AMBOSITRA, Faritra Amoron’i Mania
Fivoriambe fanao isan-taona ny Vondrona FIFATAM na ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha Amoron’i Mania
Notanterahina ny 24 Jona 2025 ny fivoriambe fanao isan-taona ny Vondrona FIFATAM na ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha Amoron’i Mania.
Ny lahadinika tamin’izany ny jery todika ny ho fanatsarana ny ho avy de teo iany koa ny fandrafetana ny drafitra ho entina miasa indray.
Nisy ihany koa ny fifidianana ny mambra ny filankevim-pitantanana eo amin’ny Faritra Amoron’i Mania izay misy isaky ny Distrika 4 dia Ambositra, Fandriana, Manandriana ary Ambatofinandrahana.
Ny FIFATAM moa dia ivondronan’ny tantsaha mpamokatra izay misehatra amin’ny seha-pihariana Fambolena, Fiompiana ary ny Jono ary efa misy mpikambana maro dia maro.
Ny solotenam-panjakana izay notarihany SG ny Faritra moa dia namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ka anisan’izany ny DRPEB Amoron’i Mania.