Fokontany Ambatorao, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Fanolorana fotodrafitrasa ho fanohinam-bokatra Avy andranomasina

Isan’ny mamatsy vokatra andranomasina an’i Ambodifotatra izay ahitana olona betsaka indrindra ao Sainte Marie i Ambatorao noho izy isan’ny ahitana Mpanjono betsaka. 30km any amin’ny tapany avaratr’i Sainte Marie no misy azy. Mivoaka avy ao ny trondro, ny horita sy ny maro samihafa… Natolotra ireo Mpanjono ity fotodrafitrasa ho fanodinana vokatra ity hahafahana manao fumage sy séchage ary manena ilay vokatra simba nohon’ny habetsahany. Ahitana efitra fanodinam-bokatra sy efitra fitahirizana vokatra ity toerana ity ary efa azo ampiasaina. Faly ireo Mpanjono ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante izay notronin’ireo Olomboafidy sy Olomboafidy aty an-toerana.

Ankôbahôba, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
fihaonana amin’ireo Mpamboly lomotra

  Nandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga eto Sainte Marie ity dia nisy ny fihaonana izay niarahany tamin’ireo Mpamboly lomotra. Nanontany ireto farany hoe maninona no fetraina ho 600 toratady (600 lignes) ny olona iray sns. Ao ihany ihany koa ny resaka vidin’ny lomotra izay Ar100/kg ny lena.  Nanambara ny Minisitra fa asiana io fetra io ho an’ny Orinasa NBS izay tsy lalàna akory fa fomba napetraka mba hahafahan’ny olona iray hahavita hikarakara tsara ilay fambolena ataony ka tsy hisy fandotoana ny tontolo iainana. Nanambara ihany koa ny tenany fa Mbola hanao fanadihadiana momba ny vidin’ny lomotra manerana an’i Madagasikara sy aty Afrika (benchmark) ka handroso sosokevitra avy eo. Afa-po amin’ny fifanakalozana ara-teknika sy momba ireo lalàna vaovao toy ny didim-pitondrana laharana 841/2024 mahakasika ny fambolena lomotra eto Madagasikara ny roa tonta. Nanotrona an’Atoa Minisitra teto ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Sainte Marie sy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.

Ankobahoba, Ilampy, Lôhatrôzogno, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
fanarahamaso ireo fambolena lomotra

Raha tsiahivina dia Orinasa Mpamboly lomotra telo no misy eto Sainte Marie (Madalague, SOVALG ary Nosy Boraha Seaweed na NBS). Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ny vokatra azo ary mampiasa olona mivantana sy ankoloka manodidina ny arivo. Mapidi-bola eo amin’ny Ar1,5 ka hatramin’ny Ar2 tapitrisa isam-bolana ny fambolena lomotra eto Sainte Marie. Ilay teknika fambolena « semi flottante » no hita eto. Mampiasa ilay « piquets en galva » mba hialana amin’ilay fampiasana hazo. Tsy misy intsony ny fampiasana ilay piquets hazo izay nohatsaraina ankehitriny. Marihina ihany koa fa tsy mampiasa bouteilles en plastique ny eto Sainte Marie ary ity modely ity no haparitaka maneraka an’i Madagasikara. Nanao ny fanarahamaso rehetra ny fambolena lomotra izay ataon’ireo Orinasa telo eto antoerana ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary nanamafy fa mila fazotoana ity asa ity satria mila fikarakarana isanandro toy ny fanesorana ireo lomotra ratsy (mitovy amin’ny ahi-dratsy ihany amin’ny fambolena antanety). Nanome ireo toromarika samihafa ny tenany hanatsarana hatrany ity sehatr’asa ity.

Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Nivaha tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana ny olan’ny fambolena lomotra

Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny hery velona rehetra izay notarihin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante momba ny olan’ny fambolena lomotra dia hita fa tsy olana ara-teknika velively ny olana nisy nandritry ny volana maromaro fa olana arak’olona.  Manoloana an’izany dia niroso amin’ny fampihavana ireo ahitana olana rehetra ny Minisitra Tomponandraikitra ary nahitam-bokany izany. Nanaiky ny fandaminana napetraka ireo hery velona rehetra izay natrehin’ireo Manam-pahefana isan-tsokajiny rehetra aty an-toerana. Voafetra ho isaky ny 15 andro ny fandoavana ny volan’ny mpamboly lomotra. Ho raisin’ny Orinasa NBS sy SOVALGUE avokoa ireo vokatra tsy lanin’ny Orinasa Madalague. Samy hanitatra ireo toerana hanamainana lomotra ireo Orinasa telo ka tsy misy ahiana ny fandraisana lomotra eto Nosy Boraha.  Niafara tamin’ny lanonana ara-pomba Malagasy tamin’ny alalan’ny famonoana omby sy ny sakafo mitam-pihavanana ny famahana ny olana nisy teo amin’ny Mpamboly lomotra sy ny Tompon’Orinasa iray eto Sainte Marie. Nisaotra ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga ary nanamafy hatrany ny fahavononany sy ny departemanta tarihiny hanohana ity fihariana lomotra ity mba hisorohana ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.

Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Famahana ny olana momba ny fambolena lomotra

Efa amam-bolana maromaro no naharaisana fitarainana ny mahakasika ny fambolena lomotra aty Sainte Marie na Nosy Boraha. Tsiahivina fa Orinasa telo ankehitriny no mamboly sy manondrana lomotra aty an-toerana : Madalgue, SOVALGUE ary NBS na ny Nosy Boraha Seaweed. Mamorona asa mivantana manodidina ny arivo eo ho eo ireo Orinasa ireo ary tanora amam-behivavy avokoa ny ankamaroany.  Marihina ihany koa fa vokatra manodidina ny 200 taonina lena (algues fraîches) isam-bolana no raisin’ireo Orinasa telo ireo. 3.000 taonina maina (30.000 taonina lena) isan-taona no vokatra aondran’i Madagasikara isan-taona. Tanjona ny hanondranana hatramin’ny 25.000 taonina maina mialohan’ny taona 2030 ka izany no mahatonga ny Minisitera mametraka ireo paikady rehetra. Navoaka ny « arrêté » na Didim-pitondrana laharana 841/2024 mifehy ny fambolena lomotra eto Madagasikara.  Namory ireo mpamboly lomotra, Tompon’Orinasa ary Raiamandreny ahitana olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Nosy Boraha ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert hitadiavam-bahaolana maharitra momba ny fambolena lomotra izay mampidi-bola hatramin’ny 02 tapitrisa ariary isam-bolana isaky ny fianakaviana izay manao azy.

Sainte Marie , Faritra Analanjirofo
Fitsidihana hiarahana amin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga

Ankoatran’ny resaka Jono Dia seha-pihariana anisan’ny mampalaza an’i Sainte Marie ihany koa ny fambolena Lomotra izay tena Anisan’ny asa fiharian’ny ankamaroan’ny Mponina ao an-toerana. Mandritra ity fitsidihana izay iarahana amin’A/toa MAHATANTE Paubert ity Dia hifampitafa Sy hampiravona ny olana misy eo amin’ny Orinasa mampiasa izany ny tenany miaraka amin’ireo mpamboly Lomotra mba hisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa Tonta hafahana mampiroborobo ity sehatra iray ity ao an-toerana. Ankoatr’izay Dia Hisy ny fitsidihana ny Toerana fambolena ireo Lomotra , ny fihaonana mivantana amin’ireo mpiompy trondro Ary ny fanarahamaso ireo asa fampandrosoana izay sahanin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga any amin’ny Faritra iny.

Novotel Ankorondrano , Antananarivo , Faritra Analamanga
Atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa

Notanterahina ny 4 Jolay 2024 ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa vatsian’ny AFD vola izay mifantoka manokana amin’ny fampifandraisana ny fikajiana ny zavaboahary  sy ny fampandrosoina lovain-jafy  sy maharitra. Tetikasa Dia miara miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga , ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy Ary WWF kosa no Manatanteraka izany. Hifantoka bebe kokoa anatin’ny fampidirana ny fikajiana ny zavaboary ao anatin’ny fomba fanantaterahana sy fiasana eo amin’ny sehatry ny Jono makamba. Ny makamba izay anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ka atao vaidohan-draharaha ny Fijerena azy tsy ho lany tamingana.

Antananarivo ,Faritra Analamanga
FFAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO 4 Jolay 2024

Ny eto anivon’ny Ministeran’ny ny Jono Sy ny Toekarena Manga Dia manohy ireo ezaka rehetra amin’ny fanampariahana ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ho fampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fihariana anaty rano. Omena ireo mpiofana avokoa ireo fomba fiompiana trondro rehetra toy ny Fiompiana trondro an-tanimbary ,an-dobo ary anaty fefy mitsingevana. Ho an’ny Anio Dia Teto Ampandrianomby no nanataterahana izany izay Narahina fanentanana avy amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert mahakasika ny zava-dehibe ny asa fihariana fiompiana trondro , ireo fitaovana tsy tokony hampiasaina amin’ny resaka fanjonoana sns… Isaorana hatrany ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana ity Hetsika fampiofanana fiompiana trondro ity.