Libanona Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anôsy.Fandraisana ireo fitaovana fitehirizambokatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Noraisina tao amin’ny Fitaleavam paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy ny faha 24 oktobra 2025 teo ny fitaovana  » kits  » fitehirizana hazandrano miisa 15 izay nahitana vata fampangatsiahana 200L mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “panneaux solaires » miisa 15 izay marihina fa ny GIZ Prada Taolagnaro no nanolotra izany fitaovana izany.          Natao izao fampitaovana izao mba hitsinjovana ireo mpanao kinanga sy mpiompy fia ao amin’ny Faritra hitazomana hatrany ny kalitaon’ny vokatra. Izao dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny GIZ PrAda izay novatsian’ny Vondrona Eorepeanina (UE) ary mbola ho maro ny fitaovana andrasana izay mbola eo ampividianana azy toy ny lakana vita amin’ny “fibre de verre”, motera, salotra vonjy aina, sns. #MPEB #DRPEB_Anosy #GIZ_Prada #UE #Fampitaovana_Mpanjono_madinika_Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambonivohitra Ambositra,Distrikan’Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Akon’ny Fampiofanana fiompiana trondro.

Notanterahina ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro izay nampanoavin’ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania izay natao tao amin’ny FLM Ilaka Centre,Kaominina Ambonivohitra Ambositra ka ny FAFAFI SPAM no niara nanatontosa sy nanampy tamin’izao fampiofanana izao ary fiaraha-miasa amin’ny Synodam-Paritany Avaratr’iMania.      Miisa 65 no tonga nanatrika ny fampiofanana ary hantenaina fa mbola hitohy moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana mba hanatsarana ny fari-piainan’reo mpiara belona indrindra ireo tanora mba hampiroboroboana ny seha-pihariana trondro ao Ilaka Centre. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #FAFAFI_SPAM #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Mavorano, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany. Fanomezana tan-tsoroka ireo mpiompy trondro voaofana.

Tsy mamela irery ireo tantsaha vao avy nahazo fiofanana momba ny fiompiana trondro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa manome hatrany tantsoroka ara-teknika mikasika ny fanamboarana dobo.Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB izay ratsamangaika eny amin’ny faritra no manantontosa ny asa mivantana any ifotony.Araka izany dia nidina an-tsehatra tao Mavorano ny ekipan’ny#DRPEB Fitovinany ny faha 24 Oktobra 2025 teo nijery ny fizotra ny fanamboarana dobo misa 10 manana velarana mitotaly 3000 metatra toradroa.        Nozaraina nandritra izany ireo teknika fototra mikasika ny fomba fanamboarana dobo mba fanampiana azy ireo hahazo vokatra tsara. #MPEB #DRPEB #Fitovinagny #Fiompiana_trondro #Asa_manga.

Alakamisy Anivosoa, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny : Fanentanana momba ny fikatonan’ny Jono an-dranomamy.

Notanterahina ny faha-23 Oktobra 2025 teo ny fidinana tao Alakamisy Anivosoa, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy izay nataon’ ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Fitovinagny izay nanentanana ireo mpanjono mba hanaja hatrany ny fe-potoana fikatonan’ny Jono an-dranomamy izay nanomboka ny faha 15 Oktobra lasa teo ka hatramin’ny faha 30 Novambra 2025 hoavy izao.      Nampatsiahivina hatrany fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra ho raisina manoloana ireo izay mbola mihoapefy satria izao no hatao dia ny hitsinjovana ny mba hampaharitra ny jono an-dranomamy ho lovainjafy. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Fikatonan_ny_jono_andranomamy #Fanentanana_ifotony #Jono_an_dranomamy_maharitra

Kaominina ambanivohitra Sahamatevina sy Vatomandry, Distrikan’i Vatomandry Faritra Atsinanana.Fandrotsahana zana-trondro ho fanatsarana ny jono an-dranomamy maharitra.

Ezaka imasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny fanatevenana ireo tahiri-trondro amin’ireo renirano amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro mandritra ny fotoam-pikatonan’ny jono an-dranomamy ao anatin’ny faritra iray.Araka izany dia notontosaina ny fandrotsahana zana-trondro 4000 isa tao amin’ny reniranon’i Sandramanongy Maroloha ao amin’ny distrikan’i Vatomandry ny faha 23 Oktobra 2025 teo.     Ny fiarahamiasa amin’ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana no nahafahana nanao izao hetsika izao amin’ny fifanomezantanana mba hanatrarana ny vina ho amin’ny jono an-dranomamy maharitra ho lovainjafy. #MPEB#DRPEB ATSINANANA#Fandrotsaha na zana-trondro# Jono an-dranomamy maharitra

Kaominina Ambonivohitra Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. ZEP (Zone d’Emergence Piscicole ) Ampivarotanomby Ambositra: Hatsaraina ny fomba fitantanana azy.

Notanterahina ny faha 23 Oktobra 2025 teo tao amin’ny efitranon’ny Lycée Technique Ambositra ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny ekipa avy ao amin’ny ONG TAFA (Tanora Antoky ny Fampandrosoana Aho) mahakasika ny fomba hitantanana ny ZEP ao Ampivarotanomby, Ambositra ka mpikambana miisa 07 no nisitraka sy nanatrika an’ity fampiofanana ity. Marihina fa efa miodina soamantsara ity ZEP ao Ampivarotanomby Ambositra ity ary tsy ho ela dia hiditra amin’ny famokarana zana-trondro tsara kalitao izy ity izay hamatsihana ireo mpiompy trondro ao an-toerana sy ny manodidina. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #ZEP #ONG_TAFA #Famokarana_Zanatrondro #Toekarena_Manga

Faritra Ihorombe. Fanohanana ireo mpiompy trondro.

Mitohy androany faha 23 Oktobra 2025 ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fizarana ireo zana-trondro hoan’ny Faritra Ihorombe izay zava_dehibe tokoa amin’ny fanohanana ireo mpiompy trondro. Raha toa ka zana-trondro miisa 3000 amin’ny zana-trondro 15000 no nozaraina amin’ny Kaominina telo (Zazafotsy, Ambia, Sahambano) ny faha 21 Oktobra 2025 teo dia zana-trondro miisa 1600 indray no tsinjaraina amin’ny ny Kaominina telo dia ny Kaominina Ambanivohitra Ranohira, Kaominina Ambanivohitra Andohanilakaka ary Kaominina Ambanivohitra Ilakakabe.       Marihina moa fa tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano amin’ny alalan’ny sehatry ny fiompiana trondro ary manamafy ny fandrosoana ara -toekarena ho an’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #zanatrondro #Toekarena_Manga

Kaomina Ambanivohitra Amboditandroroho, Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana. Fandrotsahana Zana-trondro

Nitohy ny faha 21 Oktobra 2025 teo ny fandrotsahana zana-trondro tao anatin’ny lakandranon’i Pangalana atsimo, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Amboditandroroho, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana izay anisan’ny ezaka mitohy mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono an-dranomamy eo anivon’ny faritra, izay mikendry ny hampitombo ny harena anaty rano sy hanohanana ny fampandrosoana maharitra ny jono an-dranomamy.            Zana-trondro miisa 6 500 no narotsaka tamin’ity fotoana ity ary marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Kaomina Amboditandroroho sy ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana ao amin’ny faritra. Ireo mpiompy ireo dia nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanomanana sy ny famokarana ireo zana-trondro ireo. #MPEB #DRPEB_Atsinanana #fandrotsahana_zana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_manga

ENGA Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Fihariana anaty rano : Miroso hatrany ny asa fanamboarana Ireo dobon-trondro.

Androany 20 Oktobra 2025 dia nisy ny fijerena ny fizotry ny fandroson’ny asa mikasika ny fanamboarana dobon-trondro manarapenitra ao amin’ny EGNA Ankorombe Ambositra izay teo ambany fanohanan’ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Amoron’i Mania. Amin’ny ankapobeny dia miroso hatrany ny asa ary efa kely sisa dia ho vita ity fanamboarana dobon- trondro ity.      Ankoatran’izay dia natoro azy ireo ihany koa ny fomba fanaovana ny « correction acidité » ny toerana mba hampahomby ny famokarana alohan’ny hampidirana rano hanaovana ny fiompiana trondro . Vinavinaina ho amin’ny herinandro ambony farafahatarany dia hisy avy hatrany ny fandrotsahana trondro ao amin’ireto dobon-trondro ireto. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #ENGA #Asa_Manga #Toekarena_Manga