Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

AMPA Nanisana, Antananarivo Madagasikara:
Fivoriana faharoa iarahana amin’ny vaomiera iombonana (#Commission_mixte) Sy ny Vondrona Eoropeanina (#UE) mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (#Appui_sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (#Accord_de_pêche) . 2023 – 2027

Notanterahina Anio 9 Janoary ny Fivoriana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny « appui sectoriel » araka ny fifanarahana ara-jono izay niarahan’ny teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert Sy ireo solotenan’ny firaisamonim-pirenena Ary ny solotenan’ny Vondrona Eropeanina .
Anisan’ny teboka noresahina nandritra ny andro Voalohany ny : fampiharana ny fepetra ankapoben’ny fifanarahana , fampiharana ny fepetra amin’ny « Protocole relatives à la flotte de l’Union Ary « Programmation de l’appui sectoriel ».
Marihina fa miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny :
  • Jono (Pêche),
  • Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture),
  • Fiantohana ara-pahasalamana (Sécurité Sanitaire),
  • Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches),
  • Fitantanana (Gouvernance).
Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru