Ampandrianomby, Antananarivo-Faritra Analamanga. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo ONG ho fampandrosoana maharitra ny Tontolon’ny Jono sy ny Fihariana anaty rano.

Tontosa anio faha 19 novambra 2025 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera tao Ampandrianomby ny fihaonana sy dinidinika ara-teknika izay niarahana tamin’ireo ONG sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Fihaonana izay teo ambany fitarihan’Atoa Ministra, CHAN KIT WAYE Jaco ary notronin’ireo tompon’andraikitra maro eto anivon’ny Ministera . Nambaran’ Atoa Ministra teo ampandraisam-pitenenana fa manana anjara andraikitra lehibe ireo ONG satria izy ireo no mpiara-miisa voalohany amin’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ireo tanjona kendren’ny Ministera toy ny fanatsarana sy fanomezan-danja ny harena anaty rano, ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatsarana hatrany ny vokatry ny asa iombonana eo amin’ny roa tonta dia nisy ny fampahafantarana ny drafitrasa izay ho tanterahin’ny Ministera mandritra ny taona ho avy ary narahina famelabelarana mikasika ny anjara andraikitr’ ireo ONG tsirairay avy amin’ny paikady momba ny fitantanana sy ny fanomezan-danja ny harena voajanahary anaty rano. Izao fihaonana teo amin’ny MPEB sy ireo ONG izao dia dingana iray lehibe hanamafisan’ny roa tonta amin’ny finiavana hanatratra miaraka ireo teboka lehibe izay mamaritra ny fototry ny fanarenana sy ny fanavaozana misy ankehitriny amin’ny alalan’ny famoronan’asa sy fanohanana ny fandraharahana ary ny fampandrosoana mirindra sy andraisan’ny rehetra anjara. #MPEB #ONG #Fiaraha_mientana #Fampandrosoana_mirindra #Fandraharahana #Jono #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Antsirabe, Distrikan’Atsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Akon’ny fitsidihana toeram-piompiana trondro.

Maro ankehitriny ireo olona maniry ny hisehatra amin’ny fiompiona trondro matihanina noho ny fampiofanana sesilany tanterahin’ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB.Araka izany dia nitsidika toeram-piompiana midadasika ao anatin’ny Distrikan’Antsirabe II ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Vakinankaratra ny faha 18 Novambra 2025 teo. Ity toerana ity izay efa ahitana fotodrafitrasa lehibe hahafahana mampiroborobo ny fiompiana trondro sy mamaly ny filàn’ny tsena any an-toerana izay mifandraika amin’ny laharam-pahamehan’ ny MPEB amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fihinanana trondro hoan’ny Malagasy. #MPEB #DRPEB #Vakinankaratra #Fiompiana_trondro #Toekarena_Manga
Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga. Fihaonana teo amin’ny MPEB sy ny BIANCO.

Fanetriben’ny firenena sady mampihena ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fisian’ny Kolikoly.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’izany noho izy isan’ireo mampiditra vola betsaka. Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco ho fanamafisana ny fiarahana miady amin’izany ireo delegasiona avy amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly #BIANCO niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharana (STAC) eto anivon’ny MPEB androany faha18 Novambra 2025. Vontoatin’ny fihaonana ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Ministera ary notsindrian’A/toa Minisitra fa tsy azo leferina ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra eto anivon’ny Ministera iadidiany.Aorian’izao fihaonana izao dia hisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny MPEB sy ny BIANCO. #MPEB #BIANCO #AdKolikoly
Libertalia Green Park, Distrika Nosy be, faritra Diana. Atrikasa fanombanana ny drafi-pandrindrana ny jono (PAP) ao amin’ny faritra BATAN.

Notanterahina ny 17 sy 18 novambra 2025 ny atrikasa fanombanana ny drafi-pandrindrana ny jono ao amin’ny faritra BATAN na (Baies d’Ampasindava, de Tsimipaika, d’Ambaro et l’archipel de Nosy-Be) izay niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasika.Tanjona ny handinika lalina ny drafi-pandrindrana ny jono teo aloha, izay natao ho fiarovana ny fanjonoana sy ny tontolo iainana amin’io faritra avaratra andrefana io. Tamin’ny alalan’ny fandalinana (FFOM) voarafitra tsara no nanantanterahina ny fanombanana isam-bohitra ny fampiharana ny PAP na (Plan d’Aménagement des Pêcheries) teo aloha. Zava-dehibe tamin’izany ny famantarana ireo fanamby goavana eo amin’ny fiainana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ary koa mba hamantarana ireo lesoka sy hery tamin’ny fampiharana ny drafitra teo aloha mba hamaritana paikady vaovao ho amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Marihana fa santatra ambavarano izao fanombanana izao mba hanomanana ny fanavaozana azy indray izay hovolavolain’ny Mpanamahay avy eo. Ny DRPEB Diana sy ireo CirPEB no nandrindra ny atrikasa, nanampy azy ny COPIL, PAP, BATAN ary WWF no nanohana ara-bola. Isaorana ireo tompon’andraikim-panjakana nanome voninahitra ny atrikasa dia ny SG faritra Diana sady Goverinora mpisolo toerana, ny Chef District Diego II, ny Adjoint Chef District Ambilobe ary ny Prefecture Nosy Be. #MPEB #DRPEB_DIANA #Mpanohana_WWF/Financement BMZ #Fanombanana_PAP_BATAN
Kaominina Ambonivohitra Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Fizarana karatry ny mpiompy trondro.

Mba ho fampanarahan-dalàna sy ny fidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina dia tonga nandalo tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga(DRPEB) Atsimo Atsinanana ireo teknisiana mpanentana momba ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro avy amin’ny ONG HIH sy APDRA anio 18 Novambra 2025 naka ireo karatry ny mpiompy trondro miisa 39. Ireto karatra ireto dia ho tsinjaraina amin’ireo mpiompy trondro ara-dalana ao amin’ny distrikan’i Farafangana ka ny karatra miisa 10 dia ho zaraina amin’ny mpiomp trondro avy ao amin’ny Kaominina Ankarana, ny 10 dia ho an’ireo mpiompy avy ao amin’ny Kaominina Ambohigogo ary 19 ambiny kosa dia hozaraina ao amin’ny Kaominina Maheriraty. Antenaina fa hitohy hatrany izao hetsika izao mba ho fanentanana ireo mpiompy trondro rehetra hiditra hatrany ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna izay hisitrahan’izy ireo tohana maro. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #ONG_HIH #APDRA #karatra_mpiomp_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Zazafotsy, Distrikan’Ihosy Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony.

Ho fanohanana ireo tantsaha amin’ny fivoarana izay tian’ny hatao , ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manohy hatrany ny fanomezana fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony ary maimaimpoana. Ny ekipa avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB miasa eny anivon’ny faritra 24 manerana ny Nosy no manatanteraka izany.Araka izany dia tontosa ny faha 15 Novambra 2025 teo tao amin’ny Fkt Fandana, Distrikan’Ihosy ny fampiofanana ireo tantsaha niisa 33 mianadahy. Nampitaina nandritra izany ny teknika fototra mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary , ny fanamboarana sakafo trondro ary ny fitantanana azy. Tsapa tokoa fa dia liana izy ireo noho ny vokatry ny fiompiana trondro izay anisan’ny seha-pihariana hitondra vokatsoa maro na eo amin’ny lafiny sosialy na ara -pahasalamana ka hampisy fiantrainkany tsara eo amin’ny fidirambolan’izy ireo sy ho an’ny Faritra ihany koa. #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fampiofanana_fiompiana_trondro #Asa_Manga.
Kaominina Ambonivohitra Tsiroanomandidy, Distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Akon’ny fandrotsahana zana-trondro

Faritra isan’ny manana toe-tany mafana i Bongolava izay manafaingana ny fitomboan’ny trondro.Nisy araka izany ny fandrotsahana zana-trondro Tilapia 12000 tao amin’ny farihin’Ambalanirana, anatin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy ho entina hanampiana ireo trondro hositrahin’ireo mpanjono madinika ao anatin’izany farihy izany amin’ny fotoam-panjonoana hoavy. Nandritra izany ihany koa no nitsinjarana ireo zana-trondro karpa miisa 7500 izay tohana avy amin’ny « Appui Sectoriel » hoan’ireo mpanatavy trondro any an-toerana.Tanjona ny hampitomboana ny taha-pamokarana sy taha-pihinanana trondro ao amin’ny faritra Bongolava. #MPEB #DRPEB_Bongolava #Fandrotsahana_zana_trondro #PPSPAS
La Résidence Ankerana, Antananarivo,Faritra Analamanga : 𝗔𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗛𝗔𝗜𝗭𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗢𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗛 « 𝗔𝗨𝗧𝗢𝗥𝗜𝗧𝗘 𝗦𝗔𝗡𝗜𝗧𝗔𝗜𝗥𝗘 𝗛𝗔𝗟𝗜𝗘𝗨𝗧𝗜𝗤𝗨𝗘 »

Notanterahina tao amin’ny « La residence Ankerana » ny fanamafisam-pahalalàna na (renforcement de capacité) ho an’ireo teknisiana eo anivon’ny Autorité Sanitaire Halieutique (#ASH) izay nahitana ireo mpiasa eto anivon’ny ASH foibe sy ireo eny anivon’ny faritra (PISPPA) miisa folo misy ny ratsa mangaika ny ASH dia samy voakasik’izao atrikasa izao avokoa. Ny manampahaizana manokana mahakasika ny kalitaon’ny hazan-drano avy any Sénégal, Dr Babacar Sène izay avy ao amin’ny « AgroConsulting & Training », no nizara ny traikefany tamin’ireo teknisianina miasa eo anivon’ny ASH. Tanjon’izao hetsika izao ny fanatsaràna sy fitazomana ny kalitaon’ny asa fitsirihina ara-pahasalàmana eny anivon’ny orinasa mpanodina sy mpanondrana hazan-drano, izay tanterahin’ireo manam-pahefàna ara-pahasalamàna eo anivon’ny ASH ary koa ny mba hifanaraka indrindra amin’ny filàn’ireo firenena mpanafatra hazan-drano. Raha tsiahivina dia notanterahina tany Toamasina ny faha 10 ka hatrami’ny 14 Novambra 2025 lasa teo ny andiany voalohany, ary izao eto Antananarivo izao indray no tanterahina ny andiany faharoa manomboka anio alatsinainy faha 17 Novambra 2025 ary hifarana ny faha 21 Novambra 2025 izao. Inoana fa hitondra fomba fiasa vaovao izao fanamafisam-pahalalàna izao, hampiakatra ny kalitaon’ny asa fitsirihana ara-pahasalamàna, hitondra ihany koa fahombiazana amin’ny asa izay napetraky ny fanjakàna amin’izy ireo ary indrindra indrindra mba hifanaraka amin’ny fenitra sy lalàna hiraisam-pirenena. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fotoana ity Atoa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ary nanamafy ny tokony hanampiana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga fa tsy hijanona ho mpanara-maso sy mpampihatra lalana fotsiny ihany ny ASH , satria izany fomba fiasa vaovao izany dia hisintomana ireo mpandraharaha mba ho matihanina hatrany ka hitera-bokatsoa na eo amin’ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina na ho an’ny toekaren’ny Firenena. Marihina fa ny « Projet de Partenariat dans le Secteur Pêche – Appui Sectoriel (PPSPAS) » an’ny Vondrona Eoropeana no miantoka sy mamatsy izao fanamafisam-pahalalàna izao. #MPEB #ASH #Fanamafisana_fahaiza_manao_sy_fifampizarana_fahalalana #PPSPAS
Kaominina Ifotaka, Distrika Amboasary, Faritra Anosy. Toeram-pamokarana trondro ao Fenoarivo : Ho atao « site vitrine » momba ny fiompiana trondro.

Ny alakamisy faha 13 Novambra 2025 teo no nanomboka ny fakana ireo vokatra trondro izay niompian’ny Fikambanana MAHAVOTSE nandritra ny enim-bolana. Hetsika izay notanterahina tao Fenoaivo ao amin’ny Kaominina Ifotaka ,Distrikan’Amboasary niarahan’ny ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam paritry ny Jono sy ny Toekarena karena Manga Anôsy sy ny Fikambanana MAHAVOTSE Ny fikambanana MAHAVOTSE dia anisan’ireo fikambanana nahazo fiofanana nomen’ny DRPEB Anôsy ny taona 2024 tany ho any ary notohanan’ny Fandaharan’asa PAM.Raha izao vokatra azo izao dia azo lazaina fa dia tafita soa amantsara ny fampitana ny fahalalana nozaraina ka arak’izany dia hatao site vitrine eto Fenoaivo ity toeram-piompiana trondro ity mba hoentina hanentanana sy hampianarana ny mponina manodidina hiompy trondro hanampy sy hanatsara ny fivelomany. Zanatrondro miisa 600 eo eo no narotsaka ary nompiana tao anaty dobo nandritra izay enim-bolana izay ka nahazo ny lanja salanisa 200g eo ho eo ny iray ka mahavelombolo ny vokatra azo ary nitombo ara dalana ny trondro nompiana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana sy niara nijery ny vokatra sy ny ezaka nataon’ireto mpikambana ato amin’ny fikambanana MAHAVOTSE teto Fenoaivo Ifotaka ny ekipa ny Distrikan’ Amboasary ary ny avy ao amin’ny seraseran’ ny PAM. #MPEB #DRPEB_Anôsy #PAM #Fikambanana_MAHAVOTSE #Fiompiana_trondro #Toekarena_Manga
JONO TSY ARA-DALÀNA : HO HENTITRA NY SAZY HO AN’IREO SAMBO TSY MANARA-DALANA REHETRA. Mahajanga,Faritra boeny

Ny fisian’ireo sambo manao jono tsy ara-dalàna dia mandrava ny loharanon-karena an-dranomasina, ary manohintohina ny fiainana andavanandron’ireo mpanjono. Mandritra ny fanadiovana ity sehatry ny Jono ity mandritra izao fanovana izao dia Nohamafisin’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco fa ireo izay mandika ny lalana sy Manao ny fihoaram-pefy rehetra dia tsy maintsy hiaran’ny fanasaziana avokoa Ary tsy andeferana fa indrindra ihany koa ny kolikoly. Mifandraika amin’izany ireo Sambo miisa 3 tratra nanao ny « Peche illicite » an’ireo terantany Sri-lankais Raha roa kosa no tratra any Nosy be . Nogiazan’ny avy eo anivon’ny Sampana fanaraha-maso ny Jono CSP ireo Sambo ireo izay Efa nanaovana fanadihadihana Lalina ankehitriny Ary koa ny fandinihana amin’ny tokony hanaovana ireo Sambo . Ny ezaka hanamafisana ny lalàna sy ny fitsipika, ary ny fanasaziana ireo mandika lalàna dia zava-dehibe ho fiarovana ny harenan-dranomasin’i Madagasikara sy hanohana ny seha-piharian’ireo vahoaka eo an-toerana izay miankina amin’ny jono fa indrindra hisian’ny Jono maharitra ho Lovain-jafy. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #peche_illicite
