Antaravy, Fokontany Morafeno, Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana
Fanolorana fitaovam-panjonoana ho an’ny fikambanana MAHAVELONA avy amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga
Anisan’ny fitaovana natolotra ny lakana fibre de verre, motera 9,9 CV, sondeur kit feno, tady, harato, filao, tapis, émerillon, ary boaty ho an’ny fitaovana fanjonoana. Ankoatra izany, nisy koa kitapo fiarovana an-dranomasina 34 (gilets, radio, torche), akanjo enti-mijoboka 28, ary kitapo 27 (misy famantaranandro sns).
Nanolotra ireo fitaovana ireo ny Goverinoran’ny Faritra Diana, RAKOTOMANGA Taciano, miaraka amin’ny Prefet d’Antsiranana sy mpisolo tena ny Sefon’ny Distrika, TSIRINARY Jadhà Hermine, ary ny Talem-paritry ny Jono, RAHARIMALALA Sylvie. Nandritra ny kabary, nampahatsiahy ny tenin’ny Filoha Andry Rajoelina ny Goverinora hoe “tsy misy tanàna ho adino amin’ny fampandrosoana,” ary nanentana ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Nanamafy izany koa ny Prefet, nanantitrantitra ny fitahirizana ny harena an-dranomasina ho lovain-jafy. Ny Talem-paritra kosa nanentana ny fampiasana tsara ireo fitaovana sy ny fanangonana antontan’isa.
Voalohany teto Morafeno ny fitsidihan’ny Goverinora sy ny Prefet, ka nankasitrahan’ny vahoaka sy ny Be ny Tanàna. Naneho fisaorana tamin’ny fanjakana sy ny Minisitra, Atoa Remi, izay solontenan’ny Fikambanana nefa nangataka fitaovana fanampiny satria maro ny mpanjono.
#MPEB #DRPEB_Diana