 taonina hatramin’izay 80 taonina isan-taona ity toerana ity Ary manodidina 10 tapitrisa ka hatrany amin’ny 15 tapitra any ho any ny zana-trondro tokony hivoaka ao satria ireo toerana fampanatodizana sy famokarana trondro no tena betsaka amin’ireo Dobo. Malalaka ity toerana ity ka afaka mamatsy avy hatrany zana-trondro eto amin’ny Faritra matsiatra Ambony na any ivelan’ny Faritra na eo koa ireo trondro afaka hohanina avy hatrany. Tafapetraka soamatsara ity toeram-pamokarana zana-trondro ity Ary vita soamatsara ihany koa ny fanajariana ireo Dobo izay Efa tsy niasa an-taonany maro tao an-toerana izay ho ezahina ny hampandeha azy Aignana ao anatin’ny roa volana eo ho eo. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE #AMPAMAHERANA #FIANARANTSOA #HAUTE_MATSIATRA
FIANARANTSOA FARITRA MATSIATRA AMBONY
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO ,
Feno ny Fampianarana izay nomena an’ireo olona Liana amin’ny sehatry ny fiompiana trondro Tonga maro be nandritran’ny fampiofanana maimaimpoana izay nomen’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anio 30 Mai 2025 Teto amin’ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Fianarantsoa. Nomena avokoa ireo Karazam-piompiana trondro afaka ataon’izy ireo aorian’ny fampiofanana izay natao amin’ny fomba tsotra sy mazava ,ny tombotsoa azo na arak’asa na ara-pivelomana amin’ny ankapobeny. Hirariana arak’izany fa hitombo ny olona izay hiditra amin’ity sehampihariana mahavelona Sady mampidibola ity ho reharehan’ny Fianarantsoa Manontolo. #MpEB #FIANARANTSOA #MATSIATRA_AMBONY
ONIVERSITE ANDRAINJATO FIANARANTSOA , FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’A/TOA MINISITRA
Ny resaka #hay_tarika sy ny mahakasika ny tontolon’ny #Toekarena_Manga no nifampizarana niarahana tamin’ireo mpianatra maro Teto amin’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa androany. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nitarika izany izay nentiny nanamafisana ny Tombotsoa entin’ny Toekarena Manga na ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ny Madagasikara manontolo. Ankoatr’izay dia ny fampahafantarana ireo mpianatra ny atao hoe hay tarika ahafahan’izy ireo mandray an-tanana sy mamolavola sahady ny ho avin’izy ireo satria miankina amin’izy tenany ihany no hampandroso na tsia azy eo lafim-piainana rehetra. Tonga maro be ireo mpianatra Ary nomena sehatra manokana amin’ny alalan’ ny fametrahana fanontaniana izay manitikitika azy ireo. #MPEB #FIFAMPIZARANA #HAITARIKA #TOEKARENA_MANGA #FIANARANTSOA
FIANARANTSOA, FARITRA MATSIATRA AMBONY
HIARA-HIASA NY MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA SY NY ONIVERSITEN’ NY FIANARANTSOA
Mitohy eto Fianarantsoa ny fitsidihana entina hampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay hiarahana amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Betsaka ireo fanamby ho tratrarina hoy A/toa Minisitra ka Ilaina ny fifanomezan-tanana amin’ireo hery velona rehetra. Anisan’ny ho Hamafisina arak’izany ny fiaraha-miasan’ny Ministera sy ny Oniversiten’ ny Fianarantsoa amin’ny alalan’ny fijerena ireo toerana rehetra ahafahana miompy trondro ao an-toerana Ary mba ahafahana ihany koa mamantatra ny tena zava-misy amin’ny mahatonga ny olona sasany tsy Liana amin’izany. Ho hatsangana ihany koa ny ivontoeram-pikarohana sy fitiliana mahakasika ity sehatra iray ity ho fanohanana ireo mpianatra ho lasa mpandraharaha amin’ity sehatra ity ihany. Nohamafisiny fa Rehefa toerana misy rano dia afaka Hanaovana ny fiompiana trondro avokoa Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ONIVERSITE_FIANARANTSOA #FARITRA_MATSIATRA_AMBONY
Hôtel Le Vesseau, Cocody Abidjan, Côte d’Ivoire
Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Tanterahina ao Abidjan mandritra ny telo andro, ny faha 27 la hatramin’ny faaha 29 May 2025, ny « Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga. » Ankoatra ireo Firenena Afrikanina maro dia manatrika manokana ity Fikaonan-doha ity ihany koa ny FAO, ny AUC, ny AFRI-FISHNET, ny AWFISHNET, ny CDEAO sy ireo ORGP (ICCAT) ary ireo mpanamahay maro. Mandray anjara mavitrika mandritra izany i Madagascar amin’ny alalan’ny Rtoa #DRPEB_Vakinankaratra sy Point Focal ny Birao Iraisan’ny Afrika momba ny Biby sy Harena anaty rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) eto Madagascar. Nambara fa miisa 22 ankehitriny ireo fifanarahana nosoniavin’ny Madagasikara ary miroso amin’ny fanatanterahana izany isika ka isan’ireo nozaraina manokana ny momba ny fampiharana ny fifanarahana AMREP/PSMA sy ny dingana misy Antsika eo amin’ny fankatoavana ny hampiharana ny BBNJ. Notsiahivina ihany koa fa mifanitsy 76,75% amin’ny paikady Iraisan’ny Afrika (PFRS) ny paikady nasionaly ny Toekarena Manga momba ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty rano malagasy. Mahaliana ny Firenena maro hafa araka izany ny ezaka vita na eo aza ireo mety ho olana atrehina ary midera sy mankasitraka izany ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. #MPEB
KAOMININA ANDROY , DISTRIKAN’NY LALANGINA,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIOMPIANA TRONDRO : HAFAPO TAMIN’NY EZAKA SY NY VOKATRA AZO IREO MPAMATSY VOLA SY TETIKASA MIARA- MIASA AMIN’IREO MPIOMPY TRONDRO.
Mpiompy trondro avy ato amin’ny Kaominina ambanivohitry Androy , Distrikan’ny lalangina no nihaona mivantana tamin’ireo solotena avy amin’ny Tetikasa izay miara-miasa amin’izy ireo androany, niaraka tamin’ny solotenan’ny mpamatsy vola izay ahitana ny GIZ sy ny Masoivoho Allemagne (BMZ) . Izy ireo izay miara-miasa amin’ny Tetikasa ASAM ka ny APDRA no manatanteraka izany eny ifotony. Fifanakalozan-kevitra nijerena ny zava-misy eny ifotony ahafahana manana vokatra tsara. Anisan’izany ireo endriky ny asa rehetra eny an-toerana ,ny mahakasika ny fikambanan’ny mpiompy trondro, ireo vokatra azo sy ny tombony azo,ny karatra maha piompy trondro,ny sakafony sns…. Izy ireo izay manao ny #famokarana_zana_trondro, #fampanatodizana_trondro ary #fanatavezana_trondro ary efa mamatsy trondro sy mizara traikefa amin’ireo manodidinana ihany koa izy ireo. Hatreto dia fikambanana miisa 4 no misy ka miisa 60 izy ireo no ao anatiny . Tena mamokatra Ary mahafapo Raha ny vokatra hita eny an-toerana.Hofanamorana ny famatsiambola ihany koa dia ho avadika koperativa ireo fikambanan’ny mpiompy trondro eto an-toerana izay manampy azy ireo hampiasa vola bebekokoa . #MPEB #GIZMadagascar #AmbassadeAllemagneAntananarivo #PROJET_ASAM #APDRA #FIOMPIANA_TRONDRO
Jakarta – INDONÉSIE
Atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny Jono lamatra (thon)
Tanterahana nanomboka ny 26 May ka hatramin’ny 30 May 2025 izao ao Jakarta – INDONÉSIE ny atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny jono lamatra ho an’ireo Teknisianina maromaro avy amin’ny firenena samihafa mivondrona ao anatin’ny CTOI (Commission des Thons de l’océan Indien). Nisolotena an’i Madagasikara nandritra izao Atrikasa izao Atoa BETKOU Ghislain Thierry, Teknisianin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, avy eo anivon’ny DESP (Direction des Etudes, de la Statistique et de la Planification). Antoka iray hisian’ny fitantanana maharitra sy mirindra ny lamatra no ifananakalozana ao anatin’ity atrikasa ity ary hitondra fiovana miabo ho an’ny fampandrosoana izany sehatra izany indrindra ho antsika eto Madagasikara ka voakasik’izany avy ireo jono madinika, salantsalany ary indostrialy. #MPEB #DESP #Jono #Lamatra #Thon #CTOI
Fokontany Sakalava, Kaominina Ambany Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga,Faritra Alaotra Mangoro
Akon’nyFampiofanana fiompiana trondro
Tontosa tao amin’ny CirPEB Moramanga ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, izay natao mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny famoronana asa ho an’ny vahoaka ifotony ao amin’ny Fokontany Sakalava, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga. Ity hetsika ity koa dia natao mba hanohanana ny fiarovana ny alan’ Atsinanana izay efa mandalo fahasimbana lehibe ka ny fikambanana Conservation International no niara-niasa tamin’ny CirPeb Moramanga tamin’ny fandaminana sy fanatanterahana ity fampiofanana ity. Telo amby efapolo (43) ny olona avy amin’ny Fokontany Sakalava tonga nanatrika ity fampiofanana ity. Ireo mpandray anjara dia nampianarina teknika vaovao sy azo ampiharina amin’ny fiompiana trondro, toy ny fomba fanamboarana dobo, ny fitantanana ny kalitaon’ny rano, ny sakafo mety ho an’ny trondro, ary ny fomba fiompiana maharitra mba hiantohana ny vokatra tsara. Antenaina fa hahay hampihatra izay nianarany ireo mpandray anjara mba hahazoana tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy, sady hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina ary indrindra manampy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny mponina ao amin’ity toerana ity #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
𝐅𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐭𝐬𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐦𝐨𝐛𝐢𝐥𝐢𝐬𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐞𝐭 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐫𝐢𝐚𝐭𝐬 𝐝𝐮𝐫𝐚𝐛𝐥𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐩𝐞̂𝐜𝐡𝐞 𝐞𝐭 𝐥’𝐚𝐪𝐮𝐚𝐜𝐮𝐥𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐚̀ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫. RAKOTOSOA Rado (Directeur Général de l’Economie Blueu/MPEB) MAMINIAINA Marc (Chargé de Mission COI)