𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡’𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗝𝗔𝗡𝗚𝗔, 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗕𝗢𝗘𝗡𝗬

Telo Andro katroka izao Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa Chan Kit Waye Jaco no nanantateraka fitsidihana teto Mahajanga. Nandritra izany dia nifankahafantatra sy nitafa tamin’ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Ministera izy, anisan’izany ny teo anivon’ny #ASH (Autorité Sanitaire Halieutique ), ny #CDA (Centre de Développement de l’Aquaculture ), ary ny toeram-pitehirizam-bokatra #CDPHM. Nampahafantatra ireo hafatra mafonja izy momba ny fanatsarana ny fomba fiasa izay mifantoka amin’ny fangaraharana sy ny fanajana ny lalàna mifehy ny asa rehetra, indrindra amin’izao andron’ny fanovana izao ary ny fanajana ny kalitaon’ny foto-drafitrasa. Ankoatr’izay dia nisy ny fampivoriana natao niaraka tamin’ireo mpanangom-bokatra (collecteurs) eto Mahajanga, izay efa ela no niandrasan’izy ireo ity fihaonana ity izay natokana hanomezana vahaolana momba ireo olana efa sedrain’izy ireo nandritra ny taona maro. Nalalaka ny fandraisam-pitenenana, ary samy naneho ny hetahetan’izy ireo fa tsy hisy intsony ny fampanantenana poakaty fa fanatanterahana mivantana avy hatrany. A/toa Minisitra dia mampatsiahy hatrany fa tsy handeferana intsony ireo karazana kolikoly izay nanimba sehatra maro , mila mifanome tanana satria iray ny tanjona dia ny hampandrosoana ny sehatry ny Jono fa indrindra hampiakarana ny fari-piainan’ ny mpanjono eny ifotony. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #CDA #ASH #CDPHM #COLLECTEUR #CSP #ZERO_CORRUPTION
Kaominina ambanivohitra Antsoha, distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Akon’ny fanomezana toromarika ara-teknika mikasika ny fanajariana ny toerana hiompiana trondro

Miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ny fanarahana ny teknika momba ny fanamboarana dobo sy ny fahaiza-mitantana ny sakafony.Izany indrindra no nahatonga ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe nidina tao Beseva, distrikan’Ihosy ny faha 13 Novambra 2025 teo nanoro ireo tantsaha momba ireo teknika fanamboarana dobo,ny fenitra arahina amin’ny fanajariana ny tanimbary hiompiana trondro ary ny fomba fanomanana ny sakafo hoan’ny trondro. Tanjona ny hampitomboana ny vokatra trondro hahafahana mamatsy ireo tanàna manodidina fa indrindra ny ao an-toerana. #MPEB #DRPEB #IHOROMBE #Fiompiana_trondro #Asa_manga
Kaominina Ambatolahy sy Ilakakabe, Distrikan’Ihosy Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana fiompiana trondro

Ny faha 14 Novambra 2025 teo no nanatanterahina ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro izay niompana manokana tamin’ny fiompiana trondro an-tanimbary ( rizi-pisciculture) sy ny fitantanana sakafon-trondro ka ny ekipan’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Ihorombe no nitarika izany fampiofanana izany . Io hetsika io dia natao mba hanamafisana ny fahaizan’ny tantsaha eo an-toerana amin’ny fiompiana trondro ao an-tanimbary satria anisan’ny teknika fiompiana trondro izay hahafahana mampitombo ny vokatra ara-tsakafo sy hahazoana tombony ara-toekarena sy ara- pahasalamana. Natao tamin’ny kaominina roa ao amin’ny Distrikan’Ihosy ny fampiofanana toy ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy izay nahitana mpiofana miisa 44 eo ary ny Kaominina Ambanivohitra Ilakakabe nahitana mpiofana miisa 37 eo. Faritra be rano moa ireo kaominina ireo ka mety tsara amin’ny fiompiana trondro ao anatin’ny tanimbary. #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro #Fanatsarana_toekarena_ifotony #Asa_Manga #Toekarena_Manga
MAHAJANGA, FARITRA BOENY

Anisan’ny himasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ankehitriny ny fanokafana ny sehatry ny fandraharana amin’ny resaka Jono sy ny fampamokarana ny aty rano rehetra eto Madagasikara mandritra izao andron’ny fanavaozana izao. Ilaina Arak’izany ny fanamafisana sy fatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiasa rehetra isaky ny Faritra . Eto Mahajanga no nanombohana ny fidinana ifotony izay iarahana amin’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity . Nosafidiana manokana ny Faritra boeny satria eto no renivohitry ny Jono izay ahitana ireo karazam-bokatra maro izay mamelona fianakaviana maro ary ahitana ihany koa ny ankamaroan’ireo orinasa vaventy izay misehatra amin’ny Jono. Nohamafisina hatrany ny fanafoanana tanteraka ny resaka kolikoly rehetra n’aiza n’aiza na amin’ny nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpiasan’ny Ministera ao an-toerana, ny fandraisana ireo olona izay te Hisehatra rehetra , ny fandraisana ireo mpanjono sns…. Nandritra izany ihany koa ny fanatsarana fomba fiasa sy ireo fitaovana hampiasana rehetra eo anivon’ny Sampana fanaraha-maso ny Jono CSP Ary ny fandraisana ireo mpandraharaha eny an-toerana. Mbola mitohy mandritra ny roa andro ny diany eto amin’ny Faritra boeny amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity Anatin’ny fangaraharana Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue
Faritra Vakinankaratra. Akon’ny Fikatonan’ny Jono 2025 ny faha 15 septambra ka hatramin’ny faha 15 novambra 2025.

Amin’ny ankapobeny dia mizotra am-pilaminana avokoa ireo vokatry ny ezaka maro ataon’ireo VOI sy ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo manam-pahefana voakasika rehetra mahakasika ny didim-pitondrana mamaritra ny Fikatonan’ny Jono 2025 izay nosoniavin’Atoa Prefe Antsirabe miandraikitra ny Faritra Vakinankaratra. Anisan’ireo ezaka vita nandritra izay fotoana fikatonan’ny jono izay ny fanaovana ny Atrikasa miisa 2 izay nampahafantarana ny « Arrêté de fermeture 2025 » sy ny lalana mifehy ny Jono an-dranomany eo ihany koa ny Fampiakarana ireo lakana rehetra sy fanaraha-maso isan-karazany , ny Fanavaozana ny rafitra sy ny birao mandrafitra ny VOI MMFT mitantana ny farihy Andranobe ary farany dia ny hetsika Fandrotsahana zana-trondro karpa miisa 8000 tao Andranobe Est izay mbola hisy andiany faharoa ary mbola hitohy amin’ireo farihy efatra ambiny. Raha tsiahivina dia ny alahady faha 16 Novambra 2025 ho avy izao no hisokatra ny fanjonoana an-dranomamy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny Fandaharan’asa FANAINGA+ kosa no nanao ny tantsoroka amin’ny fanohanana ny kaoperativan’ny mpanjono FIFMIPAVA. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #FANAINGA+ #FIMPIPAVA #Jono_Madinika_Maharitra
Kaominina ambanivohitra Antafia, Distrikan’i Maevatanana ,Faritra Betsiboka. Fanentanana mikasika ny fanajana ny lalàna mifehy ny jono an-dranomamy.

Mialoha ny daty hikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritra Betsiboka izay hanomboka ny faha 15 Novambra 2025 ho avy izao, ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia miezaka hatrany manentana ireo mpiantsehatra rehetra momba ny fitrandrahana ny hazandrano any an-toerana. Etsy ankilany dia amporisihana hatrany ireo mpiompy trondro mba hanatsara ny kalitaon’ny asany satria tsy voarara ny mivarotra ny vokatr’izy ireo mandritra fotoam-pikatonan’ny jono. Noho izany ilaina ny fananan’ireo mpiompy trondro karatra maha mpiompy hahafahany mitatitra sy mivarotra ny vokatra.Tanjona ny hisorohana ny fanasaziana vokatry ny tsy fahalalana ireo lalàna tokony ho hajaina sy ho tandrovina mba hahazahoana vokatra tsaratsara kokoa sy mba hampitombo ny vola miditra isan-tokantrano izay hisy fiantrainkany eo amin’ny lafiny sosialy. #MPEB #DRPEB #Betsiboka #Jono_andranomamy
Kaominina Ambonivohitra Toamasina,Faritra Atsinanana. Atrikasa hanatsarana ny jono artizanaly.

Notanterahina ny faha 11 ka hatramin’ny faha 13 novambra 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina ny atrikasa natao hanatsarana ny sehatry ny Jono madinika , atrikasa izay niompana tamin’ny lafiny fametrahana ny fanjohina elektronika ireo Sambo mpanjono artizanaly tao amin’ny Faritra Atsinanana. Amin’izao fanombohan’izao dia andrana aloha no hatao ka sambo miisa 10 eo no ampiasaina izay sambo avy ao amin’ny FIkambanam- panjono artisanaly TAZARA ka ireo sambo ireo dia hametraha ireo fitaovana vaovao manao ny fanjohina alohan’ny tena hampiasana azy tanteraka . Marihina fa izao no tanteraka dia noho ny Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga sy ny ONG WWF. #MPEB #DRPEB_Atsinanana #ONG_WWF #TAZARA #Fanjohina_Sambo_Jono_Artizanaly #Asa_Manga
Fkt Ambohitsara, Kaominina Ambanivohitra Savana, distrika Vohipeno, Faritra Fitovinany. Fanentanana ny mpanjono momba ny ICAM sy ny fikatonan’ny Jono Andranomamy.

Natao anio 13 Novambra 2025 ny hetsika fanentanana ny mpanjono andranomasina sy andranomamy izay nataon’ny fitalevam-paritry ny jono sy ny toekarena manga Fitovinany tao Ambohitsara, CR Savana mikasika ireto antony manaraka ireto. Voalohany dia ny *fikantonan’ny Jono* andranomamy, izay nanombaka ny 15 Oktobra ka mitohy hatramin’ny farany volana Novambra izao. Voaresaka tao ihany koa ny fandrarana ny fampiasana harato be izay manimba ny harena anaty rano. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana ny mpanjono andranomasina mba hitandrina manoloana ny tranga *ICAM* indrindra amin’izao vanimpotoana mafana izao. Nisy arak’izany ny fizarana ny takelaka misy ny sary sy anaran’ireo karazana hazandranomasina izay voarara sy tsy azo hoanina ireo. #DRPEB_Fitovinany #MPEB #CR_Savana #distrika_Vohipeno
Kaominina Antsakoamanondro, Disitrikan’Ambanja, Faritra DIANA. Fizarana karatra maha mpanjono.

Ny faha 11 Novambra 2025 teo no nanatanterahina ny ny fizarana karatra maha-mpanjono na « carte pêcheur » hoan’ireo Mpanjono madinika ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Antsakoamanondro sy Maherivaratra Ampondrabe izay natao tao amin’ny Kaominina Antsakoamanondro, Disitrika Ambanja. Etsy ankilan’izay dia efa nisy sahady ireo Mpanjono nisoratra anarana izay hisitraka ny karatra maha mpanjono azy ireo izay nahatratra hatrany amin’ny 174. Teo am-pamaranana dia nisy ihany koa ny fizarana ny karatra izay efa vita miisa 62 eo hoan’ireo mpikambana izay mivondrona ao amin’ny fikambanan’ny Mpanjono « LE REQUIN « ao Mahamanina sy ny fikambanan’ny mpanjono JONO MIAKATRA ao Andilamboay. Izao no natao dia ny mba hampihena ny tsy fanarahan-dalana ary koa mba hidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina azy ireo ka hanatsara ny fari-piainany sy ny Toekarena eny ifotony. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Ambanja #Jono_maharitra #Toekarena_Manga
Valanjaboahary Nosy Hara. Fizarana salotra vonjy aina hoan’ireo mpanjono madinika.

Ho famporisihana ireo mpanjono amin’ny asa ataony noho izy ireo miantoka betsaka ny famatsiana trondro ny tsena anatiny dia nozarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fampitaovana ireo mpanjono madinika miasa manodidina ny Nosy Hara ny faha 11 Novambra 2025 teo.Fitaovana enti-manjono maro no natolotry ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB DIANA izay nahitana salotr’aina miisa 44,ny kitapo enti-manjono 24 isa ary ny combinaison miisa 12 . Tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny hanamafisana ny fiarovana ny ain’ireo mpanjono eo ampanatanterahana ny asany eny an-dranomasina. Noentanina ihany koa izy ireo mba hanaraka ny lalàna mifehy ny jono fa indrindra ny fotoana fikatonan’ny jono any an- toerana mba hisian’ny jono maharitra sy ho lovain-jafy. #MPEB #DRPEB #DIANA #Jono_madinika #Nosy_Hara
