Atrikasa momba ny fametrahana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina eto Madagasikara

Manomboka ny dingana hametrahana Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (#CESC) i Madagasikara. Ity Filankevitra ity dia natao hanomezana sehatra ahafahan’ny olom-pirenena sy ireo sampan-draharaha samihafa miara-midinika amin’ny fanjakana momba ny fanapahan-kevitra ho an’ny firenena. Efa voasoratra ao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny taona 2010 ny amin’ity Filankevitra ity, saingy amin’izao vao tena manomboka tanterahina. Nisy fifanakalozana natao niaraka tamin’ny Nouvelle-Calédonie, izay efa manana Filankevitra mitovy amin’izany. Tonga teto Madagasikara ny solontenany ary nizara traikefa momba ny fomba fiasa sy ny fananganana an’ilay rafitra. Nanampy an’i Madagasikara hahatakatra bebe kokoa ny tokony hatao izany. Ny andraikitry ny #CESC dia ny manome soso-kevitra amin’ny fanjakana momba ny politika ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina. Hanampy amin’ny fanaraha-maso sy fanombanana ny asa ataon’ny fanjakana koa izy, mba hahafantarana raha tena mahafeno ny filàn’ny vahoaka eny ifotony ny asa. Ho solontenam-bahoaka amin’ny sehatra isan-karazany no hiforonan’ity Filankevitra ity : avy amin’ny ministera, antenimiera, sehatra tsy miankina, ary fiarahamonim-pirenena. Efa manaiky sy manohana ny fametrahana izany ny ankamaroan’ireo sampana sy olona voakasika. Hisy volavolan-dalàna halefa eny amin’ny antenimiera roa tonta ho dingana manaraka amin’ny fananganana azy. Efa misy ohatra mitovitovy amin’izany hita amin’ny Jono sy Toekarena Manga. Ohatra, ny Cluster Économie Bleue, izay manome toerana ny fiarahamonina sy ny sehatra tsy miankina handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra. Misy koa ny sehatra fifanakalozana amin’ny jono madinika sy ny fiompiana anaty rano, izay manampy amin’ny fifampiresahana mazava sy ara-drariny. Eo koa ny fampiharana ny mangarahara amin’ny fifanarahana ara-jono, ny fanarahamaso ny famatsiam-bola, ary ny fandraisana anjara amin’ny Initiative FITI, izay manohana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Nisy ny atrikasa izay natao teto Antananarivo ny 01 Aogositra 2025 teo tao amin’ny tranoben’ny Firaisamonimpirenena Ambatonankaga, Antananarivo. Maro ireo nandray anjara tamin’izany, anisan’izany ny solombavambahoakan’i Madagasikara, ny filohan’ny vaomiera misahana ny tontolo iainana ao amin’ny Antenimieram-pirenena sy ireo mpikambana ao aminy. Teo koa ireo solontenan’ny fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikà, ny minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny FIVIMPAMA, ary ny fikambanan’ny tanora, vehivavy ary ireo mpanakanto. #MPEB #Atrikasa_fifanakalozana #CESC #Nouvelle_Calédonie

Kaominina Ambonivohitra Toamasina ,Distrikan’i Toamasina I, Faritra Atsinanana . Fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny Tany

Azo anaovana fiompiana trondro avokoa ny toerana rehetra na an-drenivohitra na ambanivohitra saingy ilaina ny fiofanana hampahomby azy.Araka izany dia niisa 19 indray ireo Tonga niatrika fiofanana tao Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana mahakasika ny fampiofanana trondro an-dobo ivelan’ny tany ny nataon’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsinanana ny faha 31 Jolay 2025 teo. Nozaraina tamin’ireo mpiofana ireo pitsopitsony rehetra mikasika ny teknika nifandraika amin’ity karazana fomba fiompiana trondro ity. #MPEB #DRPEB #ATSINANANA #Fiofanana_fiompiana_trondro__andobo_ivelan_ny_tany #Asa_Manga

Ambalabe, kaominina Masianaka, distrikan’i Vangaindrano : Fanarenana ireo vata fampangatsiahina fitehirizana vokatra

tao mandritry ny 10 andro ny fanarenana ireo vata fampangatsiahina mandeha amin’ny herin’ny masoandro « congélateurs solaires » ao Ambalabe, Kaominina Masianaka, distrikan’i Vangaindrano. Ireto farany dia fitaovana ampiasaina hitahirizana vokatra any antoerana. Mandritra izany fotoana izany dia misy fiofanana manokana atolotra ho an’ireo teknisiana telo. Avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Atsimo Atsinanana ny roa amin’izy ireo, ary ny iray kosa avy amin’ny koperativa Miray, izay mitantana ny Complexe de Pêche ao Farafangana. Ny tetikasa MAMATSY, izay vatsian’ny BMZ vola no miandraikitra ny fanavaozana. Toerana fitehirizam-bokatra telo no hisitraka mivantana ny ny fanarenana amin’ity dingana ity. Toerana telo hafa mbola mila fanarenana ihany koa, dia i Mahabe, Ankarana ary Sandravinany. Mitady mpiara-miombon’antoka ny tetikasa ho amin’izany. Marihina fa tamin’ny taona 2018 no nananganana voalohany ireo vata fampangatsiahina ireo tamin’ny alalan’ny tetikasa ASARA REEL. Simba nefa izy ireo ary nijanona tsy niasa nandritry ny fotoana maharika. #CongélateurSolaire #TetikasaMAMATSY #BMZ #DRPEB

𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : NANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY FIANAKAVIAMBEN’NY #MPEB

Amin’izao ankatoky ny fanomanana ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha 45 ‘ny #SADC izao dia nandray anjara tamin’ny Hetsika asa tanamaro fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Anio 01 Aogositra 2025 . Teny amin’ny manodidina ny by pass no nanaovana ny asa fanadiovana izay tampahavitrihana tanteraka no nanantaterahan’izy ireo izany. Hetsika izay Notarihin’Andriamatoa Tilahy Desire, Sekretera Jeneralin’ny Ministera, niaraka tamin’ireo mpiasa rehetra Teto anivon’ny Ministera .Vahiny manankaja maro no horaisintsika ka izao no manamporofo fa miray hina Isika tsy ho an’ny resaka fanadiovana ihany fa ny fanehoana fa mahay mandray vahiny Isika eto Madagasikara 🇲🇬🇲🇬 #𝙀𝙉𝙎𝙀𝙈𝘽𝙇𝙀_𝙊𝙉_𝙄𝙍𝘼_𝙇𝙊𝙄𝙉 #MPEB #SADC2025 #Tanana_madio

MME JOELINE : VEHIVAHY MPANDRAHARAHA MIVELONA AMIN’NY ASA FIOMPIANA TRONDRO

Ste Augustin, Vatomandry . Tanora Vao erotrerony i R/toa Joceline dia efa manana ny asa fandraharana izay mampiavaka azy manokana eto Vatomandry. Nanomboka ny taona 2016 ny tenany no niditra tao anatin’ny sehatry ny fiompiana trondro satria Mbola Malalaka hoy izy ny lalam-barotra ho an’ity sehatra iray ity no asa mahavelona ihany koa . karazana Fiompiana trondro ivelan’ny Tany no hataony izay ahitana Dobo lehibe miisa 3 Ary salantsalany miisa 4 satria tsy trondro ihany fa efa manomboka miompy makamba 🦐 tsikelikely ihany koa ny tenany . Raha ho an’ny sakafo indray dia ny fiompiana lalitra mahasoa na BSF no hataony fanampin-tsakafo ho an’ireo trondro. Reharehan’ny fianakaviana sy vatomandry ny fanana Tanora Vonona Ary mahaleo tena tahaka azy Raha nambaran’ny RAD eo an-tanana. Nifampitafa mivantana taminA/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izy Anio ka nanome toky azy ny Minisitra fa ho tohanan’ny Ministera ity asa fandraharana izay ataony ity. Ary mamporisika hatrany ireo vehivavy Tanora toa azy izy tsy hipetraka amin’ny maha renim-pianakaviana fotsiny fa hanana saina toa karokaroka hatrany. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FANDRAHARANA #FIOMPIANA_TRONDRO #VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA

Ampefy, Faritra Itasy: Atrik’asa fakan-kevitra, fandinihana ireo volavolan-didim-pitondrana miompana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny jono an-dranomasina mba ho antoky ny fampandrosoana sy mba hisian’ny fahavitantena ara-tsakafo eto Madagasikara

Notanterahina ny faha 28 jolay ka hatramin’ny 01 aogositra 2025 tao Ampefy, Faritra Itasy ny atrik’asa fanka-kevitra, fandinihana ireo volavolan-didim-pitondrana mifandraika amin’ny fifanaraham-panjonoana lasitra, ny fitantanana ny jono an-dranomasina amin’ny ankapobeny ary ireo fepetra manokana momba ny jono lamatra sy ny mety ho fiarovana ihany koa ireo hazandranomasina sasantsasany. ‎Nanome ny tantsoroka amin’ny fanatotosana ity atrik’asa ity moa ny WWF ary nahitana ny fandraisan’anjara mavitrik’ireo mpisehatra maro ao amin’ny seha-pihariana jono toy ny avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny solon-tenan’ ny mpanjono madinika sy vaventy, ny solontena avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ny ONG misehatra amin’ny jono. Nanatrika ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny aty rano teo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. ‎ ‎#MPEB #jono_maharitra_tsara_tantana #lalana #WWF

FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO DISTRIKAN’NY VATOMANDRY FARITRA ATSINANANA

Ny masoandro mody no nampalahelo Raha ny fahavitrihan’ireo vahoaka Tonga nanatrika ny fampiofanana fiompiana trondro androany Teto Ambodivoananto. Tsy niandry ela fa Notanterahina tao amin’ny efitrano fampiofanana vaovao izay hita ao anatin’ny foto-drafitrasa Zone d’emergence Piscicole no nanaovana izany , nanomezana ny mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo amin’ny antsipirihiny. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Nanantateraka izany . Nanome toky ny tenany fa Mbola hiverina hanohy ny fampiofanana izay hanomezana ireo karazana fiompiana trondro Ary ho harahina fampiharana avy hatrany . Nankasitraka Ary nanome toky ireo vahoaka Tonga nanatrika izay miisa 150 mahery eo ho eo fa hanaraka atsakany sy an-davany ireo Toro-marika rehetra. #MPEB #FAMPIOFANANA #FIOMPIANA_TEONDRO #VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA

ZEP AMBODIVOANANTO, DISTRIKAN’NY VATOMANDRY : EFA VITA TANTERAKA NY FOTO-DRAFITRASA ARY MANODIDINA NY 16 TAONINA NY VOKATRA HIVOAKA AO AN-TOERANA.

Efa Tafapetraka soamatsara ny foto-drafitrasa izay entina hamokarana zana-trondro eto amin’ny Distrikan’ny Vatomandry izay ZEP faha 20 izay hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ahitana Dobo trondro miisa 6 lehibe izay Mirefy 2000 metatra toradroa izay vinavinaina hamokatra trondro manodidina ny 16 taonina Ary hamokatra zana-trondro any ho any amin’ny 1 500 000 isa . Ireo fikambanana tsy miankina no hitantana izany izay eo ambany fiahian’ny #MPEB . Tonga Nitsidika izany foto-drafitrasa izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Anio 31 Jolay 2025 Ary notronin’ ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana Sy ireo Tompon’andraikitram-panjakana isan’ambaratongany. Mafonja ny hafatra nampitaina tamin’ireo vahoaka ny amin’ny hikojakojana ny foto-drafitrasa satria Sady hitondra tombotsoa maro hoan’izy ireo ny fisian’ity toerana ity no hampiakatra ny Lazan’ny vatomandry indray amin’ny famokarana trondro #MPEB #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE #FAMOKARANA_ZANA_TRONDRO #VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA.

VATOMANDRY, FARITRA ATSINANANA: Fanentanana maro isan-karazany ho an’ireo izay maniry ny hisehatra amin’ny fiompiana trondro

Eto Amin’ny Distrikan’ny Vatomandry indray hanohizan’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny fidinana ifotony izay entina hampiroboroboana ity sehampihariana ity sy entina hanamafisana ireo fanentanana maro isan-karazany ho an’ireo izay maniry ny hisehatra amin’ny fiompiana trondro. Miezaka Manakaiky ny vahoaka hatrany ny eto anivon’ny Ministera izay tarihiny ahafahana mandray ny hetahetan’izy ireo hanatsarany ny velontanany sy hanomezana Toro-marika isan-karazany hampitomboana ireo vokatra ao an-toerana. Mandritra ny fitsidihana dia Hisy ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa fananganana ny toeram-pamokarana zana-trondro #ZEP ao Ambodivoananto , ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny vahoaka Ary ireo fitsidihana Dobo samihafa ataon’ireo Mpiompy trondro ao an-toerana . Hita teny an-toerana avokoa ireo Tompon’andraikitram-panjakana anisan’izany ny solombavam-bahoaka voafidy tao vatomandry sns.. #MPEB #FAMPIROBOROBOANA_NY_JONO #VATOMANDRY #FARITRA_ATSINANANA.

Famelabelarana sy Torolàlana Momba ny Famatsiambola avy amin’ny FMFP

Tanjon’ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP) na Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa ny hiantohana ny mpiasa hanana fahaizana sy fahalalana ilaina mba hanatsarana ny vokatra sy ny fampandrosoana maharitra amin’ ny sehatra misy azy. Taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha miasa teo anivon’ny Ministeran’nhy Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FMFP Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa ny volana Janoary 2025 dia nisy ny famelabelarana sy torolalana mahakasika ny famatsiambola natokana hampiofanana ireo fikambanana izay misehatra amin’ny ny Jono sy ny famokarana anaty rano notanterahina teny amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera androany 30 Janoary 2025. Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny fikambanan’ny mpanjono sy mpiompy trondro avy eto amin’ny faritra Analamanga izay miorina ara-dalàna ,ny teo anivon’ny DRPEB Analamanga. Ny famelabelarana dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny fepetra takiana sy ny antontan-taratasy ilaina ary ireo ho tsara ho fantatra rehetra amin’ny fisitrahana izany tohana avy amin’ny FMFP izany. Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manentana hatrany ireo mpisehatra amin’ny jono sy ny fiompiana trondro mba hiditra ao anaty fikambanana ara-dalàna mba ahafahan’izy ireo misitraka ny tohana avy amin’ny FMFP. Io tohana io dia tsy vitan’ny manome fahafahana amin’ny fampiofanana fa manampy koa amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana ny asa fivelomana maharitra ho an’ny mpanjono sy mpiompy trondro. #MPEB #DRPEB_Analamanga #FMFP