Ambalamanga, Fokontany Befitina, Nosy Be hell Ville, Faritra Diana.
Fametrahana « Disposition de Concentration des Poissons » miiisa 06

Noho ny fiarahamiasa tamin’ny #MNP_Nosy_Tanikely sy Fédération de Pêcheurs ary CirPEB Nosy Be, dia tontosa ny faha ny 27 May 2025 ny fametrahana « Disposition de Concentration des Poissons » na DCP miiisa 06, ao amin’ny TGRH Ambalamanga, izay Faritra tantaniny Fikambanana Mpanjono ao Hell-ville Nosy Be. Tonga nanontrona ny fametrahana izany ny solontena avy ao amin’ny #CirPEB_Nosy_Be, ny avy ao amin’ny Fikambanan’ny mpanjono ny avy ao amin’ny MNP Nosy Tanikely. #MPEB

Fokontany Ambohiponana, Kaominina Ambanivohitra Manandona, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
TGRH, VOI fahadimy ho an’ny Faritra Vakinankaratra.

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny 27 May 2025, tao Manandona ny #VOI_FIAMI ary notolorana ny boky izay mirakitra ny famindram-pitantanana ny Farihy Manaramila manaraka ny dingana takin’ny #TGRH. Ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ben’ny Tanàna Manandona ary ny Filohan’ny VOI FIAMI no miara-manao sonia ary hanara-maso ny fanatanterahana ny bokin’andraikitra. Isaorana Atoa Lehiben’ny Distrika Antsirabe II, tonga nanome voninahitra ny fotoana ary nitarika izany. Ny tanjona dia ny hanomezana asa mahavelona ho an’ny mpanjono, hitantanana ny farihy amin’ny fomba mangarahara sy maharitra, ary hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao an-toerana. Naneho ny fahavononany araka izany ity VOI vaovao ity ka dia mirary soa azy ireo. Ankasitrahana hatrany koa ny fanohanan’ny programa #FANAINGA+ amin’ny alalan’ny #koperativa_FIFIMPAVA. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Carlton Anosy, Faritra Analamanga
Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara

Araka ny efa fantantsika dia Firenena efa manana ny fitaovana rehetra afaka hampiasana hafahana mampiroborobo ny Toekarena Manga i Madagasikara. Maro amin’ireo Firenena eo anivon’ny SADC no maka tahaka antsika noho izany. Manoloana izany indrindra dia mila mitady loharanom-bola ny Ministera entina hanatanterahana an’izany, mamadika ny loharanon-karena ho holoharanom-bola. Eo ihany koa ny fanamby hafahana manome sakafo ara-pahasalamana ny Malagasy na ny fanjarian-tsakafo sy ny famoronana asa hoan’ny Tanora amam-behivavy, indrindra fa ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara manoloana ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Noho izany rehetra izany indrindra dia miaraka mifanome tanana amintsika ankehitriny ireo mpiara-miombona antoka hatramin’izay toy ny Vondrona Eoropeanina (UE), COI, ny fandaharan’asa Tetikasa ECOFISH, FAO, OIT, MIONJO sy ireo mpiara-miombona antoka rehetra ary ireo fikambanana maro mivondrona ao anatin’ny GAPCM, fikambanan’ny mpiompy trondro, vonona hanatanteraka ireo paikady izay napetrak’i Madagasikara hanatontosana amin’ny antsakany sy handavany ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto amintsika. Hodinihana mandritra ny roa andro eto amin’ny Hôtel Carlton Anosy, manomboka androany 27 Mey 2025 mandritra ny Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara (Forum de mobilisation des financements et partenariats durables pour la pêche et l’aquaculture à Madagascar) ireo fanambarana misy mahakasika ny tombony mety ho azon’ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, eo ihany koa ny fanatsarana ny lalàna rehetra mety ho sakana hampihena ny fahazotoan’ireo mpampiasa vola eto amintsika. Hisy noho izany ny tondrozotra hametrahana tontolo madio sy mangarahara, hisitomana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola ho tonga eto Madagasikara hampiasa ny volany. #MPEB #ECOFISH #ToekarenaManga #Jono #FiharianaAnatyRano #SADC #FAO #OIT #GAPCM #MIONJO

FIOMPIANA TRONDRO TAO AMIN’NY CIS AMBOHIBAO
TAO ANATIN’NY ENIM-BOLANA DIA MANODIDINA NY 250KG NY VOKATRA AZO

Ny volana desambra 2024 no nandrotsaka zana-trondro Teto amin’ity Dobo trondro eto anivon’ny Direction générale ny CIS Ambohibao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Enim-bolana aty aoriana , vokatra dia vokatra ireo trondro tao an-toerana izay manodidina ny 250 kg eo no ho eo. Raha ny hita dia nahomby ny ezaka natao satria sady vaventy ireo trondro no betsaka . Porofo izao hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert fa azon’ny rehetra atao tsara ny miompy trondro. Rehefa misy ny mitarika dia manaraka ho azy ny aoriana hoy hatrany izy. Teto izao dia Dobo kely no tsotsotra no niompiana ireo trondro kanefa manodidina ny 4 hatramin’ny 5 tapitrisa ariary any ho any ny vola miditra amin’izy ireo. Nanentana hatrany ny tenany ho an’ireo Tanora , ireo tsy an’asa ireo renim-pianakaviana indrindra, satria asa mahavelona izy ankoatry ny maha sakafo ara-pahasalamana azy. Vonona hatrany ihany koa ny Ministera hanampy sy hanohana antsika rehetra izay Liana ny amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity #MPEB #FIOPIANA_TRONDRO #CIS #AMBOHIBAO

Nosy Be, Faritra Diana
Fampiofanana ny CCS sy ny KMD ao amin’ny Faritra Arovana AMP Ankivonjy

Notontosaina manomboka ny faha 26 May 2025 hatramin’ny faha 28 May 2025 ao Nosy Be Hell ville ny fiofanana ireo CCS miisa 27 sy KMD miisa 15 avy amin’ny Faritra Arovana Ankivonjy, Kaominina Ambanivohitra Bemanevika Ouest Distrika Ambanja, Faritra Diana. Mahakasika ny fiarovana ny harena voajanahary na antanety na anaty rano ny fiofanana, izay notronon’ny Lehiben’ny Distrika Ambanja , Ben’ny Tanàna Bemanevika Ouest, ny #CirPEB_Ambanja, ny avy ao amin’ny Cantonnement Ambanja, ny avy ao amin’ny #CSP Mahajanga sy Nosy Be, ny Zandarimariam-pirenena avy ao Berambo. Isaorana ny #WCS nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao fiofanana izao. #MPEB

Distrikan’i Tsihombe sy Distrikan’Ambovombe Faritra Androy
Fakan-kevitra momba ny AMP Atimo Vata’e

Tontosaina nandritra ny telo andro ny faha 20, 21 ary 22 May 2025, nifampidinihana teny ifotony momba ny « Aire Marine Protégée » na AMP Atimo Vata’e tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Faux Cap Kaominina Ambanivohitra Anjapaly ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe, ary tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maroalopoty, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainty, Kaominina Ambanivohitra Ambazoa, ary Kaominina Ambanivohitra Erada ao amin’ny Distrikan’i Ambovombe, Faritra Androy. Natao izao fakan-kevitra izao mba hanohizana ny dingana efa natomboka tamin’ny taona 2018 ho fametrahana ny Faritra Arovana Atimo Vata’e. Nandritra izany, nifanakalozan-kevitra ny amin’ny mety ho fiantraikan’ny AMP amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana, ary koa ny vahaolana natolotry ny mpanjono mba hanatsarana ny vokatra an-dranomasina. Hita fa tena mafana fo sy vonona tanteraka ny mpanjono amin’ny fametrahana ny AMP Atimo Vata’e. #MPEB #DRPEB_Androy #AMP_Atimo_Vata_E

FOKONTANY AMBOLOMOTY , KAOMININA AMBOLOMOTY, DISTRIKAN’NY MAROVOAY ,FARITRA BOENY
FITSIRIHANA NY FANDROSOAN’NY ASA FANANGANANA NY ZONE D’ÉMERGENCE PISCICOLE

Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fametrahana ny ZEP na Zone d’emergence Piscicole Teto amin’ny fkt Ambolomoty A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Anio 25 Mai 2025 izay nentiny nanomezana Toro-marika entina hanatsarana ny foto-drafitrasa. Raha ny hita teny an-toerana dia eo am-pamaranana ireo pitsopitsony farany ireo orinasa ankehitriny alohan’ny tena hisokafan’ity toeram-pamokarana zana-trondro ity. Tsiahivina fa Dobo trondro miisa 10 manana refy 100m toradroa isany no hapetraka ao an-toerana izay entina hamokarana zana-trondro hatramin’ny 5tapitrisa , ahitana toeram-pikotrehana , toeram-piofanana ho an’ireo liana te hisehatra amin’izany ,ny « laboratoire  » sns… Marihina fa ny rano avy ao amin’ny reniranon’ny Ampijoroha avy any amin’ny tohadranon’ny Tsiasesy kosa no hosaritina amin’ny fanondrahana ireo Dobo miisa 10. #MPEB #ZEP_BOENY #FAMOKARANA_TRONDRO.

Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo
Fizarana Zana-trondro

Nandritra ny hetsika fizarana zana-trondro tao amin’ny Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo izay natao ny faha 24 Mey 2025 teo dia nahazo tombony ireo mpiompy trondro izay efa nandray fampiofanana mialoha. Zana-trondro tilapia miisa 5 000, fantatra amin’ny kalitaony avo lenta, no natolotra tamin’ireo mpahazo tombony. Tonga nanatrika izao ny Lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina, ny Mpandrindra Faritra misahana ny Tsy Fifanjanan-tsakafo ao Analanjirofo, ary ny Tale Mparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny faritra. Ity hetsika ity dia tohana avy amin’ny tetikasa HAFA VELONTEGNA, izay vatsian’ny UNICEF vola. Ny tanjona lehibe dia ny hampiroborobo ny fihinanana trondro eo amin’ny vahoaka, satria ny trondro dia manome otrikaina tena ilaina ho an’ny vatantsika. Nandritra ny lanonana, nanamafisana fa ny zana-trondro natolotra dia tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fanatsarana ny sakafo fa manampy koa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manohy manohana ny hetsika tahaka izao mba hiantohana fa ny fiompiana trondro dia sehatra iray maharitra sy mampidi-bola ho an’ny mpiompy ao Vavatenina sy ny manodidina. #MPEB #Fizarana_zana_trondro #Vavatenina #Analanjirofo #ORN #DRPEB_Analanjirofo

Fokontany Antafiapatsy , Distrikan’ny Antsohihy, Faritra Sofia
NIROBOROBO NY ASA FIOMPIANA TRONDRO AN’A/TOA VICTORIEN TAORIAN’NY NAHAZOANY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA

Ny taona 2024 no nidina ifotony nijery ireo Dobo Teto Antafiapatsy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE . Miisa 70 ireo Dobo teny am-piandohana Ary Mbola tsy Nisy trondro. Ankehitriny , miroborobo tanteraka izany nohon’ny tantsoroka izay nomen’ny Ministera azy tamin’ny alalan’ny fanomezana zana-trondro. Tafiakatra 100 isa ireo Dobo nandritra ny fitsidihana Teny an-toerana Ary mamelona fianakaviavana miisa 12. Nisy hatrany ny Toro-hevitra ara-teknika izay nomena azy na ny lafiny fanjonoana izany na ny sakafo , ny ahavon’ny rano sns… Nanentana ireo olona izay Mbola te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity ny tenany satria asa Mahavelona no mampidibola betsaka izy ary tsy sarotra atao Rehefa mahafehy tsara ireo teknika rehetra . #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO

Anahidrano , Distrika Antsohihy, Faritra Sofia
MIROSO NY ASA FANAMBOARANA NY « Zone d’Emergence Piscicole »

Tamin’ny taona 1964 no nametrahan’A/toa Tsiranana ny « station Piscicole » Voalohany Teto amin’ity toerana ity , Ankehitriny Dia ho avadika ho Zone d’Emergence Piscicole izany izay entina hamokarana zana-trondro hatramin’ny 5 tapitrisa , ahafahana mamokatra trondro azo sakafoanana avy hatrany , ary koa toerana ahitana toerana fampiofanana ireo tanora amam-behivavy mba hampananan’asa azy ireo Sy ny maro hafa. Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Sy izay nanome ny Toro-marika entina hanafainganana ny asa. Tsy ho ela Dia ho hiasa soamantsara ity fotodrafitrasa lehibe izay entina hampiroboroboana ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra Sofia ity. #MPEB #ZEP #SOFIA