Ampandrianomby, Antanananarivo
Atelier de restitution de la cartographie des risques de corruption liés à l’octroi d’autorisation de pêche, de collecte et de procédures de contrôle des exploitations

Afin d’améliorer la gouvernance halieutique à Madagascar et de préserver les ressources marines de notre pays, le Service Territoriale de l’Éducation et de la Prévention du #BIANCO Antananarivo avec la collaboration du Service sur la Transparence et Anti-Corruption, #STAC, du MPEB, a organisé un atelier sur la « cartographie des risques de corruption liés à l’octroi d’autorisation de pêche, de collecte et de procédures de contrôle des exploitations » qui s’est tenu le 27 et 28 Mars 2024 à l’hôtel Panorama Andrianarivo.  À la suite de cet atelier, une restitution des données collectées a été présentée le 03 Juillet 2024 au sein du Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue Ampandrianomby, Antananarivo dont on a adopté l’approche « Anti-corruption Works » avec l’implication active des acteurs concernés du secteur pêche et aquaculture sur l’octroi d’autorisation de pêche, d’autorisation de collecte, d’agrément sanitaire et d’exportation ainsi que le contrôle des exploitations. Sachant que la corruption est un frein au développement économique d’un pays, Il a été marqué lors de cet atelier que la mise en œuvre de cette cartographie des risques de corruption sera une pierre à l’édifice pour l’éradication de la corruption qui commencera par un volet d’éducation et de prévention. Dans son allocution, Monsieur le Ministre, MAHATANTE Paubert, a souligné l’importance de la collaboration entre le #MPEB, la Société Civile et autres parties prenantes pour la lutte contre la corruption afin que le secteur pêche et économie bleue à Madagascar, soit un exemple de transparence sur tout le continent Africain et dans l’Océan Indien.

Hotel Président, Séoul, Repoblikan’ny Korea Atsimo
Fivoriana an-tampon’ny fifanarahana hoan’ny Jono

Notanterahina ao Séoul, Korea Atsimo ny 01 ka hatramin’ny 05 Jolay 2024 izao fivoriana an- tampon’ny fifanarahana hoan’ny Jono ao atsimon’ny ranomasimbe Indiana (Accord de Pêche de l’Océan Indien na APSOI/ SIOFA).  Anisan’ny mandray anjara feno amin’izany i Madagasikara, amin’ny maha- mpanaramaso ka ny Talem- paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao Antsinanana no nisolo tena azy.  Lahadinika maro no dinihina amin’izany ka anisan’izany: –Ny fitantanana maharitra ny Jono ao amin’ny faritra atsimon’nyy ranomasimbe Indiana. -Ny famantarana ireo tahirin’hazandrano sy ireo fitaovana ampiasaina amin’ny faritra lalina (Eau profonde). Ny ady amin’ny jono tsy ara- dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin- dalàna. -Ny fiaraha- miasa amin’ireo vondrom- pitantanana jono hafa izay misy toa ny DOALOS, CTOI etsy akilany. -Eo koa ny fankatoavana ireo asa izay vita tamin’ny taona lasa. Firenena maro no mandray anjara amin’izany izay ahitana an’i Australia, Chine, Taipei Chinois, Thaïlande, Union Européenne, France, Japon, Corée du Sud, Maurice, Seychelles, Mozambique, Comores, Îles Cook.

Nanisana-Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fiofanan’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTI

Tanterahina mandritra ny 03 hatramin’ny 05 Jolay eny Nanisana-Antananarivo ny fiofanana ho an’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTI. Tanjona ny hampiharana ireo tolo-kevitra voalaza tao anatin’ny tatitra voalohan’ny FiTI Madagasikara ny taona 2022 sy hanatsarana hatrany ny fangaraharan’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga eto Madagasikara.  Ireo mpanamahay avy any amin’ny FiTI iraisam-pirenena no manome ny fiofanana ho an’ireto Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ireto izay sady hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiharana izany tolo-kevitra izany eto Madagasikara.Mandray anjara amin’izao fiofanana izao ireo teknisianin’ny Ministera sy ireo rehetra namolavola ny tatitry ny FiTI 2022 miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo Mpiara-miombon’atoka amin’ny Ministera.

Andrainarivo- Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna

Efa maro ireo ezaka nentin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Ankohatran’ny fampitomboana ireo sambo hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara dia zava-dehibe ihany koa ny fanavaozana indray ireo drafitr’asa Nasionaly mahakasika izany ady izany. Arak’izany dia tanterahina ny 02 Jolay 2024 eny amin’ny Hôtel Panorama andrainarivo- Antananarivo ny atrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Atrikasa irahana amin’ireo mpanamahay avy amin’ny BCPA miaraka amin’ny taha-tsoroky ny WWF.  Tonga nanokatra izany atrikasa izany ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera Atoa Razafimandimby Joseph Jean Chrisostophe. Marihina moa fa efa nisy ny atrikasa fakan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny Jono sy ireo teknisianin’ny Ministera ary ny mpiara-miombon’atoka talohan’izao atrikasa izao.

Mahavatse, Toliara I, Faritra Atsimo Andrefana
Fanolorana ny sambo Atsantsa II

Ny ezaka atao momban’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna dia manerana ny Nosy. Ny taona 2022 no naterina tao Toliara ny sambo haingam-pandeha ARGOS 710 Antendromaso II izay manana tanjaka 160CV.  Ankehitriny dia nampiana ity sambo haingam-pandeha YAMAHA M12 900CV nomena ny anarana hoe « Atsantsa II » no natolotra amin’ny fomba ofisialy androany izay ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Atoa Paubert Mahatante no nisolotena ny Governemanta, notronin’ireo manam-pahefana tany an-toerana notarihin’ny Prefet an’i Toliara. Marihina fa ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay miara-miasa amin’ny « Marine Nationale » na ny Tafika an-dranomasina no hitondra ity sambo ity miaraka amin’ny APMF, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena izay tonga nanatrika izao lanonana izao. Tonga teto ihany koa ny firaisamonim-pirenena, ny Oniversiten’i Toliara ary ny IHSM.

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy sy ireo torolalana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano.

  Lanonana roa sosona no notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrinomby, anio 24 Jona 2024, ankoatran’ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika dia notanterahana androany ihany koa ny fampisehoana ireo boky mahakasika ny torolalana ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano. Hatreto dia tahirin-kevitra miisa 12 no navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fampiroboroboana izany eto Madagasikara tafiditra anatin’izany ny Jono madinika sy ny fihariana anaty rano. Arak’izany dia afaka mirehareha isika satria isika eto Madagasikara no manana izany « document stratégique » maro indrindra, izay lasa modely aty Afrika. Mpiara-miombona antoka maro no nanohana an’i Madagasikara nahatongavana amin’izao, anisan’izany ny FAO. Nitarika izany Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ny avy ao amin’ny FAO sy ireo Mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera. Marihana fa efa azo jerena ao anatin’ny tranokalan’ny ministera amin’ny teny gasy sy frantsay ireo tahirin-kevitra sy torolalana ireo.  

Kaominina Ambonivohitra Antsiranana I, Faritra DIANA
Fihaonana amin’ireo mpiompy sy ireo izay te-hisehatra amin’ny fiompiana trondro

  Mbola malalaka ny tsena anatiny ho an’ny fiompiana trondro an-dranomamy ao Antsiranana. Ho fanatsarana ny fiompian’ireo mpiompy trondro ao an-toerana sy hidirany amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ary ho famporisihina an’ireo izay te-hisehatra amin’izany seha-pihariana izany dia nisy ny famelambelaran-kevitra nataon’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’izy ireo androany 22 Jona 2024. Tonga maro tokoa izy ireo namaly ny antso tamin’izany, ahitana mpivarotra, mpiompy trondro, mpanjono, mpianatra ary olona tsotra. Namafisin’Atoa Minisitra nandritra ity famelambelaran-kevitra ity moa fa tanjon’ny Ministera ny hanao ny fiompiana trondro toy ny fiompiana akoho amam-borona ka samy hanao izany avokoa ny isan-tokatrano. Tsy adinony ihany koa no nanome ireo toro-hevitra teknika isan-karazany manodidina izay fiompiana trondro izay. Hita sy tsapa fa resy lahatra ny rehetra taorian’izany famelambelaran-kevitra izany ary naneho fahavonona izy ireo fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro izay hamorona asa ho azy ireo. Tapaka ary fa hatsangana amin’ny herinandro ho avy izao ny fikambanan’ny mpiompy trondro ao an-toerana.*  

Oniversiten’i Busan, Korea Atsimo
Fanamafisam-pahalalana ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony sy Sofia

  Nitohy ny 21 Jona 2024 tao amin’ny Oniversiten’i Busan, ny fanamafisam-pahalalana atao any Korea, ka androany dia ny tatitra isakin’ny firenena mpandray anjara no natao toy ny Politikam-panjakana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, ireo vinan’ny fanjakana Malagasy izay nasongadina manokana ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fampamokarana anatirano, tafiditra indrindra amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ary ireo karazana fitatera an-dranomasina misy aty amintsika. Narahana fifanakalozana sy fanontaniana naraham-baliny izany rehetra izany niarahana tamin’i Phd Yeajin Jung Oniversité Geogia, « Marine Science ».  

Maputo, Mozambika
Fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC

  Notanterahana tao Maputo, Mozambika, ny 20 Jona 2024, ny fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC (MCS CC SADC) tao aorianan’ny nampanan-kery ilay sata « Charte MCS CC SADC » nanomboka ny 08 Avrily 2023. Miisa 11 ny mpikambana nahazo ny fankatoavan’ny fivorian’ireo Ministra misahana ny Fambolena, ny fanjarian-tsakafo ary ny Jono ato amin’ny Faritra ny SADC tamin’ny 17 Mey 2024 tany Luanda renivohitry Angola, ka isan’izany ny Tale mpanantanteraky ny Ivon-toerana ny Fanaraha-maso ny Jono eto Madagasikara. Ny andron’ny 21 Jona 2024 kosa no nitsidika ilay toerana hanorenana ny Ivon-toerana ao Ka-Tembe, Maputo ireo Mpikambana ao amin’ny Filan-kevim-pitantanana. Misy ireo mpitan-tsoroka sy mpiara-miombona antoka nampiseho ny fahavononana hifarimbona hanohana sy hiara-dalana amin’ny Ivon-toerana ka anisan’izany ny AU-IBAR, WWF, SIF, Traffic, ILO, FishFORCE.