Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Antanimora, Distrika Ambovombe, Faritra Androy
Fitsidihana ny toerana famokara « Spiruline »

 

Nidina tao amin’ny toeram-pamokarana lomotra na « Spiruline » ny avy ao amin’ny Fitalehavam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny Faritra Androy, ny faha 04 Desambra 2023.

« Spiruline » maina 1kg no vokatra voalohany azo avy amin’io fambolena lomotra io. Hita fa tena tsara ilay kalitao ary mahatoky ireo fikambanana mamokatra lomotra ao an-toerana fa ho tsara lavitra noho izao vokatra izao ny ho azo amin’ny manaraka.

Mankasitraka tanteraka amin’ny fiaraha-miasa avy amin’ny IHSM, ny IOT ary ny Aquatic Service izay angady nananana sy vy nahitana an’izao toeram-pamokarana lomotra eto Antanimora izao.