Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga
Tatitra ny mahakasika fitrandrahana sy ny fanondranana Drakaka « Congelé » (Scylla Serrata) 2025.
Ho fanatsarana ny fitrandrahana sy fanondranana Drakaka « congelé » dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny ekipan’ny MPEB izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo mpisehatra rehetra ny 30 Avrily 2025 teny Ampandrianomby. Tanjona arak’izany ny hangalana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra sy hitondrana tolo-kevitra ary fifampizarana ihany koa ho fampiroboroboana ity seha-pihariana ity.
Anisan’ireo Tolo-kevitra nivoitra nandritra ity fihaonana ity ny fanentanana ireo mpisehatra mba hijery ny fanatsarana azo atao mikasika ny vidin’ny vokatra eo amin’ny mpanagom-bokatra sy ny mpanjono, hampirisihina hatrany koa ny tahan’ny fihinanana Drakaka eto an-toerana, ary ny firosoana amin’ny fiompiana Drakaka na « crabiculture ».
Tsiahivina moa fa Vina lehibe ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny hitantanana maharitra ity harenan-dranomasina amin’ny alalan’ny fametrahana ireo paikady maro toy ny fanarenana ny ala honko na »restauration de mangrove » ny « engraissement de crabe ».