Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Toby miaramila Antanimeva , Faritra Atsimo andrefana
Fiompiana trondro : Sady asa no fialamboly

Ankoatry ny sehatr’asa izay ataon’ireo ao amin’ny toby miaramila Dia Vonona ny hiditra amin’ny asa fiompiana trondro ihany koa izy ireo. Ahitana dobo trondro miisa 16 ao ity toerana ity izay afaka mamokatra trondro indroa isan-taona Rehefa vita ny fanajariana Sy ny fanadiovana rehetra, mamokatra trondro manodidina ny 12t ka hatrany amin’ny 25 taonina ihany koa ny vokatra hivoaka ao an-toerana.
Mety tsara ny hiompiana trondro ao an-toerana noho izy ahitana loharano tsy mety ritra no ahafahana ihany koa mamboly tsako isan-karazany hatao sakafon-trondro. Izany rehetra izany no atao Dia ahafahana hatrany miady amin’ny tsy fanjariantsakafo. Afaka manome asa mivantana ihany koa ho an’ireo tanora amam-behivavy ao an-toerana .
Nitsidika izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny 9 mai 2024 izay nanome ny toromarika rehetra ahafahana mamelona ireo Dobo ireo.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru