Distrikan’Ihosy ,Faritra Ihorombe. Hetsika fizarana zana-trondro

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fizarana zana-trondro izay fanohanana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB hoan’ireo izay mpiompy trondro nanaraka fiofanana ka tapa-kevitra hiroso tanteraka amin’ity seha-pihariana fiompiana trondro ity. Notsinjaraina tamin’ny Kaominina niisa efatra(04) tao amin’ny Distrikan’Ihosy ireo zana-trondro dia ny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Sakalalina, Analaliry,Ambatolahy ary Satrokala. Ny faha 31 Oktobra 2025 teo no nanaovana ity hetsika ity ka zana-trondro niisa 1900 amin’ireo 15000 anjaran’ny Faritra Ihorombe no nozaraina tamin’ireo solontenan’ireo mpiompy trondro isak’ireo kaominina izay voalaza tetsy ambony ireo. Nitondra ny fankasitrahana izy ireo ary nanome toky fa hiezaka ihany koa ho fahombiazana amin’izao seha-pihariana izay hahitana tombony maro izao ary efa maharesy lahatra olona amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Tohana_zana-trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Amboditandroho, Distrikan’i Toamasina II , Faritra Atsinanana. Fanatevenana ny tahiry trondro.

Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny dia hita fa mihavitsy ireo trondro ao amin’ireto farihy lehibe tatanin’ny fanjakana.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manohy ny ezaka rehetra hanatevenana izany mba ho Lovain-jafy sy hahazoan’ny rehetra tombony. Araka izany dia nisy ny fandrotsahana zana-trondro 3500 isa tao amin’ny farihy Andovolalina , izay ao amin’ny kaominina ambanivohitra Amboditandroho ny faha 31 Oktobra 2025 teo . Izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsinanana sy ny fikambanan’ny mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana antsoina hoe BEZORO FARM ao an-toerana.Tanjona ny hampitomboana isa ny trondro isitrahan’ireo mpanjono madinika amin’ny fotoam-panjoana manaraka. #MPEB #DRPEB #Atsinanana #Fandrotsahana_zana_trondro #BEZORO_FARMA #Jono_andranomamy_maharitra

Kaominina ambanivohitra Anorombato, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny. Fampiofanana ho matihanina ireo mpiompy trondro.

Maro ireo tantsaha eto Madagasikara no efa miompy trondro saingy tsy mbola matihanina amin’izany izy ireo.Noho izany no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB manao ny ezaka rehetra amin’ny fanomezana maimaimpoana ny fanofanana ireo tantsaha efa misehatra na ireo izay maniry hirotsaka amin’ity sehatra ity. Araka izany ary dia mpiompy trondro niisa 15 ao amin’ny kaominina Anorombato no nisitraka fiofanana avy amin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Fitovinagny izay mikasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ny fa 30 Oktobra 2025 teo. Hetahetan’izy ireo ny ho lasa matihanina ka mangataka hanohizana ny fiofanana mikasika ny fomba fanamboarana sakafo trondro ary ny hamatsiana zana-trondro tsara kalitao ihany koa.Ny fidinana ifotony nitsidihana ireo dobon’ireo mpiompy trondro no namarana ny fampiofanana. #MPEB #DRPEB #Fitovinagny #Fiimpiana_trondro #Asa_manga.

Collège Saint Joseph, Kaominina Ambonivohitra Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Fanomezana tantsoroka ireo mpiompy trondro.

Ny faha 30 Oktobra 2025 teo dia tonga nidina ifotony sy nanao fitsidihana tao amin’ny Collège St Joseph Moramanga ny ekipan’ny CirPEB Moramanga. Fitsidihana izay nitondrana tantsoroka momba ny fanamboarana dobo sy fanombohana ny fiompiana trondro izay ataon’ity toeram-pampiofanana ity. Marihina fa efa nahazo fiofanana sy fitsidihana niaraka tamin’ny arbiochem ihany koa izy ireo ary ity no fitsidihana faharoa natokana ho aizy ireo. Efa azo handefasana zana-trondro ny toerana ka nomena tsara ny toro-marika hampahomby ny fiompiana trondro izay hilofosana. #MPEB #DRPEB #Alaotra_Mangoro #CirPEB_Moramanga #Tantsoroka_fiompiana_trondro

Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Distrikan’Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra. Akon’ny Fampiofananana mikasika ny fiompiana trondro.

Misokatra amin’ny sehatra rehetra ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro.Tantsaha niisa 34 no nisitraka ny tohana avy amin’ny FMFP tamin’ny alalan’ny sinodam-paritany avaratr’i Mania (SPAM) no nizaran’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Vakinankaratra ny teknika fototra mikasika ny fiompiana trondro ny faha 27 hatramin’ny 29 Oktobra 2025 teo araka ny tetiandro efa napetraka. Nitohy tamin’ny fidinana ifotony ny fampiofanana ka nanitsiana ireo fomba fanamboarana dobo sy nihainoana ny hetahetan’ireo mpiompy trondro.Hivondrona anaty fikambanana iray ny ankamaroan’izy ireo mba hahafahany mametraka tanjona iraisana eo amin’ny fampandrosoana ny fiompiana trondro. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #FMFP #SPAM #mpiompy_trondro #asa_manga.

Kaominina Ambanivohitra Antsoha, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofananana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony.

Mifameno ny fambolem-bary sy ny fiompiana trondro an-tanimbary.Nisy araka izany ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro sy ny fomba fambolem-bary izay notanterahin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB sy ny DRAE ihorombe tao amin’ny FKT Antsoha ny faha 28 Oktobra 2025 teo.Nozaraina nandritra izany ny teknika fampivadiana ny fiompiana trondro sy ny fambolem-bary.Tantsaha 33 avy ao an toerana no niatrika izany izay narahin’ny Teknika amin’ny fitantanana ny sakafo trondro. Vonona ny hampihatra izany izy ireo ka hantenaina fa hampiakatra ny vokatra trondro any an- toerana izao fifampizarana torohevitra ara-teknika maimaimpoana izao. Nandray anjara tamin’ny fanatontosana izao fampiofananana izao ny ONG TSIMOKA. #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro #Asa_manga #ONG_Tsimoka.

𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨, Ampandrianomby , Antananarivo

Tontosa Anio ny Fifamindram-pitantanana Teo amin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Teo aloha A/toa MAHATANTE Paubert sy ny Minisitra vaovao hisahana ity departemanta ity manomboka androany A/toa CHAN KIT Waye Jaco. 𝗠𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗧𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗿𝘆 𝗺𝗶𝗿𝗮𝗿𝘆 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗱𝗲𝗽𝗮𝗿𝘁𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼.. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue .

Faritra Amoron’i Mania. Fanomezana tohana hoan’ny mpiompy trondro.

Notanterahina ny faha 27 Oktobra 2025 teo ny fizarana ireo zana-trondro avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB izay zana-trondro miisa 17 500 eo ary Raiamandrenin’ny Trondro toy ny Tilapia miisa 20 eo sy Karpa miisa 20 eo ary tsy adino ihany koa ny provandy niisa 7 lasaka.    Raha ny fitsinjarana ireo fanohanana ireo dia nomena ny mpitantana ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) ny Raiamandreny trondro sy ny provandy mba entina avy hatrany hanombohana ny famokarana ary ny zana-trondro kosa dia nozaraina tamin’ny Distrika 03 ao amin’ny faritra izay ny Fikambanana ara-dalana sy manana karatra maha-mpiompy trondro no nomena ary teo ihany koa ireo olontsotra misehatra amin’ny fiompiana trondro izay hita fa miezaka ka mila fanampiana ary farany dia tsy adino ireo mpanao asa soa eto amin’ny Faritra ka hita fa manana dobo manaraka ny fenitra sy ara-dalana.    Nanome hafatra azy ireo ny DRPEB amin’ny hakàna antontan’isa aorian’ny fiakaran’ny vokatra. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Tantsoroka_Mpiompy_Trondro_ifotony #Asa_Manga #Toekarena_Manga

FLM Ambohijatovo Vangaindrano,Faritra Atsimo Atsinanana. Akon’ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro.

Tontosa soamantsara ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny famaliana ny fangatahana nataon’ny avy ao amin’ny fikambanana FANILO eo anivon’ny fiangonana Loterana FLM Vangaindrano izay fangatahana hanomezana fampiofanana fiompiana trondro azy ireo. Miisa 26 ireo Kristianina nisitraka ny fiofanana ary nifampizarana tamin’izany ny mahakasika ny famokarana zana-trondro, ny fiompiana trondro an-dobo, ny fomba fikarakarana ary ny fomba fanomezana sakafo ho an’ny trondro .       Taorian’ny fampiofanana dia nangataka tohana zana-trondro moa ireo mpiofana ka nampanatena ny avy ao amin’ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana fa hisitraka izany tsy ho ela ireo izay nahavita dobo trondro ka vonona hampihatra ny fiofanana. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #Fikambanana_Fanilo #FLM_Vangaindrano #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Distrikan’i Vangaindrano sy Vondrozo, Faritra Atsimo Atsinanana. Fanolorana ireo tantsaha mpampita miara-miasa amin’ny GIZ/Prosar.

Isan’ny mpiara-miombon’antoka manohana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fampiroboroana ny sehatry ny fiompiana trondro ny GIZ/Prosar miaraka amin’ny ONG WHH sy GSDM.Mpiompy trondro miisa 119 no nisitraka tohana avy aminy ka nisy ihany koa ny toeram-piompiana lalitra « Black Soldies Fly »BSF 17 isa napetraky ny tetikasa izay hahafahana mamokatra olitra hatao sakafo hoan’ireo trondro.Araka izany dia nisy ny fitetezana ireo kaominina niisa 16 ao anatin’ny Distrikan’i Vangaindranosy Vondrozo izay notontosain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Atsimo Atsinanana niaraka tamin’ireo Fitaleavana maromaro misy ao amin’ny faritra toy ny DRAEH,ORN,DRSP,DRAE, DRETFP ny faha 13 ka hatramin’ny 25 Oktobra 2025 teo.Nandritra izany no nanolorana ireo tantsaha niisa 220 ho fantatr’ireo manam-pahefana eny ifotony izay narahina fanolorana mari-pankasitrahana « certificat » ho azy ireo.          Noentanina ihany koa ireo Mpiompy trondro ny amin’ny tokony hananany karatra maha mpiompy sy ny fidirana anaty fikambanana ary ny fanaovana tatitra ny vokatra mba hahafahana misitraka tombontsoa maro rehefa tafiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana.Nohamafisina koa ny tokony hanajana ny fotoana fikatonana vonjimaika momba ny fanjonoana an-dranomamy any an toerana izay nanomboka ny faha 15 Oktobra teo ka tsy hifarana raha tsy ny faha 15 Novambra 2025. #MPEB #DRPEP #GIZ_Prosar #WHH #GSDM #Fiompiana_trondro