Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Hotel Président, Séoul, Repoblikan’ny Korea Atsimo
Fivoriana an-tampon’ny fifanarahana hoan’ny Jono

Notanterahina ao Séoul, Korea Atsimo ny 01 ka hatramin’ny 05 Jolay 2024 izao fivoriana an- tampon’ny fifanarahana hoan’ny Jono ao atsimon’ny ranomasimbe Indiana (Accord de Pêche de l’Océan Indien na APSOI/ SIOFA).
 Anisan’ny mandray anjara feno amin’izany i Madagasikara, amin’ny maha- mpanaramaso ka ny Talem- paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao Antsinanana no nisolo tena azy.
 Lahadinika maro no dinihina amin’izany ka anisan’izany:
Ny fitantanana maharitra ny Jono ao amin’ny faritra atsimon’nyy ranomasimbe Indiana.
-Ny famantarana ireo tahirin’hazandrano sy ireo fitaovana ampiasaina amin’ny faritra lalina (Eau profonde).
Ny ady amin’ny jono tsy ara- dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin- dalàna.
-Ny fiaraha- miasa amin’ireo vondrom- pitantanana jono hafa izay misy toa ny DOALOS, CTOI etsy akilany.
-Eo koa ny fankatoavana ireo asa izay vita tamin’ny taona lasa.
Firenena maro no mandray anjara amin’izany izay ahitana an’i Australia, Chine, Taipei Chinois, Thaïlande, Union Européenne, France, Japon, Corée du Sud, Maurice, Seychelles, Mozambique, Comores, Îles Cook.