Antsiranana, Faritra Diana
Ady amin’ny jono tsy ara-dalana
Tanterahana any Antsiranana, Faritra Diana ny 21 hatramin’ny 23 May 2025 ny atrikasa fampiofanana mikasika ny fampiasana « drône ». Tafiditra ao anatin’ny paikady fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy manara-dalana, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalana ity hetsika ity.
Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny WWF no nikarakara ny atrikasa. Tanjona ny hampahafantatra ny teknolojia vaovao amin’ny fanaraha-maso eny an-dranomasina. Eo koa ny hanamafisana ny fifehezana ny jono amin’ny fomba mahomby.
Nandray anjara ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono, ny Ivon-toerana mpanara-maso ny jono, ary ny FITSINJO.
Manam-pahaizana avy any ivelany no tonga nanome ny traikefa. Eo ny « GRID Arendal » avy any Norvezy sy « Distant Imagery Solution » avy any Dubai. Samy manam-pahaizana amin’ny famokarana sy ny fampiasana « drône » amin’ny tontolo an-dranomasina izy ireo.