Fampivondronana ireo mpanjono tompontany sy mpihavy.

Mpanjono madinika ao amin’ny kaominina Maria rano , Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny no navondrona anaty fikambanana mba hahafahana mandrindra ny asa fanjonoana izay foto-piveloman’izy ireo.Hita ao avokoa ireo tompon-tany sy ireo mpanjono mpiavy (vezo) izay miara-miasa ao an-toerana.Nisy ihany koa ny fizarana karatra maha mpanjono hoan’ireo mpanjono madinika miisa 153 izay nataon’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra ny Jono sy ny Toekarena Manga @DRPEB Boeny niaraka tamin’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB ary notronin’ny lehiben’ny Fkt Marosakoa. Tanjona tamin’izao hetsika izao ny fandrindrana ny asa fanjonoana ao an-toerana mba hisian’ny fiarahamiasa sy fiaraha- monina mirindra ho an’ny rehetra. #MPEB #DRPEB #Boeny #CirPEB #jono_madinika_maharitra #Asa_Manga
FITRANDRAHANA DRAKAKA : MISOKATRA TANTERAKA AMIN’IREO MPANDRAHARAHA MALAGASY ARY ANATIN’NY FANGARAHARANA TANTERAKA

« Zéro tolérance » ho an’izay rehetra Manao kolikoly hoy A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga CHAN KIT WAYE JACO Raha nitafa tamin’ireo mpandraharaha malagay mpisehatra rehetra ny tenany Anio. Ho diovina tanteraka ny eo amin’ity seha-pihariana ity ary miverina amin’ny ara-dalana daholo ny rehetra araky ny nambarany hatrany. Misokatra tanteraka ho an’ny mpandraharaha Malagasy arak’izany manomboka izao ny fitrandrahana drakaka na #crabe # eto Madagasikara. Ity no fikaonan-doha voalohany niarahan’ireo mpandraharaha Malagasy sy ny avy eto anivon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarana manga hamaritana ireo fitsipika hifampifehezana amin’ity seha-pihariana drakaka ity mba tsy hisian’ny kolikoly fa hitsinjovana ny tombontsoa iombonana . Anisan’ny notsindriana mafy fa mila #matihanina ireo mpandraharaha hitsinjovana ny Tombotsoan’ny Firenena indrindra amin’ny lafiny vidim-bokatra mba ho tsaratsara kokoa . Mila Mivondrona izy ireo ary manolotra soso-kevitra amin’ny fitsinjarana ireo « quotas » rehetra izay manaja ny lanjan’ny drakaka azo alaina izay 4 250T ary ny refy kely indrindra amin’izay dia 11cm. Marihina fa ny 15 desambra 2025 ho avy izao ny fisokafan’ny taom-panjonoana drakaka manerana ny Nosy Ary Tsy ny drakaka irery ihany hoy izy fa na ny makamba sy ireo hafa dia ho sokafana amin’ny rehetra avokoa Ary ho alamina izay mety ho sakatsakana misy . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #DRAKAKA #FITRANDRAHANA #MANGARAHARA #TSY_MISY_KOLIKOLY
FIHAONANA TEO AMIN’NY MPEB SY NY GAPCM , Ampandrianomby, Antananarivo – Faritra Analamanga

Nihaona sy nifampidinika tamin’Atoa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera tao Ampandrianomby-Antananarivo ireo ny solontenan’ny GAPCM na ny « Groupement des Armateurs à la Pêche Crevettiere de Madagascar » ny 06 Novambra 2025 lasa teo. Fihaonana natao indrindra ho fifanakalozan-kevitra sy fifampizaràna amin’ny fanatsarana ny seha-pihariana makamba eto Madagasikara. Nandritra ny dinika dia noresahana manokana ireo olana sedrain’ireo mpandraharaha sy ny vahaolana hanatsarana ity seha-pihariana ity. Namporisihin’Atoa Minisitra ity vondrona miantsehatra eo amin’ny sehatry ny Jono makamba ity mba haneho hatrany ny amin’ny maha matihanina azy ireo amin’ny asa fandraharahana izay efa nananany traikefa ampolotaonany maro. Nanamafy ihany koa Atoa Ministra fa misokatra hatrany ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra tsy miankina maniry handray anjara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny makamba sy ny jono amin’ny ankapobeny mba ho tombontsoan’ny maro fa indrindra ireo mpanjono madinika eny ifotony izay tsy afa-misaraka amin’ireto fikambanana ireto. #MPEB #GAPCM #Jono_Makamba_Maharitra #ToeKarena_Manga #Fampandrosoana
Distrikan’ny Vangaindrano,Faritra Atsimo Atsinanana. Tetikasa MAMATSY : Nanolotra fitaovana maro hoan’ireo mpanjono madinika.

Tontosa soamantsara ny faha 04 Novambra 2025 teo ny fanoloran’ny tetikasa MAMATSY ny fitaovam-panjonoana sy salotra vonjy aina, Fanolorana vata fapangatsiahina nasiam-panamboarana ary Fanolorana tsena vaovao ny trondro ka kaoperativan’ny mpanjono miisa 3 no nisitraka izany dia ny kaoperativa Soamanakavana ao Fenoambany, ny kaoperativa Zadoa avy aoTsaramandroso ary ny Kaoperativa Soamiray ao Masianaka. Amin’ireto fitaovana notsinjaraina ireto dia ahitana harato miisa 136 sy kojakoja miaraka aminy,salotra vonjy aina miisa 68, ny « Palangre » miisa 68 sy ireo kojakoja miaraka aminy, vata fapangatsiahina nasiam-panamboarana ka 4 napetraka tao Fenoambany ary 10 kosa hoan’ny Masianaka ary farany dia ny tsena hivarotana ny hazan-drano . Marihina fa ny tetikasa MAMATSY dia tetikasa taterahin’ny ONG AIM ary vatsian’ny banky Alimanina BMZ. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #Fampitaovana_Mpanjono_madinika #Tetikasa_MAMATSY #ONG_AIM #BMZ
Faritra Alaotra Mangoro:Fanentanana ireo tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Ilaina ny fanentanana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fantson-tserasera isan-karazany hisorohana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny sehatry ny Jono, ny fambolena ary ny tontolo iainana. Ny radio no isan’ireo mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanentanana mipaka eny ifotony.Nisy araka izany ny fandaharana niarahana tamin’ny « Radio Plus » tao amin’ny efitrano fivorian’ny DRAE Alaotra Mangoro ny faha 4 Novambra 2025 teo.Fotoana nahafan’ireo tantsaha niadi-hevitra tamin’ireo ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB,ny fambolena sy ny Fiompiana #DRAE ary ny avy ao amin’ny DREDD faritra Alaotr Mangoro. Voasolotena avokoa ny mpanjono,ny mpamboly ary ny Vondron’olona ifotony VOI ka ny ONG Tafomiaavo no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izany. Noresahina manokana nandritra izany ny fahatotofan’ny farihin’alaotra,ny fitotonganan’ny kalitaon’ny vokatra trondro izay anisan’ny fisehon’ny fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny sehatry ny Jono. Efa misy ny vahaolana voarakitra ao amin’ny Drafi-panajariana ny Jono PAP hoan’ny farihin’alaotra hampihenana izany loza mitatao izany.Tanjona ny hisian’ny jono maharitra sy ho lovain-jafy any an-toerana. #MPEB #DRPEB #Alaotra Mangoro #PAP #Fanentanana_ifotony_Radio_Plus #Jono_andranomamy_maharitra #Tafomiaavo
Taolagnaro, Faritra Anôsy, Atrikasa fanombanana ny fandrosoan’ny asa iarahana amin’ny FAO.

Tontosa ny faha 05 Novambra 2025 tao amin’ny Hôtel VINTANA, Taolagnaro, Faritra Anôsy, ny atrikasa fanombanana ny fandrosoan’ny asa iarahana amin’ny #FAO, izay tohanan’ny #tetikasa_MIONJO. Nandray anjara ny Faritra Anôsy sy ireo solontena avy amin’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny Fambolena ary Fiompiana. Ho an’ny sehatry ny Jono manonkana, dia noresahana ny fandrosoan’ny fanamboarana trano fitehirizam-bokatra izay hametrahana vatafampangatsiahana sy fanadiova trondro ao Tanandava sy Andranobory, izay eo amin’ny dingan’ny fiantsoana tolotra amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fanitarana nomena ny FAO vokatry ny fanaraha-maso izay nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia fantatra fa ny 30 Jona 2026 no daty famaranana ofisialy ny tetikasa. Nasehon’ny FAO ihany koa ny tetiandro sy ny fandaharam-potoana vaovao momba ny asa sisa hatao, izay hozaraina amin’ny DRPEB ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana. #MPEB #DRPEB_Anôsy
Kaominina Ambonivohitra Tsiroanomandidy, Distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. fampiofanana fiompiana trondro eny ifotony.

Mbola malalaka ny sehatry fiompiona trondro eto Madagasikara.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB manome fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro ireo tantsaha eny ifotony.Mpino loterianina niisa 106 avy eo ao amin’ny Fkt Andrefan’ny Gara, kaominina Tsiroanomandidy no nisitraka fampiofanana hahafahana miompy trondro an-tanimbary sy an-dobo ny faha 31 Oktobra 2025 teo. Resy lahatra tanteraka izy ireo rehefa avy noentanina ka eo an-dalampanangana fikambanana izay hahafahana mampitombo tsara ity seha-pihariana hahazahoana tombony maro ity. #MPEB#DRPEB#Bongolava # Asa_manga# Fiompiana Trondro
HATSARAINA ARY HAMAFISINA HATRANY NY FIARAHA-MIASA HOY NY MINISITRA CHAN KIT WAYE Jaco.

Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fampandrosoana maharitra sy fampiroboroboana ny sehatry ny #Jono sy ny #Toekarena_manga ny fisan’ireo ratsamangaika sy sampan-draharaha samihafa eto anivon’ny Ministera ka anisan’izany ny ny #ASH (Autorité Sanitaire Halieutique ), izay anisan’ny notsidihan’A/toa Minisitra Anio , izy ity izay miantoka amin’ny fiarovana ny vokatra an-dranomasina sy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fanjonoana azy. Ankoatra izay, dia nitsidika ihany koa ny #CSP (Centre de Surveillance des Pêches) ny minisitra. Nandritra ity fitsidihana ity, dia nifanakalo hevitra tamin’ny mpiandraikitra ao amin’ny CSP ny tenany mahakasika ny fanatsarana ny asa Amin’ny ankapobeny izay zava-dehibe amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy hisorohana ny Jono tsy manara-dalana amin’ny endriny rehetra . Tsara ny Manamarika fa ny sehatry Jono dia anisan’ny sehatra hiveloman’ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy tokony hatao ambaninjavatra ny fanaraha-maso ka izany indrindra no antom-pisian’ity sampana fanaraha-maso ny Jono ity eto anivon’ny Ministera. Nandritra ny fitsidihana, dia nanamafy ny fanentanana ireo mpiasa ny minisitra mba hiara-hiasa tsara sy miaraka ho an’ny fampandrosoana maharitra Ary nanamarika ihany koa ny fanoloran-tenany amin’ny fanatsarana ny asa sy ny fanohanana ny mpiara-miasa, izay tena ilaina amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina ho Lovain-jafy. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #CSP #ASH
Secteur Morafeno,Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, Distrikan’Ambanja,Faritra DIANA. Fitsidihana sy fitsirihana toerana hiompiana trondro.

Taorian’ny fanentanana sy fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro nataon’ny ekipan’ny CirPEB Ambanja dia nisy tamin’ireo mpiofana no vonona avy hatrany ka hiroso amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Arak’izany dia nisy ny fitsidihana sy fitsirihana nataon’ny tompon’andraikitra sy ireo teknisiana teo anivon’ny DRPEB DIANA izay natao ny faha 31 Oktobra 2025 teo tao amin’ny secteùr Morafeno, Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra ,Distrikan’Ambanja, Faritra Diana . Ity fitsidihana ity dia natao hitsirihana mialoha ny toerana hiompiana trondro Tilapia hahafahana manome toromarika misimisy kokoa alohan’ny hanorenana ny toeram-piompiana trondro. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Ambanja #Fiompiana_Trondro_Tohana_ara_teknina #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina ambonivohitra Antsiranana , Distrikan’ Antsiranana I, Faritra DIANA. Fanamafisana ny fahaiza-manao mikasika ny fiarovana ny morontsiraka.

Anisan’ny paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fampandraisana anjara ireo vahoaka amin’ny fiambenana ny morontsiraka.Tanora 43 avy ao Nosy Hara Antsiranana II no niatrika fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny fiarovana sy ny fiambenana ny morontsiraka. fiofanana izay niatomboka ny faha 28 Oktobra ka tsy nifarana raha tsy ny faha 30 Oktobra 2025 teo ary notontosaina tao amin’ny Hôtel de la Poste Antsiranana. Ny tan-tsoroka avy amin’ny WWF sy ny fikambanana MAHARE no nahatontosana izany.Ankoatran’ny fiarovana ny ranomasina sy ny morontsiraka dia nofanina mikasika ny lalàn-tsaina(C4D/SBC) mivoy ny fomba hanovana toe-tsaina ihany koa ny mpiofana satria izy ireo no hampita ny fiofanana azony amin’ny tanora namany any amin’ny toerana niaviany tsirairay avy.Ny Kit MAD’ErE no fitaovana fanentanana hampiasain’izy ireo amin’izany. Nanome torohevitra ara-teknika tamin’izao fampiofanana izao ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekrena Manga DRPEB sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy DREDD DIANA. #MPEB #DRPEB #DIANA #Fiarovana_morotsiraka #WWF #C4D_SBC
