Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Actualités

  • Mahajanga, Faritra Boeny
    Niampy iray ny fitaovana fanangonam-bokatran’i CDPHM Mahajanga amin’ireo faritra saro-dalana
      Anio 28 Novambra 2023 no nanaovana ny « Mise a l’eau » sy ny andrana ara-teknika ny Sambo BEKAPILA entina hakana ireo vokatra any amin’ny faritra saro-dalana hoan’ny CDPHM Mahajanga. 12m ny halavan’ity Sambo ity ary manana milina 400Ch. Ahitana « Chambre froide » mahazaka vokatra 5 taonina ihany koa. Ny teo anivon’ny orinasa polyma kosa no nanao ny fanamboarana ity Sambo ity. Ny CDPHM araka izany no hitantana ity sambo ity izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisan’ny zava-dehibe ny fanana azy ity satria dia entina hanatsarana ny asa rehetra eo anivon’ny CDPHM ary hitondra fiakarana hoan’ny lafiny ara-toekarena ao an-toerana. Teny an-toerana ny Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert, sy ireo teknisiana ary ireo tompon’andraikitra voakasika nanao ny andrana. Marihana fa rehefa vita tsara ny andrana sy ny pitsopitsony rehetra dia afaka miasa avy hatrany ity Sambo ity.  
  • Distrika Mitsinjo, Fkt Antsakoamanera, Kaominina Matsakambanja, Faritra Boeny
    Fanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono
      Tsy adinon’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny nitsidika ny Distrikan’i Mitsinjo izay atao 4 ora amin’ny Sambo haingam-pandeha miala ny renivohitr’i Mahajanga ny faha 28 Novambra 2023. Tonga niaraka taminy ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera ary ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany misehatra amin’ny Jono. Mivelona amin’ny sehatry ny Jono avokoa ny mponina ao amin’ity toerana ity ka nankasitraka tanteraka amin’izao fandalovan’ny Minisitra mpiahy azy ireo izao. Nisy araka izany ny fifampitafana mivantana narahana fanentanana maro isan-karazany hanatsarana ny velontan’ireo mpanjono. Manao ny ezaka rehetra hanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono ny avy eo anivon’ny Ministera izay tarihin’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert. Anisany tena manampy azy ireo ny fanomezana fitaovana enti-miasa entina hampitomboana ny vokatra ary koa ireo fitaovana hiarovana ny ain’izy ireo. Natolotrin’i Ministra azy ireo izany androany niaraka tamin’ireo delegasiona sy ny solotenan’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny Jono (Refrigepêche,Pêchexport, Somapêche). Narahana fanentanana hatrany ny fihaonana teo amin’izy ireo mahakasika ny fitaovaona tokony hampiasana.
  • Dakar, Sénégal
    Atrikasa fampiofanana fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano
      Firenena 07 no misitraka ny tetikasa UTIDA na « Outil de prise de décision en matière d’investissement dans l’aquaculture » izay andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Atrikasa hampiofanana ho fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano amin’ny fampiasana ny UTIDA no atrehin’ireo avy ao amin’ny MPEB ka ny tanjona dia ny fanomezana vahana ireo fomba famokarana mahomby hoan’ireo mpamokatra mba haharitra amin’ny alalan’ny politika sy fandaharanasa mifototra ara-tsiansa, ny fikarohana vaovao ara-teknika sy ny fampiroboroboana ireo sehatra tsy miankina. Tanterahana ny faha 27 Novambra hatramin’ny faha 02 Desambra 2023 ao Dakar, Sénégal ny atrikasa. Marihana moa fa ny FAO – FMM/GLO/180/MUL no mamatsy vola ity tetikasa ity.
  • Distrika Soalala, Faritra Boeny
    Fitsidihan’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy fanomezana fitaovana maro hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono
      Tonga eto amin’ny Distrikan’i Soalala Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert androany 27 Novambra 2023, hanatrika ny hetsika entina hanohanana ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fizarana ireo fitaovana maro entina manatsara ny asa fiveloman’izy ireo. Sambany no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono eto Soalala izay miisa manodidina ny 300 eo ka faly sy ravo ary vonona ny hifampitafa mivantana aminy hihainoana ny hetahetan’izy ireo. Efa ela no niandrasan’ireto mpanjono ireto ny Minisitra mpiahy azy ireo ka tonga ny fotoana androany izay nihaonana mivantana taminy ary nentina nanampiana azy ireo. Nisitraka fitaovana hisorohana ny loza an-dranomasina izy ireo izay ahitana salotra vonjy aina miisa 70, eo koa ireo fitaovana hanantaterahana ny asa toy ny harato sy ny kojakoja miaraka aminy miisa 50. Tonga nanatrika ny hetsika ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny ao an-toerana. Mbola ho avy hoy ny Minisitra ny fitaovana hafa ankoatra ireo fa savaranonando ity atao anio ity.
  • Farihin’i Mantasoa, Kaominina Mantasoa, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga
    Fandrotsahana zanatrondro Tilapia
      Mitohy hatrany ny hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny Jono amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro, hoan’ny androany dia tao amin’ny farihin’i Mantasoa no nanaovana izany ka zanatrondro Tilapia miisa 40.000 no narotsaka izay tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono. Marihana fa anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ity farihy ity satria dia midadasika tokoa, manana velarana 2.000ha ary tsy voajanahary fa asa-tanan’olombelona, etsy andanin’izany dia maro ny mpanjono mivondrona anaty fikambanana samihafa no mivelona amin’io farihy io. Tanjona ny hitantanana maharitra ary hamerenana ireo harena ao anatin’io farihy io mba ho tombotsoan’ny rehetra indrindra fa ny mpanjono satria tsapa fa efa mihena ny vokatra. Nandritra izany dia nisy hatrany ny fanentanana nataon’Atoa Minisitra ireo mpanjono mba tsy hampiasa ireny harato kely maso tsy manara-penitra ireny ary koa nanamafisana fa mbola ao anaty vanim-potoana fikatonan’ny taom-panjonoana ny farihin’i Mantasoa ka ilaina ny fanarahan-dalàna rehetra. Nisy ihany koa ny fandoroana ireo harato kely maso tratra nandritra ny fisavana natao. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera nanatontosa izany. Marihana fa izao no tanteraka dia nohon’ny tantsoroka avy amin’ny orinasa Acipencer.
  • Ampandrianomby, Antananarivo
    Fizarana fahalalana nataon’Atoa Peter Bouckaert
      Nifampitafa niaraka tamin’ireo mpiasa eto anivon’ny MPEB, Atoa Peter Bouckaert, mpanamahay ao anatin’ny « Cabinet shadow » ny faha 23 Novambra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga. Nizara ny traikefa mahakasika ny fampamokarana ny atirano, ny fanangonam-bokatrin’ny jono sy ny fanodinana izany ary ny fomba fanangonana tahirin-kevitra maripototra izay ataon’ny Blue Ventures miaraka amin’ireo mpanjono madinika any amin’ny firenena Afrikanina Andrefana toy Senegaly ary ny firenena Asiatika toy ny Filipinina. Nambarany ihany koa fa tokony hisy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpanjono madinika avy amin’ireo firenena vahiny ireo sy ny avy eto Madagasikara mba ho fampandrosoana ny Jono ary ny mba hampaharitra ireo harena anaty rano amin’ny alalan’ny fitantanana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny faritra arovana an-dranomasina.
  • Mombasa, Kenya
    Atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine)
      Tanterahina eto amin’ny Bahari Beach, Mombasa, ny 20-25 Novambra 2023, ny atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine), vatsian’ny « Nairobi Convention Secretariat » sy ny « United Nations Environment Programme » vola. Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hampahafantarana ny mpiantsehatra rehetra ny Paikady iombonana aty amin’ny faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana (WIO) ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina, handrindra ireo drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra ary hifampizara traikefa amin’io lafiny io. Iriana araka izany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo teknisiana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hampandroso ireo tetikasa mifandray amin’ny drafi-panajariana sy fanatanterahana izany any amin’ireo firenena samihafa. Firenena valo no mandray anjara amin’izany : Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzania, Kenya, Seychelles, Maurice, Comores ary i Madagasikara.
  • Manarintsoa, Kaominina Ambatomirahavavy, Faritra Analamanga
    Fihaonana handrindrana ny fitantanana rano ao LOZORO
      Ho fandaminana sy ho fandravononana amin’ny hitantanana ny Farihin’i LOZORO ao amin’ny Kaominina Ambatomirahavavy dia nisy ny fihaonan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’izy ireo ny 23 Novambra 2023. Mahatratra 60Ha ny velaran’ny Farihin’i LOZORO ary mpanjono maro no mivelona amin’izany ka ho fandaminana sy fandrindrana ireo mpanjono ireo dia natao izao fihaonana izao mba ho fitantanana maharitra ireo harena ao anatin’izany Farihy izany. Fehi-kevitra miisa telo no nivoaka tamin’izany: – Ny fikatonan’ny rano tsy miova 15 Oktobra hatramin’ny 15 Desambra. – Ny fanaraha-maso dia andraikitry ny DRPEB Analamanga sy ny manam-pahefana manodidina ny rano. – Ny DRPEB Analamanga no manao ny naoty fahampafantarana ny fikatonana sy fisokafan’ny rano. Marihana fa Farihy iraisan’Analamanga sy Itasy ity Farihy LOZORO ity ka voakasika tamin’izany fihaonana izany ireo fikambanan’ny mpiompy trondro avy ao Alakamisy Fenoarivo sy ny FFV Ambatomirahavavy. Nanotrona an’Atoa Minisitra tamin’ity fihaonana ity ny Talean’ny CSP, ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Fenoarivo sy Ambatomirahavavy, ny DRPEB Analamanga sy Itasy ary ireo manam-pahefana eny ifotony.
  • Toamasina, Faritra Atsinanana
    Atrikasa fanampariahana ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga
      Araky ny efa nambara teo aloha dia notanterahana ao Toamasina, renivohitran’ny Faritra Atsinanana, anio 22 Novambra 2023, ny atrikasa fanampariahana ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga izay lalana tsy maintsy handalovana raha hiditra amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Marihana fa efa 20% n’ny Firenena manerana izao tontolo izao no efa nahavita ny paikadin’ny Toekarena Manga ka anisan’izany i Madagasikara. Anisan’ny nosafidina manokana ny Faritra Atsinanana hanombohana izao hetsika izao noho ity Faritra ity manana tanjaka ara-toekarena mahakasika ny Toekarena Manga toy ny fananany Ranomasina sy farihy ary renirano maro toy ny « Canal des Pangalanes », indrindra fa ny seranan-tsambo lehibe ary ihany koa toerana fizahantany sy ny harena an-kibon’ny tany. Tsy adino ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Raha tsiahivina ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga dia mikendry ny hanovana ny fomba fitantanan’i Madagasikara ny ranomasina amin’ny ankapobeany, miala amin’ny fitrandrahana tsotra ho amin’ny fampiasana maharitra. Amin’ireo lohahevitra voarakitra ao amin’ny paikady, ny teboka lehibe dia hifantoka manokana amin’ny: 🔸Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina. 🔸Famporisihana ny jono maharitra sy ny fiompiana trondro. 🔸Fampiroboroboana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana. 🔸Fanamorana ny fikarohana sy ny fanavaozana ny siansa an-dranomasina. 🔸Fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin’ny hetsika fiarovana sy toekarena. Niompana tamin’ny fanazavana sy ny famelabelarana ny antotan-kevitra mahakasika ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga efa voarakitra sy nankatoavin’ny rehetra narahana fanontaniana sy fanamarihana ity atrikasa ity tamin’ny ankapobeany. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy sy nanatrika izao atrikasa izao ny Lehiben’ny Prefektiora notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra. Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity avokoa ireo sehatra miankina na tsy miankina voakasika amin’izany. Marihana fa ny tetikasa ARCEB vatsian’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana (BAD) vola no angady nananana sy vy nahitana ny famolavolana ity paikady nasionalin’ny Toekarena Manga ity sy izao atrikasa izao.
  • Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
    Atrikasa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny avy amin’ny MPEB-MINAE-MEDD entina handrindrana ny sehatry ny « Agriculture » hanomezan-danja ireo zava-manana aina eto Madagasikara
      Miankina betsaka amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono ary ny resaka Tontolo iainana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ary anisan’ny mampalaza azy ihany koa ny fananany ireo zava-manana aina isan-karazany. Misy arak’izany ny atrikasa izay tanterahana eto Antsirabe mandritra ny 4 andro entina hifanakalozan-kevitra sy traikefa eo amin’ireo Ministera telo lehibe tafiditra ao anatin’izany rafitra izany dia ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB ), ny Ministeran’ny Fambolena sy fiompiana (MINAE) ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ( MEDD). Tonga nanatrika izany ireo solotena isan-tsokajiny avy amin’ireo Ministera telo lehibe. Hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia anisany nanatrika izany ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, ny DRPEB Vakinankaratra … Tanjona hatrany ny hanamafisana ny fahalalana mahakasika ny vaovao sy atontan-taratasy manan-danja rehetra ahafahana mamantatra bebe kokoa ny resaka fitantanana sy ny fandrindrana ny sehatry ny « Agriculture » mifandray amin’ireo zava-manana aina rehetra misy eto Madagasikara.
  • Zanzibar
    Atrikasa fiofanana mahakasika ny fametrahana ny drafi-panajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine)
      Mitohy mandritra ity herinandro ity eto Zanzibar ny atrikasa fiofanana mahakasika ny fametrahana ny drafi-panajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine) izay iarahan’ny WIOMSA sy ny SWAM misalahy izay vatsian’ny Sida vola. Ity fiofanana ity dia natao indrindra hanatsarana ny fomba hoentina mitantana ny fari-dranomasina aty andrefan’ny ranomasim-be indiana (WIO region) ka andraisan’ny firenena maromaro anjara : Somalie, Kenya, Tanzanie, Mozambique, Madagascar, Komoro ary i Maurice. Anisan’ny andrasana amin’ny mpiofana ny fanamafisana sy ny fanohizana ny asa mifandray amin’ny fanajariana hisian’ny fandrindrana eo amin’ny fari-dranomasina eto Madagasikara iarahana amin’ireo mpiantsehatra rehetra eto an-toerana ary koa ny fanatsarana ny lafiny serasera sy fampahafanarana momba ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.
  • Andadoany, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
    Fitsidihana ny Seranan-tsambo « le vieux port »
      Ny seranan-tsambo sy ny Fitaterana an-dranomasina dia singa iray lehibe izay hita amin’ny Toekarena Manga. Miisa 17 eo ho eo ireo Seranan-tsambo salantsalany (interêt national) eto Madagasikara ary iray amin’izy ireo ity hita eto Andadoany ity. Taorian’ny fahavitan’ny Seranan-tsambo Ehoala izay lehibe (interêt régional) dia tsy heno firy ity « vieux port » ity. Ny taona 2018 – 2019 no nisy sambo mpitatitra entana antonony na manao « cabotage » mampitohy an’i Toamasina sy Taolagnaro. Mitatitra olona sy ireo entana toy ny fiarakodia, vary, siramamy, fitaovana fanamboarana trano, simenitra sy ny maro samihafa. Manala-pahasahiranana ny sambo manao « cabotage » (beachers) izay saika afaka mihantsona amin’ny toerana rehetra satria mora ny saran-dalana sy ny saran’ny fandefasana entana. Ankehitriny dia efa tafakatra 12 ireo sambo manao « cabotage » mampitohy an’i Toamasina sy Taolagnaro ary Toliara. Mihamaro hatrany ireo mpampiasa azy ary tafiditra ao ny « Brasserie Star », ny PAM sy ireo Mpandraharaha maro aty atsimo. Mampihena ny fahasimban’ny lalana ny fampiasana sambo ary mamorona asa maro ho an’ny Tanora. Marihina fa 80% ny entana mivezivezy eto an-tany dia mandalo ranomasina avokoa. Ny APMF na ny « Agence Portuaire Maritime et Fluvial » no mitantana ireo seranan-tsambo ireo eto Madagasikara.  
  • Suisse, Genève
    Participation de Madagascar à la réunion de préparation de la 13ème Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche
      Les deux derniers jours (le 09 et le 10 novembre 2023) marquant la Réunion de préparation de la 13ème Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche ont été marqués par des séries de réunions des membres avec des thèmes bien spécifiques. Durant la journée du 09 novembre 2023, une séance de travail des membres a été axée à l’approfondissement suivie d’une discussion relative à une éventuelle fusion des articles A.1.1 et A.1.2. Tandis que pendant la dernière journée (10 novembre 2023) de la réunion, les participants se sont penchés aux différentes dispositions proposées issus des résultats des travaux de groupe relatif au projet de l’Accord sur les subventions à la pêche. En résumé, cette réunion de préparation de la CM13 a vu participation de tous les membres avec une enthousiasme et un dynamisme très remarqué. Des idées riches, innovantes et fructueuses ont vu le jour. Cependant, beaucoup reste à faire quant à l’atteinte des objectifs de cet Accord. On a constaté ainsi quelques divergences de points de vue concernant les Articles A.1.1 et A.1.2, de même pour les dispositions sur le TSD. Toutefois, le Président du GNR reste confiant et très optimiste sur la suite vu la volonté et l’enthousiasme de tous les participants. Entre autres, des discussions vont se poursuivre jusqu’à la tenue de la semaine de pêche qui sera prévue en mois de décembre prochain.  
  • Amboanato, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
    Fitsidihana ny Orinasa SOIEXT
      Ny taona 2014 no niasa farany ity Orinasa mpanondrana vokatra an-dranomasina ity eto Taolagnaro. Roa volana lasa izay no nisy ny fifampiresahana teo amin’Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ny tompon’ny Orinasa ny tokony hamerenena indray ity farany mba hamorona asa no sady ho afaka hividy vokatra eto an-toerana. Vokatra oratsimba na « langouste » no tena aondrana avy eto ary hiitatra amin’ny trondro, angisy na « calmar » ary drakaka ihany koa. Mahazaka vokatra hatramin’ny 30 taonina ity toerana ity ary mampiasa olona hatramin’ny 50 any ho any. Raha tsiahivina dia volana maromaro lasa izay no nisy olana resaka Oratsimba izay tsy ampy ny mpandray vokatra. Isan’ny vahaolana hita ny famerenana ity Orinasa ity ka manampy amin’ny ara-teknika ny Minisitera. Hanondrana vokatra mankany Eropa sy Asia ity Orinasa ity izay Malagasy no Tompony. Nampitain’Atoa Minisitra avokoa ireo fanatsarana rehetra izay ilaina hatao mialohan’ny « visite d’agrément » hataon’ny « Autorité Sanitaire Halieutique » na ASH izay efa nanome ny fankatoavana momba ny « Plan d’Usine » izay tanterahina ankehitriny.  
  • Nairobi, Repoblikan’i Kenya
      Notanterahana ny 06 ka hatramin’ny faha-10 novambra teo ny fihaonana teo amin’ireo firenena afrikanina izay handinihana ny mikasika ny fandotoana amin’ny alalan’ny plastika avy amin’ireo sehatr’asa jono sy ny fitanteranana an-dranomasina ao anatin’ny fampiroborobona any toekarena manga. Ny fanjakana norveziana no mamatsy vola an’ilay tetik’asa Glolitter Partnerships ary ny IMO sy ny FAO no manao tantsoroka ireo firenena voafantina amin’izany tetik’asa izany. Ny tanjona amin’izany dia ny hifampizarana ireo traikefa sy zava-misy aty amin’ny firenena afrikana ary ny hitadiavanana ny paik’ady iombonana sy famatsiam-bola maharitra amin’ny ady atao amin’izany fandotoana plastika izany. I Madagasikara🇲🇬 dia isan’ireo firenena efatra (04) mpitarika aty Afrika amin’io tetikasa io. Ny paik’ady hoentina amin’izany dia fifampiresahana sy ny fifanantonana eo amin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fampiasana plastika amin’ny sehatr’asa hataony, ka ilay Komity marolafy ho fandrindrana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina no isan’ny vovonana hiresahana io olana io. Hamafisina ihany koa ny fampahafantarana ny vahoaka sy ny mpisehatra ny amin’ny loza ateraky ny fandotoana plastika ary ny fametrahana ny fotodrafitr’asa amin’ny fanangonana, fanasokajina ary fikirakirana ireo loto ireo indrindra eny amin’ny seranan-tsambo. Nisolo-tena an’ I Madagasikara tamin’ity fikaonandoha ity ny avy ao amin’ny Ministera Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy avy ao amin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial (APMF).    
  • Moroni, Comores
    Atelier d’échange sur la cogestion des ressources halieutiques et ressources naturelles
      Un atelier d’échange entre les gestionnaires en charge des ressources halieutiques et la protection des espaces marin et côtier s’est tenu à Moroni, Comores les 08 et 09 novembre 2023. Il a vu la participation des délégués du Sénégal, des Comores et de Madagascar à travers le représentant de la Direction de la Pêche du MPEB et du Blue Ventures. Les discussions se sont focalisées sur la cogestion des ressources naturelles et des ressources halieutiques dont sur les Plans d’Aménagement des Pêcheries (PAP), le Transfert de Gestion des Ressources Halieutiques (TGRH) et les Aires Marines Protégées (AMP). L’atelier a permis de partager les expériences de chaque pays notamment sur la collaboration entre les communautés, les ONG, et l’administration en charge de la pêche, l’importance d’une sécurisation juridique de la cogestion des pêches et le renforcement de capacité des acteurs sur la cogestion. La mission a été rendue possible grâce à la coopération avec l’ONG BLUE VENTURES.
  • Baolong, Alasora ByPass, Antananarivo
    Fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA andiany faharoa
      Taorian’ny fahombiazan’ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA niarahana tamin’ny Orinasa Sopromer ny volana Aogositra lasa teo dia mitohy hatrany ity hetsika ara-tsosialy ity ka ny Orinasa Somapeche tamin’ny alalan’ny « Poissonnerie Baolong » indray no nandray izany taorian’ny fifanaovan-tsonia niarahana tamin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Notanterahana androany 10 Novambra 2023 ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA andiany faharoa fiaraha-miasa tamin’ny Orinasa Somapeche sy ny « Poissonnerie Baolong » teny Alasota Bypass. Karaza-trondro « Tout venant » no amidy amin’ny sarany 4000 Ariary/Kg mandritra izao FIA MORA izao raha toa ka jifaina amin’ny vidiny 8000 Ariary/Kg izany ankehitriny. Toeram-pivarotan’ny Orinasa Baolong miisa 02 eto Antananarivo Renivohitra dia ny ao Alasora Bypass sy ny any 67ha no hafahana manjifa izany ka manomboka 1/4Kg na 1000 Ariary dia afaka misitraka izany. Toy ny teo aloha dia hana-petra ihany ity tolotra ity ka ao anatin’ny 02 volana no hafahana manjifa izany ary trondro maherin’ny 04 Taonina no atolotrin’ny Orinasa Somapeche amin’izany. Hoferana 2Kg isan’olona ihany koa no anjara afaka jifain’ny tsirairay mba hafahan’ny vahoaka rehetra misitraka izany. Tanjon’ny Ministera moa ny hampiakatra ny tahan’ny fihinanan’ny Vahoaka Malagasy trondro izay tsapa fa mbola ambany nefa mahasalama sady mitondra otrikaina avo 07 heny manoloana ny fihinana hena izay mbola nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano nandritra ny fandraisam-pitenenany. Tonga nanainga tamin’ny fomba ofisialy ity drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA ity teny an-toerana ny solontenan’ny Ministera notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny solontena avy ao amin’ny Orinasa Somapeche sy ny « Poissonnerie Baolong » ary ny solontenan’ny Ben’ny Tananan’Alasora. Samy nanamafy moa ireo nandray fitenenana fa fitsinjovana manokana ny Vahoaka izao hetsika izao. Hetsika fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana. Noho izany indrindra dia mbola miantso ireo orinasa tsy miankina hafa ny Ministera hiara-hisalahy hanohizana hatrany ity drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA ity.  
  • Port Ehoala, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
    Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny sambo haingam-pandeha Atsantsa III
      Ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana na « pêche Illégale, non déclarée et non réglementée (Pêche INN) » eto Madagasikara dia tafakatra ho 23 ankehitriny ireo sambo ampiasain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga raha toa ka mbola 02 monja izany 3 taona lasa izay. Marihana fa hampiasana amin’ny famonjena aina na « sauvetage en mer » ihany koa ireo sambo ireo. I Madagasikara hatreto no fantatra fa mitazona ny lohalaharana aty amin’ny Faritry SADC raha mbola ezaka momba ny ady amin’ny « Pêche INN » ity no asian-teny. Aorian’ny Nosy Be, Mahajanga, Maintirano, Morondava, Toliara, Beloha Androy, Farafangana, Mananjary, Toamasina, Maroantsetra dia i Taolagnaro indray izao no nahazo ny anjarany ary sambo roa avy hatrany (Atsantsa III sy Sihely). Azo ampiasana amin’ny fikarohana ihany koa ireo sambo ireo. Mampiasa ireo Sambo ireo avokoa ny « Centre de surveillance des pêches » na CSP, ny « Marine Nationale », ny Zandarimariam-pirenena, ny APMF sy ireo Mpikaroka miasa an-dranomasina rehetra. Tonga eto Taolagnaro androany Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy Son Excellence Atoa Abbe Koji, Masoivohon’ny Governemanta Japoney eto Madagasikara. Natolotra ara-pomba ofisialy araka izany ilay sambo Atsantsa III izay iray amin’ireo sambo 5 fanomezana avy amin’ny Governemanta Japoney. Mbola hiampy 02 ireo sambo 05 ireo ato ho ato.    
  • Suisse, Genève
    Participation à la réunion de préparation de la 13ème Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche au siège de l’OMC
      Durant sa 3ème journée de réunion de préparation du CM13 en date du 08 novembre 2023 dernier, l’ordre du jour a été orienté à une séance plénière des pays membres dont l’objectif de cette séance consiste à une réflexion relative à l’Article B de la proposition de l’Accord de la OMC sur les subventions à la pêche. Cette séance plénière sous l’égide du Président du GNR, SEM l’Ambassadeur Einar Gunnarsson a vu la participation de tous les représentants des pays membres dont Madagascar par le biais de Mr le DRPEB de la Région de l’Anôsy. A titre d’information, l’article B prévoit un traitement spécial et différencié (TSD) au titre de l’article A.1 (Subventions contribuant à la surcapacité et à la surpêche) pour les pays les moins avancés (PMA) Membres dont Madagascar fait partie. Plus particulièrement, il focalise son effort sur : 🔸 l’exemption pour les PMA Membres de la prohibition énoncée à l’article A.1., 🔸 la nouvelle période de transition une fois qu’un PMA Membre est sorti de la catégorie des PMA, 🔸 une certaine modération lorsqu’ils soulèvent des questions concernant un PMA Membre, et à examiner des solutions en prenant en considération la situation spécifique du PMA Membre concerné, le cas échéant. Durant cette séance, il a été constaté que le Groupe Africain a porté sa voie et défendu l’intérêt général et l’avenir du secteur pêche en Afrique.  
  • Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
    Fifanaovan-tsonia finaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny WWF
      Ho fanohizana ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanankalozana sy ny fanangonana ireo antontan’isa marina miainga avy eny ifotony mahakasika ny Jono madinika eto Madagasikara, dia nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministera sy ny WWF ny 07 Novambra 2023. Fifanaovan-tsonia izay nisoloan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera TILAHY Desiré sy Talean’ny WWF Madagasikara Nanie Ratsifandrihamanana, izay notanterahina teny Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo mpiara-miasa aminy. Hetsika tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono madinika. Ity moa ny fifanaraham-piaraha-miasa faha 28 notanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga hatramin’izay nitsanganany ho Ministera izay.  
  • Suisse, Genève
    Réunion de préparation de la 13ème Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche
      Le Groupe de négociations sur les règles de l’Organisation Mondiale du Commerce (OMC) organise deux séries de réunions sur les subventions à la pêche dont la première se déroulera du 06 au 10 Novembre 2023 en son siège au Genève, Suisse. Des réunions techniques qui entrent dans le cadre de la préparation de la treizième Conférence Ministérielle (CM13) sur les subventions à la Pêche qui sera prévue en Février 2024 dont Madagascar fera partie des participants durant cette conférence CM13. A titre d’information, ces réunions ont pour objectif : de discuter les nouvelles disciplines qui réduiront de manière significative les subventions qui contribueront à la surcapacité et à la surpêche en soulignant que le traitement spécial et différencié reste une partie intégrante des négociations. Ainsi, la séance du 06 octobre 2023 a été marquée par l’ouverture officielle de cette réunion sous la conduite du Président du GNR, SEM l’Ambassadeur Einar Gunnarsson et en présence de tous les pays membres venant du monde entier dont Madagascar dont ce dernier a été représenté par Le Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue par le biais du Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue de la Région de l’Anôsy. Entre autres, durant ces 5 jours de réunions, plusieurs thématiques liés aux subventions à la pêche seront discutés.  
  • Ezanavo sy Erakoke, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainte, Distrika Ambovombe Androy, Faritra Androy
    Fizarana fitaovana hoan’ny Mpanjono
      Tanana izay isan’ny ahitana Mpanjono maro ny eto Erakoke, izay tsy lavitra ny Ezanavo. Samy mamatsy trondro an’Ambovombe avokoa ireo tanana ireo izay ahitana Mpanjono telo arivo eo ho eo. Matetika itrangan’ny loza an-dranomasina ireo toerana ireo nohon’ny toetrandro miharatsy izay mahatonga ny ranomasina hanonja be. Mpanjono am-polony izay no lasa tsy hita popoka tao anatin’ny 20 taona lasa araky ny filazan’ireo Olobe. Manoloana izany dia nisy ny fizarana « Kits de Securité en mer » miampy fitaoavana maro samihafa hanatsarana ny tontolon’ny asa fanjonoana. Nampiavaka ity hetsika ity ny fizarana jiro mandeha amin’ny masoandro izay sady manazava ireo tanan’ny Mpanjono no azo atao famantarana na « balises » rehefa mitody amin’ny alina. Nanatanteraka izao fidinana ifotony izao Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo mpiara-miasa aminy aty an-toerana. Hitohy amin’ny tananan’ireo Mpanjono maro aty Androy izao hetsika izao hanamafisana ny fisorohana ny loza an-dranomasina.  
  • Filan-kevitry ny Ministra
    Fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana hiarahana amin’ny orinasa ANABAC sy ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES
      Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Ministra omaly 08 Novambra 2023 ny fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana lamatra (thons) ataon’ny orinasa ANABAC sy ny fanjonoana ataon’ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Tsara ny manamarika fa fifanarahana fanavaozana izao natao izao ka raha hoan’ny orinasa ANABAC dia mikasa ny hampiasa sambo mpanjono miisa 07 lehibe ity orinasa ity sy sambo lehibe 01 fanampiny (07 Senneurs et 01 navire d’appui) izay hanjono karazana trondro lamatra. Mampiasa tantsambo Malagasy miisa 23 ary ny fifanarahana izay ifanaovany amin’ny Ministera dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2021 tamin’ny 29 Desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidin’i Madagasikara mitentina 7 715 220 000 Ariary / taona. Hoan’ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES kosa dia mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 20 (20 petits palangriers moins de 100 GT) ary ny fifanarahana dia manaraka ny fifanarahana lasitra izay mampiditra ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fizohiana sy ny fampiasana ny marika vaovao araka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2021 tamin’ny 29 Desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidin’i Madagasikara mitentina 1 019 160 000 Ariary / taona. Izao fanavaozana fifanarahana izao dia hanan-kery ary haharitra 02 taona. Raha atambatra ny fitambaran’ny vola ampidirin’ireto orinasa 02 ireto ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana dia mitentina 8 734 380 000 Ariary / taona. Marihana moa fa mirotsaka tanteraka any amin’ny tahirim-bolam-panjakana eo ambany fitantanan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ireo vola rehetra ireo.
  • Antanimora Centre, Kaominina Ambanivohitra Antanimora, Distrikan’Ambovombe Androy, Faritra Androy
    Fitsidihana ny toeram-pambolena ahidrano « Spiruline »
      Ny « Spiruline » dia fanampi-tsakafo izay efa nampiasain’ny zanakolombelona aman’arivo taona lasa izay, indrindra tao Mexique. Zavatra mahasalama ary mandrindra tsara ny tosi-drà ny ahidrano ary tokony ho sakafoanan’ny rehetra isan’andro. Fiaraha-miasa niarahana amin’ny « Organisation Internationale du Travail » na OIT sy ny « ONG Aquatic Service » ny nametrahana ity toerana ity eto Antanimora Atsimo izay natao andrana mialohan’ny hanaparitahana azy aty atsimo hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo. Tonga nitsidika ity toerana fambolena « Spiruline » ity eto Antanimora Atsimo Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa aminy ary nanome ireo toromarika maro samihafa ny amin’ny hanatsarana azy. Mahavelom-bolo ny zava-misy eto ary haparitaka tsy ho ela manerana ny Faritra Atsimo rehetra hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo.  
  • Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana
    Fampiofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana samihafa ao anatin’ny « Complexe de pêche »
      Natomboka avy hatrany ny fampiofanana ireo mpitarika ao anaty Koperativa hitantana ny « Complexe de pêche » ao Farafangana ny faha 29 Oktobra 2023. « Congélateurs » miisa dimy , « Machine à glace » iray ary « Chambre à froide » miisa roa, afaka mitahiry vokatra 10m3 isany avy no hita ao anatin’ity « Complexe de pêche » vao vita ao Farafangana ity. Fitaovana mandeha tanteraka avy amin’ny angovo vokarin’ny herin’ny masoandro. Ny ekipa avy ao amin’ny orinasa SELF no nampiofana mahakasika ny fikojakojana sy fampiasana ireo milina mahakasika ny famokarana hatsiaka ary ny orinasa MAJINCO no nampahafantatra mahakasika ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay mampihodina ity toerana ity. Marihana fa afaka mamokatra « glace » ara-dalana ity toerana ity ary hita fa tafidina hatrany amin’ny -18°C ny hatsiaka ao amin’ny « Chambre froide ». Velom-bolo sy velom-pisaorana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny fitondram-panjakana ny solotenan’ny Koperativa ka nanome toky fa hitandrina sy hanaja ireo fitaovana natolotra azy ireo.  
  • Fkt Tanambao, Kaomina Andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
    Fanolorona foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia »
      Vita soa aman-tsara ilay foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia » eto Ihosy izay ahitana toerana ivarotana trondro manara-penitra misy rano (forage sy Château d’Eau) sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Marihana fa Ihosy dia malaza amin’ny resaka karpa ary nisy fotoana nantsoina hoe zazamena akory izany nohon’ny hangezana. Mandalo eto avokoa ny olona mihazo ny RN7 sy ny RN13 ary ny RN27 ka stratejika Ihosy. 700 taonina isan-taona ny trondro vokatra eto Ihorombe isan-taona ary tsy mitsahatra ny mitombo izany. Izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga nametraka ilay « Zone d’émergence piscicole » eto Ihosy ary mbola hametraka ihany koa « Chambre froide » ato ho ato. Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert ity foto-drafitrasa ity izay miantefa mivantana amin’ny Kaomina Ihosy ary hampiasan’ireo Fikambanan’ny Mpivarotra Fia eto Ihosy. Nanotrona azy tamin’izany ireo manam-pahefana aty ifotony.  
  • Toamasina I, Région Atsinanana
    Formation et échange des marins-pêcheurs (petite pêche et artisanale) sur les règles de la sécurité en mer, les techniques de navigation et surtout les techniques de pêche Eco-responsable
      Dans le cadre de la mise en œuvre de la Coopération Décentralisée Régions Normandie- Atsinanana, la DRPEB ATSINANANA en partenariat avec le Lycée Technique de Toamasina et le Lycée Maritime de Fecamp ; une formation et échange des marins- pêcheurs (petite pêche et artisanale) sur les règles de la sécurité en mer, les techniques de navigation et surtout les techniques de pêche Eco- responsable s’est tenue le 25 octobre 2023 à Toamasina I et se réalisera pendant une durée de deux semaines. La présente formation figure parmi l’une des activités clés inscrites dans le cadre de la mise en œuvre du PAP Atsinanana par la diversification des zones de pêche (au niveau de la mer territoriale) et une exploitation rationnelle, durable et équitable des ressources naturelles. Les bénéficiaires de cette foration sont constitués par 13 marins pêcheurs issus de Toamasina I, Toamasina II et de Brickaville. Du côté enseignement technique, des séances d’échanges vont permettre à l’élaboration du référentiel de formation pour une production d’autonomie d’énergie à bord et l’utilisation de matériels de navigation disponible localement et facile à approprier par les armateurs pêcheurs et les marins-pêcheurs. Il s’avère nécessaire de mentionner que cette formation entre dans le cadre de la formation des formateurs dont ces derniers pourront former à leur tour leurs confrères pour le développement de la pêche au niveau de la région avec un comportement responsable et citoyen.  
  • Fujian, Fuzhou, Chine
    « World Marine Equipment Conference”
      Tonga nandray anjara tamin’ny alalan’ny MPEB ny « World Marine Equipment Conference” notanterahana ny 12 hatramin’ny 15 Oktobra 2023 lasa teo tany Fujian, Fuzhou, Chine, i Madagasikara. Nitarika ny Delegasiona tany an-toerana Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera . Nizara telo ny fandaharam-potoana nandritra ny fivanianana ka nisy ny fanatrehana ny famelabelaran-kevitra, ny fampiratiana ary ny fitsidihana ireo orinasa mpanjono, ireo mpiompy trondro natao ho fahafinaretan’ny maso na ny « Poissons d’ornements », ireo mpanodina vokatra an-dranomasina ary ny toerana fampisehoana ny faritra mando izay misy ao amin’ny Distrika. Anisan’ny voasa niaraka tamin’ireo olo-manakaja maro nanatrika ity konferansa ity ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano, Atoa BEMANAJA Etienne nandritra ny andro voalohany nialohan’ny fivoriana. Nanomboka ny faha 12 Oktobra 2023 ny fanombohan’ny fivoriana ka niompana indrindra tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ireo fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana ampiasana eny an-dranomasina, ny resaka fitaterana an-dranomasina sy ny fivoarana misy eo amin’ny lafiny fitaovana, ny fiompiana an-dranomasina ary ireo fitaovana maro samihafa hampiasana amin’ny jono sy ny fampamokarana ny atirano. Ny faha 15 Oktobra 2023 kosa dia nisy ny fitsidihan’ny Delegasiona Malagasy ny orinasa Hongdong Fishery Co Ltd. Orinasa iray misehatra amin’ny jono indostrialy an-dranomasina mampiasa sambo miisa hatramin’ny 600. Ity orinasa ity dia anisan’ny miara-miasa amin’ny firenena maro maneran-tany toy ny any Mauritanie, Oman, ireo firenena any Amerika Atsimo sns… ary izy no anisan’ny orinasa lehibe indrindra ao Chine misehatra amin’ny jono an-dranomasina ara-indostrialy. Nifarana tamin’ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny roa tonta moa ny fitsidihina notontosaina teo anivon’ity orinasa lehibe ity. Nanamarika ny famaranana ny fitsidihina nataon’ny Delegasiona Malagasy tao Chine ny fizahana ny toeram-piompiana trondro natao ho fahafinaretan’ny maso tao Fuzhou. Toeram-piompiana trondro iray sady manatsara ny taranak’ilay hazandrano no manalehibe ihany koa. Izany dia ao anatin’ny dobo ivelan’ny tany miaraka amin’ny fanadiovana ny rano na « Bassins hors sols en circuit fermé ». Mahavelombolo ny fitsidihana sy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Konferansa lehibe toy izao ka hantenana fa ho fanoitra iray lehibe hampiroborobo ny sehatry ny jono sy ny fampamokarana ny atirano eto Madagasikara.  
  • Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
    Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’Atoa Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles Frédéric MUIA
      Nitsidika an’Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa Frédéric MUIA, Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles (Organisation Internationale du Travail), miasa eto Madagasikara anio faha 25 Oktobra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo. Noresahana nandritra ny fihaonana ny fampandrosoana ny Toekarena Manga eto Madagasikara toy ny fametrahana ny « Projet pilote Eco Langouste » any Taolagnaro mba hitantana maharitra ny vokatra Oratsimba eto amintsika ary koa mba ho rehareha sy fitaratra amin’ny firenena eto Afrika ihany koa isika. Teo ihany koa ny famoronana asa mendrika ho an’ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina mba hanenana ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny fiaraha-miasa mba hampiroboroana ny Toekarena Maintso sy Manga eo amin’ny fitadiavana lalam-barotra hanondranana ireo vokatra any ivelany.  
  • Faritra Anôsy
    Fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna
      Nanatanteraka iraka voalohany asa fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna tao amin’ny Faritra Anôsy, ny faha 23 sy ny 24 Oktobra 2023, ny sambo Atsantsa III niandraketan’ny CSP sy ny DRPEB Anôsy mivantana, notohanan’ny avy ao amin’ny « Marine Nationale » ao Anôsy notarihin-dRtoa Commandant. Tafiditra amin’ny fitsikilovana ny mety hofisian’ny fitrandrahana tangoaraka na « Corail noir » izao iraka izao ka Kaomina manamorona Ranomasina maromaro no nandalovana, tao anatin’izany ny Kaomina Analapatsy, Sarisambo, Tolagnaro, Mandromondromotra ary Mahatalaky. Tsy nahitana tsy fanarahan-dalàna hatreto ka tao anatin’izany no nanararaotana fitafana mivantana tamin’ny mpanjono teny andriaka sy tamin’ny tanana nolalovana nanaovana fanentanana maro samihafa, isan’izany ny mahakasika ny ICAM, fanaovana karatra maha-mpanjono, sns… Hatao matetika araka izay azo atao izao fanaraha-maso izao mba hitandroana hatrany ny fitrandrahana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny Faritra Anôsy.