Distrikan’Ihosy,Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fampamokarana ny atirano dia mitohy hatrany ny fanomezana ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro tao amin’ny Faritra Ihorombe ka tao amin’ny Fkt Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy no nanatanterahana izany ny fa 21 Novambra 2025 teo. Ireo solontenan’ny tanora tantsaha avy ao amin’ny kaominina maromaro ao amin’ny Distrikan’Ihosy no nisitrika izany fampiofanana izany dia ny Kaominina Ambanivohitra( Antsoha, Zazafotsy, Ankily ,Tolohomiady, Mahasoa ary Ambia). Miisa 35 ireo tonga niatrika ny fiofanana izay niompana tamin’ny fampianarana ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro toy ny fanamboarana dobon-trondro, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fanamboarana sakafon-trondro ary ny fomba fitantanana azy. Izao fiofanana izao dia niarahan’ny ONG TSIMOKA sy ny DRPEB Ihorombe nanatontosa mba hampisy ny fampandrosoana mirindra sy hahatsara ihany koa ny ara -tsosialy sy ny fari-piainan’ ny vahoaka eny ifotony. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #ONG_TSIMOKA #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Esohihy, Fkt Ebakika, Kaominina ambanivohitra Mahatalaky, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy. Fampiofanana ireo komity mpanara-maso ny jono eny ifotony.

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanaraha-maso ny jono ny fandraisana anjaran’ny vondron’olona eny ifotony.Zava-dehibe araka izany ny fampiofanana azy ireo mba ho matihanina eo amin’ny asa izay ataony.Mpanara-maso ny jono miisa 15 mianadahy hiasa ao min’ny Faritra arovana tantanina eny ifotony ao Elodranto (APGL)no nanaraka fiofanana sy nozaraina fitaovana hoenti-miasa toy ny finday, salotra vonjy aina, torche, fitafy fitondra amin’ny orana, sns…ny faha 19 sy 20 Novambra 2025 teo. Nitarika ny fampiofanana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Anosy niaraka tamin’ireo solontenan’ny Foibe Fanaraha-maso ny Jono # CSP.Nanome ny tantsoroka ka nahafahana nanatontosa izany ny ONG Seed Madagasikara. Hetsika izay hijery manokana ny fiarovana mba hampaharitra ny harena an-dranomasina dia ny oratsimba izay mampiavaka iny faritra iny ary iray amin’ireo loharanonkarena izay mampidibola hoan’ny Faritra ary mampanjary ny velontenan’ireo mponina eny ifotony. #MPEB #DRPEB #CSP #ANOSY #Seed_Madagasikara #APGLv#VOI

Fkt Mafiovy-Korao – Kaominina Trangahy, Distrikan’ Antsalova ,Faritra Melaky. Famindram-pitantanana ny Ala maiky sy Ranovory ho an’ny VOI MATEZASOA.

Ny Fikambanana V.O.I MATEZASOA ao amin’ny Fkt Mafiovy-Korao, kaominina Trangahy, Distrikan’ Antsalova indray no VOI faha roa nanamafy ny fiarovana sy ny fitantanana ny Ranovory Antsohalehy ary ny Ala maiky manodidina azy izay misy ireo harena voajanahary isan-karazany toy ny vorona sy ny biby…sns toerana manana velarana sahabo 5.000 ha mahery. Tontosa ny faha 21 Novambra 2025 teo arak’izany ny fifanaovan-tsonia ny Bokin’andraikitra mba ho marikin’ny famindram-pitantanana eo amin’ny Fanjakana sy ny VOI MATEZASOA ka manana 3 taona izy ireo amin’ izao fiandohany izao ary azo havaozina indray izany rehefa hita fa mahomby ny fitantanana . Marihina fa ny WWF Maintirano no nanao ny tantsoroka nahafahana nanao izao hetsika izao ka ny teny Filamatra dia hoe: « Ala maiky sy Ranovory voaaro, mamelo ny ala honko, velomampo maharitsy » . #MPEB #DRPEB_Melaky #WWF #VOI_MATEZASOA

Fkt Namora,Kaominina Tangainony,Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Fanomezana tantsoroka teknika momba ny fiompiana trondro.

Mpiasam-panjakana efa misotro ronono no nisafidy ny fiompiana trondro ho ataony ho asa fototra sy fivelomana no notsidihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Atsimo Atsinanana ny faha 21 Novambra 2025 teo.Efa manana dobo miisa 8 izy ary dobo fanangonan-drano 30 ara eo ho eo. Nomena ny toro-marika ara-teknika samihafa izy toy ny fanajariana ny toearam-piompiana, ny fanatsarana ny lalan-drano manary rano ary tsy adino ny toro-hevitra mikasika ny teknika fiompiana trondro sy ny fomba famarotana ny vokatra ao aorian’ny fiotazana mba hijerena lalambarotra hanampiana azy amin’ny fandraharahana izay hataony sy hiteraka vokatra maro hoan’ny rehetra izay miara-miasa aminy amin’ity seha-pihariana ity. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambanivohitra Sabotsy Namehana, Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Akon’ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany.

Miara-miasa ny fanjakana sy ny fiangonana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro.Araka izany dia nisitraka fampiofanana momba ireo teknika fototra hahafahana mampahomby ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany ny Fikambanan’ny Lehilahy Kristianina (SLK) avy ao amin’ny FJKM Ambohinaorina, Sabotsy Namehana. Miisa 29 mianadahy ireo tonga nisitraka izany ny faha 21 Novambra 2025 teo. Antenaina fa hampiakatra ny vokatra trondro azo jifaina eto amin’ny faritra Analamanga izao fampiofanana vao notanterahina izao ka hampisy fiantrainkany eo amin’ny lafiny sosialy sy ara- Toekarena eny ifotony mba hampisy ny fampandrosoana mirindra. #MPEB#DRPEB#SLK#FJKM_Ambohinaorina#Analamanga#Fiompiana_trondro.

Distrikan’i Maevatanana,Faritra Betsiboka. Fidinana ifotony mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono.

Mandritra izao vanim-potoana fikatonan’ny Jono izao dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ireo Kaominina maro samihafa ao anatin’ny Distrikan’i Maevatanana ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ( DRPEB ) Betsiboka sy ny ONG Impact Madagascar. Ny Fanentanana ny amin’ny tokony hanajan’ireo mpanjono ireo fepetra rehetra mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono izao no tena tanjona tamin’izao fitsidihana sy fidinana izao izay nanomboka ny faha 18 ka hatramin’ny faha 21 Novambra 2025 teo ka notsindriana mafy tamin’izany ny mahazava-dehibe ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono mba hahafahan’ireo hazandrano mitombo sy miha lehibe mba hisy ho lovainjafy sy hampisy ny fampandrosoana mirindra eny ifotony. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #ONG_Impact_Madagascar #Jono_maharitra #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Ambinanindrano, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania . Akon’ny fampiofanana fiompiana trondro manakaiky vahoaka.

Kaominina anisan’ny sarodalana ao anatin’ny distrikan’Ambositra ny kaominina Ambinanindrano.Tsy nahasakana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Amoron’i Mania nizara fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro tany anefa izany. Tantsaha niisa 46 avy any an toerana no nisitraka izany ny faha 20 Novambra 2025 teo.Nanome ny tantsoroka nahafahana nanao izao fampiofanana izao ny Appui sectoriel »izay tohana avy amin’ny Vondrona Eorepeanina .Vonona ny hampihatra ny fanofanana azony izy ireo hampitomboana ny famokarana trondro ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. #MPEB#DRPEB#Amoron’_mania#asa_manga# Fandraharahana_Manga# PPSPAS

Faritra Alaotra Mangoro Akon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika.

Anisan’ny seha-pihariana manan-danja ho an’ny toekarena Malagasy sy antom-pivelomana ho an’olona maro an’isa ny jono madinika. Manoloana izany dia tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika ny tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro . Notanterahina tamin’ny alalan’ny hetsika fandrotsahana zana-trondro no nanamarihana izany fotoana izany izay natao tao amin’ny Distrikan’i Moramanga sy Ambatondrazaka ny faha 21 Novambra 2025. Zana-trondro tilapia miisa 10.000 sy karpa 5000 no narotsaka tamin’ny farihy niisa telo izay farihy tsy mbola nahitana tsindry ka izay no antony nosafidianana azy. Marihina fa ny taona lasa dia nankalazaina tao Ambatondrazaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika io ka mba ho fitohizan’izay hetsika izay indrindra no anton’izao fandrotsahana zana-trondro izao ho tombontsoan’ireo mpanjono madinika sy hanatrarana ny fampandrosoana mirindra izay andraisan’ny rehetra Anjara. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Jono_madinika_maharitra #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Vohidahy, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony.

Sehatra iray mbola tena malalaka ny fiompiana trondro ary singa iray mandrafitra ny Toekarena Manga. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB manohy ny hetsika momba ny fampiofanana maimaimpona izay miompana amin’ ireo teknika fototra mba hahafahan’ireo tantsaha ho matihanina amin’izany. Tantsaha 46 mianadahy avy ao Vohidahy no nisitraka fiofanana izay teo ambany fitarihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga # DRPEB Amoron’i Mania ny faha 18 Novambra 2025 teo. Na dia teo aza ny fahasoratana maro samihafa toy ny faharatsian-dàlana izay mampifandray ny kaominin’i Vohidahy sy ny renivohitry ny faritra dia tsy nahasakana ny ekipa izany ka tontosa soamantsara ny fampiofanana mba hanamarihana ny fahavononana hanampy ireto tantsaha hanana fari-piainana tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fandraharahana madinika izay hiteraka tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena ho azy ireo sy hoan’ny tanàna ihany koa. Ny tantsoroka avy amin’ny Appui Sectoriel no nahafahana nanatanteraka izao fidinana ifotony izao. #MPEB #DRPEB #Amoron_i_Mania #Fiompina_trondro #Fandraharahana_Manga #asa_Manga #PPSPAS

Kaominina ambanivohitra Ranotsara Avaratra sy Iakora, Distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro narahina fizarana tohana.

Tantsaha miisa 32 avy ao amin’ny kaominina Ranotsara sy Iakora izay samy ao anatin’ny distrikan’Iakora no nahazo tohana sy fiofanana izay nomen’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena DRPEB Ihorombe ny faha 18 sy 19 Novambra 2025 teo. Amin’ny maha rantsa-mangaikan’ny Ministera azy dia manohy ny fanatanterahana ireo asa sy fidinana eny ifotony. Zana-trondro niisa 3000 no nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro tao Ranotsara Avaratra ary narahina fampiofanana izay nitondrana fanazavana ara-teknika momba ireo lohahevitra maro toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fomba fanamboarana sakafo hoan’ny trondro sy fitantanana azy. Lohahevitra niompana tamin’ny teknika fampiterahana sy famokarana zana-trondro karpa kosa no nozaraina tamin’ireo mpiofana tonga naitrika tao Iakora. Tanjona ny hanomezana tantsoroka ireo tantsaha misehatra amin’ity seha-pihariana ity mba hahafahana manohana azy ireo ka afaka hiroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana sy famoronana asa manga mahavelona ihany koa. Hitera-bokatsoa maro izany na eo amin’ny lafiny ara-tsosialy na ara-toekarena isan-tokantrano ary hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa . #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fampiofanana_fiompiana_trondro #Fampandrosoana_mirindra #Asa_manga #Fandraharahana_Manga