Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mahavatse, Toliara I, Faritra Atsimo Andrefana
Fanolorana ny sambo Atsantsa II

Ny ezaka atao momban’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna dia manerana ny Nosy. Ny taona 2022 no naterina tao Toliara ny sambo haingam-pandeha ARGOS 710 Antendromaso II izay manana tanjaka 160CV.
 Ankehitriny dia nampiana ity sambo haingam-pandeha YAMAHA M12 900CV nomena ny anarana hoe « Atsantsa II » no natolotra amin’ny fomba ofisialy androany izay ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Atoa Paubert Mahatante no nisolotena ny Governemanta, notronin’ireo manam-pahefana tany an-toerana notarihin’ny Prefet an’i Toliara.
Marihina fa ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay miara-miasa amin’ny « Marine Nationale » na ny Tafika an-dranomasina no hitondra ity sambo ity miaraka amin’ny APMF, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena izay tonga nanatrika izao lanonana izao. Tonga teto ihany koa ny firaisamonim-pirenena, ny Oniversiten’i Toliara ary ny IHSM.