Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Nanisana-Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fiofanan’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTI

Tanterahina mandritra ny 03 hatramin’ny 05 Jolay eny Nanisana-Antananarivo ny fiofanana ho an’ireo Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ao amin’ny FiTI. Tanjona ny hampiharana ireo tolo-kevitra voalaza tao anatin’ny tatitra voalohan’ny FiTI Madagasikara ny taona 2022 sy hanatsarana hatrany ny fangaraharan’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga eto Madagasikara.
 Ireo mpanamahay avy any amin’ny FiTI iraisam-pirenena no manome ny fiofanana ho an’ireto Mpikambana eo anivon’ny Vondrona Marolafy Nasionaly ireto izay sady hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiharana izany tolo-kevitra izany eto Madagasikara.Mandray anjara amin’izao fiofanana izao ireo teknisianin’ny Ministera sy ireo rehetra namolavola ny tatitry ny FiTI 2022 miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo Mpiara-miombon’atoka amin’ny Ministera.