Marofarihy, Faritra Fitovinagny : fitsidihana mpiompy trondro nataon’ny Fitalehavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Tantsaha iray monina ao Ankaboka, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, Distrika Manakara, Faritra Fitovinagny, Atoa Tony, izay vonona hiompy trondro sady efa eo andalam-panamboarana dobo.
Nitsidika ity farany ny ekipa ny DRPEB ny 12 Oktobre 2023 ary nanampy azy amin’ny torohevitra maro samihafa mba hampandroso ny velotenany toy ny toromarika ara-teknika mba hahalavorary ny fiompiana izay hataony toy ny handalinana ny dobo mba hitazona rano kokoa, ny fanamafisana ny tahalana na ny digue, sns.
Nampahafantarina azy koa ny mpivarotra hanjifany zana-trondro tsara kalitao ao Manakara izay ahafahany miara-miasa.
Vonona ny hampihatra ireo toromarika azony aha-matihanina azy, Atoa Tony, ary nisaotra ny DRPEB Fitovinagny nitsidika sy nanome izao fanampiana ara-teknika izao.


