FIHAONAN’A/TOA MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA SY NY AVY EO ANIVON’NY ESSA Antananarivo

Tontosa ny zoma faha 07 novambra 2025 teo ny fihaonana teo amin’A/toa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ireo Tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny ESSA (Ecole Supérieure des Sciences Agronomique) na ny Sekoly Ambony misahana ny siansa agronomika/Oniversiten’ Antananarivo izay notarihin’Profesora RAZAFIMAHATRATRA Hery. Fihaonana izay niompana tamin’ny fanamafisan’ ireo solontenan’ny ESSA momba ireo anjara andraikiny toy ny fanatanterahana ireo asa fikarohana maro izay hahafahana manao tantsoroka ny Ministera amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono sy ny toekarena Manga eto Madagasikara. Nampatsiahivina nandritra izao fihaonana izao ihany koa fa efa maro ireo voka-pikarohana izay azo trandrahina eo anivon’ny ESSA ary azo antoka fa hitera-bokatsoa ho fanatsarana ny haitondra eo amin’ny fomba fitantanana ireo harena voahajanahary sy ireo rohivoahary samihafa. Resy lahatra ny roa tonta tao aorian’ny fifanakalozana ka hiroso amin’ny fametrahana fifanaraham-piaraha- miasa voarafitra sy mirindra hanamorana ny fihaonana sy ny fifanakalozana matetika izay hahafahana maneho ampahibemaso ireo voka-pikarohana ary hahafahana ihany koa hamaritra ireo vinam-pikarohana vaovao izay hiompana sy hifanindran-dalana ka hamaly ireo filana fototry ny Ministera mba hampisy fiantraikany mivantana ho amin’ny fampandrosoana ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy hoan’ny mpiara-belona. #FIHAONANA #MPEB #ESSA #JONO #TOEKARENA_MANGA
Faritra Itasy : Hetsika fizarana zana-trondro

Tontosa ny faha 07 Novambra 2025 teo ny fizarana ireo zana-trondro izay natao ho fanohanana ireo mpiompy trondro ao amin’ny Faritra Itasy. Marihina fa ireto zana-trondro ireto dia avy amin ny Ministeran n’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Zana-trondro miisa 15000 no nozaraina tamin izany ka ny 7500 isa amin’ireo dia karpa ary 7500 isa kosa dia Tilapia. Notsinjaraina ho an’ireo Distrika telo ao amin’ny Faritra ireo zana-trondro ireo ka 5000 isa isaky ny Distrika tsirairay dia ny Distrikan’i Miarinarivo , Arivonimamo ary Soavinandriana. Ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana mivondrona ao anaty fikambanana na tsy ao anaty fikambanana no nisitraka izany. Marihina moa fa efa maro ireo resy lahatra amin’ ity seha-pihariana ity raha ao amin ny faritra Itasy no asiana teny #MPEB #DRPEB_Itasy #Zanatrondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
MPEB & SIAM : VONONA NY HIARA-HIASA HAMPANDROSOANA NY SEHATRY NY JONO ETO MADAGASIKARA

Ampandrianomby , Antananarivo. 7 Novambra 2025 Tonga naneho fahavononana hiara-hiasa miaraka amin’ny Ministry ny Jono sy ny Toekare-manga A/toa Chan Kit Waye ny SIAM na ireo (Syndicat des Ingénieurs Agronomes de Madagascar) nandritra ny fandalovan’izy ireo ny 7 novembre lasa Teo. Tamin’izany no nanamafisan’Andriamatoa Minisitry ny MPEB fiaraha-miasa akaiky ary anaty firaisan-kina no hatao ahafahana mampandroso haingana ity sehatry ny Jono ity miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo teknisianina maro fa indrindra ireo ingénieurs halieutes. « 𝐀𝐭𝐚𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐫𝐢𝐧𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨. 𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐦𝐚𝐧’𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐩𝐢𝐭𝐫𝐢𝐬𝐚 𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐦𝐢𝐣𝐞𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨𝐞 𝐢𝐳𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐲 , 𝐝𝐢𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 » hoy izy. Nanentana ny rehetra hiditra anaty fandraharahana manga izy Ary natolotra azy ny boky miarakitra ny fandaharanasa fohy ary mifanaraka amin’ny asa nangatahan’ny fitondram-panjakana azy. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #SIAM #INGENIEURS_HALIEUTES
Kaominina ambonivohitra Soanierana Ivongo, Distrikan’i Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo : Fizarana zana-trondro sy sakafo trondro hoan’ireo tantsaha.

Tsy mijanona amin’ny fampiofanana ara-teknika ireo tantsaha ny tohana omen’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa mitohy hatramin’ny Fanomezana ireo hana-pamokarana.Araka izany dia nozaraina zana-trondro Tilapia niisa 5000 sy sakafo trondro 30kg ireo mpiompy trondro miisa 10 ao Soanierana Ivongo ny faha 07 Novambra 2025 teo. Nifarimbona nahatontosa izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB sy ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo ORN avy ao Analanjirofa tamin’ny alalan’ny tetikasa HAFA VELOTEGNA izay vatsian’ny UNICEF vola. Tonga nanotrona izany ireo olo-manakaja sy tompon’andraiki-panjakana maro any an toerana.Velom-pisaorana ireo nahazo ny tohana ary maniry ny hihitaran’izany amin’ireo kaominina manodidina. #MPEB #DRPEB #ORN #Analanjirofo #Fiompiana_trondro #VELOTEGNA #UNICEF
Kaominina Ambanivohitra Analavoka,Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

Tontosa ny faha 08 Novambra 2025 lasa teo tao amin’ny Fkt Isifotra, Kaominina Ambanivohitra Analavoka, Distrikan’Ihosy ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro ka momba ny fiompiana trondro an-tanimbary (rizipisciculture) sy ny fanamboarana sakafon-trondro ary ny fitantanana azy no lohahevitra nifampizarana nandritra izany ary hita fa dia tena nahaliana olona maro. Miisa 92 ny mpiofana tonga nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity ary nanamafy izy ireo fa vonona ny hampihatra ireo fahalalana nozaraina taminy mba hahafahana manatsara ny velontena sy ho modely ka afaka ho amin’ny manodidina tahaka. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
FIHAONAN’A/TOA MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA SY NY AVY EO ANIVON’NY ISHM Toliara.

Tontosa ny zoma faha 07 novambra 2025 teo ny fihaonana teo amin’A/toa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ireo Tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny IHSM « Institut Halieutique et des Sciences Marines » Oniversiten’ i Toliara izay notarihin’Profesora Gildas Todinanahary. Fihaonana izay niompana tamin’ny fanamafisan’ ireo solontenan’ny IHSM izay nizarany ny vinan’izy ireo amin’ny fanohizana ireo fampiofanana maro isan-karazany mba hahamatihanina bebe kokoa ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny jono manerana ny nosy ka notsindriana manokana tamin’izany ny hahafahana mampiroborobo ny eo amin’ny lafiny fandraharahana. Eo ihany koa ny soso-kevitra amin’ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa izay efa misy eo amin’ny roa tonta mba hahafahana mandrindra sy manatsara ireo rafitra sy fikambanana mpisehatra eo amin’ireo karazana haza an-dranomasina manandanja ara-toekarena etsy andaniny ary mba hahafahana ihany koa mitondra bebe kokoa ireo vokatry ny asam-pikarohana hahafahana mampandroso ny sehatra mba hanatsarana ny haitondra sy ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina etsy ankilany. Izao no manaporofo ny finiavana eo amin’ny MPEB sy ny IHSM amin’ny fanatsarana hatrany ny famokarana avy amin’ny vokatry ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina ka hampisy fiantraikany mivantana ho amin’ny fampandrosoana ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy hoan’ny mpiara-belona. #FIHAONANA #MPEB #IHSM #JONO #TOEKARENA_MANGA
Faritra Alaotra Mangoro, Fanomezana asa ho an’ny rehetra ny mivarotra trondro izay asa mahavelona.

Anisan’ny asa mahavelona ny mivarotra trondro, indrindra ho an’ireo mponina ambanivohitra izay mamonjy tsena isan-kerinandro. Nidina ifotony, nanao fanentanana momba ny fihinana trondro teo amin’ny PK33, lalan’Anosibe-An’Ala ny #DRPEB_Alaotra_Mangoro. Mpiantsena manodidina ny 500 avy amin’ny faritra ambanivohitra no nanatrika izany fanentanana Atoa Fernan no mpamatsy fototra amin’ny trondro andranomasina, ka nentanina hatrany izy amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fitandremana ny hatsiaka mba hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Antenaina fa hiroborobo ny varotra taorian’ity hetsika ity, ka hahalafo trondro mihoatra ny 20 kg. #MPEB
FIHAONANA TEO AMIN’A/TOA MINISITRA & ONG BLUE VENTURES MADAGASCAR

Nihaona tamin’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗝𝗼𝗻𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗴𝗮 vaovao, Andriamatoa 𝗖𝗵𝗮𝗻 𝗞𝗶𝘁 𝗪𝗮𝘆𝗲 𝗝𝗮𝗰𝗼, ireo solontena avy ato amin’ny Blue Ventures Madagasikara, izay nialohavan’ny Andriamatoa 𝗚𝗶𝗹𝗱𝗮𝘀 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮, Directeur Pays, ho firariantsoa sy fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta Raha toa ka fanohanana ny fitantanana harena an-dranomasina amin’ny alalan’ny 𝗵𝗮𝗶𝘁𝗮𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻’𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗸𝗮 no isan’ny tena imasoan’ny Blue Ventures, dia nanamafy ny Minisitra fa isan’ny zava-dehibe ho azy indrindra ny 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝗲𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗸𝗮𝗶𝗸𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝘇𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆, izay mitàna anjara-toerana lehibe eo amin’ny sehatra ekonomika. Nambaran’i A/toa Minisitra ihany koa fa misokatra tanteraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo ONG mpisehatra sy mpiara-miasa akaiky amin’ireo vondron’olona ifotony ny tenany, ary manana finiavana ny hifanampy, indrindra fa ny amin’ny fampangaraharana sy fampandrosoana ny jono; Izany dia mba ho tombotsoa ho an’ny mpisehatra rehatra, indrindra ireo olona ifotony, mpanjono sy mpamokatra, izay vato ifaharana. Nozaraina tamin’izany indrindra ny 𝗽𝗮𝗶𝗸𝗮𝗱𝘆 𝟮𝟬𝟯𝟬, izay iezahanan’ny Blue Ventures 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗶𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗼 any amin’ny faritra hafa, mba hampahaleon-tena ny fikambanana misy azy ireo sy hanamafisana ny haitarika sy haintantana eny ifotony. Blue Ventures Madagasikara . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #ThrivingCommunitiesThivingOceans #MPEB #blueeconomy
Kaominina Ambonivohitra Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Atrikasa ho fanatsarana ny seha-pamokarana zana-trondro sy fanatavezana trondro.

Mba hidiran’ny mpiompy trondro ao anaty fandraharahana tanteraka ka ho hahatonga azy ireo ho matihanina eo amin’ny sehatry ny famokarana izay ataony indrindra eo amin’ny lafin’ ny famokarana zana-trondro sy fanatavezana trondro dia nisy ny atrikasa izay natao ny faha 06 Novambra 2025 teo tao amin’ny Hotel Nambinina Ambositra ,Kaominina Ambonivohitra Ambositra. Ny lohahevitra tamin’ity atrik’asa ity niompana tamin’ny fankatoavana ny fomba fanangonana ireo antontankevitra izay mifanindrandalana amin’ny famolavolanadia ny hoe » Atelier de validation de ireo fitaovana fampiofanana mahakasika ny sekoly handraharahana momba ny kaoperativa ka ny tetikasa GIZ no niaraka nanatontosa izao hetsika izao. Solontena avy amin’ny antokondraharaha maro no tonga nandray anjara tamin’ity atrikasa ity indrindra fa ireo izay miantsehatra amin’ny fiompiana trondro avy ao amin’ireo kaominina izay nanaovana ny fanadihadiana. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Fanatsarana_famokarana_zanatrondro_sy_fanatavezana_trondro
Kaominina ambonivohitra Mahajanga, Distrikan’i Mahajanga I Faritra Boeny. Fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Komity mpanatanteraka ny PAP ao amin’ny helidranon’i Mahajamba.

Tontosa ny faha 07 Novambra 2025 teo tao Mahajanga ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo Komity mpanatanteraka izay hanatanteraka ny vinan’asa araka ny voarakitra ao amin’ny « Plan d’aménagement de la Pêcherie »na ny Drafi-panajarian’ny Jono hoan’ny helidranon’i Mahajamba. Nisy ihany koa ny fandaniana ny lahatrasa hotanterahan’izy ireo mandritra ny enim-bolana .Nahatonga solontena niatrika izany avokoa ireo mpanjono madinika sy vaventy,ny solontenan’ny VOI ,ny Oniversite ny mpanangom-bokatra sy mpanao kinanga ary ny fiarahamonim-pirenena sy mpiaramiombon’ antoka. Nitarika ny fivoriana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Boeny sy SOFIA ary notronin’ny ny DREDD,ny CSP ary ireo ben’ny tanàna maromaro any an-toerana. Nanome ny tantsoroka nahatontosana izao hetsika izao ny ONG Bleue Ventures sy ny orinasa Aqualma. #MPEB #DRPEB #PAP #BOENY #ONG_Beu_Ventures #Aqualma.
