Kaominina Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II, Faritra DIANA. Fivoriana fanentanana hiadiana amin’ny ICAM (Intoxication par la Consommation d’ Animaux Marins).

Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia manao ny ezaka rehetra hampihenana ny loza ateraky ny tranga mikasika ny ICAM (Intoxication par la Consommation d’ Animaux Marins).Araka izany dia miroso amin’ny fanentanana hisorohana ny loza mety hitranga eny amin’ireo fiaraha-monina voakasika izy ireo.Mponina miisa 56 avy ao amin’ny Kaominina Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II no noentanina sy nampahafantarin’ireo ekipa avy ao amin’ny Observatoire ICAM avy ao amin’ny faritra DIANA izay vao najoro vao tsy ela izay ahitana ny solontena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) ,ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana (DRS), ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina (DRCC), ny avy ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana (UNA) miaraka amin’ny ekipan’ny IHSM (Institut Halieutique et de Sciences Marines) ary ny avy ao amin’ny Oniversiten’i Toliara. Nandritra izany ihany koa no nanentanan’ny ekipa avy amin’ny IHSM azy ireo mba hampianatra ny zanany any amin’ity ivo-toerana mampianatra mikasika ny harena anaty rano ity sy ny hanajan’izy ireo ny tontolo iainana hitsinjovana ny hoavin’ny taranaka mifandimby.Tonga nanotrona izany ny avy ao amin’ny Kaominina Antsiranana II,ny avy ao amin’ny Madagascar National Parks Nosy Hara ary ny ekipan’ny WWF any an-toerana. #MPEB #DRPEB #UNA #IHSM #DRS #DRCC #Observatoire_ICAM #WWF #MNP #Nosy_Hara
Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo Andrefana. Atrik’asa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra mahakasika ny tolotra na zava-tsoa azo avy amin’ny rohivoahary izay hita ao anatin’ny faritrin’ny « Bas Mangoky ».

Ezahina hatrany ny manome fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny Faritra mba hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy hampitombo ny tombontsoa ho azo avy amin’ny rohivoahary.Ho setrin’izany dia nisy ny atrikasa izay nokarakarain’ny tetik’asa TEFIALA izay vatsian’ny GEF 7 notanterahina ny faha 14 Aogositra 2025 teo tao amin’ny « salle polyvalente Jardin de la mer ». Ny tanjona amin’izany dia ny mba hahafahana mampiakatra ny tombam-bidin’ny tolotra sy ny vokatra izay atolotry ny rohivoahary .Anisan’ny lahadinika voaresaka tamin’izany ny Famelabelarana amin’ny ankapobeny ny tetik’asa TEFIALA, ny Fampahafantarana ny mahakasika ny PSE (Paiement pour les Services Écosystémiques) na ny tolotra na zava-tsoa azo avy amin’ny rohivoahary : » Mobiliser des ressources pour le développement et l’amélioration des conditions de vie » izay Tsara ho marihina fa ity PSE ity dia anisan’iray ao MFD (Mécanisme de Financement Durable) na ny rindradamina ho amin’ny famatsiana maharitra, eo ihany koa ny Fampahafantarana ny valin’ny fanadihadihana izay nataon’ny TEFIALA, ny Fizarana ireo fepetra takiana ny amin’ny toerana misy ny PSE (critères de sélection de sites de PSE) , ny Fampahafantarana ny andraikitra sy ny anjara manandrify ny mpisehatra tsirairay ary farany dia ny Fampahafantarana ny ohatra misy mahakasika ity PSE ity ka anisan’izany ny PSE Tohampontsy Andapa, ny Programme de paiement agroenvironnement any Cambodge sy ny momba ny zahavoahary na ny « Écotourisme ». Ny atrikasa toy izao dia sehatra ho an’ny fifampizarana traikefa sy fahalalana ary koa ny fampivondronana ireo mpisehatra isan-karazany mba hametraka fototra mafy orina ho an’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny faritra.Marihina fa aorian’ity atrikasa ity dia hisy ny fidinana ifotony ho fahampahafantarana ireo voaresaka tao anaty fivoriana. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #TEFIALA #PSE #GEF_7
Kaominina Antetezambaro, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana. Fampiofanana mikasika ny teknikam-panjonoana maharitra hoan’ireo mpanjono madinika.

Misy bokin’andraikitra ifanaovan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB amin’ny ireo orinasa izay mpisehatra eo amin’ny Jono vaventy izay mirakitra ny tamberin’andraikitra omena ireo mpanjono madinika any amin’ny fari-panjonoana iasany.Ho fampiharana izany dia mpanjono miisa 49 avy ao amin’ny kaominina Antetezambaro, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana no nisitraka fampiofanana avy amin’ny tan-tsoroka omen’ny REFRIGEPECHE EST mikasika ny teknikam-panjonoana maharitra sy mitandro ny rohivoahary an-dranomasina ny faha 20 sy 21aogositra 2025 teo. Tanjona amin’izao tosika ara-teknika izao ny hampiroboroboana ny velon-tenan’izy ireo sy hanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta eo am-panataterahana ny asan’izy ireo. #MPEB#REFRIGEPECHE EST#mpanjono_madinika #jono_maharitra#Asa Manga
Ambositra, Faritra Amoron’i Mania, Foara Ambalasira Famelabelarana sy adihevitra momba ny Fampandrosoana ny Toekarena Manga ao Amoron’i Mania.

Nitohy tamin’ny famelabelarana narahina ady hevitra izay nokarakarain’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Anaty rano miaraka amin’ny ekipan’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) ao Amoron’i Mania ny hetsika Foara Ambalasira ka ny lohahevitra tamin’izany dia ny “Toeran’ny Fampamokarana ny Atirano eo amin’ny Fampandrosoana ny Toekarena Manga eto Madagasikara”. Maro ireo Tonga namaly ny antsoy ka nahitana tanora sy ireo tantsaha izay efa miompy trondro no nanatrika ity famelabelarana ity ka nandritra izany dia nisy ny fanazavana lalina momba ny maha-zava-dehibe ny fampamokarana ny atirano amin’ny fampandrosoana ny toekarena manga, izay tsy vitan’ny manome sakafo mahavelona ho an’ny mponina fa manome fahafahana ara-toekarena ho an’ny tantsaha sy ny tanora. Nankasitraka izao hetsika izao ny teo anivon’ny CCI (Chambre de Commerce et d’Industrie) ao Amoron’i Mania indrindra ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) amin’ny fanohanana ny tanora sy ny tantsaha. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #FOARA_AMBALASIRA #CCI_Amoron_i_Mania
Fampiofanana momba ny fiompiana trondro tao amin’ny Fkt Vohimary, Kaominina Vohimary, Distrikan’i Vondrozo, Faritra Atsimo Atsinanana.

Tao amin’ny Fkt Vohimary, Kaominina Vohimary, Distrikan’i Vondrozo indray no nisitraka ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro izay eo ambany fiahian’ny Ministera ho an’ireo olona eny ifotony mba hanamafisana ny fahaizana sy ny fahalalana ho an’ireo efa mpiompy trondro sy ireo mbola vao hisehatra amin’izany. Nifampizarana tamin’ireo mpandray anjara ny fomba sy ny fepetra tsara ilaina amin’ny fiompiana trondro, anisan’izany ny fomba fitantanana ny dobo sy ny sakafo mety ho an’ny trondro. Ity fiofanana ity dia notarihin’ny ekipa avy amin’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Atsimo Atsinanana sy ny Fitaleavana misahana ny fampamokarana anaty rano .Tonga nanotrona ny hetsika kosa ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Vohimary izay niara-niasa tamin’ny ekipa avy amin’ny tetikasa GIZ ASAM . Naneho ny fahafaham-pony ireo mpandray anjara satria nanome azy ireo fahalalana vaovao sy fomba fiasa hanatsarana ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana trondro ity fampiofanana ity. #MPEB #DA #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #GIZ_ASAM #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Fampiofanana momba ny fiompiana trondro tao amin’ny Fkt Loharano, Kaominina Maheriraty, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.

Miezaka hatrany hampiroborobo ny fiompiana trondro ho sehatra manan-danja amin’ny fampandrosoana lovainjafy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ho setrin’izany dia nontosaina ny faha 19 Aogositra 2025 teo tao amin’ny Fkt Loharano, Kaominina Maheriraty, Distrikan’i Farafangana ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro ka niisa 39 ireo Tonga nandray anjara tamin’ity fiofanana ity izay natokana hanomezana fahalalana sy fahaizana ankapobeny ilaina amin’ny fiompiana trondro. Nandritra ny fiofanana dia nisy ny fifampizarana tamin’ireo mpandray anjara ny fomba fiompiana ny karazana trondro dia ny Tilapia sy ny Karpa izany . Nampahafantarina tamin’ny antsipiriany ireo fepetra tsara tokony ho fantatra mba hahombiazan’ny fiompiana ka anisan’izany ny mahakasika ny rano, ny sakafo mety ho an’ny trondro, ary ny fepetra ara-teknika mifandraika amin’izany. Ankoatra izany dia niresahana ihany koa ireo karazana teknika fiompiana trondro azo atao, toy ny fiompiana trondro anaty dobo, anaty fefy mitsingevana ary ivelan’ny tany . Ny ekipan’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Atsimo Atsinanana ary ny Fitaleavana misahana ny fampamokarana anaty rano no nitarika ny fiofanana, nanome torolalana sy fampianarana azo ampiharina ho an’ireo mpandray anjara ary Nanotrona izao fiofanana izao ny Ben’ny tanànan’i Maheriraty sy ny ekipan’ny tetikasa GIZ ASAM izay nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiompiana trondro ho fomba iray hanatsarana ny fiveloman’ny mponina sy ny fampandrosoana ny toe-karena ao an-toerana. #MPEB #DA #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #GIZ_ASAM #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Ambositra, Faritra Amoron’i Mania : FOARA AMBALASIRA

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 20 Aogositra 2025 ary haharitra 05 andro ny FOARA AMBALASIRA izay atao ao Ataponivinany Ambositra renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania : « Amoron’i Mania,miroso amin’ny fampandrosoana. » Misy trano eva maro isankarazany izay hita ato ka mandray anjara feno sy mavitrika amin’izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny ONG APDRA ary ny VMR na ny Vovonan’ny Mpiompy trondro Rejionaly izay nitondra trondro nampirantiana. Manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany, eo ny avy eto an-toerana fa nisy ihany koa ireo avy ivelany dia ny Tale Jeneraly ny jono sy ny Fampamokarana ny Atirano izay misolotenan’Atoa Ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny avy any amin’ny Ministeran’ny fampirobiroboana ny Indostria sy ny Varotra. Ny Jeneraly RAMAKAVELO no mpiahy ity foara Ambalasira ity ary tonga nanotrona ny lanonam-pokafana ny tenany. #MPEB #Foara_Ambalasira #DRPEB_Amoron_i_Mania
Fivoriana hametrahana ny Observatoire ICAM « Intoxication par la consomation d’animaux Marins »eo anivon’ny Faritra DIANA .

Mivoatra manaraka ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo karazana hazandrano miteraka fanampoizinana ny vatan’olombelona ny fihinanana azy indrindra amin’ny andro mafana na mandavataona ihany koa. Noho izany dia ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra rehetra hanaraha-maso sy hiadiana amin’ izany.Tompon’andrakitra voalohany amin’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) amin’ny alalan’ny ratsamangaikany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB)miaraka amin’ny Institut Halieutique et de sciences Marine (IHSM)ary ny oniversiten’i Toliara. Ny faha 19 aogositra 2025 teo dia nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo izay notarihin’ny Observatoire (ICAM) Toliara tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana ary notronin’ny avy ao amin’ny Fitaleavamparitra telo (3) eo anivon’ny faritra DIANA dia ny avy amin’ny:DRPEB,ny Talem-paritry ny fahasalamana,ny Talem-paritry ny serasera,ary ny avy amin’ny Oniversiten’Antsiranana sy ny avy amin’ny faritr’i DIANA. Nofaranana tamin’ny loabary andasy izay niarahana tamin’ireo mpianatra ka niresahana ICAM na# Intoxication par la Consommation d’Animaux Marins. Tanjona ny hametrahana ny Observatoire ICAM ivondronan’ireo fitaleavam-paritra telo voakasika ao an-toerana sy ny ekipan’ny Oniversiten’Antsiranana.Samy vonona izy ireo ny hitondra ny traikefany amin’ny ady atao amin’izany mba hampihenana ny tranga ICAM no hitsinjovana ny vahoaka eny ifotony ihany koa. #MPEB #DRPEB #IHSM #ICAM #DIANA #Oniversite_Antsiranana
Fkt Ambatomanga, Kaominina Ambanivohitra Morarano Chrome, Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Fanohanana sy Fanomezana Toromarika ho an’ireo Mpiompy Trondro Vaovao.

Tanjon’ny Ministera hatrany ny manakaiky ireo olona vonona hiditra amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Nisy arak’izany ny fitsirihana sy fanomezana toro-marika natokana ho an’ireo mpiompy trondro vao manomboka izay natao ny faha 19 Aogositra 2025 teo ka anisan’izany Atoa Loic, tanora mavitrika izay resy lahatra ka tapakevitra fa handray anjara amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanome ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra amin’ny fiompiana trondro. Ho an’i Atoa Loic manokana dia dobo 5 Ara no nosafiadiny hanombohana ny tetikasany . Ny tanimbary efa misy no avadika ho dobo, izay fomba fanao mahazatra eto amin’ny faritra mba hampiasana tsara ny tany . Nifidy ny teknika manaraka ny “hiaka farany” izy izay fomba fiompiana maoderina hahafahana mampitombo ny vokatra ka mahatratra mihoatra ny 15 taonina isaky ny hektara (15T/ha). Ity teknika ity dia mifototra amin’ny fampiasana ireo fomba fanao tsara indrindra, toy ny fanaraha-maso tsara ny kalitaon’ny rano, ny famatsiana sakafo voalanjalanja ho an’ny trondro ary ny fampiharana ny fepetra fisorohana ny aretina. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Fkt Benjavily,Kaominina Ambanivohitra Masoarivo, Distrikan’Antsalova,Faritra Melaky: Fanjohina sy fanaraha-maso ny faritra arovana an-dranomasina.

Tontosa ny faha 07 ka hatramin’ny faha 09 Aogositra 2025 lasa teo ny fanaraha-maso sy ny fanomezana tantsoroka ara-teknika ireo rafitra rehetra misy amin’ny fitantanana ny faritra arovana an-dranomasina sy ny mahakasika ny ala honko. Anisany rafitra iray mitantanana ireo harena voajanahary ireo ao amin’ny Faritra Melaky ny # Comité local de patrouille(CLP) # sy ny CCS. Mba ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’izy ireo dia nisy ny fanamafisam-pahalalana sy fanomezana fitaovana ho ampiasain’izy ireo toy ny smartphone hampiasaina amin’ny asa fanaraha-maso ny tsy fanarahan-dalana. Izany no napetraka mba hampahomby ny asa fitantanana mba hampaharitra ireo rohivoahary an-dranomasina ao aminy mba ho lovainjafy. Ankoatran’ny fifanakalozana maro samihafa dia nohamafisina tamin’ireto mpikambana ao amin’ny CLP sy CCS ireto fa mpanara-maso izy ireo ary mila manao tatitra miaraka amin’ireo porofo mazava izy ireo fa tsy miandraikitra ny fanenjehana. Marihina fa ireo orinasa miantsehatra eo amin’ny Jono makamba no nanao ny tantsoroka ny fandaniana rehetra mba ho famporisihina sy hampazoto ary indrindra ny hanomezan-danja ireo VOI izay miandraikitra ny hampahomby ny TGRH Na famindram-pitantanana ireo harena voajanahary anaty rano. #MPEB #DRPEB_Melaky #Société_Peche_Crevettiere #CLP #CCS #TGRH