𝗠𝗣𝗘𝗕 𝘀𝘆 𝗙𝗔𝗢: 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗙𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗜𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗭𝗢 𝗧𝗦𝗔𝗣𝗔𝗜𝗡-𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔.

Nandray an’Atoa 𝗔𝗹𝗼𝘆𝘀 𝗡𝗶𝘇𝗶𝗴𝗶𝘆𝗶𝗺𝗮𝗻𝗮 Mpisolo-tena vonjimaikan’ny FAO eto Madagasikara, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga 𝙋𝙧 𝙈𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙑𝙊 𝙅𝙚𝙖𝙣 tao Ampandrianomby ny 20 aprily 2026. Nohamafisina nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny FAO sy Madagasikara, indrindra amin’ny fampandrosoana ny jono sy ny Toekarena Manga. Tafiditra amin’izany ny fanohanana ny mpanjono madinika, ny #fanatsarana ny #fanodinana sy #fitehirizana_vokatra, ary ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro amin’ny alalan’ny #teknika_maoderina. Laharam-pahamehana ihany koa ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna (INN), ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny sehatra, ary ny fanomezana lanja ireo harena an-dranomasina sy trondro zanatany. Marihina fa efa hatry ny ela ny fiaraha-miasan’ny FAO sy Madagasikara amin’ny jono sy ny Toekarena Manga, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa toy ny EAF-NANSEN, Glolitter ary ny fanatanterahana nyPAN-PP.” Nanamafy ny roa tonta fa 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲. #MPEB #FAO #FIARAHA_MIASA_MIABO

Fitrandrahana ny jono makamba vaventy eto Madagasikara

Ampandrianomby – Antananarivo 07 Janoary 2026Ho matihanina kokoa, ho mangarahara ary ho lavitry ny ampihimamba. Ao anatin’ny fanohizana ireo fanavaozana entin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny sehatry ny jono makamba, dia notanterahina androany 07 Janoary 2026, teto amin’ny efitrano fivorian’ny MPEB, ny fivoriana fampahafantarana ho an’ireo orinasa Malagasy liana amin’ny fitrandrahana sy fandraisana anjara amin’ny jono makamba eto Madagasikara. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanamafisana ny fanatanterahana jono matihanina, mangarahara, ary manaja ny fitsipika, sady hisorohana ny fanaovana ampihimamba eo amin’ny sehatra. Ireo fanavaozana napetraka dia natao indrindra ho: •  Hampitomboana ny vola vahiny (devises) miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ; • Hametrahana fifaninanana ara-drariny sy manaraka ny lalàna eo amin’ireo orinasa mpisehatra ; • Hampisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainam-bahoaka, amin’ny alalan’ny fiakaran’ny vidim-bokatra. Tsiahivina fa ity fivoriana ho an’ny besinimaro ity dia fanohizana ireo dingana sy fepetra takiana hahazoana ny fahazoan-dalana hisehatra amin’ny jono makamba, taorian’ny fampandrenesana ho an’ny rehetra (Avis pour appel à proposition) navoaka ny 31 Desambra 2025. Hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana Martsa 2026 ny fotoam-panjonoana makamba ho an’ny taom-pikatrohana 2026. #MPEB #JonoMakamba #Matihanina #Mangarahara #ToekarenaMiabo Professionnalisme et transparence au cœur de la pêche crevettière à Madagascar Ampandrianomby – Antananarivo 07 janvier 2026 Le Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue (MPEB) a organisé ce mercredi une réunion d’information à l’attention des sociétés malagasy intéressées par la pêche crevettière côtière. Cette rencontre s’inscrit dans la dynamique de réformes engagée par le MPEB, visant à rendre le secteur de la pêche crevettière plus professionnel, plus transparent et plus respectueux des règles, tout en prévenant les irrégularités et toute situation de monopole. Elle fait suite à l’avis d’appel à propositions publié le 31 décembre 2025, et a permis aux sociétés opérant dans ce segment de mieux comprendre les conditions d’accès aux droits d’exploitation, ainsi que les nouvelles exigences réglementaires applicables à la pêche des crevettes côtières à Madagascar, en vue de la prochaine campagne. À travers ces mesures, le ministère poursuit plusieurs objectifs majeurs, notamment : renforcer les recettes en devises étrangères au profit du Trésor public, garantir une concurrence loyale et équitable entre les sociétés de pêche crevettière, générer un impact positif sur le quotidien des citoyens, grâce à une meilleure valorisation des produits halieutiques. La campagne de pêche crevettière 2026 ouvrira officiellement au début du mois de mars. Les acteurs du secteur sont appelés à se conformer aux nouvelles règles et procédures mises en place, afin de garantir une pêche durable, responsable et bénéfique pour l’économie nationale. #MPEB #PêcheCrevettière #PêcheDurable #Professionnalisme #Transparence #ÉconomieBleue #Madagascar